Trinitera Malagasy
Alahady faha-24 Taona A Mandavan-taona

Alahady faha-24 Taona A Mandavan-taona

Njara Pascal

Siràka 27,30–28,7

Salamo 102

Rômanina 14,7-9

Md Matio 18,21-35


 Izay tia tsy sasatra ny mamela heloka.

Mendrika ankahalaina ny lolompo amam-pahatezerana, hoy ny Bokin’i Siraka, satria izany no hahazoana ny fahasitranana avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka ny higoka ny fahasambaran’ny famelan-keloka angatahiny izay tsy mba mamindra fo amin’ny fahadisoan’ny hafa. Lolom-po sy fahatezerana : ireo no lazain’ity olon-kendry ity fa mila ankahalaina, ary ny fahatsiarovana ny hiafarana no hahafahana manatanteraka izany. 

Izay iharan’ny tsy rariny dia mitroatra ka mitady ny fomba “hamaliana faty”, na ny marimarina kokoa, araka ny fiheverany, hanonerana ny tsy rariny. Ao amin’ny bokin’ny Jenezy dia ohatra amin’izany ny valifatin’i Lameka (Jen 4,23-24), ny “loi de talion” (talio, tallis= tel), izay lazain’ny Eksaody dia efa mba nisy fivoarana na dia kely ihany aza ny amin’izany : “Maso efai-maso, nify efai-nify…” (Eks 21,24), fa i Jesoa kosa ao amin’ny Mt 5,38-42 sy amin’ny evanjely anio, milaza fa tsy misy afa-tsy ny famelan-keloka sy ny fanaovan-tsoa no lalana hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fiainana noratrain’ny fahotana. I Gandhi aza anefa, mahatsapa fa tsy vahaolana ny herisetra, satria raha “maso efai-maso, dia ho jamba izao tontolo izao”. Ny valifaty dia tsy fanefitra amin’ny ratsy fa mampitombo avo roa heny azy aza. 

“Tsarovy ny didy ka aza manao an-dolompo amin’ny namana”, hoy i Siraka. Ny didy voalaza ao amin’ny Levitika moa dia ny hoe “Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny hitiavanao ny tenanao” (Lev 19,18). Ny lolompo, hoy ny mpampianatra anay iray izay, dia tahaka ny “poizina hohanin’ny olona iray, ka ny antony hihinanany azy dia ny faniriany hahafaty ilay olona anaovany an-dolompo”. Famonoan-tena izany satria ianao ihany no ho faty eo. 

Momba ny fahatezerana kosa, manoloana ny fahotan’ny hafa, mazàna dia ny toetran’i Môizy lazain’ny Boky Eksaody (Eks 32,11snm) no manavanana ny olona : na dia izy ihany aza no nivavaka nifona tamin’Andriamanitra mba ho an’ny vahoaka, dia ny Tenin’ny Fiainana, tsy mbola voavaky akory, Teny nosoratan’Andriamanitra mba hahitana ny tokony atao aloha no potehina voalohany, avy eo dia ny vokatry ny fahotan’ny olona, izay efa ratsy rahateo, no ampisotroina azy, ka izay mety ho voka-dratsin’izany indray (vokatry ny fisotroana ranom-bolamena) dia lazaina fa kapoky ny Tompo (Eks 32,19-20)!

Ary satria ireo takelaka roa voalohany, nisy ny Teny Folon’ny Fiainana dia tsy nisasaran’ny olombelona ka mora ny manapotika azy, dia takelaka vato tsy maintsy hamboarina ho vonona ny ampitso (Eks 34,1-2) no nodidian’Andriamanitra hoentin’i Môizy hiakatra eny amin’ny Tendrombohitr’i Sinaia vao maraina koa. Mampisy hasiny ary maha-sarobidy ny fanomezana ny fiezahana hanomana ny vato izay hanoratana azy. Lazain’ny andininy 1 moa fa YHWH no hanoratra ny Teny eo amin’ny takela-bato, saingy ao amin’ny andininy faha-27 dia i Môizy ihany koa no asain’Andriamanitra manoratra izay voalazany, mba ho fandraiketana ny fanekem-pihavanana amin’ny vahoakany.

