Trinitera Malagasy
Alarobia fahasivy mandavan-taona

Alarobia fahasivy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Tobia 3, 1-11.24-25 / Salamo 24, 2-4a.4b-5ab.6-7.8-9
  • Ankasa 2 Timote 1, 1-3.6-12/Salamo 122
  •  Md Marka 12, 18-27

Amin’ny Evanjely ankalazaintsika androany dia milaza momba ireo Sadôseanina [mifanohitra amin’ny Farisiana, mitsipaka ny fitandremanana ny Lalàna ankoatra izay voasoratra ao amin’ny Boky dimin’i Moizy izy ireo, nanana anjara manokana amin’ny Fikarakarana ny Tempoly ary niavaka amin’ny tsy finoany ny momba ny zavatry ny lanitra : fitsangana-ko velona, fanahy, anjely, jereo Asa 26, 6-8] (jereo koa Lk 20, 27-40, Mt 22, 23-33). Ny Tsadôseanina (dikanteny vaovao, satria hoe avy amin’ny Mpisorona Tsadôk) dia mandà ny fitsanganan’ny maty ho velona, ka nampiasa ny Lalàn’ny “lévirat, [avy amin’ny teny latinina levir izay nandikana ny teny ebrio jabam (zaodahy…)] mba hiheverana nandresena lahatra an’i Jesoa hanaiky ny firehan-kevitr’izy ireo. Ny Lalàn’ny “lévirat” moa dia natao indrindra mba tsy hahafaty taranaka ny fianakaviana, mba hamelo-maso ny anaran-dray, hahafahana manantena fa avy ao no mety hipoiran’ny Mesia andrasana hanavotra an’Israely. Ho an’ny Tsadôseanina dia porofo hanoherana ny tsy fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana izany.

Io lalàna io (Lévirat, jereo Det, 25, 5-10/ na Jen 38,8 momba an’i Tamar na Rt 4 izay nitatra ho an’ny olona ivelan’ny fianakaviana aza) no nentin’izy ireo hanaporofoana ny tsy fisian’ny fitsanganan-ko velona, na ny marimarina kokoa, ho  entiny milaza fa raha sanatria misy aza izany, ho olana be ny fisiany. Amin’ny fanehoana izany anefa dia misy fampianarana vitsivitsy azontsika tsoahina amin’ny fitantaran’ny Evanjely.

Ny fanambadiana dia tsy fanatanterahana lalàna na sanatria fombafomba ataon’ny olona ka dia mba atao koa. Safidy malalaka mba hanohizana ao amin’ny taranaka ny fanehoam-pitiavana ifamatoran’ny mpivady ny fanambadiana. Ny fifankatiavana tena izy ifotoran’ny mariazy dia ny fanomezan-toky fa tsy afaka ny ho sambatra ivelan’ny fahasambaran’ilay notiaviny izay tia marina ary izany fikatsahana ny fahasambaran’ny tiany izany sy ny fitiavana ireo sombin’ny aina vokatry ny fifankatiavana no mampisy heviny ny fianana ka handaniana azy. Lazain’ny Tononkira dia Tononkira aza fa ny fitiavana tonga amin’ny fahamatorany dia ny filazana amin’ilay malala mba hiazakazaka, handositra (בָּרַח barach) hanahaka ny gazela (Tonk 8, 14), raha izay no fahasambarany.

Mazava loatra araka izany fa tsy afaka apetraka ho resaka “propriété”, ny hoe “an’iza ravehivavy”, ao amin’ny fitiavana marina. Tsy fananan’ny lahy tsy akory ny vehivavy. Ny fitantaran’i Matio aza moa, ho an’ireto Tsadôseanina ireto dia hoe “navelan’ny maty tamin’ny rahalahiny ravehivavy” (Mt 22,25). Ary raha resaka fananana toy izany, tahaka ny lazain’Andriamanitra amintsika tsirairay avy, dia mba hilazana hoe : “Aza matahotra, ahy ianao” (Izaia 43, 1), izany hoe: vonona ny ho faty ho amin’ny fahasambaranao aho. Tsy ny soa ho an’ny maty milaza ho tompony araka izay no tadiavina fa kosa ny soa ho an’ilay mananotena tavela.

Izay tsy mahalala ny Soratra Masina sy ny fahefana, ny Herin’Andriamanitra, dia tsy afaka ny tsy ho diso hevitra, satria ny fomba fisainana momba ny fiainan’ny nofo no hiheverana ny fiainan’ny lanitra, ka mazava loatra fa ny tombontsoan’ny nofo no tadiavina, ny voninahitra eo anatrehan’ny olombelona no katsahina fa tsy ilay aina hivelomana eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay, toa an-dry Abrahama sy Isahaka sy Jakoba (Eksaody 3, 1ss).   

Any amin’ny fitsanganan’ny velona, araka izany, tsy mipetraka ny fanontaniana hoe ho an’iza ravehivavy, satria any amin’ny fanjakan’ny fitiavana dia samy mahatsapa fa zanaka tian’Andriamanitra isika, zanaky ny fitsanganan-ko velona, tsy hisy ho faty ho an’ny hafa intsony satria velona ao amin’Andriamanitra avokoa, ary ambony lavitra noho ny maha-mpivady ny maha-mpiray tampo, miara-mandova ny fanjakana.

Izany no ambaran’i Jesoa mazàva fa Andriamanitry ny Velona ny Andriamanitsika. Manamafy ny iraka (mission) nahatongavany ihany koa izany: Tonga aho mba hanananareo ny fiainana, ary hanananareo azy amin’ny hafenoana (jereo Jo 10,10). Ny hanokafany ny fasana sy hananganany ho velona no hisehoany ho Tompo sy Andriamanitra (Ezekiela 37, 13). Izany no hanehoany ny heriny (δύναμις dynamis).

Hitombo ao amintsika anie ny fahalalàna ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra ka hanompoantsika Azy ho Andriamanitry ny fahavelomana, ary hitondrantsika tena hifanaraka amin’izany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy fahasivy mandavan-taona  
PREVIOUS
Talata fahasivy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.