Trinitera Malagasy
Alahady faha-5 mandavantaona Taona A

Alahady faha-5 mandavantaona Taona A

Njara Pascal

Ny soa atao levenam-bola

  • Izaia 58, 7-10/ Salamo 111/
  • 1 Kor 2, 1-5/
  • Md Matio 5, 13-16

Ho an’izay te ho mpianatr’i Kristy dia antsoiny hanaraka ny lalana lavorary mitondra amin’ny Fahasambarana. Izay moa no lohahevitry ny Evanjely tamin’ny alahady heriny (izay tsy novakiana noho ny fetin’ny nanolorana ny Tompo). Antsoin’i Kristy ho Fanasina sy Fahazavana ny Mpianany. Izy Kristy fahazavana ankalazaintsika ny 2 febroary, no miantso antsika koa ho fahazavan’izao tontolo izao.  Ny fomba fiainana mifototra amin’ny Evanjeliny no hahafahantsika miaina ho fanilo hanazava ny hafa ary izay mahita ny hatsaran’izany ihany no hanana herim-po hivarotra ny voahangy rehetra nangoniny hatrizay ka hividy ilay voahangy tokana aman-tany; izay mahita ny hasarobidin’ny rakitra no hahafoy hivarotra ny fananany rehetra mba hahazoana ny saha misy ilay rakitra (Mt 13, 44-45).  

Tsy natao hojerena anefa ny fahazavana, tsy misy olona mijery labozia fa mampirehitra azy mba hahitana izay ao an-trano, rehefa maizina ny andro. Atao ahoana anefa no handrehitra izany fahazavana izany? 

Henontsika tamin’ny vakiteny I teo ny nolazain’Izaia: tsy levenam-bola hahazoana valisoa tsy akory ny fifadian-kanina hifampizarana ny sakafo amin’ny hafa fa kosa fanafody hanasitranana haingana ny ratram-po mahazo ka hahafahana manantena ny hazavana, eny fa na dia mbola toy ny vao mangiran-dratsy ihany aza izany. Ny fiezahana manitatra izany soa izany eo amin’ny fiaraha-monina ka hamongorana izay mety ho famoretana sy fanendrikendrehana, ary hanolorana hatramin’ny anto-pivelomana (aina= נֶפֶשׁ nephes, nadika hoe hanina) ho an’ny noana, dia hitombo hatrany izany hazavana izany satria ho toy ny masoandrobe mitataovovonana. 

Mety misy hanontany hoe: atao inona ny fifadian-kanina ary mampaninona ny fietren-tena raha tsy jeren’Andriamanitra akory izany! Ambaran’ny Bokin’Izaia Mpaminany fa tsy misy heviny ny fifadian-kanina sy izay mety ho fitanisana tonom-bavaka raha tsy mifanaraka amin’izany ny fomba fiainana. Ny tena fifadiana dia izay fiezahana hanampy ny hafa amin’ny fizarana ny kely eo an-tanana. 

Sady miady mifanditra ianareo no mifady ary mamely totohondry an-katezerana aza, hoy Izaia. Mazava ny antony tokony hifadian-kanina sy ny fomba fanaovana izany amin’ny fampianaran’ny mpaminany: manapaka ny famatorana tsy an-drariny, mamaha ny fehin’ny jioga, mandefa ny ampahoriana ho afaka, manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany, mizara ny hanina ho an’izay noana ary mampiantrano ny mahantra sy mampitafy ny miboridana ka tsy hanao an-tsirambina ny havan’ny tena. Ireo no hitsarana antsika indray andro, hoy i Jesoa (Evanjely hovakiana. Amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka). 

Ny fifadian-kanina araka izany dia famolahan-tena mba hanesotra izay mety tsy hitovizantsika amin’Andriamanitra, ka hahafahantsika ho tonga tara-pitiavana manahaka azy. Mazava loatra fa ny vavaka ataontsika dia hohenoin’Andriamanitra faingana satria izy no miangavy antsika hamonjy ireo zanany miandry hotiavina, ary izy rahateo no loharano hahazoantsika ny fahasoavana haharetana amin’izany. 

Vokatr’izany fifadian-kanina “mampitovy endrika amin’Andriamanitra” izany ary no manosika antsika manesotra izay mampahavesatra ny fiainan’ny olona, tsy manendrikendrika ary tsy manala baraka, hahafahana mizara ho an’ny noana ny anto-pivelomana (aina= נֶפֶשׁ nephes, nadika hoe hanina) fa tsy ny ambin-tsakafo. Ny famelomana ny fanahy miferin’aina, hoy ny Mpaminany, dia hahatonga ny fahazavantsika hamirapiratra ao amin’ny haizina. 

