Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA VI PAKA – TAONA D

ALAHADY FAHA VI PAKA – TAONA D

Njara Pascal

Ny alahady fahenina amin’ny drafitra “mystagogique” moa dia handinihana manokana ny fampanantenana ny Mpanafaka alahelo: Hangataka amin’ny Raiko aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo (Jo 14,15-21: Taona A); dia nidina tamin’ny Jentily ny Fanahy Masina (Asa 10,25-48: vakiteny voalohany Taona B), ilay Fanahy hampahatsiaro izay rehetra nolazain’i Kristy (Jo 14,23-29: taona D).

Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray antsika mba handavorariana ny fiombonantsika Aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1 Kôr 15,28). Ny Fanahy Masina, ilay nisonenika tambonin’ny rano (Jen 1,2), no hahatanteraka ny faminanian’i Izaia fa hampianarin’Andriamanitra ny olona rehetra (Iz 54,13), Andriamanitra Ray izay nampianatra ny vahoaka tamin’ny Lalàna sy ny Mpaminany, niseho ho fantatry ny olona, izany hoe naneho ny tena endriny amintsika tamin’ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo ary mampiombona ny olombelona amin’ny fiainany amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io Fanahy irahin’ny Ray io no maha zanaka antsika, tsy hamelan’i Jesoa antsika ho kamboty ka hahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe Aba, Ray (Ga 4,6). Izy no omen’i Jesoa hankahery antsika ka hahafahantsika mahefa ny zavatra rehetra (Fil 4,13).

Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana mamintina amintsika ireo sehatra isehoan’ny Fanahy:

KFK 688. Ny Fiangonana, fiombonana velona ao amin’ny finoan’ny apôstôly izay nampitainy, no toeran’ny fahalalantsika ny Fanahy Masina :

  • ao amin’ny Soratra Masina izay avy amin’ny fanilovany ;
  • ao amin’ny Lovam-panahy (Tradition), ary vavolombelona tsy tontan’ny ela an’izany ireo Aban’ny Fiangonana;
  • ao amin’ny Fotom-pampianaran’ny Fiangonana (Magistère) izay tsiloviny hatrany ;
  • ao amin’ny Litorzia sakramentaly, izay ampiombonan’ny Fanahy Masina antsika amin’i Kristy amin’ny alalan’ireo teniny sy fihetsika;
  • ao amin’ny fivavahana izay hitalahoany ho antsika;
  • ao amin’ireo fanomezam-pahasoavana (charismes) sy andraiki-panompoana (ministères) izay anorenany (manamafy orina) ny Fiangonana ;
  • ao amin’ireo fanehoana ny fiainana maha apôstôly sy maha misiônera ;
  • ao amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo olomasina izay hanehoany ny fahamasinany sy hanohizany ny asam-pamonjena.

Ny Fanahy no hampianatra ary koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω – hypomimneskô) izay nampianarin’i Jesoa mba tsy hanadinoantsika azy mandrakizay.

Izao no fampianaran’ny Eglizy momba izany:

Mino ny Fanahy Masina

KFK 152. Tsy misy afaka hino an’i Jesoa-Kristy raha tsy manana anjara amin’ny Fanahiny. Ny Fanahy Masina no manambara amin’ny olombelona hoe iza moa i Jesoa? Satria “tsy misy afa-milaza fa i Jesoa no Tompo, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina” (1Kôr 12,3). “Mamantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza (…) Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany” (1Kôr 2,10-11). Andriamanitra irery no mahalala manontolo ny momba an’ Andriamanitra. Mino ny Fanahy Masina isika satria Andriamanitra Izy.

Tsy mitsahatra manambara ny finoany an’Andriamanitra tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny Fiangonana.

KFK 687. “Tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra” (1Kôr 2,11). Ary, ny Fanahiny izay manambara Azy dia mampahafantatra antsika an’i Kristy, Teniny (son Verbe), Teniny velona (Parole Vivante), fa tsy milaza momba ny tenany. Ilay “niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany” (DS 150) no ahafahantsika mandre ny Tenin’ny Ray. Fa isika tsy mandre Azy. Tsy mahalala Azy isika afa-tsy amin’ny fihetsika izay anambaràny amintsika an’ ilay Teny sy andrisihany antsika handray Azy amin’ny finoana. Ny Fanahin’ ny Fahamarinana izay “mampiharihary” an’i Kristy amintsika dia “tsy miteny avy amin’ny Tenany” (Jo 16,13). Izany fanaovana tsinontsinona ny tena toy izany, izay tena toetran’ Andriamanitra manokana, no manazava ny antony “tsy ahazoan’izao tontolo izao mandray ny Fanahy, satria tsy hitany Izy ka tsy fantany”, fa ireo izay mino an’i Kristy kosa dia mahafantatra Azy satria mitoetra ao amin’izy ireo Izy (Jo 14,17).

