Trinitera Malagasy
Alahady faha-III Karemy Taona D

Alahady faha-III Karemy Taona D

Njara Pascal
  • Eksaody 3, 1-15/
  • Salamo 102/
  • 1 Kor 10,1-12/
  • Md Lioka 13, 1-9

Mibebaha, miovà toetra, fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovana.

Eo am-panohizana ny fivahinianana, ho amin’ny Tany nampanantenaina, amin’ny fizorana ho amin’ny Pakan’ny fandresena, handresena ny fakam-panahy miaraka amin’i Kristy, amin’ny alalan’ireo “fanafody” atoron’ny Eglizy hanasitranana ny fahotana dia ny vavaka, ny fifadian-kanina sy ny asa fiantrana, dia voaantso haka tahaka an’i Kristy isika, amin’ny fihainoana Azy (Alahady II) ilay Zanaka Malalan’ny Ray.

Izany fihainoana azy izany dia tokony hitarika antsika handalina ny momba Azy, hamantatra ny Anaran’ilay Andriamanitry ny Razantsika (Abrahama, Isaaka sy Jakoba), ilay Andriamanitry ny katesizy sy ny toriteny (izay nampianarina antsika sy nianarantsika tsianjery), mba ho tonga Andriamanitra tsy tantaraina fa hitantarana (hivavahana)… hiresahana ka horesahina: izany hoe avy amin’ny “vavaka” (vokatry ny finoana), izay fotoana hiresahana Aminy sy hianarana mijery ny zavamisy araka ny fahitany Azy, ary avy eo dia tonga “iraka” (mission), hitory ny halehibeazany amin’ny vava sy ho taratry ny fitiavany amin’ny fomba fiainana satria ilay Andriamanitra “mahita ny fahorian’ny vahoakany, mihaino ny tarainan’izy ireo ary mahafantatra ny fijaliany”  dia niantso mandrakariva ny Mpanompony (Moizy sy isika tsirairay) ho iraka, hanafaka ny vahoakany (Eks 3, 1-15).

Miankina amin’izay fisainantsika (inoantsika) ny momba an’Andriamanitra manko ny fiainantsika sy izay mety ho fitondrantenantsika miresaka (mivavaka) Aminy. Ny olona dia tsy afaka ny tsy haka tahaka ny “andriamanitra” tompoiny sy banjininy. Izay heverintsika ho fahasambarana manko no tonga vimiaina anompanantsika ny fiainantsika manontolo. Raha ny vola no tonga andriamanitra dia mahavita mamono tena (na mamono ny hafa koa aza) ny olona hahazoana izany. Raha andrimanitra be voninahitra miandry ny olona hiankohoka eo anatrehany no tompointsika, dia mazava loatra fa izay hanajan’ny olona antsika sy ny hiforetan’ny hafa eo anatrehantsika no himasoantsika, ka sanatria tsy ny hitory ny Evanjelin’i Kristy intsony no lasa laharam-pahamehana fa ny tondromaso sy ny fisehosehoana ho mahavita zavatra. Fa raha Andriamanitra manasa ny tongotry ny mpianany, manaiky ho andevon’ny hafa no hotompointsika dia miova ny tanjon’ny fiainana.

Raha YHWH, Ilay misy, tsy havana raha misy patsa fa Andriamanitra miaraka mandrakariva amin’ny vahoakany ka mahalala ny fahorian’izy ireo, mitady ny fomba hampiadana azy ireo, ary ny hasambarany dia ny fahasambaran’ny vahoakany, raha izany no endriky ny Andriamanitra tompointsika dia tsy afaka ny hanao be marenina na hitampi-maso manoloana ny fijalian’ny hafa isika, tsy afaka ny handà tsy hitondra fahafahana sy fahasambarana ho an’ny vahoakany koa isika.

Araka ny efa voalaza hatrany hatrany, ny Karemy moa dia fotoana hanamafisana ny finoana noraisina tamin’ny Batemy fa hanadiovana ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana amin’izay mety tsy mifanaraka amin’ny maha-kristianina, hahatsiarovana fa tsy lefy ny herin’ny fahasoavana ary toy ny volamena ny hasina maha-zanak’Andriamanitra antsika, ka na dia mihosona ao anatin’ny vovoka sy ny fotaky ny fahalemena amam-pahotana aza, dia tsy avelan’ny soa tsy hamiratra. Ny fiainana dia tahaka ny tany efitry ny Eksaodin’Israely, ka sady lalana mitondra amin’ny fahafahana no entina hanamafisana ny finoana ihany koa. Amin’ny Taona A moa dia manamafy izany ireo dingana telo iainana ny Karemy: ilay Samaritana manambara fa ny fahotana sy ny fifikiran’ny olona amin’izay vady nampirafesiny tamin’Andriamanitra dia tsy mahasakana an’ilay “hany Mpampakatra” hanolotra antsika ny loharano velona miboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay (Joany 4, 5-42); izay mety ho tsy fahalalana na fahajambana nolovaintsika hatramin’ny nahaterahana dia tsy hahasakana antsika tsy hibanjina an’ilay masoandro miposaka, hazavana avy any ambony  (Joany 9, 1-41); ary na dia manoloana ny fahafatesana izay vokatry fahotantsika aza, dia Teny ampy hanangana ho amin’ny hafenoan’ny fiainana  izay manaiky hotarihin’ny hazavan’ny finoana ilay Sakaiza tsy mahafoy (Joany 11, 1-45).

