Trinitera Malagasy
Alakamisy faha 17 mandavan-taona

Alakamisy faha 17 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa: Jeremia 18,1-6/Salamo 145
  • Tsy ankasa: Eksaody 40,16-38 /Salamo 83
  • Md Matio 13,47-53

Na ny fanoharana momba ny ahi-dratsy sy ny taom-pijinjana tamin’ny talata na ny fanoharana mikasika ny harato dia samy manambara ny fahataperan’izao tontolo izao, saingy samy manana ny antony, mazava loatra, nanoratan’i Md Matio azy. Ny voalohany dia mamaly ny fanontaniana mikasika ny faharetan’Andraimanitra, ka tsy hanafainganany ny fanalàna ny ahi-dratsy ao anatin’ny tanimboly; ny fanoharana momba ny harato kosa mamaly ny fanontaniana hoe: oviana ary no handraisan’ny olo-marina ny valisoany any amin’ny voninahitry ny lanitra.

Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina ka nanangona izao karazana hazandrano rehetra izao (ἐκ παντὸς γένους συναγαγούσῃ– ek pantos genous sunagagousè BYZ).  Ao amin’ny teny grika moa tsy misy “trondro” fa milaza ny γένος (genos). Ny genos moa dia ilazana ny karazam-poko, ny taranaka mifandimby, ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Tsy misy trondro ao amin’ny teny grika. Raha ny tena marina ny trondro alàna ao anaty rano dia maty fa tsy velona, ny mpanaraton’i Jesoa anefa manala ny “olona” avy amin’ny haizin’ny fahafatesana sy ny fahotana mba ho amin’ny fiainana (Mt 4,19, mpanarato olona), ary tsy ny tsara ihany fa ny olon-drehetra tsy an-kanavaka (genos) no angonina. Ny Fiangonana koa dia tandindon’ilay πανδοχεῖον(pandocheion), ilay tranom-bahiny handraisana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, nitondran’ilay Samaritanina ilay sisam-paty navelan’ny jiolahy (Lk 10,34). Izany no mahatonga an’i Md Lioka hampiasa ny teny ζωγρέω(zôgreô = misambo-belona, na ny marimarina kokoa misambotra mba ho velona) rehefa mitantara ny fiantsoana an’i Simôna ho mpanarato olona (Lk 5,10).

Ho an’i Md Matio dia tsy ho tonga araka izany ny fisarihana ny harato raha tsy efa miangona ao avokoa ny olombelona rehetra. Ao amin’ny toko faha 24 moa izy dia milaza mazava fa “hotoriana amin’izao tontolo izao ny Evanjelin’ny fanjakan’ny Lanitra, mba ho vavolombelona amin’ny olona rehetra, izay vao ho tonga ny farany” (Mt 24,14).

Mbola sarotra ny mahita izany Fiangonana toy ny harato manangona ny olona tsy an-kanavaka izany. Mila mibebaka isika ary mila mivavaka mba ho taratry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Egliziny, ka ho afaka hanangona ny olona ary handio azy ireo mba ho tonga zanaky ny Fanjakana, hizotra amin’ny fahazavana ka ho voadion’ny ran’i Kristy (1Jo 1,7). Tsy sanatria isika no hanilika ny hafa tsy ho zanak’Andriamanitra. Raha tsy mandray ny hafa ho mpiray aina (tampo) amiko aho dia manilika ny tenako tsy ho zanak’Andriamanitra. Adidintsika ny mitarika ny “trondro” rehetra ao amin’ny haraton’i Kristy ka hahafahany manolotra azy rehetra amin’ny Ray (1Kôr 15,24.28).

Na dia amin’ny farandro aza anefa ny fanavahana sy ny fitsarana, dia ny fiainako ny famindram-po “anio”, tsy misy hatak’andro, no hahafahako mandray koa ny famindram-po mandrakizay (Jk 2,12snm). Ny fanahafantsika an’Andriamanitra sy ny fahalavorariany satria “mpamindra fo sy miantra” Izy no maha lehibe antsika ao amin’ny Fanjakany. Izany no hahatonga antsika ho  “trondro” mahasoa azo angonina ho any an-trano (Lev 11,10-11).

“Efa azonareo ve izany?” Antsoin’i Jesoa isika hahazo ny hevitr’izany fanoharana izany satria raha sanatrian’izany tsy mazava ny fifandraisan’ny fahasoavana sy ny fahafahana, ny fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana sy ny andraikitry ny olombelona dia mety ho zava-doza ny vokany: na hivarina amin’ny fahasiahana ka hihevitra fa miankina amin’ny ezaka atao no hahafahana manova ny fiainana sy ny zava-misy, na sanatria hanasa tanana tsy handray andraikitra, tsy hivaky loha satria hihevitra fa hain’Andriamanitra ny zava-drehetra, ka hahatonga ny fiainana ho fakofako ihany. Ny iray moa mety hitondra amin’ny fahakiviana hiheverana fa tsy hisy andro mihiratra intsony, ny iray kosa mety hitondra amin’ny avonavona hiheverana fa efa tafita ka hanadino fa manoro antsika ny lalana tokony hodiavina Andriamanitra fa tsy sanatria misolo antsika amin’ny fizorana azy.

Izay tonga mpianatr’i Kristy dia tsy afaka hikatona amin’izay mahazatra (zavatra tranainy) fa hisokatra mandrakariva amin’ny fahazavana entin’i Kristy, fitoeran’ny hafenoan’Andriamanitra (Kôl 2,3-9) mitondra fanavaozana ho antsika. Tsy azo adinoina koa anefa fa ao amin’ny zavatra tranainy dia efa naneho ny fitiavany Andriamanitra, tsy handrava fa hanatanteraka ireny no nahatongavan’i Kristy ka anirahany ny mpianany koa: anjarantsika izany ny mibanjina ny voninahiny amin’ny zavatra tanterahiny isan’andro vaky, amin’ny alalan’ireo izay manaiky ho taratry ny fahalavorariany.

Ho sanatriavintsika anie ny hitsipa-doha laka-nitàna ka hizotra ny lalana mitondra any amin’ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
06 aogositra: Fankalazana ny niovan’ny Tompo tarehy
PREVIOUS
Alarobia faha 17 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • BATEMIN’I JESOA – TAONA A
  • Sabotsy manaraka ny Epifania

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata voalohany mandavan-taona 12 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.