Ny Fanahy izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’izay mino Azy no antoka mandavorary ny iraka nankinina amin’ny Fiangonana: «ho Vavolombelon’i Kristy hatrany amin’ny faravazan-tany», hamaly amin-kamoram-po sy fanajana izay manontany ny anton’ny fanantenana izay iainantsika (1P 3,15-18). Indraindray misy olona mihevitra ho manana ny marina dia mihevitra koa fa afaka miteny izay tiany hotenenina ary miteny amin’ny fomba tiany hitenenana. Ny Kristianina, hoy i Md Piera dia hamaly amin-kamoram-po sy amim-panajana mandrakariva, ka ny fitondran-tena tsara atao ao amin’i Kristy ho hampahamenatra izay mety hanendrikendrika.

  • Asa 15,1-2.22-29/
  • Salamo 66/
  • Apôkalipsa 21,10-14.22-23/
  • Md Joany 14,23-29

Vary zato ahoron’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy

Efa novakiana nandritra ny herinandro moa ny Vakiteny voalohany.

Ny Asan’ny Apôstôly dia mampianatra antsika handinika sao sanatria eo anivon’ny Fiangonantsika mbola misy olona tsy nahazo alàlana akory avy tamin’ny Apôstôly mampitabataba amin’ny teniny sy mampitebiteby ny sain’ny mpino, amin’ny fitakiana adidy tsy araka ny Evanjely akory. Mazava moa ny votoatin’ny Taratasy nosoratana ho an’ireo Jentily tany Antiôkia, mamintina ny zavatra nolazain’i Piera sy Jakôba: fifadiana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy.

Misy fomba fiteny sasantsasany tiako asiana tsindrim-peo kely anefa amin’izay ampiasain’i Lioka amin’ny fitantarany. Ny Fiangonana no mifanara-kevitra fa tsy olona iray, izy no maniraka (“izahay”), ary miaraka amin’ny Fanahy Masina no anapahany hevitra. Izay fiaraha-miasa amin’ny Fanahy Masina izay no hahafahana manapa-kevitra araka ny Evanjely, ka hahatonga izany ho loharanon-kafaliana sy fanalana alahelo ho an’izay mino.

Tsy azo adinoina anefa ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny ezaka rehetra atao eo anivon’ny Fiangonana: mba hifankatiavana bebe kokoa, izany hoe mba hahatonga ny olon-drehetra ho mpianatr’i Kristy, hitia tahaka ny itiavan’i Kristy azy, hahafoy ny aina ho an’ny hafa. Ny hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana. Ilay fitiavana manambatra ny Ray sy ny Zanaka, dia ilay fitiavana nitiavan’ny Ray ny Zanaka no manambatra ny mpianany amin’i Jesoa ary tonga rohim-pihavanana mampiombona ny mpianatra samy mpianatra ihany koa. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy ka isika koa antsoiny hitia amin’ny hafenoan’ny fitiavana: mahafoy ny zavatra rehetra, hatramin’ny aina aza ho fandraisana anjara amin’ny fanorenana ny Fanjakany ao amin’ny fitiavana. Io no didy vaovao omeny an’izay te hanara-dia Azy. 

Raha fintinina ny hafatra lehibe sady mafonja tiany ampitaina amintsika dia mikasika ny mety hifangaroan’ny Evanjely sy ny kolontsaina. Izay te hanaraka ny Evanjely dia voaantso hiala amin’izay rehetra mifanohitra amin’ny fampianaran’i Kristy (fijangajangana, valifaty, famonoan’olona, fanalan-jaza…). Tsy hoe mifanohitra amin’ny Evanjely manko izay mety ho tsy azonao satria tsy mifanaraka amin’ny kolontsainao. Raha ny marina araka izany dia fitsinjovana ny fivelaran’ny Fiangonana amin’ny foko amam-pirenena rehetra (universalité), etsy andaniny, saingy fiarovana ny fiombonana sy ny firaisany, amin’ny maha iray azy kosa (unité), etsy ankilany. Ny fanapahan-kevitra dia asan’ny Fanahy, izay nitarika ny adihevitra sy ny vavaka maharitra nataon’ny Apôstôly, ny Pretra sy ny Kristianina tafavory tao Jerosalema. Izay sitraky ny Fanahy no ataon’izay mino an’i Kristy.

