ALAHADY FAHA-22 MANDAVAN-TAONA TAONA A
- Jeremia 20,7-9
- Salamo 62
- Rômanina 12,1-2
- Md Matio 16,21-27
Ny Fahasambarana no tambin’ny fijaliana.Tsy azo ihodivirana ny fijaliana mba hizorana ho any amin’ny hafenoan’ny hasambarana.
Tamin’ny alahady faha-13A dia efa nifampizarantsika ny fampianaran’i Jesoa ho an’izay te ho mpianany : « Izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy » (Mt 10,37-42). Tsikelikely anefa no nitarihan’i Kristy an’ireo nanaraka Azy mba ho tonga mpianany marina tokoa. Ambaran’i Md Matio amintsika ao amin’ny Evanjely androany ny namborahan’i Jesoa tamin’ny mpianany ny misterin’ny Fijaliany sy ny akon’izany teo amin’ireo nilaza ho mpanara-dia Azy.
Samy manana ny antony nahatonga antsika ho kristianina isika, ary tsy mitovy ny toe-po sy ny fisainana manosika antsika hitozo amin’ny fivavahana, izany no tsy maintsy hanavaozantsika isan’andro isan’ora ny fiekem-pinoantsika : « Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho? »
Finoana an’i Jesoa, ilay Kristy Zanak’Andriamanitra velona. I Kristy, izany hoe Mesia, ilay voahosotra, nofidian’Andriamanitra mba hanatanteraka ny fampanantenany. Raha toa ka mbola miandry olona na zavatra hafa ankoatr’i Jesoa sy ny Fiangonany isika mba hahazoana ny fahasambarana sy ny famonjena dia tsy mbola “Kristy” ho antsika Izy. Izy koa no Zanak’Andriamanitra : ny Mpanjaka apetraka eo amin’ny fiketrahany moa no antsoin’ny Jody hoe zanak’Andriamanitra. Raha i Jesoa no mpanjakantsika dia ny didim-panjakany, ny didy vaovao hitia tahaka ny nitiavany antsika no tokony hibaiko ny fisainana sy ny fiainana. Fiekem-pinoana hamafisina eo anatrehan’i Jesoa miaraka amin’ny mpino rehetra izany, saingy tsy lazalazaina amin’ny olona hafa, satria ny fiainana no entina manaporofo fa Izy no Kristy sy Mpanjakantsika.
I Piera, izay nanambara fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, dia nihevitra fa fiandrianana amin’ny maha-olombelona nymaha voahosotra (Kristy) ka hosanatriavina raha Ilay Voahosotr’Andriamanitra no hiaritra ny tsy rariny sy ny fijaliana ! Impiry tokoa moa isika no mihevitra ny Fitiavan’Andriamanitra ho tombontsoa araka ny nofo sy ny hita maso ihany, dia manary toky rehefa sendra ny mafy sy ny fijaliana ka hilaza hoe : nahoana ilay Andriamanitra Fitiavana, mahefa ny zava-drehetra, no mamela ny maty eritreritra hanjakazaka ! Fiheverana araka ny maha-olombelona izany, hoy i Jesoa, fa tsy araka an’Andriamanitra (and.23).
Na i Piera aza, araka ny and. 21-23 amin’ity toko faha-16 ity, dia antsoina mba hanitsy ny fomba fisainany mandrakariva ka hisaina araka an’Andriamanitra, tahaka ilay “Piera” sambatra satria nanambaràn’ny Ray ny misterin’ny Fanjakany (Mt 11,25), fa tsy ilay “satàna” hihevitra ny handahatra ny fizotry ny tantara araka ny hambom-pony. Fanafintohinana ho an’ity farany ny mahita ilay endrik’Andriamanitra hiakatra any Jerosalema ka hampijalian’ny loholona sy ny Mpanora-dalàna, tahaka ny nahazo an’i Jeremia sy ny Mpaminany (Mt 23,37), kanefa kosa, izany no lalana mitondra amin’ny havelomana mandrakizay.
Mazava ny tenin’i Jesoa amin’i Piera sy izay mbola misalasala noho ny fiheverana fa fandresena (araka ny olombelona) mandrakariva no ho an’izay manara-dia an’i Kristy : tsy ny hanery Azy hanampy antsika amin’ny lalana nosafidiantsika no tadiavina fa ny hanaraka Azy avy ao aoriana (ὕπαγε ὀπίσω μου – hupage opisō mou : nadikan’ny baibolintsika hoe mialà amiko), “tsy maintsy hiakatra ho any Jerosalema”, hanaraka Azy, tsy sanatria hanamongo ny Rômanina, fa hanolotra ny tenany ho Sorona amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’ny Ray, hanambara fa tsy ny herisetra (Mt 26,52) no valin-tenin’Andriamanitra manoloana ny fahotan’olombelona fa ny fitiavana.