Antsoin’i Kristy koa isika ho tonga fanasina. Misy zavatra sasany tsy afaka mifangaro amin’ny sira, raha tsy izany dia very ny maha-fanasina azy. Misy zavatra telo farafahakeliny tokony ho tsaroantsika amin’ny asany eo amin’ny fiainana: 1. ny fanomezana tsiro ny sakafo ka noho izany, izay zavatra tsy fihinana na mety hanimba ny tsiron-tsakafo dia tsy afaka ny hifangaro amin’ny sira; 2- ampiasaina ihany koa ny sira mba hitahirizana ny sakafo tsy ho simba ka mazava loatra fa misy fombafomba arahina mba hahafahany miasa amin’izany fitahirizana izany; 3- ny sira ihany koa dia nampiasaina mba hanaovana fanekem-pihavanana (alliance de sel, fanekena voasira, jereo Fanisana 18, 19), mitovitovy amin’ny fati-dra aty  amintsika izany, ho entina hilazana ny fitokisan’izay nianiana fa tsy hivadika amin’ny teniny na inon-kidona na inon-kihatra (cf 2 Tantara 13, 5, fanekena tsy azo dikaina nolazain’i Abià) ka isika araka izany no sitrak’Andriamanitra haneho amin’ny olona ny fanekem-pihavanany tsy mivadika mandrakizay. Hampahatsiaro antsika izany rehetra izany no antony hanasivana sira ny rano hasinina hampahatsiaro antsika ny Batemy, nananganana antsika ho zanaka, ho fanasina sy fahazavana. 

Tanàna miorina eo an-tampon-kavoana koa isika: ny tompon’ny tanàna sy izay nanorina azy no mahazo voninahitra raha mahita ny hatsaran’ny tanàna ny olona. Nantsoin’i Jesoa isika, tsy ho amin’ny fisehosehoana hahajejo sanatria, fa mba hanomezan’ny olona voninahitra ny Ray any an-danitra. Fahazavana isika, hoy izy, ka mazava loatra, toy ny tanàna, fa toa ny jiro ihany koa, tsy afaka afenina any ambany vata famarana (μόδιος modios, famarana voamaina tokotokony ho 9 litatra). Eo ambony fitoeran-jiro no ametrahana ny hazavana mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Tsy isika sanatria no hobanjinin’ny olona, fa kosa hahafahan’izao tontolo izao mahita ny zavatra rehetra araka ny hevitr’Andriamanitra. 

Na ny sira na ny jiro dia mampahatsiaro antsika fa ny tany sy izao tontolo izao no niantsoana antsika mba hohajariana ka ho sehatra hamirapiratan’ny voninahitr’ilay Mpahary ka nahita fa “tsara indrindra” ny zavatra rehetra nohariany (Jen 1). 

Tsy azontsika adinoina ny hafatr’i Md Paoly, mba tsy hiantehitra amin’ny fahaizana na izay mety ho fahendren’olombelona, fa hihavao mandrakariva ao amin’ny fahendren’ny Fanahy izay tsy sasatra ny mankahery antsika isan’andro amin’ny fiainana, ka hianteherantsika rehetra amin’ny herin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, hahatsiaro ny tenin’i Jesoa hoe: raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo (Jn 15,5). 

Indraindray misy olona mimenomenona fa tsy misy azo atao intsony manoloana ny olana mianjady amin’ny fiainany. Matetika tsy ny lalana ivoahana no tsy misy fa ny olona no miraparapa ao anatin’ny haizina ka rehefa sasatry ny midòna etsy midòna eroa, dia mamoy fo. Raha ao anatin’ny efitrano feno seza sy latabatra, raha maizina ka tsy misy jiro, sarotra ny hahitana ny varavarana hivoahana. Antsoin’i Jesoa ho fahazavana ny mpianany mba hahafahan’ny olona mahita ny lalan-kizorana ka hanomezana  voninahitra an’Andriamanitra, izay tsy mivadika amin’ny Fanekem-pihavanana nataony, ka manohy izany amin’ny asa ataontsika zanany rehetra.   

Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra tsy ho mpanisy sira fa ho fanasina sy fahazavana marina tokoa. 

Toriteny
Taona A

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha-dimy mandavan-taona
PREVIOUS
Sabotsy faha-efatra mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.