Trinitera Malagasy
Alahady faha-efatra Fiaviana Taona A

Alahady faha-efatra Fiaviana Taona A

Njara Pascal Comments 0 Comment

Ny Vakiteny aroso ny alahady IV Fiaviana 

Izaia 7, 10-14/Salamo 23
Romana 1, 1-7
Md Matio 1, 18-24
 Hiara-monina amintsika Andriamanitra.

« Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe : « Emanoela », izany hoe amintsika Andriamanitra. » (Vak I Izaia  7, 10-14 sy Evanjely Mt 1, 18-24) Io no ivon’ny Fankalazana aroson’ny Fiangonana amintsika amin’ity alahady faha-efatra ity. Ilay Kristy, feno ny Fanahin’Andriamanitra ka nanafaka ny rofy sy namaha ny fatoran’ireo mijaly no ho avy, ary ho zary famantarana ho antsika : famantarana fa eo anivontsika Andriamanitra, Emanoela. I Jesoa, ilay Zanak’i Maria moa no nambara ny tenany tamin’i Joany, araka ny Evanjely tamin’ny heriny: mampahiratra ny mason’ny jamba, mampalady ny sofin’ny marenina, mampitsambikina ny mandringa ary mampinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana sy mampiravo ny vahoaka manontolo. (jereo Mt 11, 2-11). 

Matoa i Paoly nilaza fa « loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy » (1 Kor 9, 16), dia nahatsapa ny herin’ilay Evanjely izay nanokatra ny fon’ny Jentily ho amin’ny finoana (Vakiteny II Rom 1, 1-7), ka irìny sady zary tso-drano koa ho antsika mandray ny fampianarany. Rariny araka izany raha io fiarahabana apostolika io no hifampiarahabantsika isaky ny fiaraha-mivavaka. 

Fa mampametra-panontaniana ahy hoe : efa antomotra ny Noely. Mirehitra avokoa ireo Labozia efatra nanomanantsika izany : ny Fibebahana, ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana. Tsara ny manao jery todika ny làlana vita, niantso fibebahana sy fiambenana Matio ny alahady voalohany, satria tsy fantatra izay hiavian’ny Zanak’olona (Mt 24, 37-44); izany fibebahana izany anefa dia mila porofoina amin’ny fiainana andavan’andro : manaova asa  mifanahaka amin’ny fibebahanareo, hoy i Joany Batista (Mt 3, 1-12) ny alahady manaraka, ireo no asam-pinoanaizay manomana antsika handray ny Batemin’ny Fanahy; izay mandray io Fanahy io dia voairaka hitory fahafahana sy famonjena, hanohy ny asa natombok’i Jesoa, voahiraka hampanjaka ny fitiavana (Mt 11, 2-11); izany fahatsapana ny fanafahana nentin’i Kristy izay no mameno fanantenana ny fo, ka hahatsapana fa tsy mandao antsika Andriamanitra, eo anivontsika mandrakariva izy.

[Rehefa nandinika ireo rehetra mety ho azoko novakiana sy nalalinina aho, dia heveriko fa ny marim-pototra indrindra sady manampy antsika hahazo ny misterin’ny Fiaviana dia n loko efatra ambaran’ny labozia : 

  1. volomparasy (alahady I) manambara ny famelana (fivalozana) antenaintsika izay nampanantenain’Izy Tompo an’i Adama sy Eva tany am-piandohana.
  2. Mena (Alahady II) manambara ny finoan’i Abrahama izay tonga rain’ny Mpino
  3. Vony (Rose) (Alahady III = gaudete) manambara ny hafalian’i Davida nampanantenaina fa ho razamben’ny Mesia, ilay Mpanjaka hanjaka mandrakizay amin’i Israely.
  4. Fotsy (Alahady IV) manambara ny mpaminany izay nanambara fa ho avy ilay mpamonjy antsika.

Araka izany, araka ny taranaka 14 isaky ny vanim-potoana lazain’i Matio (Mt 1, 17) dia asongadin’ny arivo taonan’ny tantara : hatramin’i Abrahama; hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana; hatramin’ny fahababoana ka hatramin’i Kristy…]

Fanomezana ny Famonjena, ary tahaka ny fanomezana rehetra dia tsy miankina amin’ny fahamendrehan’izay tolorana fa maneho ny fitiavan’ilay mpanolotra. Saingy raha tsy ampiasaintsika kosa anefa dia manahirana ihany, sady fanaovana tsinontsinona ilay mpanolotra no fanesoana izay tsy mba nahazo mitovy amintsika. Hafalian’ny nahazo fanomezana ny mirehareha amin’ny hafa mampidera ny zavatra azony. Koa ho haintsika koa anie ny hampiseho amin’ny hafa ny famonjena noraisintsika amin’ny fahatongavan’i Kristy ho nofo. 

“Aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao”. 

Raha iverenantsika dinihina ny Evanjely anio dia manamafy ny finoana ny nahatongavan’ilay Zanak’Andriamanitra ho nofo tao an-kibon’i Maria, noho ny herin’ny Fanahy Masina. I Josefa (יוֹסֵף Yoseph, Andriamanitra hanampy, ajoute) no ilay lehilahy marina, manokatra ny lalana hodiavin’izay rehetra mino ilay Teny Tonga nofo ka omeny ny fahefana maha-zanak’Andriamanitra (Jn1, 12). Antsoiny isika hamonjy ny aina, hihay ny zanany, hanome azy ny anarana hahatsiarovana fa mamonjy antsika Andriamanitra, Jesoa, miara-mitoetra amintsika mandrakariva izy. 

