Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-19 mandavan-taona

Alakamisy faha-19 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Ezekiela 12,1-12/Salamo 77
  • Tsy ankasa: Josoe 3,7-17 /Salamo 113A
  • Md Matio 18,21–19,1

Tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? Ambaran’ny Evanjely amintsika ny tokony hitondrana tena tahaka ny nitiavan’Andriamanitra antsika. Loharanom-pahasoavana ho an’ny hafa ny soa raisintsika avy amin’Andriamanitra. Misy anefa ny sasany tsy nahazo izay zavatra mba niriany ka manadino fa na dia ny aina ihany aza dia efa fanomezana hahafahana mampisy heviny ny fiainana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanavaozana ny tontolo.

Ny fiaraha-mivavaka vokatry ny firaisam-po dia mamelona ny afom-pitiavana, satria maneho ilay Andriamanitra nampanantena fa honina eo anivon’izay mivory amin’ny anarany (Mt 18,15-20 – Evanjely alahady 23 A). Ny fitiavana amin’ny maha fahatanterahan’ny lalàna azy, dia tsy arakaraka izay heverintsika na izay lazain’ny manodidina antsika, fa araka izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no ampitandreman’i Md Paoly antsika mba tsy hanaraka ny fihevitr’izao tontolo izao fa hiova araka ny fihavaozan’ny Fanahy (jereo Rm 12,1-2).

Eo am-pamakiana ny toko faha-18 amin’ny Evanjelin’i Matio (Mt 18)[1] dia hitantsika ny fihavaozam-panahy tian’i Kristy hiainan’izay te ho mpianany. Raha izay diso no tokony hangata-pamelana, i Jesoa kosa dia milaza fa izay manana ny rariny no hanatona mangingina ny rahalahy diso taminy ka hananatra azy…[2] Tsy sanatria hihambo ho manana ny rariny ka hilaza ny hoe: « Dia izaho indray ve no handadilady ho any!!!« … Impirifiry moa no sendra ny olana tahaka izany isika ka tsy mahatsiaro fa ny oha-piainana arahintsika dia ilay Andriamanitra maty ho antsika fony isika mbola mpanota (Rm 5,8). Izany no mandefitra manana ny rariny… saingy mandram-pahoviana!

Na ny Apôstôly aza mba te hanaraka izany fampianaran’i Jesoa izany, saingy nametra-panontaniana ihany hoe hatraiza ny fetrany. Manamafy izany ny ahiahin’i Piera : « ka raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho! » (Mt 18,21-35) Tsy misy fetra, hoy i Jesoa.

Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, mamela ny heloka rehetra, manasitrana ny aretina rehetra, ary manalavitra ny hadisoana amintsika tahaka ny halavitry ny atsinanana sy ny andrefana (Sal 102). Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana ny Ray: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mamindra fo mandrakariva.

Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao isa masina, manambara ny hafenoana: hatramin’ny im-pito ve! Raha miverina im-pito mifona koa izy, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony isaina) anefa, hoy i Jesoa.

Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy. 

Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipa (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voaloany mandrakizay izany, saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra.

Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana maimaim-poana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona àry ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina sy ny fiezahantsika ho masina dia handon-tratra fa manana trosa tsy ho voaloa eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaky ny mitaraina ho tsy manan-kaloa isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, mbola ho sahintsika ve ny hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka?

Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω – krateô, mihevitra ho ambony noho izy) ary manambany sy manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandrapahaloany ny trosa. Ataon’ny olona ahoana anefa ny handoa ny trosa any an-tranomaizina? Izay sazy tsy manampy ho sambatra sy masina dia tsy mifanaraka amin’ny fitiavana. Kanefa raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy omena azy, tsy nomena am-pitiavana fa nomena am-pahatezerana ka tsy hanampy ny hafa hihatsara fa vao mainka koa aza mandentika azy hankamin’ny ratsiratsy kokoa. Indraindray aza ny tenantsika ihany no omentsika sazy tsy mifanaraka amin’ny fitiavana sy tsy avelantsika heloka.

Raha tsy mamela ny rahalahintsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandoantsika ny trosa rehetra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra, ka hampitombo ihany ny trosantsika. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa ny hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy. Tsy sanatria famelana ny hafa hanao izay tiany hatao ny famindram-po.

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana araka ny Evanjeliny no hidirana amin’ny fahasambarana. Izay tsy mino kosa dia hitoeran’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mila halalinina ihany anefa izay hoe “fahatezeran’Andriamanitra” izay sao afangarontsika amin’ny fahatezeran’ny olombelona, amin’ny fahatezeran-dry Môizy, nolazaintsika teny aloha. Ny olona manko rehefa mahatezitra azy ny hafa dia famaizana (sazy sy kapoka) no tonga voalohany ao an-tsainy. Andriamanitra kosa, rehefa misy mahatezitra Azy, Izy izay “mahari-po”, tsy malaky tezitra (Eks 34,6) ary  “fahatezerana tsy maharitra hatramin’ny farany”, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 16,5; 18,20), rehefa misy zanany tsy mifanaraka amin’ny lalàna nomeny, misy ondry nania lavitra ny vala, dia tsy mandry andro tsy mandry alina Izy mitady ny fomba hitondrana izay nania ho amin’ny fahasambarana, ary ilay ondry very, hoy ny Evanjely, rehefa hitany dia ataony an-tsangory hiverina ao am-bala; rehefa tafaverina ny zanany mpandany dia anaovany fety tsy manam-paharoa (Lk 15). Asakasak’ilay zokiny anefa raha hino fa fitiavana Rainy ka hiditra hiaraka hifety na hijanona any ivelany, tsy hino (tsy hiaiky) ka hanandrana ny hamamin’ny Fitiavany.