Tsy misy lalana hafa hahafahana manamboatra indray ny zavatra simban’ny fahatezerana tsy voafehy raha tsy ny fanaovana ezaka, “hipaika takelaka vato roa” (Eks 34,4a) mifanaraka amin’ireo takela-bato roa nopotehina, dia takela-bato nohariana hitovy endrika amin’Andriamanitra (זָכָר zākār sy נְקֵבָה neqēbāh, jereo Jen 1,27), asainy miezaka mba hitadidy (זָכָר) zākār fa Andriamanitra mpamindra fo (רַחוּם, raḥoum) sy miantra (חַנּוּן, ḥannoun), mahari-po ( אֶ֥רֶךְ אַפַּ֖יִם’erek’ afa’im, ela vao tezitra ; be vovok’aina, sarotra ny hahareraka sy hahatezitra ny fitiavana, hoy Md Paoly ao amin’ny 1Kor 13, 4 : makroqumei/( makrothumei) sy be hatsaram-po (חֶסֶד, ḥesed, mahatoky,רַב־חֶ֥סֶד – rabh-ḥesed) amam-pahamarinana (אֱמֶת, ’emeth, AMEN, finoana sy fahamarinana)” (Eks 34,6) ilay manoratra ny Lalàny ao amin’ny fon’ny olombelona (Jer 31, 33; Rom 2, 15).

Izay no mahatonga an’i Md Paoly mananatra hoe : “Tezera fa aza manota ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo” (Ef 4,26). “Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin’olon-kafa, kanefa mangataka fahasitranana amin’Andriamanitra ho an’ny tenany”? Hoy ny vakiteny I teo. Tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao? Ambaran’ny Evanjely amintsika anefa fa tsy vokatry ny famelantsika ny famelan’Andriamanitra fa fanomezana omeny, noho ny fitiavany mba hitondra tena tahaka izany koa : ho mpamindra fo tahaka Azy. 

Loharanom-pahasoavana ho an’ny hafa ny soa raisintsika avy amin’Andriamanitra. Misy anefa ny sasany tsy nahazo izay zavatra mba niriany dia manome tsiny an’Andriamanitra ka manadino fa na dia ny aina ihany aza dia efa fanomezana hahafahana manompo ny hafa sy manavao ny tontolo, ka “na velona na maty isika  dia ho an’ny Tompo ihany”, hoy i Md Paoly (Rm 14,7-9). 

Ny olana anefa, mety tsy ny fahatezerana na ny lolom-po vokatry ny fahadisoana indray mandeha. Fa raha toa ka miverimberina ny fahadisoan’ilay olona, mbola havela ihany ve? Izany no fanontaniana iantombohan’ny Evanjely ka andeha hojerentsika. 

Ny fiaraha-mivavaka vokatry ny firaisam-po dia mamelona ny afom-pitiavana, satria maneho ilay Andriamanitra nampanantena honina eo anivon’izay mivory amin’ny anarany (Mt 18,15-20 – Evanjely alahady 23 A). Ny fitiavana amin’ny maha-fahatanterahan’ny lalàna azy, dia tsy arakaraka izay heverintsika na izay lazain’ny manodidina antsika, fa araka izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.  Izany no nilazan’i Md Paoly amintsika mba tsy hanaraka ny fihevitr’izao tontolo izao fa hiova araka ny fihavaozan’ny Fanahy (jereo Rm 12,1-2). 

Eo am-pamakiana ny toko faha-18 amin’ny Evanjelin’i Matio (Mt 18 vakiana ny Alahady faha-23 sy faha-24 Taona A) dia hitantsika ny fihavaozam-panahy tian’i Kristy hiainan’izay te ho mpianany. Raha izay diso no tokony hangata-pamelana, araka ny hevitsika, dia lazain’i Jesoa fa izay manana ny rariny no hanatona mangingina ny rahalahy diso taminy ka hananatra azy… (Alahady 23 A). Tsy sanatria hihambo ho manana ny rariny ka hilaza ny hoe : « Dia izaho indray ve no handadilady ho any !!! »… Impiry moa no sendra ny olana tahaka izany isika ka tsy mahatsiaro fa ny oha-piainana arahintsika dia ilay Andriamanitra maty ho antsika fony isika mbola mpanota (Rm 5,8). Izany no mandefitra manana ny rariny… saingy iza no hahavita izany? Ary raha hahavita aza, tsy atao manin-droa. 