Ny famaranana ny taratasy nosoratana, izay nadika ao amin’ny vakinteny hoe “Veloma” moa, Ἔρρωσθε (Asa 15,29 impératif au parfait passif de ῥώννυμι -rônnymi), “mahereza”, raha adika ara-bakiteny dia  mampahatsiaro antsika ny andraikitra nomen’i Jesoa an’i Piera hoe: “rehefa mibebaka ianao, dia ankaherezo ny rahalahinao » (Lk 22,32) ka ilazany antsika koa fa ny fanamafisana ny fitiavana an’i Jesoa dia ny fialana amin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana (1Pi 1, 17-21 Vakiteny I Paka 3A), ka hitondra tena am-pahamatorana, ho fankaherezana ny rahalahy, hanaporofoana amin’izy ireo fa afa-manova ny fiainana ny Herin’ny Fanahy izay nanangana an’i Jesoa ho velona. Tsy zavatra mandeha ho azy araka izany fa ankoatra ny finiavantsika hahatsiaro mandrakariva ny maha zanak’Andriamanitra antsika dia tsy azo adinoina na oviana na oviana fa ny Fanahy, ilay nanangana an’i Kristy ho velona no antoka ho antsika.

Ny Fanambaran’i Md Joany (Fan 21, 10-23) dia mampianatra zavatra hafa mankahery antsika koa: malalaka ny vavahady miditra ao amin’ny tanàna masina. Na avy any avaratra na avy any atsimo na avy andrefana na avy antsinanana dia samy manana varavarana telo tandrify. Tsy hisy tempoly intsony ao amin’io Jerosalema nidina avy any an-danitra io, hoy i Joany. Midika izany fa ny fomba fivavahana, ny zavatra mahazatra antsika ety an-tany entina hiderana an’Andriamanitra dia tsy hanaraka any amin’ny mandrakizay. Tsy mila fanelanelanana na fombafomba intsony manko ny olona satria hifanatri-tava amin’Andriamanitra. Indraindray manko dia zavatra mandalo sy tokony hanampy haniriana ilay mandrakizay no manjary mampiady sy mampisaraka, satria adino ny anton’ny fankalazana. Ny Fanahy Masina hatrany no mitarika antsika sy manazava antsika hizotra ho any amin’io Tanàna Masina io.

Ny Evanjely kosa, nentina nankahery ireo kristianina voaenjika ka niandry ny fisehoan’i Kristy am-boninahitra, saingy toa ny fahotana, ny hevi-diso mbamin’ny fitsitokotokoana aza no miha-mahazo vahana. “Izay manana ny didiko sy mitandrina azy no tia ahy”. Mazava ny tenin’i Jesoa. Tsy afaka hiteny hoe tia ny olona iray ianao raha tsy raharahainao akory ny hafatra navelany. Manana ny didin’i Jesoa izay mitandrina ny teniny am-pinoana ka miezaka mampifanaraka ny fiainana amin’ny fampianarany, amin’ny fitiavana tahaka ny nitiavany.

I Jodasy (rahalahin’i Jakôba Lk 6,16) dia nihevitra (na ny marimarina kokoa nisolotena ny Apôstôly sy ny Jody rehetra) fa ny fisehoan’i Jesoa (ilay zanak’i Davida) amin’ny hanomezan’ny Ray voninahitra azy dia ny fisehoany amin’izao tontolo izao, ho mpanjaka mamirapiratra araka ny fampanantenana ho an’ny taranak’i Davida. Saingy ambaran’i Jesoa mazava, fa tsy voninahitra araka an’izao tontolo izao ny azy, ka izay tsy mandray ny teniny dia manilika ny tenany tsy handray ny famonjena, satria mandà tsy hihaino ny tenin’ny fiainana, mandà tsy handray ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo izay hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiahy ny fampianarany, Fanahy izay irahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, izany hoe amin’ny fiombonana aminy, noho ny vavaka ataony (Jo 14,16).

Ny Fanahy Masina no omen’ny Ray ho antsika mba handavorary ny fiombonantsika aminy, ka hahatonga an’Andriamanitra ho zavatra rehetra ao amin’ny olombelona rehetra (tout en tous, 1Kôr 15,28).

