Trinitera Malagasy
Alakamisy fahasivy mandavan-taona  

Alakamisy fahasivy mandavan-taona  

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Tobia 6, 10-11a; 7, 1.9-17; 8, 4-10 / Salamo 127
  • Ankasa 2 Timote 2, 8-15/Salamo 24

2Tim 2, 8-15

Paoly any an-tranomaizina any Roma no manoratra ho an’i Timote ka manasa azy hanavao ny finoana, rehefa avy namporisika azy hanao ny andraikiny araka ny tokony ho izy, ka tsy handany andro amin’ny zavatra hafa. I Paoly manoratra moa dia mitondra ny ngidin’ny fanendrikendrehana sy ny fisintahan’ireo niseho ho namana taloha. Tsy mahagaga anefa izany satria izay miaina araka ny Evanjely dia tonga hazavana manembatsembana izay te hitakiky ao anatin’ny haizina. Tsy fiaretana fahoriana ho soa ho an’ny tenany fotsiny ihany anefa fa ho an’ny hafa koa mba ho samy voavonjy ka hahazo ny voninahitra mandrakizay.

Ny faharetana no hiaraha-manjaka amin’i Kristy, hoy i Paoly, faharetana izay velomin’ny fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesoa ho velona. Raha mandà Azy isika dia tsy maintsy ho laviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika aminy (ἀπιστέω apisteo) kosa isika, namitaka Azy na tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1 Kor 1, 9) satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha-sambatra antsika Izy, ary matoky antsika mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany ka hilazantsika Aminy kosa, tahaka ilay jiolahy hoe: mba tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao ianao.

Tsy tokony handany andro amin’ny adihevitra tsy mamokatra (λογομαχέω logomacheo) anefa raha te hahavita tsara ny andraikitra nankinina, satria ny hiriana dia ny hiseho kosa ho mpiasa tsy mitsanga-menatra, hampianatra araka ny tokony ho izy ny tenin’ny fahamarinana.

  • Md Marka 12, 28b-34

Mialoha ny hitrangan’ny toe-javatra ambaran’ny Evanjely anio dia efa telo andro izao i Jesoa no tao Jerosalema. Fa ny fiakarany ka nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly (Mk 11,15-18) no fihetsika nandrava tanteraka ny fifandraisany tamin’ireo fahefana ara-pivavahana, ara-politika ary ara-toekarena izay efa nitady ny fomba rehetra hamonoana Azy. Tsy nahomby anefa ny fandrika satria hain’i Jesoa mandrakariva ny namaly am-pahendrena ny fanontaniana napetrak’izy ireo, araka ny novakiantsika tamin’ireto andro lasa ireto.

Anisan’ireo izay nihaino sy talanjona tamin’ny valintenin’i Jesoa ity Mpanora-dalana iray nametra-panontaniana ity, saingy tsy dia ny hamandrika an’i Jesoa loatra no tiany ho fantatra fa ny fahendreny sy ny fahalalany: Inona ny voalohany amin’ny didy rehetra? hoy izy.

Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia heverina ho misy 613 ny didy (ary samy manana ny fanazavany an’izany) ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny isan’ny lalan-dra amin’ny tenan’ny olona koa araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [cf. G. Scholem, la Kabbalah e il suo simbolismo]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana.

Ho an’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra tokana amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo no voalohany. Tsy afaka ny hitandrina izany rehetra izany anefa raha tsy mahay “mihaino”. “Mihainoa, ry Israely”. Ny fahaiza-mihaino no voalohany amin’ny mari-pitiavana. Vavaka ataon’ny Vahoaka Jody marain-tsy hariva ny “Shemà Israel” saingy mety ho lasa tsianjery sy piliavava ihany izany raha toa ka tsy mikolokolo ny fo, ny saina, ny fanahy manontolo mba hihaino izay lazain’Izy Tompo.

Raha oharina amin’ny lazain’ny Deteronomy (Dt 6, 4ss) anefa ny voalaza eto dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy midika anefa izany fa tsy hisy intsony ny fisalasalana, fa kosa tsy an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy. Mety misy hilaza hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany! Raha izany ny finoana maha-kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany, mankany amin’ny hasambarana.

Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoana izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo izany no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Levitika 19, 18). Atao ahoana no hitia raha ny atao hoe fitiavana aza tsy hay akory hoe inona!

Ahoana anefa ny hiainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22, 39), ho an’i Joany (Jo 15, 17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa: ny hifankatiavan’ny mpianatra; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13, 8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Gal 5, 14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady, sns ve?

Mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka ny hilaza fa tia an’Andriamanitra (1Jo 4, 20). Fa misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa. Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny hoe “Izahay tsy hitaingin-tsoavaly” (Osea 14, 4), ary naverin’i Md Jean de Matha ao amin’ny Fitsipika fototry ny Fikambanana naoriny dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena ka hahafahantsika manao soa, fa ny soa azontsika avy amin’Andriamanitra kosa. Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana Azy. Loharano ipoirana sy tendro hifaharan’ny fitiava-namana araka izany ny fitiavana sy ny fankalazana an’Andriamanitra (SC 10).

Ny Fitiavana ny namana anefa dia tokony ho tahaka ny fitiavana ny tena ihany koa. Tsy azoko iriana ho an’ny tenako araka izany izay zavatra tsy iriko ho an’ny hafa, ary tsy afaka ataoko amin’ny hafa kosa izay zavatra fantatro fa tsy ho zakako na hankarary fo ahy raha izaho no hanaovana azy. Izany no tena fitiavana ka hahatonga antsika hiara-paly amin’izay faly, ary miara-mitomany amin’izay mitomany (Romana 12, 15).

Tsy ampy anefa ny mahalala ny fitiavan’Andriamanitra sy ny milaza ny fahamboniany mihoatra ny fombafomba rehetra. Efa lalana mitondra akaikin’ny fanjakan’Andriamanitra izany, saingy tsy afaka ny hiditra ao izay tsy mahatsapa ny fitiavana itiavan’Andriamanitra azy ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany.

Matetika anefa, aleo tsy manontany sao mahasingo-tena, ka aleo mipetrapetraka sy miafinafina ihany. tsy nisy sahy nanontany Azy intsony, hoy ny Evanjely. Tsy hoe i Jesoa no tsy te hanontaniana, fa izay rehetra nanontany Azy hatreto dia voatery miova famindra mandrakariva: hanome vokatra ho an’ny tompon’ny tanimboaloboka; handoha izay an’Andriamanitra ka hitia ny hafa tahaka ny tena. Izany no lalana mitondra amin’ny tena finoana izay efa fitsanganan-ko velona sahady. Ny valintenin’i Jesoa no mitondra antsika amin’ny lalam-pahasambarana hahafeno fatra ny fiainantsika.

Hahay hanontany ka hiaino Azy anie isika.  

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma fahasivy mandavan-taona   
PREVIOUS
Alarobia fahasivy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • BATEMIN’I JESOA – TAONA A
  • Sabotsy manaraka ny Epifania

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata voalohany mandavan-taona 12 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.