Na ny Apôstôly aza dia mba te hanaraka izany fampianaran’i Jesoa hamela heloka mandrakariva tahaka ny Ray izany, saingy nametra-panontaniana ihany hoe hatraiza ny fetrany. Manamafy izany ny ahiahin’i Piera : « ka raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho ! » (Mt 18,21-35) 

Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, mamela ny heloka rehetra, m

anasitrana ny aretina rehetra, ary manalavitra ny hadisoana amintsika tahaka ny halavitry ny atsinanana sy ny andrefana (Sal 102). Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy : “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mamindra fo mandrakariva. 

Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao isa masina, manambara ny hafenoana : hatramin’ny im-pito ve! Raha miverina im-pito koa izy mifona, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony hisaina) anefa, hoy i Jesoa. 

Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy.  

Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipa (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voalohany mandrakizay izany, saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra. 

Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana maimaim-poana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona àry ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina sy ny fiezahantsika kosa ho masina dia handon-tratra fa manana trosa tsy ho voaloa eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaky ny mitaraina tsy manan-kaloa isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, mbola ho sahintsika ve ny hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka? 

Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω – krateō, mihevitra ho ambony noho izy) ary manambany sy manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandra-pahaloany ny trosa. Ataon’ny olona ahoana anefa ny handoa ny trosa any an-tranomaizina? Izay sazy tsy manampy ho sambatra sy masina dia tsy mifanaraka amin’ny fitiavana. Kanefa raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy omena azy, tsy nomena am-pitiavana fa nomena am-pahatezerana ka tsy hanampy ny hafa hihatsara fa vao mainka koa aza mandetika azy hankamin’ny ratsiratsy kokoa. 

Raha tsy mamela ny rahalahintsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandoantsika ny trosa rehetra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra, ka hampitombo ihany ny trosantsika. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy. Tsy sanatria famelana ny hafa hanao izay tiany hatao ny famindram-po.

Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fiainana araka ny Evanjeliny no hidirana amin’ny fahasambarana. Izay tsy mino kosa dia hitoeran’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mila halalinina ihany anefa izay hoe “fahatezeran’Andriamanitra” izay, sao afangarontsika amin’ny fahatezeran’ny olombelona, amin’ny fahatezeran-dry Môizy, nolazaintsika teny aloha. Ny olona manko rehefa mahatezitra azy ny hafa dia famaizana (sazy sy kapoka) no tonga voalohany ao an-tsainy. Andriamanitra kosa, rehefa misy mahatezitra Azy,  Izy izay “mahari-po”, tsy malaky tezitra (Eks 34,6) ary “fahatezerana tsy maharitra hatramin’ny farany”, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 16,5; 18,20), rehefa misy zanany tsy manaraka ny lalànany, misy ondry nania lavitra ny vala, dia tsy mandry andro tsy mandry alina Izy mitady ny fomba hitondrana izay nania ho amin’ny fahasambarana, ary ilay ondry very, hoy ny Evanjely, rehefa hitany dia ataony an-tsangory hiverina ao am -bala ; rehefa tafaverina ny zanany mpandany dia anaovany fety tsy manam-paharoa (Lk 15). Asakasak’ilay zokiny anefa raha hino fa fitiavana Rainy ka hiditra hiaraka hifety na hijanona any ivelany, tsy hino (tsy hiaiky) ka hanandrana ny hamamin’ny Fitiavany.

