ALAHADY FANKALAZANA NY PANTEKOTY TAONA D
- Asa 2,1-11/
- Salamo 103/
- Rômanina 8,8-17/
- Md Joany 14,15-26
MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA NY FANAHY MASINA
Pantekôty : pentekostè hèmera (amin’ny teny grika) milaza ny andro faha-dimampolo, ilay fety ankalazain’ny Jody fito herinandro aorian’ny Paka, antsoina koa hoe fetin’ny Herinandro, (Eks 34,22//Lev 23,15-22 // Dt 16,9-12) fetin’ny Tompo, andro hahatsiarovan’ny Hebrio ny nipetrahany tany an’efitra tamin’ny tranolay (Tb 2,1). Raha fetin’ny santa-bokatra izany tany am-piandohana, dia nanjary fety nahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana kosa taty aoriana, izany hoe ny nahazoan’ny Zanak’i Israely ny Lalàna (Torāh). Tsy mahagaga ary, raha manisy tsindrim-peo amin’ny fomba fisehon’i YHWH tany Sinaia i Md Lioka rehefa mitantara ny Pantekôty vaovao, ho amin’ny Fiangonan’ny Mpino vao teraka, miorina amin’ilay Fanekem-pihavanana vaovao (Asa 2,1-11), manaiky hanaraka ny lalàna vaovao araka ny Fanahy.
Nony tonga izany andro izany, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra. ὁμοθυμαδόν (homothumadon) moa no ilazan’i Lioka ny hoe tafavory eto, io ihany moa hilazany ny firaisan-tsaina nentin’ireo Apôstôly nivavaka tao amin’ilay efitrano ambony (Asa 1,14). Tsy afaka handray ny Fanahy Masina manko izay tsy maharitra amin’ny fivavahana na izay tsy manaiky ho vatana iray ao amin’ny Eglizy, manaiky hiombona ho tena iray, miaraka amin’i Kristy Loha sy Filoha.
Ilay feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy, dia mampahatsiaro ny Zanak’Israely mihatrika ny fisehoan’i YHWH (teôfania) tany an-tendrombohitra Sinaia (Eks 19), mampahatsiaro koa ny efitra lamba tao an-tempoly, triatra nisasaka roa tamin’ny ora nialan’i Jesoa aina (Lk 23,44-45), ary ho an’i Matio dia miampy ny horohoron-tany sy ny vatolampy nitresaka (Mt 27,51), izany rehetra izany no manambara fa tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jo 15,13), izany no manambara ny hafenoan’ny Fisehoan’ilay Teny tonga nofo (plénitude de la Révélation).
Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104,34). Ny Fanahy manavao ny zavatra rehetra no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ – lāshōn ēsh = lela afo) lazain’i Izaia fa mandoro sy mandevona izay mitsipaka ny Lalànan’i YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’i Israely (Iz 5,24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς – glôssai hôsei pyros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy.
Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apôstôly isika araka izany, dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe ny teniny, mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao. Lazain’i Lioka mazava tsara, henontsika tamin’ny vakiteny I teo, fa monina ao Jerosalema avokoa ny Jody, ny olona mpivavaka rehetra teto ambonin’ny tany (and. 5)[1].
Ny fahalalana teny samihafa, ny fitenenana teny tsy fantatra (glossolalie) dia tsy natao hisehosehoana sy hizahozahoana, fa mitaky adidy “hitory an’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra mba hampiray ny fiteny rehetra hiara-hankatò ny finoana tokana” (prefasy). Tsara ho marihina fa na dia voalaza aza ny fahasamihafan’ny fiteny (Jen 10,20) dia nohamafisin’ny Jenezy fa tany am-piandohana dia “iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra” (Jen 11,1). Ny teny araka izany dia natao hampiombona fa tsy hanasaraka. Noho ny fielezana anefa, dia nihevitra ny olona hanao tilikambo avo mahatakatra ny lanitra (Babela, Bab ilu – azo adika koa hoe vavahadin’Andriamanitra, na avy amin’ny bābal, manafangaro) ho famantaram-piombonana. Tsy ny ezaky ny olombelona fa ny fanomezan’Andriamanitra no mampiombona antsika. Tsy afaka hiombona na oviana na oviana izay tsy mivory amin’ny trano iray iombonana, izay tsy manaiky hiakatra ao amin’ny Efitrano ambony mba hankalaza miaraka ny Eokaristia (Vakiteny I Asa 2,1).