Amin’ity alahady ity, araka izany dia amafisin’ny Eglizy ny fampianarana mikasika an’i Kristy Rano velona, ka izay mangetaheta ihany no afaka haniry izany, ary fantatsika fa Izy Jesoa no niantsoantso ho Mangetaheta teo ambonin’ny Lakroà, ary tsy inona izany fa ny faniriany mafy mba handray anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, ka ny fony nolefonina no nanomezany antsika avy amin’ny Rano sy Ra ny loharano tsy ritran’ny Sakramenta, manambara ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika.

Raha hiverenantsika kosa ny vakiteny aroso amin’ny Taona D, henontsika teo, mampahatsiaro antsika fa tsy inona akory ny fibebahana fa ny fiverenana amin’izay maha-izy azy ny tena, ny faniriana zavatra mifanaraka amin’ny safidy, ka tsy sanatria hitsiriritra zavatra tsy mifanaraka akory amin’ny maha-kristianina antsika. Ny tsirairay, araka izany, samy mandini-tena amin’izay fitsiriritana mety mameno ny fony. Tsy hahasoa antsika ny fankalazana ny sakramenta, ny fanaovana bateny sy Komonio, raha tsy ny faniriana ny ho masina, ny faniriana ny hitovy endrika amin’i Kristy no faniriana mameno ny fontsika sy manentana antsika hanao izany.

Ny fananaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa dia tokony hampitandrina antsika marina tokoa. Tsy izay rehetra niampita ny Ranomasina mena (vita batemy), na izay nihinana ny mana (mofo) ka niala hetaheta tamin’ny rano tam-batolampy (divay) tsy akory no niditra ny tany nampanantenaina… izany hoe, tsy ny fahavitàna batemy na ny komonio voalohany na ny mariazy na ny filaharana no hahatongavana any an-danitra, hahasambatra… tsy niditra ny tany nampanantenaina manko, hoy i Md Paoly, ireo naka fanahy an’Andriamanitra (I Kor 10, 1-12). Raha tiantsika ny hizotra ho amin’ny tany nampanantenaina dia tsy maintsy hiezaka isika ho sitrak’Andriamanitra, amin’ny fihainoana ny Zanany mba hanahafana Azy. Tsy ho tonga any amin’ny fahasambarana izay tsy manaraka ny lalana mitondra mankany, i Jesoa, Zanaky ny Ray tonga nofo no torolalana ho antsika ka ny fanahafana Azy no lalana tokana hizorana amin’ny fahasambarana.

Izany fahasambarana amin’ny fanarahana an’i Jesoa izany dia porofointsika amin’ny fitondrana vokatra. Tsy fitadiavana tombontsoa hafa tsy akory no antony hivavahana fa mba hahaizana mampamokatra ny fahasoavana efa noraisina. Tsy ezaka mba ho tiavina fa valim-pitia ny fibebahana Kristianina. Ny fahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay no fototry ny fiainantsika.

 Ny fanomezana fotoana antsika mba hamoazana dia manaporofo izany (jereo ohatra ny fitantaran’i Marka 11, 12-24 na ny an’i Matio 21, 18-22). Tsy sasatry ny maneho ny fitiavany sy ny faharetany manoloana ny fahosantsika Andriamanitra, ka na dia teo aza ny telo taona tsy namokarana dia mbola nomeny “taom-pahasoavana” isika: hohevoiny ny tany, amin’ny sakramenta atolony handonaka ny fiainantsika, nomeny antsika ho “zezika” ny tenany, mba hivelomantsika ao Aminy. Ary rehefa mivelona Aminy sy mihinana ny sakafom-panahy arosony isika, dia antsoiny hiara-misalahy aminy. “Tsy haninkanim-poana manko ny Eokaristia, fa hanin’ny mpanao zavatra”, hoy ny Kardinaly Razafindratandra izay.

