Trinitera Malagasy
ALAROBIA I FIAVIANA

ALAROBIA I FIAVIANA

Njara Pascal Comments 0 Comment

Izaia 25, 6-10a / Sal 22 / Md Matio 15, 29-37

Resaka fanasana, sakafo mafilotra sy tsy lany laniana no toa miverimberina amin’ny Vakiteny anio. Mampahatsiaro ny sakafom-piombonana atao rehefa fety araka ny fomban’Israely izany: ny Eksody 24, 11 ohatra milaza ny sorom-pihavanana faranana amin’ny fiaraha-misakafo amin’ireo mihavana; Dt 16, 13-15 milaza fa tokony hanao fety satria namokatra ny tany; 1 Samoela 9, 13: mandidy ny olona tsy hihinana raha tsy voahosotra ny mpanjaka hanafaka an’Israely eo an-tanan’ny Filistea; Nehemia 8, 10-12: mifaly satria izao no andro ankalazana ny fandresen’Andriamanitra, ny Sabata. Tsy sakafo fe sakafo toy ny mety foto-pisainan’ny fombam-pivavahana sasany, ka hafangaro amin’ny filiban’ity fiainana ity àry araka izany ny sakafo lazaina eto amin’ny Soratra Masina anio. Raha toy izany manko dia ho loza satria hifangaro ihany amin’ny zavatry ny tany ny fisainana sy ny fiainana ny lanitra. 

Tsy ny sakafo araka izany no asian’ny Mpanoratra tsindrim-peo fa ny antony hisakafoanana, ny antony hanaovam-pety. Ny Kristianina tokoa manko tsy hoe mifety mba ho faly fa faly dia mifety. Izay no mahatonga an’Izaia manohy ny faminaniany fa horovitina eo amin’ilay tendrombohitra hanaovana ny fety ny voaly manarona ny olona rehetra. Miverina indray ny voambolana apôkaliptika eto: manala voaly, mampiseho ny maha-izy azy: rehefa mifanatri-tava amin’Andriamanitra isika (1 Kor 13, 12) no ho lavorary ny fahalalantsika azy, ka izany fahalalana izany no hahafeno fatra ny hafaliantsika, hisehoantsika araka ny tena toetrantsika: zanaka nohariany mitovy endrika aminy. Ambaran’ny tapany faharoa amin’ny Vakiteny I araka izany ny antony hanaovana sakafo: satria tsy hisy fahafatesana intsony (amin’ny eokaristia isika mankalaza ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana), hofafàna ny ranomaso sy ny henatra satria tonga ny Tompo Mpamonjy, ny maha-eo ampovoantsika azy no foto-pifaliana, amin’ny fiaviana moa dia mankalaz amanokana an’ilay Emanoela isika: Andriamanitra miara-monina amin’ny vahoakany. 

Ny Evanjely dia mitantara ny fahasitranan’izay rehetra noentina nanantona an’i Jesoa: ny moana ka tsy mba afa-nidera an’Andriamanitra na oviana na oviana, ny jamba tsy afa-mahita afa-tsy ny ratsy sy ny asan’ny maizina, ny mandringa (χωλός Cholos) malaina hamonjy ny namana, tsy afa-mizotra ny lala-mahitsy mitondra any amin’ny fiainana, ny kilemaina, κυλλός (kullos) izany hoe vokoka miforitra amin’ny tenanay ihany ka tsy afa-mampiasa ny talenta nomen’Andriamanitra mba hanasoavana ny hafa ka hanomezany voninahitra ny Ray any an-danitra, ary  ny azon’ny aretina hafa (izay rehetra manakana antsika tsy ho sambatra)… dia sitrana avokoa ireo. 

Tsy afaka ny ho sitrana anefa, araka ny fiantombohan’ny Evanjely anio raha tsy miakatra eny an-tendrombohitra, manatona an’i Jesoa, izany hoe misintaka amin’ny zavatry ny tany ka misondrotra amin’ny faniriana sy fikatsahana ny zavatry ny lanitra. Ny Salamo miantso antsika mba hiandra any an-tendrombohitra, hahatsiaro fa avy amin’Andriamanitra ny vonjy, ny Evanjely kosa manainga antsika hanatona an’Andriamanitra mba hahafahantsika mahita ny zavatra rehetra araka ny fijerin’Andriamanitra. 

Tsy azo adinoina araka izany fa tsy herintsika no hahafahana manatanteraka izany, ary izany no antony anaovantsika ny vavaka fangatahana anio mba hanomanan’Andriamanitra amin’ny heriny masina ny fontsika ka ho mendrika hiombona anjara amin’ny fiainana mandrakizay sy mba hahafahantsika miara-mihinana, hifaly handray anjara amin’ny Fanasany. 

Tsy manasitrana fotsiny anefa Andriamanitra fa mamelona koa. Izy no manasa amin’ny fanasana, hoy Izaia, saingy isika no asainy hanome hanina ny mpivahiny mba ho tonga soa, tsy ho reraka an-dalana mandrapahatongan’izany andro hahafoana ny fahafatesana sy ny henatra rehetra izany. Koa ny mofo fito ananantsika (mety ho tandindon’ireo Diakra fito natokana hanompo ny fiangonana, hanome hanina ny mahantra) dia zary haravoana satria ampamokarin’ny Fanahy ao amin’ny hafenoan’ny fahasoavany. Sobika fito no nameno ny sombitsombiny sisa tsy lany nangonina. σπυρίς (spuris) moa no ampiasain’i Matio hilazana ny sobika, ka raha ampifandraisina amin’ny fototeniny hoe σπείρω (speiro) izany dia midika hoe mamafy ny voa, dia mazava loatra fa ny fahavokisan’ny vahoakany amin’ny Teny sy ny Tenan’i Kristy no manjary voa afafy, hampamokatra ny fiainana ho voninahitr’Andriamanitra.

Ny Komonio raisintsika anie handio ny fontsika ho afaka amin’ny haratsiana ka hanomana antsika hankalaza ny andom-pifaliana santarintsika izao sy any amin’ny fiainana mandrakizay. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAKAMISY I FIAVIANA
PREVIOUS
TALATA I FIAVIANA

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.