Tsy hoe sanatria mialona ny fikasan’ny olombelona Andriamanitra satria hoe “tsy hisy na inona na inona hahasakana ny olona tsy hanatanteraka izay kasainy hatao” (Jen 11,6). Tsy fialonan’Andriamanitra no nampifangaroany ny fitenenana fa vokatry ny fitiavan-tena sy ny avonavon’ny olombelona ihany. Tsy ny fahafahana manao izay tian-katao tsy akory no atao hoe fahafahana (liberté), fa “libertinage” (fanaovana izay danin’ny kibo) no hiantsoana izany. Ny fanaovana izay tiana atao dia tsy hitondra antsika ho amin’ny tena fiombonana tsy akory fa vao mainka aza ho amin’ny fisarahana. Ny fikasan’ireo tao Babela hanao tilikambo mba hiombonana indraindray, dia ny fiheveran’izy ireo hiombona amin’ny herin’ny tenany sy ny ezaky ny fisasarany, ka tsy ilàny an’Andriamanitra intsony, ary ny hafa kosa hatao tohatra hiakarana mananika ny tilikambon’i Babela fotsiny ihany.
Fa ny fahasoavan’Andriamanitra kosa no nanorokoro ny fiteniny, nandrava izany kinasa… Ary moa tsy fahasoavana toy izany ve no ventesintsika matetika amin’ny hira hoe: Miantso anao izahay ry Tompo, fa mitady handrava izay kasainay ny Fanahy!!! Ka matahotra izahay… sao fongorany tokoa ny tilikambonay mahatakatra ny lanitra, hiheveranay fa tsy mila Anao intsony izahay hampiombona anay. Mila mandini-tena mandrakariva isika rehefa misy zavatra nokasaina hatao ka rava, sao sanatria vokatry ny fikasan’olombelona fotsiny ihany izany. Mety izany fandravàna izany no fahasoavana hoentin’ny Fanahy hitondra antsika amin’ny Pantekôty vaovao.
Tsy azo adinoina ny lazain’i Md Paoly mikasika ny fitenenana teny tsy fantatra, indraindray ireharehan’ny sasany: “Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany, fa izay milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa dia mahasoa ny Fiangonana… fa raha mivavaka amin’ny teny tsy fantatra aho dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko tsy mahazo vokatra”. Aleo milaza hafatra avy amin’Andriamanitra toy izay hiteny amin’ny teny tsy fantatra, hoy izy (1Kôr 14,4-6.14).
I Kristy no Teny zary nofo hampiombona antsika. Izy no Teny tonga Mofo, ka ny Apôstôly mitory Azy, mijoro ho vavolombelon’ny fitsanganany dia miteny amin’ny fitenin’ireo firenena 12 vaovao izay entina manambara ny tany tontolo. I Kristy nitsangan-ko velona no manome ny Fanahy, hampianatra antsika fa tsy ny tilikambo ataon’ny tanan’olombelona sanatria no hampiombona sy hitarika amin’ny firaisana (Babela, avy amin’ny bābal, manafangaro) fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra irery ihany. Izay manaiky hotarihiny no afaka miombona ao amin’ilay Tranon’ny Fitiavana maha zanaka.
Ny Pantekôty àry, araka izany, dia fiantombohan’ny Fotoanan’ny Fanahy Masina, fahaterahan’ny Fiangonana (jereo ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika n. 766, ka manazava ny fampiasana ny loko mena mitovy amin’ny Zomà Masina).Tsy manafoana fa mandavorary ny Lovam-panahy tao amin’ny Finoana Jody anefa ny Eglizy. Raha ho an’ny Jody dia fetim-pifaliana ny Pantekôty, hanolorana an’Andriamanitra ny tsara indrindra amin’ny santa-bokatra, mba hisaorana Azy nanome ny Lalàna (Torāh), ahoana kosa no hankalazantsika ny Pantekôntintsika?
Ny Vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (Ga 5,16-25).
Mazava loatra fa ny vokatry ny Fanahy izay mitondra fifaliana sy Fiadanam-po io, ka tahirizintsika amin’ny faharetana, ny hamoram-panahy sy ny fahazavam-po, ny finoana (tsy fivadihana) sy ny halemem-panahy ary ny fahalalana onony. Tsy ho filan-dera hitarika filan-kìsa sy fialonana sanatria, fa fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny asam-panafahana, hiekena fa ny marina no maha olon’afaka (Jo 8,32) ka tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina no afaka hitarika antsika amin’ny marina rehetra (Jo 15,26-27; 16,12-15).
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina. Tsy sanatria ho fahazarana fotsiny ny miantso ny Fanahy Masina alohan’ny fivoriana, saingy ny hevitra efa tapaka mialoha sy ny hevitry ny tena no itadiavana fomba hanamarinana azy.
Raha iverenana izay lazain’ny Evanjely dia izao : ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy.