Zavatra inona no hataontsika? Antsoiny ka irahiny hiverina any Ejipta (tanin’ny fangiazana) mba hanafaka ny vahoakany! Hahasahy hifanandrina amin’i Faraona izay mangeja ny vahoaka. Avy any Ejipta i Moizy no nitsoaka, nanavotra aina satria natahotra ny ho faty… Ny fiarovany ny madinika no namonoany ilay ejipsiana. Izao izy dia voairaka mba hanao sorona ny ainy hitondra fahafahana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ampahoriana any Ejipta, hifanehatra indray amin’i Faraona. Ny fahavononana hanao izany dia miankina amin’izay Andriamanitra hinoantsika. Andriamanitra miangavy antsika mba “hanesotra ny kapa” mba hahatsapantsika mivantana fa “mandia tany isika”, ka mila mitandrin-tena mba tsy ho lavo (Vak II), fa indrindra indrindra ihany koa, satria “Andriamanitry ny velona Izy”, ka ny hodi-biby maty (hanaovana ny kapa), dia tsy afaka ny hiseho eo anatrehany.  Ary araka ny efa nolazaintsika teny am-piandohana, tahaka an’i  Moizy koa anefa isika, tsy maintsy handalina ny fahalalantsika an’Andriamanitra, hiresaka Aminy mba hitoriantsika amin’ny hafa: “raha manontany izay Anaranao izy ireo, inona no havaliko azy?”

Ndeha hiverenantsika ny hafatra hafa lazain’ny Evanjely:

Ny fiantombohana sy ny fiafaran’ny toko faha-13 amin’ny Evanjely nosoratan’i Lioka dia resaka faty: amin’ny fiandohana dia mitantara ireo Galileanina novonoin’i Pilaty, ary any amin’ny farany milaza an’i Jerosalema mamono ny mpaminany; any amin’ny fiandohana milaza ny olona valo ambin’ny folo nianjeran’ny tilikambon’i Siloe, ary any amin’ny fiafarany milaza an’i Jerosalema tsy manaiky hovorian’i Jesoa mba harovany. Ireo fifampiantsoana ireo dia manampy antsika hahazo ny evanjely anio.

Moa ataonareo fa…!

Moa tsy afaka mba mitaky ny zony sy maneho ny heviny ve ny olona tsirairay? Izany no nataon’ny Jody sasany antsoina hoe Zeloty. Mora ny manome tsiny an’i Pilaty namono ireo Zeloty nikomy nanohitra ny fanjakana Rômana (mora ny manome tsiny ny Frantsay sy Senegaly namono ny maherifo  tamin’ny 1947, mora ny manome tsiny ny Rosiana midaroka baomba ny any Ucraine)  fa sarotra kosa ny manaiky hihaino ny Mpampinany ka tsy hamono azy (sarotra ny tsy hamono an-dRatsimandrava ny 1975 sy ireo izay manembabtsembana ny tombontsoa manokana…). Manam-bola holaniana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana izao tontolo izao, fa tsy manana vola hamatsiana sakafo sy rano fisotro madio ny mponina rehetra eo aminy, atao fitaovana ny madinika fa ny tanjona, dia tsy ny hiadanan’izy ireo fa ny mba hanjakazakana.

Mety tsy hovonoina alatsa-drà anefa ny mpaminany, fa vonoina kosa ny hasina maha-olona azy, alàna ny barakany sy ny voninahiny, endrikendrehana sy ampangaina mba tsy hinoan’ny olona azy ka hahafahan’ny feon’ny fieritreretana mandrimandry, tsy hibebaka. Tsy fiovan’ny fitondrana fa ny fiovan’ny fomba fisainana no atao hoe fibebahana. Tsy ny fanamelohana ny mpanao ratsy fa ny fankahalana ny ratsy ka hitaomana ny mpanao ratsy hibebaka no idirana amin’ny fiainana.

Mora ny mitsetra ireo zeran’ny tilikambo, matin’ny loza, maty noho ny tsy fitandreman’ny hafa, maty nozeran’ny baomba, fa sarotra kosa ny miala amin’ny mahazatra sy amin’ny zavatra heverina ho fahafinaretana na dia mety hitondra amin’ny fahafatesana aza izany. Sarotra ny manaiky hambombaina tahaka ny zanak’akoho (fiafaran’ny toko 13 voalaza teny am-pihandohana). Na dia soratana aza hoe “mahafaty”, mbola hanina ihany, rehefa tsy ny fahazavana hanomezana hasina ny fiainana no manomboka mahazo laka. Izay tsy mibebaka dia hanimba ny fiainany, ho very toy ny izeran’ny tilikambo, maty “accidenté” fa tsy maty noho ny zavatra nisasarana sy notiavina mba hamelàna mamy ho an’ny hafa. Tsy sanatria sazim-pahotana ny fijaliana sy fahafatesana (ka heverina fa Andriamanitra no manasazy antsika); tsy sazy ireny fa vokatry ny fahotana. Mampahalahelo anefa raha ny tsy fitandremako sy ny fahotako no hitondran’ny hafa faisana sy fijaliana. Mampalahelo raha ny fitiavan’ny olom-bitsy hanjakazaka no hamonoana ny tsy manan-tsiny sy ampitondraina takaitra ny taranaka fara mandimby.  