Ambaran’i Matio ihany koa anefa ankoatra ny famerimberenana ny tsy fisian’ny firaisana teo amin’i Maria sy Josefa (and. 18.25) mandra-piterany ny zanany, fa tsy afaka ny handray an’i Jesoa, ho tonga nofo iray aminy, ho tonga iray razana aminy (hiara-mandova ny fanjakany) raha tsy manaiky handray an’izay efa nanaiky sy nino ny teny ka nahatonga azy ho nofo tao an-kibo toa an’i Masina Maria. I Md Joany moa manome antsika izany fiombonana izany amin’ny fandraisana azy ho reny, satria i Maria no fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra natao tamin’Israely, izy no ilay Siona Vaovao, ilay Eva, renin’ny aina nahazoantsika ny Tompon’ny aina. 

Izay te ho tonga kristianina araka izany, tahaka an’i Josefa, tahaka ilay mpianatra malala eo am-pototry ny Lakroà koa, dia tsy maintsy mandray an’i Maria: manaiky ho vadiny, manaiky ho zanany, izany hoe manaiky hitovy aminy amin’ny fandraisana sy fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Ny maha-olo-marina an’i Josefa koa anefa dia hahafahantsika mandray am-pitiavana ny fahasoavan’Andriamanitra. Indraindray heverintsika fa tsy rariny ny ho “ray” hanome anarana ny zanak’Andriamanitra, ka aleo miala mangingina. Ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra anefa dia tsy hifanaraka amin’ny fahamendrehantsika na oviana na oviana fa fanomezany maimaim-poana mandrakariva.

Ao anatin’ny torimaso no nitenenan’Andriamanitra taminy, tahaka an’i Jakoba (Jenezy 28, 10ss) ary tahaka an’i Elia (1 Mpanjaka 19, 1ss), ary ho an’ny Apostoly nitsoaka koa dia tao amin’ny “fatorian’ny Zanany” no nanambarany ny fara-fitiavany. Tsy nofy “nofinofim-paniriana fotsiny anefa izany, fa ilay “torimaso” hilazan’ny maha-olona tahaka an’i Elia hoe : ”ampy izay” (1Mpanjaka 19, 4) ka hahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny zavatra rehetra ka maniraka antsika ho fitaovana hoentiny maneho ny fitiavany ny olon-drehetra. 

“Matahotra aho”, hoy i Adama (Jen 3, 10). “Aza matahotra” hoy ny Tompo. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nilazain’ny Anjely fa hiara-monina amintsika no nanirahan’ny Ray ny Zanany ho antsika. Ny fialana amin’ny fahotana no hahafahantsika manavaka ny feon’Andriamanitra amin’ny fakam-panahy izay mety mampihevitra ihany araka ny nofo. I Josefa lehilahy marina dia vonona hiaro ny aina, na ny an’i Maria na ny an’ilay Zaza aloaky ny kibony. Firifiry moa ny zaza tsy mahita masoandro noho ny herisetra sy ny fitiavan-tenan’ny ray na ny reny. Izay tsy mandray izay manaiky hahatonga nofo ao aminy ny Teny, toa an’i Maria anefa dia tsy afaka ny hanonofy, tsy afaka ny hihaona amin’Andriamanitra manilo ny alin’ny fiainana mba hiposahan’ny mazava atsinanana vaovao. 

Afaka telo andro ny Noely. Raha fahaterahan’i Jesoa tokoa izany, tsapantsika ve izany fitiavana entiny mitia antsika izany? Aiza no mety hahitantsika an’i Kristy teraka ho antsika? Noely manko dia hafaliana, manambara fa mandova ny fiadanana isika rehefa an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ». Manampy antsika ny manao tamberina fohy an’ireo dingana naroson’ny Litorjia hiainantsika nandritra ny Fiaviana. 

Tsy azontsika adinoina fa tsy ho foana ny ady raha tsy ny Firenena rehetra no hirohotra ho any amin’izy Tompo, ho ao an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba (Iz 2, 1-5). Amin’izay ihany no hanefena ny sabatra ho fangady, (vakiteny I alahady voalohany Iz 2, 1-5) satria izay manaiky hotarihan’ny Fanahy sy hiasany no afaka hiara-miasa, tahaka ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, kanefa tsy hifanapotika! (Vakiteny I alahady II Iz 11, 1-10) 

Na sanatria aza, mbola lavitry ny afo ny kitay, tsy ho kivy isika satria « ny tenan’izy Tompo mihitsy no ho avy hamonjy antsika » (Iz 35, 1-6.10), (vakiteny voalohany alahady III sy IV  Iz 35, 1-6.10 ; 7, 10-14). Fanantenana kolokolointsika mandrakariva ao amin’ny vavaka izany, vavaka izay hiezahantsika hitadiavana ny toeran’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka handalinantsika ny fifandraisantsika aminy.

Toriteny
Fiaviana

Post navigation

NEXT
23 desambra
PREVIOUS
22 desambra

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.