Ny Salamo 32 dia mampahatsiaro fa tsy afaka ny hanararaotra ny fitiavan’Andriamanitra izay mahatsiaro fa namindràna fo marina tokoa. Ampahatsiahiviko vetivety ny lazain’io Salamo io (Sal 32,1-2): Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany, sambatra ny olona tsy tanan’ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny. Izay moa ny dikan-teny ananantsika (CEM 2011). Ampiasain’ny Salamo eto anefa ireo teny telo entin’ny Jody hilazana ny fahotana ka iezahantsika adika ara-bakiteny fa izay no heveriko hahazoana ny tena hevitry ny hoe famelan-keloka:

Sambatra (אֶשֶׁר – ‘esher), izany hoe afaka mizotra amin’ny lala-mahitsy ireo izay “nozakaina” (נָשָׂא – nāsā’, supporter) ny fikomiany (פֶּשַׁע – pesha`, transgression), [nadika hoe voaesotra ny helony] sy izay “nafenina” (כָּסָה – kāsāh, cacher, dissimuler) ny fahotany (חֲטָאָה – ḥăṯṯā’āh) izany hoe nototofany ny tsy fahatratrarany ny tanjona nokendreny (חטא, – ḥāṯṯā’: manquer le but) [nadika hoe voavela ny fahotany]; sambatra ny olona izay hodian’ny Tompo tsy ( לֹ֤א) hita (חָשַׁב – ḥāshabh, penser, tenir compte) ny fahamelohany (עָוֹן `āvôn) [tsy tanan’ny Tompo heloka], ary ao amin’ny fanahiny, tsy misy fiheverana ny hiverin-dalana na hiraviravy tanana (רְמִיָּה – remiyāh, laxisme, relâchement, fraude).

Ny famelana araka izany dia tsy hoe sanatria fanadinoana fa fizakàna ny tsy rariny ataon’ny hafa, ny fanafenana ny tsy fahatratrarany ny tanjona, ny fanampena-maso manoalona ny lalan-diso narahiny, mba hahafahany manohy ny lalany mahitsy (אֶשֶׁר – ‘esher). Sambatra kosa izay voavela heloka raha manararaotra izany mba hanitsiana ny fiainana ho amin’ny lalana tokony ho izy. Tsy ho sambatra na oviana na oviana izay hihevitra fa mpamindra fo Andriamanitra ka azony hofitahina hanaovany izay danin’ny kibony, dia avy eo izy hihevitra ny hikônfesy.

Tsy misy fetra, hoy i Jesoa ny tokony hamindràna fo toy izany. Mifanohitra amin’ny valifatin’i Lameka im-pitopolo fito, voalaza teny am-piandohana izany (Jen 4, 23-24). Dia eo no mety hampametra-panontaniana antsika ny fahendren-drazana hoe «Ny tanana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkona intsony». Hatraiza ny finoantsika ny herin’ilay Fanahy manavao ny fon’ny olona?

Miainga avy amin’ny Bokin’i Siràka (Ekl 28,1-8) milaza fa tsy havela isika raha tsy mahay mamela ihany koa, dia ambaran’i Kristy mazava fa fanomezana efa noraisintsika ny famelana, ka izay mahatsiaro tena ho voavela no voaantso hamela (Evanjely). Ny Mpanao Salamo dia manafatrafatra mafy mba tsy hanadinoantsika ireo soa nataon’Izy Tompo amintsika (Sal 102) dia ny namelany ny heloka rehetra, ny nanasitranany ny aretina (ratra) ary ny nanavotany amin’ny ady, izany hoe ny dingana telon’ny fibebahana marina hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny indrafony.

Meteza àry isika hotarihin’ny Fanahy Masina tokoa, hahasahy hisetra ny fihevitra tsy araka Ilay arahintsika, dia i Kristy, tsy hitsara tena ho mihoatra ny mety ary hizaka ireo mbola marefo amin’ny finoana, tsy hitsara na haneso azy ireo, ary tsy hihevi-tena ho mijoro (Rm 14)[3] ka hanadino ilay nanome hery sy nampanalavitra antsika tahaka ny atsinanana sy andrefana ny hadisoantsika (Sal 103)

Aza adino fa « fanalahidin’ny lanitra » ny famelan-keloka, ary ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony no hitsarana antsika. Tsy hamela antsika hanao izay tiantsika hatao anefa izany ka « ny lian-drà hiara-misakafo amin’ny niharan’ny herisetra » any amin’ny fanjakan’ny lanitra[4]. Raha tsy mahatsiaro ho samy namindràna fo, raha tsy faly amin’ny fibebahan’ny rahalahy (Lk 15,25-32), ataontsika ahoana ny hiara-tsambatra aminy any amin’ny mandrakizay?

Tsy sanatria fampitahorana no hilazan’i Md Matio izany fampianarana izany, fa hampahatsiahivana antsika fa Andriamanitra be famindram-po no efa namindra fo tamintsika ary miantso antsika koa ho “mpamindra fo” tahaka azy.

[1] Alahady faha-23 sy faha-24 Taona A – ny Evanjely omaly sy androany

[2] Alahady 23 A – Evanjely omaly

[3] tsara ny hamakiana manontolo ny tapany voalohany amin’ny Rômanina toko 14

[4] Jereo ny n. 44 amin’ny lettre encyclique Spe Salvi momba ny  frères  Karamàzov.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
15 Aogositra: Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra
PREVIOUS
Alarobia faha-19 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.