Ny Salamo 32 dia mampahatsiaro fa tsy afaka ny hanararaotra ny fitiavan’Andriamanitra izay mahatsiaro fa namindrana fo marina tokoa. Ampahatsiahiviko vetivety ny lazain’io salamo io (Sal 32,1-2) : Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany, sambatra ny olona tsy tanan’ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny. Izay moa ny dikan-teny ananantsika (CEM 2011). Ampiasain’ny Salamo eto anefa ireo teny telo entin’ny Jody hilazana ny fahotana ka iezahantsika adika ara-bakiteny fa izay no heveriko hahazoana ny tena hevitry ny hoe famelan-keloka : 

Sambatra (אֶשֶׁר – ’esher), izany hoe afaka mizotra amin’ny lala-mahitsy ireo izay “nozakaina” (נָשָׂא nāsā’, supporter) ny fikomiany (פֶּשַׁע pêsha‘ – transgression), [nadika hoe voaesotra ny helony] sy izay “nafenina” (כָּסָה – kāsāh, cacher, dissimuler) ny fahotany (חֲטָאָה – ḥăṭṭā’āh), izany hoe nototofany ny tsy fahatratrarany ny tanjona nokendreny (חֲטָאָה – ḥāṭṭā’āh, חטא, manquer le but) [nadika hoe voavela ny fahotany]; sambatra ny olona izay hodian’ny Tompo tsy ( לֹ֤א – lo’) hita (חָשַׁב – ḥashabh, penser, tenir compte) ny fahamelohany (עָוֹן – ‘āvon) [tsy tanan’ny Tompo heloka], ary ao amin’ny fanahiny, tsy misy fiheverana ny hiverin-dalana na hiraviravy tanana (רְמִיָּה – remîyāh, laxisme, relâchement, fraude). 

Ny famelana araka izany tsy hoe sanatria tsy fanadinoana fa fizakàna ny tsy rariny ataon’ny hafa, ny fanafenana ny tsy fahatratrarany ny tanjona, ny fanapena-maso manoalona ny lalan-diso narahiny, mba hahafahany manohy ny lalany mahitsy (אֶשֶׁר- ’esher). Sambatra kosa izay voavela heloka raha manararaotra izany mba hanitsiana ny fiainana ho amin’ny lalana tokony ho izy. Tsy ho sambatra na oviana na oviana izay hihevitra fa mpamindra fo Andriamanitra ka azony hofitahina hanaovany izay danin’ny kibony, dia avy eo izy hihevitra ny hikônfesy. 

Tsy misy fetra, hoy i Jesoa ny tokony hamindràna fo toy izany. Mifanohitra amin’ny valifatin’i Lameka im-pitopolo fito, voalaza teny ampiandohana izany (Jen 4,23-24). Dia eo no mety hampametra-panontaniana antsika ny fahendren-drazana hoe «Ny tanana efa zatra nitsotra tsy afaka hivonkina intsony». Hatraiza ny finoantsika ny herin’ilay Fanahy manavao ny fon’ny olona? 

Raha fintinina izay voalaza rehetra izay, miainga avy amin’ny Bokin’i Siràka (Ekl na Si 28,1-8) milaza fa tsy havela isika raha tsy mahay mamela ihany koa, dia ambaran’i Kristy mazava fa fanomezana efa noraisintsika ny famelàna, ka izay mahatsiaro tena ho voavela no voaantso hamela (Evanjely). Ny Mpanao salamo manafatrafatra mafy mba “tsy hanadino ireo soa nataon’Izy Tompo amintsika” (Sal 102) dia ny “namelany ny heloka rehetra (עָוֹן – ‘āvon), ny nanasitranany ny aretina (ratra) ary ny nanavotany amin’ny ady”, izany hoe ny dingana telon’ny famelàna marina hahatsapana ny “fitiavan’Andriamanitra sy ny indrafony”: mizaka ny heloka, manome hery hanohizana ny dia, manesotra ny fandrika eo anoloana mba hahatongavana amin’ny fahasambarana feno.