“Izay manana ny didiko sy mitandrina azy no tia Ahy”. Mazava ny tenin’i Jesoa. Tsy afaka hilaza ho tia ny olona iray ianao raha tsy raharahianao akory ny hafatra navelany. Manana ny didin’i Jesoa, manana = ἔχω (echô), izany hoe mandray azy ho fananana iombonana amin’i Jesoa, tonga tompony, izay mitandrina ny teniny am-pinoana ka miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’ny fampianarany, amin’ny fifankatiavana tahaka ny nitiavany, tsy hoe an-tery fa an-tsitsapo satria araka izany tsy miandry baiko fa entanin’ny fitiavana.
I Jodasy (rahalahin’i Jakôba Lk 6,16 – Tade) dia nihevitra fa ny fisehoan’i Jesoa, ny fanomezan’ny Ray voninahitra Azy dia tokony ho fisehoany amin’izao tontolo izao, ho mpanjaka mamirapiratra araka ny fampanantenana ho an’ny taranak’i Davida fa tsy amin’ny mpianatra ihany (and 22). Saingy ambaran’i Jesoa mazava, fa tsy voninahitra araka an’izao tontolo izao ny Azy, ka izay tsy mandray ny teniny dia manilika ny tenany tsy handray ny famonjena, satria mandà tsy hihaino ny tenin’ny fiainana, mandà tsy handray ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo izay hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro ny fampianarany, Fanahy izay irahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, izany hoe amin’ny fiombonana Aminy, noho ny vavaka ataony (Jo 14,16).
Teo amin’ny Jody dia ny fiezahana mandinika ny Torāh no hoheverina fa hahatongavana amin’ny fahasambarana. Ny Torāh anefa dia manoro ny lalana hombana ihany saingy tsy manolo ny asa sy ny ezaka tokony ataon’izay hanao ny dia, ary tsy hanome azy ny hery hahafahana mizotra izany lalana izany. Tsy afaka ny hizotra amin’ny lalana maha zanak’Andriamanitra antsika isika raha tsy mandray ny Fanahy Masina.
Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray antsika mba handavorary ny fiombonantsika aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kôr 15,28). Izy no hahatanteraka ny faminanian’i Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Izy izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona amin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany Andriamanitra amin’ny fanomezana ny Fanahy. Izay tia ihany anefa no afaka manandrana izany hafenoan’ny fiainana izany.
Ny Fanahy no hampianatra ary koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω – hypomimnèskô) izay nampianarin’i Jesoa. Izy no mamerina ao am-pontsika ny teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia azy.
Mpanafaka alahelo no iantsoan’i Jesoa ny Fanahy Masina. Ny hoe παράκλητος (paraklètos), moa dia ilay antsoina mba ho namana, ho mpiara-dia; nentina niantsoana ihany koa ilay mitsangana mba ho antoka, misolo vava eo anatrehan’ny fitsarana: raha ny marina araka izany dia tsy mpanala alahelo, fa mpanala izay fototry ny alahelo ny Fanahy Masina. “Fanomezan’Andriamanitra hanilo ny finoantsika ka hahafahantsika mivoatra amin’ny Fiainana maha zanak’Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina”, hoy i Papa François (Toriteny Ste Marthe, 11 mai 2020).
Nampiasain’ny Jody koa io teny grika io, ka tsy nadikany amin’ny teniny fa najanony amin’izao: paraklita no nilazan’izy ireo tamin’ny teny arameanina (teny nampiasain’ny olona tamin’ny andron’i Jesoa) ny raim-pianakaviana (na izay misolo azy) amin’ny fandikàna amin’ny teny azon’ny zanany (arameanina) ny Torāh izay voasoratra tamin’ny teny hebrio, satria tsy hain’ireo zanany mbola tsy nianatra izany teny izany. Ny Fanahy Masina “paraklita” araka izany dia “mpandika teny” koa, manampy antsika hahazo sy hampifanaraka ny fampianaran’i Jesoa amin’ny vaninandro sy ny fomba fisainantsika ankehitriny, mba hahazoantsika ilay “didim-pitiavana” araka ny tokony ho izy.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hankalazana ny misterin’ny Paka mandritra ny dimam-polo andro; koa mihanta aminao izahay: enga anie ny olombelona samihafa fiteny miely patrana eran’ny vazan-tany, mba hampiraisin’ny fanomezana avy any an-danitra ka hiray feo hankalaza Anao (Vavaka fiaretan-tory).
[1]Ἦσαν δὲ ἐν Ἱερουσαλὴμ κατοικοῦντες Ἰουδαῖοι, ἄνδρες εὐλαβεῖς, ἀπὸ παντὸς ἔθνους τῶν ὑπὸ τὸν οὐρανόν. (Asa 2:5 araka ny dikanteny BYZ): Jody, olona tia vavaka…