Ny Evanjely anio dia fanamafisana indray izay efa nolazain’i Jesoa tany amin’ny toko faha-10 mba hanalan’ny mpianatra ao an-tsainy ny fiheverana fa misy lalan-kafa azony safidiana ankoatr’izay efa nizoran’Izy Mpampianatra, indrindra moa manoloana toe-tsain’ny mpianatra izay tsy mihevitra araka an’Andriamanitra (and. 22-23).
Ny fijoroana ho kristianina tao anatin’izany fanenjehana izany dia mety handroahana ny olona ivelan’ny Sinagôga, na mety hitarika amin’ny famonoana mihitsy aza, ka mba tsy hisian’ny disadisa amin’ny mpanenjika dia mety hanakana amin’izay fijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely ny hevitra tsy mitovy, eny fa na dia eo amin’ny fianakaviana sy ny ankohonana aza. Ka raha sanatria mety ho fisarahana tanteraka amin’ny ray aman-dreny na amin’ny zanaka na amin’izay tombon-tsoan’ny tena manokana no takian’ny Evanjely dia izay no lalana tsy maintsy hizoran’izay te ho mendrika (ἄξιος ; a-ksios) an’i Kristy, izany hoe te hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely.
Izay te hanara-dia an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy handà ny tenany. Ny hoe “mandà” moa eto, dia nandikàna ny hoe ἀπαρνέομαι (aparneomai) izay ilazàna koa ny fandavan’i Piera an’i Jesoa (Mt 26,34), milaza ho tsy mahafantatra, ka izay mandà tena izany dia tsy hihevitra akory ny hiaro tenany, ary mazava loatra tsy hikaroka intsony ny tombontsoany fa ny an’i Kristy irery ihany, hitia tahaka ny ataon’i Kristy ka tsy manao zavatra hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana fa hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza.
Iza no hahavita izany?
Hain’Andriamanitra ny mitarika ny mpanompony amin’izany. Ny Vakiteny I dia mitantara amintsika ny nanjò an’i Jeremia Mpaminany. Manoloana ny hazofijaliana nolanjainy noho ny Tenin’ny Tompo dia hoy izy : “Notarihinao (פָּתָה) aho ka voatarika. Nosamborinao aho ka nahery ianao”. Nyפָּתָה – (pāthāh – piel) dia hoe “mandresy lahatra” no tena mahadika azy, fandresena lahatra manararaotra ny fahatsorana na ny habadoan’ilay resena lahatra. Dia izay no ataon’Andriamanitra miantso antsika hanandrana ny fitiavany. Lazaiko matetika fa raha toa ka mahatsapa ny vesatry ny andraikitra miandry azy ny olona iray miomana hanambady na hiomana hanao pretra na relijiozy, dia tsy hisy sahy hiroso eo, fa ny hafanam-po sy ny faniriana enti-misafidy ny fiainana, amin’ilay mbola mora resena lahatra iny no anomanan’Andriamanitra ny tsirairay hiatrika sy hiainana ny famaliana ny antsony.
Amin’izany famaliana ny antso izany no tsy maintsy hitondrana ny Hazofijaliana (Lakroà). Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος – aksios) an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra (αἴρω- airō) ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.
Izay babon’ny Fitiavan’Andriamanitra, hoy i Jeremia dia tsy afaka ny hiverin-dalana, ka na misy aza ny fotoana hieritreretana tsy hanohizana intsony, tsy hitenenana amin’ny anaran’Andriamanitra intsony, dia “misy toy ny afo mirehitra ao am-po ao”, ka tsy voatazona (Jr 20,9). “Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho”, hoy i Md Paoly (1Kôr 9,16).
