Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-11 mandavantaona

Alakamisy faha-11 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Ekleziastika 48, 1-14/Salamo 96
  • Tsy ankasa 2 Kor 11, 1-11/Salamo 110
  • Md Matio 6, 7-15

Ny vavaka no mamolavola ny fiainana am-panahy: manadio ny fiheverantsika izay mety mbola tsy ho lavorary mikasika ny endrik’Andriamanitra, manoro izay fomba hahazoana ny hasambarana marina, mampahatsiaro ny adidy manoloana ny olombelona sy ny zavaboary ary mitondra amin’ny fahalavorarian’ny hafaliana.

Aina ho an’ny vavaka ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra, dia ilay Teny nirahin’Izy Tompo mba hampitohy ny fikolokoloana ny aina. Tsy voa afafy tsy akory araka ny filazan’Izaia (Izaia 55, 10-11) fa ilay andon’ny lanitra mampamokatra ny tany. Na iza na iza araka izany mamafy voa tsara (mampianatra, manananatra…), dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa tsy ny teniny fa ny Herin’ny Teny no afaka manova ny fiainana. Ny Teny aloakan’ny vavan’Andriamanitra no sakafo mamelona ny olona ka manome hery azy handresy ny fakam-panahy. Ny Tenin’Andriamanitra no “voa afafy” hoy i Jesoa (Lk 8, 11), ka araka izany, voa manana ny hery ao anatiny ka mampita izany amin’izay manaiky handray azy mba hovàny.

Ny Evanjely dia mampahatsiaro antsika ny fomba fivavaka, sao sanatria mamita-tena tahaka ny Jentily isika ka hanao vavaka lavareny miverimberina (βατταλογέω, battalogeo) hihevitra fa izany no hihainoan’Andriamanitra azy. Izay mivavaka dia tsy tokony hanasarotra ny fiainany fa kosa hahay hirindrina ao amin’ny efi-trano nasiany ny hareny (ταμεῖόν, tameion) ka hivavaka “am-pitokiana” amin’ny Ray izay efa mahalala ny ilaintsika. Ny fiatrehana samirery ilay Ray no hahafahana mandray ny hafa ho iray tampo ka hanandratana ny vavaka miaraka amin’izy ireo na amin’ny anaran’izy ireo. Omen’i Md Matio modelim-bavaka isika, izay lazain’i Tertullien hoe famintinana ny Evanjely manontolo.

Ray Andriamanitra ka izay te ho zanaka no afaka miantso Azy. Izay miantso Azy dia mila mitondra tena ho zanany, ary mandray ny hafa ho rahalahy sy anabavy. Ray mitsimbina ny zanany rehetra Izy, mandrotsaka ny ranonorana hampahavokatra ny fisasaran’ny marina sy ny ratsy fanahy, mampiposaka ny masoandro ho an’ny olon-drehetra. Ray mahalala izay ilain’ny zanany rehetra Izy. Fiovana lehibe ho an’izay mandray ny fampianaran’i Kristy izany. Ray tsy mamono fa mamelona ary vonona ny “hanao fety” amin’ny fiverenan’ny zanany nandany ny hareny rehetra tany ho any.

Tsy namorona tsy akory i Jesoa fa nampahatsiaro an’Israely sy ny Mpianany ny endrik’Andriamanitra Velona manjaka teo amin’ny Vahoaka nofinidiny. Ao amin’ny vavaka isan’andro fanaon’ny Jody manko, amin’ny Tsodrano XVIII, ao amin’ny faha-6 dia maintso an’Andriamanitra Ray (Abinù) mba hamindra fo amin’ny mpanota izy ireo. Izaia koa ao amin’ny vavaka ataony dia mamerina in-droa izany maha-Ray an’Andriamanitra izany (Izaia 63, 16). Ny nasian’i Matio tsindrim-peo dia tsy Ray fa “dada”, “abba” (toy ny lazain’i Md Paoly amin’ny Galata 4,6, Romana 8,15) izany hoe ny fomba fiantsoan’ny zazakely ny rainy, saingy “Pater” (πατήρ ἡμῶν) moa dia nadikantsika hoe “Rainay”, ary mazava loatra fa tsisy malagasy hiantso ny rainy hoe “o Raiko”, “mompera” angaha no antsoiny amin’izany mandritra ny konfesy.