Ny Fanahy no hampianatra ary koa hampahatsiaro (ὑπομιμνῄσκω – hypomimneskô) izay nampianarin’i Jesoa. Izy no mamerina ao am-pontsika ny teny, satria izay tsy ao amin’ny “tsiaro” dia very any amin’ny fanadinoana. Ny Fanahy fitiavana no mamelona eo anivon’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’i Kristy, ka hahafahan’ny Mpino miaina ny fiombonana amin’Andriamanitra izay honina ao amin’izay tia azy. Izany no mahatonga an’i Joany hampahatsiaro fa “ilay fanosorana noraisintsika taminy no mitoetra ao amintsika ka tsy mila ampianarin’olona isika, fa izany fanosorana izany no mampianatra antsika ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany ka tomoera ao Aminy araka ny fampianarany antsika” (1Jo 2,27-28)

Avy mampanantena ny Fanahy mpisolovava i Jesoa dia mampanantena ny Fiadanana ho an’ny mpianany. Vavaka averimberintsika isaky ny Lamesa io. Ny fiadanana manko no fanomezana lehibe indrindra nomen’i Jesoa, ary fanomezana nomeny ny Mpianany fony Izy tafatsangan-ko velona. Tsy mitovy amin’ny fiadanana araka an’izao tontolo izao. Ny fiteny hoe “Si vis pacem, para bellum”, raha te hiadana ianao dia omany ny ady, dia mahalaza ny fiadanana araka an’izao tontolo izao, satria raha tsy ianao no matanjaka indrindra dia hatahotra sao hotafihin’izay mahery ianao ka dia hitebiteby lava eo. Fiadanana manelanelana ny ady roa mifanesy araka izany ny fiadanan’izao tontolo izao. Fandriam-pahalemana manko no iantsoan’ny teny gasy ny fiadanana: mandry fahalemana izay matory tsara ny alina, tsy mitebiteby, mandry ivohon’ny vato. Ny fiadanan’izao tontolo izao dia korontanin’ny fitiavan-tena sy ny fialonana, miampy ny fahalemena izay efa mpahazo ny olona.

Ny fiadanan’i Kristy kosa dia avy amin’Andriamanitra, manome hafaliana sy fitokisana tanteraka, ka ny fiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy dia hafaliana ho an’ny mpianatra satria fahatanterahan’ny asam-pamonjena, fanehoan’i Jesoa amin’izao tontolo izao ny fitiavany ny Ray ka nanekeny hatramin’ny fahafatesana. Fisarahana amin’ny maha olona, saingy fiombonana kosa, satria Izy lasa any amin’ny Ray, nanaiky ho faty, dia velona mandrakizay eo anivon’ny Fiangonany.

Ny fiadanana lavorary dia ny fahatanterahan’ny faniriana ka tojo izay notadiavina. Ho antsika dia izay nampanantenain’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana mandrakizay, no irintsika. Ny fitiavany antsika no antony anomezany antsika izay rehetra mitondra antsika amin’ny fiainana (ary manesotra kosa izay mamono ny aina), avy amin’io fitiavana io no hitsirian’ny fiadanana ka hivelarany mba ho tonga hafaliana tsy omby tratra, haharitra mandrakizay.

Izay tia Azy ihany no afaka mahita fa ny Lakroà no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra, hanehoan’i Jesoa ny fitiavany ny Ray ary nanehoany amintsika araka izany ny fitiavany hiombona tanteraka, hatramin’ny fahafatesana, amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika. Tsy misy madilana hotentenana intsony amin’izany hafenoam-pitiavana izany. Tsy hiteny intsony ilay Teny, saingy amin’ny alalan’ny Evanjely, avy amin’ny fanilovan’ny Fanahiny, dia ampahatsiarovany antsika mandrakariva izay nolazainy, ka manentana antsika hampifanaraka ny toe-piainana amin’izany Izy.

Lehibe noho ny Zanaka ny Ray amin’ny maha iraky ny Ray ny Zanaka. Ka izay miray fo sy miray aina amin’i Jesoa dia hiombon-kafaliana Aminy koa amin’ny fahatanterahan’ny iraka nampanaovin’ny Ray Azy. Miasa eo anivon’ny Eglizy ny Fanahy Masina ka tsy hanaiky horebireben’ny mpaminany sandoka, tsy mahita afa-tsy ny asan’ny ratsy anie isika, araka ny fampitandreman’i Md Jean XXIII, raha nanokatra ny Kônsily faharoa tao Vatikana, fa hahay kosa hibanjina ny asany izay mitondra fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hatsaram-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onona (Ga 5,22-23).

Iraho ny Fanahinao ry Tompo, dia hohavaozinao ny endriky ny tany (Sal 104,30).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy VI Paka
PREVIOUS
Sabotsy V Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona
  • Zoma fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy fahadimy mandavan-taona 12 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.