Tsara ampahatsiahivina koa anefa fa tsy mora ny famelàna ny heloky ny tena, tsy mandeha ho azy ny fahatsapàna ny famelan’Andriamanitra, ka hanararaotra izany mba hanitsiana ny fiainana ho amin’ny lalana tokony ho izy. Misy olona avy nankalaza ny Sakramentan’ny famindram-po amin’ny Kônfesy, maheno ny Tompo milaza fa “mamela ny fahotany rehetra”, kanefa indraindray mbola latsaka anatin’ny fisalasalàna, mbola mavesatra ny feon’ny fieritreretana. Matetika anefa ny henatr’olona sy ny fanambaniana ateraky ny fahadisoana no anton’izany. Tsy te hanan-trosa eo anatrehan’Andriamanitra isika, ka indraindray alaim-panahy hahavita handoa ny trosany rehetra. Aiza no hahitana talenta 10000, karama roanjato taona tsy bangaina? Tsy izany anefa no andrasany amintsika satria fantany fa tsy manan-kaloa isika, fa sitrany kosa ny mba hamelantsika koa ny hafa hiaina sy ho afa-trosa. Ny tsy fahaizana mihavana amin’ny lasan’ny tena anefa dia mety ho olana hanosika antsika hitady fomba hanafenana izany lasa izany, ka io indray no hanakana antsika tsy hibanjina ka hiatrika ny ho avy.

Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahy Masina tokoa, hahasahy hisetra ny fihevitra tsy araka ilay arahintsika, dia i Kristy, tsy hitsara tena ho mihoatra ny mety ary hizaka ireo mbola marefo amin’ny finoana, tsy hitsara na haneso azy ireo, ary tsy hihevi-tena ho mijoro (Rm 14) ka hanadino ilay nanome hery sy nampanalavitra antsika tahaka ny atsinanana sy andrefana ny hadisoantsika (102).

Aza adino fa « fanalahidin’ny lanitra » ny famelan-keloka, ary ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony no hitsarana antsika. Tsy hamela antsika hanao izay tiantsika hatao anefa izany ka « ny lian-drà hiara-misakafo amin’ny niaran’ny herisetra » any amin’ny fanjakan’ny lanitra (Jereo ny laharana faha-44 amin’ny Taratasy ansiklika Spe Salvi momba ny  frères Karamàzov an’i Dotoïevski). Raha tsy mahatsiaro ho samy namindrana fo, raha tsy faly amin’ny fibebahan’ny rahalahy (Lk 15,25-32), ataontsika ahoana ny hiara-tsambatra amin’izy ireny any amin’ny mandrakizay?

Tsy sanatria fampitahorana no hilazan’i Md Matio izany fampianarana izany fa hampahatsiahivana antsika fa Andriamanitra be famindram-po no efa namindra fo tamintsika ary miantso antsika koa ho “mpamindra fo” tahaka azy. 

Ho zanaky ny fahavelomana tokoa anie isika ka hitady izay fomba rehetra hialana amin’ny ratsy, ka hahay hamindra fo, tsy hitaky trosa amin’izay tsy manana haloa, fa hahatsiaro kosa fa na isika aza tsy hitakian’Andriamanitra izay tsy vitantsika, fa antsoiny kosa mba ho tonga taratry ny fahamasinany, Izy ilay “mpamindra fo sady antra”.  

_Ry Ray ô, Andriamanitra mpamela heloka Ianao; koa enga anie izahay nampianarin’i Jesoa Zanakao hamela heloka mba hampahatsiahivin’ny Fanahy Masina fa mpanota anananao trosa be tokoa ka hiezaka hamela an’izay diso taminay, dia ho mendrika havelanao heloka koa. Ary satria izahay rehetra tsy natao ho velona ho an’ny tenany na ho faty ho an’ny tenany; fa velona izahay, velona ho Azy Tompo, maty izahay, maty ho Azy Tompo. Koa ny hery avy amin’ny fiombonanay aina Aminao sy ny fitahian’ny Fanahinao Masina anie no hitarika anay lalandava amin’ny lalam-pahasambarana atoronao anay_ (Vavaka  24 A). Amen. 

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
14 septambra : Ny nanandratana ny Hazofijaliana
PREVIOUS
ALAHADY FAHA-23 MANDAVAN-TAONA TAONA A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA-27 TAONA A MANDAVAN-TAONA
  • ALAHADY FAHA-26 TAONA A MANDAVAN-TAONA
  • Alahady faha-25 Taona A Mandavantaona
  • 14 septambra : Ny nanandratana ny Hazofijaliana
  • Alahady faha-24 Taona A Mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    octobre 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Sep    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA-27 TAONA A MANDAVAN-TAONA 2 octobre 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.