Amin’ny “Vavaka” tokony hataontsika araka ny lazain’i Jesoa, ny fangatahana telo voalohany dia mikasika ny zavatry ny lanitra: ny fahamasinany, ny fanjakany, ny sitrapony. Ny tapany faharoa kosa indray dia mangataka ny zavatry ny tany, izany hoe ny fiainana mifanaraka amin’ny fizorana mankany amin’ny mandrakizay. Amin’ny fitantaran’i Md Lioka moa dia tsy ao ny fangatahana fahatelo sy fahafito (6bis).

Ray Andriamanitra ary masina ny Anarany. Fomban’Israely ny mivavaka mba hahatsiaro sy hanamasina izany Anaran’Andriamanitra Masina izany (Izaia 6, 3 fa indrindra amin’ny fomba fivavahana qaddìsh, masina), amin’ny fanahafana ny Litorjian’ny lanitra ka hisantarana sahady izany dieny ety an-tany. Andriamanitra ihany anefa no manamasina ny Anarany amin’ny fanamasinany antsika (Ezekiela 36, 23) sady miantso antsika koa hanahaka ny fahamasinany.

Ho tonga ny fanjakany dia “fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamasinana sy ny fahasoavana, fanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana” (Prefasy Kristy Mpanjaka). Ny fiankinana Aminy ihany no hahafahana mamerina hoe “ho tanteraka anie ny sitraponao” rehefa tsy mifanaraka amin’izay hetahetam-pontsika ny hamafin’ny fiainana, tahaka an’i Jesoa miady aina tao amin’ny Tanimbolin’Oliva Getsemany (Γεθσημανῆ naΓεθσημανί, famiazana menaka, Mt 26, 42). Ampianarin’i Jesoa hivavaka mandrakariva ireo mpianany satria “marisika ny fanahy fa ny nofo no osa” ka ny herin’ny Teny, velomin’ny Fanahy ihany no hahafahana mivelona ety an-tany araka ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny fiainany ety an-tany dia tandindomin’ny fakam-panahy telo ny mpianatra: ny hanoanana, ny fahotana (halemena) ary ny ratsy.

Mangataka amin’Andriamanitra Ray araka izany mba tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny “vato hovàna ho mofo” fa mba hahavokatra izay nojinjaina ka hahazo ny hanina sahaza ny “anio”. Mivavaka Aminy mba hanamasinany ho antsika ny Anarany amin’ny fahaizantsika mivelona koa, tsy amin’ny mofo ihany fa amin’ny Teny rehetra avoakan’ny vavany ihany koa.

Mangataka amin’Andriamanitra isika mba havelany ny fahotana satria tsy mahatandrin-tena matetika ka manompo andriamani-kafa. Lazain’i Jesoa mazava anefa fa tsy afaka ny hihaino ny vavak’izay tsy mahay mihaino vavaka Andriamanitra satria tsy hahasoa azy izany, hampitombo ny avonavona sy ny fitia te hanjakazaka. Ny fiheverana ho ambony sy masina kokoa noho ny hafa matetika no mahatonga ny fo tsy hamela sy hamindra fo. Izay mahatsapa fa mpanota namindràna fo dia tsy afaka ny tsy hamindra fo. Mivavaka Aminy isika noho izany mba tsy ho resin’ny fakam-panahy ka hitsaoka ny Devoly mba hahazoana ny fanjakan’izao tontolo izao, hiankohofan’ny hafa eo anatrehantsika.

Alaim-panahy haka fanahy an’Andriamanitra isika ka tsy hahatoky ny fitiavany, indrindra rehefa mitsòka ny rivotry ny ratsy (πονηρός, poneros, ratsy izay mampisaraka sy mampizara: Devoly, Satana: mpiampanga) sy ny fakam-panahy (πειρασμός, peirasmos). Dia mamerina ny fitokisany amin’ilay Rainy ny Kristianina mivavaka satria Andriamanitra irery ihany no afaka miaro azy amin’ny fandriky ny Devoly, ary matoky izy ireo fa izay hahasambatra ny zanany rehetra no “sitrapon’Izy Rainy”.

Ny hahasambatra antsika no sitrak’Izy Ray ka ny fahatanterahan’izany sitrapony izany no fiadanantsika.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-11 mandavantaona
PREVIOUS
Alatsinainy faha-11 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.