Trinitera Malagasy
Alarobia fahafito mandavan-taona

Alarobia fahafito mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Ekleziastika 4,11-19/Salamo 118/
  • Ankasa: Jakôba 4,13b-17/Salamo 48
  • Md Marka 9,37-39

Ry Mpampianatra o! Nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay, nefa tsy namantsika ka noraranay…

Nolazain’i Marka fa tsy naharoaka ilay Demony moana ny mpianatr’i Jesoa (Mk 9,18) kanefa kosa manakana olona tsy miara-dia amin’izy ireo mampiasa ny anaran’i Jesoa handroahana demony. Mipetraka ny fanontaniana: raha misy olona mahavita tsaratsara kokoa noho isika ny asa ampiandraiketina antsika sy ny mission anirahana antsika, tokony ho faly ve isika sa ho sahirana hiasa loha? Misy olona afaka mampiasa ny anaran’i Jesoa ve dia misy tsy mahazo mampiasa?

Araka ny fitantaran’i Lioka moa dia i Joany no nihazakazaka nitantara tamin’i Jesoa fa nosakanany ireo nandroaka ny demony tamin’ny anaran’i Jesoa satria tsy miaraka aminy, tsy manaraka ny drafitra napetraka harahin’izay te ho mpikambana (Lk 9,49). Mampieritreritra ihany ny trangan-javatra toy izany, raha toa ka manao vary isika no mandalo ny olona iray mba hanome tanana ka mahavita bebe kokoa noho isika dia ho tezitra isika. Raha samy mitondra mody izay voajinjany dia marina sy mitombona ny fialonana, fa raha mijanona ho an’ny tompom-bokatra kosa ny vary azo, ary ny asa atao maimaim-poana, hadalana miaro tsinjaka ny fandraràna izay mahavita bebe kokoa. Fa nahoana àry no tezitra ireo Apôstôly?

Trangan-javatra toy izany dia mety mitranga koa ao amin’ny Fiangonana. Rehefa samy mitady ny voninahitra ho azy sy miezaka hisehoseho ho mahavita misimisy kokoa noho ny hafa, hany ka tsy afaka ny hifaly amin’ny soa hoentina hiderana ny anaran’i Jesoa, rehefa olon-kafa no mahavita izany.

Mazava ny tenin’i Jesoa ho an’izay te ho mpianany: izay mitolona mba ho an’ny fahasambaran’ny madinika sy ny ory dia momba azy; izay tsy misaina izany kosa dia manohitra azy. Matoa misy fialonana sy fifandirana eo anivon’ny Fiangonana dia satria nanjary fitadiavam-boninahitra sy tombontsoa manokana ny asam-panompoana, ka ny zava-doza aza indraindray dia adino hatramin’ny antony niantsoan’i Kristy ny mpianany.

Mazava anefa ny valisoa miandry ny tsirairay: mitovy ny valisoa omena ny mpaminany sy izay mandray ny mpaminany, mitovy ny valisoan’ny olo-marina sy izay mandray ny olomarina (Mt 10,41); ary izay manome rano eran’ny kapoaka ny mpianatr’i Kristy dia tsy ho very valisoa (hohalalinintsika rahampitso).

Tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny anaran’i Jesoa ka hanaratsy azy vetivety foana. Mampandinika antsika izany amin’izay ataontsika raha miara-mamory amin’i Kristy isika na sanatria manahaka (Mt 12,30), izany hoe hisintona ny olona ho antsika sy hanaraka ny fombantsika fa tsy ho an’i Kristy, handroaka amin’ny anarany ny herin’ny maizina.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy fahafito mandavan-taona
PREVIOUS
Talata fahafito mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ZOMA I FIAVIANA
  • ALAKAMISY I FIAVIANA
  • ALAROBIA I FIAVIANA
  • TALATA I FIAVIANA
  • ALATSINAINY I FIAVIANA

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    décembre 2025
    D L M M J V S
     123456
    78910111213
    14151617181920
    21222324252627
    28293031  
    « Nov    

    Archives

    Articles récents

    • ZOMA I FIAVIANA 4 décembre 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.