Trinitera Malagasy
Alakamisy faharoa mandavan-taona

Alakamisy faharoa mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa Hebrio 7, 25-8,6/Salamo 39/
  • Ankasa 1 Samoela 18, 6-9; 19, 1-7/Salamo 55/
  • Md Marka 3, 7-12

Nanatona an’i Joany ny avy any Jodea sy ny avy any Jerosalema rehetra mba hataony batemy (Mk 1,5). Fa rehefa milaza ny mpanaraka an’i Jesoa kosa i Marka dia tsy ireo ihany fa na ny avy any Idomea, Tira sy Sidôna sy ny avy any an-dafin’ny Jordany dia nanaraka Azy avokoa. Ambaran’i Marka koa anefa ny anton’izany fahabetsahan’ny vahoaka izany: satria nandre ny nataony ny olona ka izay nanana aretina dia nifanesika hanendry Azy, satria te ho sitrana. Tsy olona mpamonjy alahady fotsiny ireto fa vahoaka be manaraka Azy mandritra ny andavan’androm-piainana.

I Jesoa sy ny mpianany no lazain’ny Evanjely anio fa nisintaka mankany amin’ny faritry ny ranomasina, ranomasina izay tsy maintsy hovakivakiana mba hiampitana any amin’ny fahafahana marina sy ny tanin’ny fahasambarana nampanantenaina. Ny Farisiana sy ny Herodiana moa mitady fomba hamonoana an’i Jesoa, vahoaka be kosa niezaka nanaraka Azy amin’izay alehany.

Dia niangavy ny mpianany i Jesoa mba hanomana ny sambo ho vonona mandrakariva hiandry Azy, hahafahany mipetraka mba hampianatra (Mk 4, 1), eo an-tsambon’i Piera Izy no mampianatra (Lk 5,2). Ny Fiangonana araka izany dia nantsoin’i Jesoa ho fitaovana hifandraisany amin’ny vahoaka, tsy amin’ny fisehoana ho manam-pahefana fa amin’ny fiainana ny maha-iraka, ho fitoerana hahitan’ny olona an’i Jesoa. Na ny fanahy maloto aza manko dia mahalala ary mahay miantsoantso fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra. Midìka izany fa tsy kobaka am-bava ny asa fitoriana ka sanatria ho vitan’ny resaka tsara lahatra. Tsy azo adinoina na oviana na oviana fa  fiainana isan’andro ny maha-Apôstôly, ny maha-iraka.

Oharin’ny Evanjely amin’ny sambo ny Fiangonana, vita amin’ny hazo, mitsingevana eo ambon’ny rano (fanehoana an-tsary ny ratsy) ka afaka manavotra sy mitondra any am-pita izay manaiky hiditra ao anatiny. Avy ao i Kristy no mampianatra, avy ao ny Apôstôly no manarato. Sambo kely, mety hatopatopan’ny onja fa kosa hahafahan’i Kristy mampianatra ny vahoaka rehetra, ka ho toy ny “voatsinapy”, hamokatra hazo hafa hahafahan’ny voro-manidina hialofana. Tsy ny fikasihana an’i Jesoa hifanosehana anefa no mahavonjy, ho zary fifaninanana amin’ny hafa ihany izany. Ny fikasihana azy am-pinoana no mahavonjy satria fiandrasana ny indrafony tsy misy fetra ka manome antsika mihoatra noho izay angatahintsika.

Ny Demony koa mitady hikasika an’i Jesoa. Misy olona manao “pubblicité” hilazana fa antokom-pivavahana na fomba fivavahana mahomby hahazoana fanasitranana sy fahasoavana ny Azy. Tsy avelan’i Jesoa hiteny ireny satria tsy hampitombo ny finoana fa hampitombo ny fitiavan-tena sy ny finoanoam-poana ary ny fanompoan-tsampy (idolatrie). Izay fivavahana tsy mampitombo ny fahalalantsika an’i Kristy ary tsy mampitombo ny fitiavantsika ny hafa dia tsy araka an’Andriamanitra.

Ny evanjelin’ny Zoma faharoa moa dia mitantara ny fiantsoana ny Apôstôly. Fidian’i Kristy, hoy i Md Marka ny Apôstôly ka ny fanirahana voalohany ho azy ireo dia ny hitoetra hiaraka amin’i Jesoa, ny mba hanomana sambokely hitoerany hahafahany mampianatra ny vahoaka. Izay mitondra amin’ny fisintahana, hiheverana ho tsaratsara kokoa noho ny hafa dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ilay tia sy miantso ny olon-drehetra ho iray ao Aminy.

Tsy ho sanatria ho fiandrasana tombontsoa sy fahagagana hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady no hidodododoantsika hanaraka an’i Jesoa. Ho fanilo ho antsika mandrakariva anie ny Teniny torina ao amin’ny Eglizy, amin’ny alalan’ireo Apôstôly vonona hiara-mitoetra Aminy ka tonga vavolombelon’ny fandreseny ny fahafatesana sy ny fahotana.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faharoa mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faharoa mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma faha 11 mandavan-taona
  • ALAKAMISY FAHA 11 MANDAVAN-TAONA
  • Talata faha 11 mandavan-taona
  • ALATSINAINY FAHA 11 MANDAVAN-TAONA
  • TRINITE MASINA TAONA D

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma faha 11 mandavan-taona 19 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.