Tsy mila voa tsy hary anefa Andriamanitra amin’ny fiangaviana antsika mba hamokatra, na dia eny amin’ny tanim-boaloboka aza no ambolena ny aviavy. Mety tsy hifanaraka amin’ny andrasantsika ny tany ambolena antsika, saingy omeny ny fahasoavana rehetra isika mba hamokatra, omeny fikarakarana izay tsy azon’ny voaloboka akory, izay rantsanana fotsiny ihany fa tsy asiana zezika na hohevoina. Miandry telo taona toy ny mpamboly aviavy, ary mbola mihaino ny manompony koa hiandry taona hafa, hihevoana sy hanasi(v)ana zezika mba hamokarana, “raha tsy izany dia hokapaina ihany izy”. Anjaran’ny tsirairay araka izany ny manararaotra ny tany ambolen’Andriamanitra azy, ny fikolokoloana sy ny zezika omeny, tsy misy afaka ny hiala tsiny ka hihevitra fa tsy novoleny na tsy nokolokoloina. Anjaran’ny tsirairay ny mandini-tena amin’ny vokatra tiany ampamokarina sy efa nampamokariny eo amin’ny fiainana, mba tsy ho sanatria ho fitsiriritan-dratsy na ho fimonomononana hitondra amin’ny fandringanana. Tsy fieboeboana eo anatrehan’ny olona rahateo no antony hamokarana fa noho ny fahatsapana fa notiavina, ka te hamaly fitia, te hiombona amin’ny hafalian’Andriamanitra, tsy mitsahatra manasoa ny zanany rehetra tsy an-kanavaka.

Manoloana ny herisetra sy ny vono olona (haratsian’ny olona: toy ny nataon’i Pilaty sy ny miaramila nanaiky hanatanteraka ny iraka), manoloana ny loza mihatra (haratsian’ny natiora: tilikambo mirodana, rivodoza…) dia manontany tena isika matetika hoe: aiza Andriamanitra. Ny Jody moa niezaka ny handresy lahatra ny tenany sy ny vahoaka fa matoa ianao nidiran-doza, matoa Andriamanitra tsy niaro anao dia satria “nisy zavatra nahadiso anao” tany ho any, sazim-pahotanao izany. Tsy niady hevitra tamin’izy ireo momba izany i Jesoa fa kosa nampitandrina antsika fa raha tsy mibebaka isika dia ho very. Fahasoavana mila araraotina ny faharetana sy ny famindrampon’Andriamanitra, araka izany fa tsy sanatria hitondra amin’ny tsy fivakisan-doha sy ny fangatahan’andro hibebahana. Mikiky tsikelikely sady mahavery ny hasambarana ny ratsy raha tsy fongorantsika ao am-pontsika, raha tsy fongorana ombam-pakany, ka sady mampahazo vahana azy no mampanalavitra antsika ny fahasambarana ny fangatahana andro mba hibebaka. In-droa isan-taona no mitondra voany ny aviavy, saingy ny ratsy no tsy hamela antsika hitondra voa tahaka ilay aviavy, efa telo taona tsy namokatra.

Ny fibebahana sy fiovana toe-tsaina dia miompana amin’izany famongorana ny ratsy izany, ka hahatsapana mandrakariva ny fitiavana amam-pamindram-po arotsak’Andriamanitra ho antsika isan’andro vaky (sal 102), ka hitiavantsika ihany koa tahaka ny hitiavany antsika. Izany no manomana antsika ho amin’ny tena fibebahana marina, tahaka ilay zanaka mpandany, maniry hiverina an-tranon-drainy be fitiavana hobanjinintsika amin’ny alahady heriny (Alahady IV).

Dia mirary soa ho antsika rehetra, mba hoharenin’ny famindram-pon’Andriamanitra lalandava (vavaka fangatahana).

Toriteny

Post navigation

NEXT
Visual Composer #735
PREVIOUS
Md Matio 1, 1-17
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.