Ambaran’i Jesoa mazava amin’ny ohatra nomeny tamin’ny nanekeny an-tsitra-po hihatona teo amin’ny hazofijaliana, fa tsy “fandresena araka ny heverin’ny sain’olombelona” tsy akory no vokatry ny fitiavan’Izy Ray, tsy fahasambarana araka ny heverin’ny olombelona fa “fandresen’ny Herin’ny Fanahy” kosa, hafaliana amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fitiavan’ny Ray hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka. Ny lakroà (σταυρός – stauros latin : crux, lakroà) koa manko dia fitaovana entina hanasaziana ny andevo. Izay mandray ny lakroà araka izany dia manaiky ny ho mpanompon’ny hafa tahaka an’ilay “naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany” (Fil 2,7-8) ka manaiky izay fahasahiranana sy harerahana vokatry ny fandraisana andraikitra tandrify izany fanompoana izany.
Ny dingana fahatelo lazain’ny Evanjely dia ny hoe“hanaraka an’i Jesoa”, izany hoe : hiray aina aminy, “haniry azy vao maraina, satria tsy velona raha tsy Izy, tsy afaka hamokatra, toy ny tany haraka mila rano“ (Sal 62), ary satria velominy dia tsy afaka ny tsy hisaotra Azy, ary ny fisaorana tsara indrindra, hoy i Md Paoly dia ny “fanolorana ny tena ho sorona velona” (Rm 12,1), ka hisafidy ny hanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra amim-panetren-tena sy amin-kalemem-panahy (Mt 11,29), ary hizotra ny lalana miakatra mankany Jerosalema, tanàna mpamono ny Mpaminany (Mt 16,21; 23,37). Tsy famonoan-tena anefa izany fa fanomezana heviny ny fiainana. Tsy ny maty no tokony hatahorana fa ny velona tsy nahay nanararaotra ny fiainana handraisana anjara amin’ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Izany no hazavain’ny Evanjely amin’ny andininy manaraka : “Izay hamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny Amiko kosa no hahavonjy azy” (and. 25). Tany amin’ny toko faha-10 dia nambaran’i Matio fa izay mahita (εὑρίσκω – heuriskō) ka mitahiry ny ainy dia hahavery azy satria fanomezana ny aina ka izay tsy ampiasaintsika amin’ny antony nanomezana azy antsika dia an-kevitry ny nariantsika ihany. Eto kosa indray, hamafisiny fa izay hihevitra hamonjy (σῴζω – sôzô) ny ainy, no hahavery ny aina, ny fanahy (ψυχή – psychè), ary izay hahafoy azy, na ny marimarina kokoa, izay hanapotika tanteraka (ἀπόλλυμι – apollumi) ny fiainany, satria izay no takian’ny fitiavana, no hahita azy (εὑρίσκω – heuriskō), no hampisy heviny azy eo anatrehan’Andriamanitra.
Ny fanekena hizaka ny hazofijaliana amin’ny fandaniana ny aina araka ny Evanjely sy ho an’ny Evanjely araka izany no maha-mendrika ho mpianatr’i Kristy. Izany dia mitaky fanekena izay mety ho fanambaniana sy ho fahafaham-baraka eo anatrehan’ny olona mba hanaporofoana fa tia ! « Ny hahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo, hoy Izy, dia ny fifankatiavana iainanareo » (Jo 13,35). Ny hazofijaliana araka izany no fetran’ny fitiavana mampisy heviny feno ka hahafahana mitahiry ny fiainana.
Eo amin’izao tontolo izao anefa dia izay mampitondra ny hazofijaliana ny hafa no mihevitra ho ambony, ny haren’ny tany no hifaninanana angonina mba harentirenty. Izany no mahatonga an’i Md Paoly mananatra mba tsy hanarahana ny fihevitr’izao tontolo izao fa hiova amin’ny fanavaozan’ny Fanahy (Rm 12,2). Mitondra zava-baovao mandrakariva ny Fanahy Masina, hoy i Papa François, ka izay manaiky hohavaoziny no zary fitaovana hanavaozany ny endriky ny tany (Sal 104,30).
Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny fanahiny? Inona no soa ho azony raha mby eo anatrehan’ny Zanak’olona ka tsy misy raisina ny fiainany? An’Andriamanitra ny fahefana sy ny fitiavana, fa mamaly ny olona samy araka ny asany avy Izy, hoy ny Sal 62,13, ary tsy hisy afaka handoa ny avony Aminy, ka ny fananana tsy maintsy havela ho lovan’ny hafa ve no handeha hatakalo ny famonjena ny fanahy (Sal 49,8.11)?
Izay mihaino ka mitandrina ny Teny dia miditra amin’ny fiainana ka tsy hanandrana fahafatesana intsony satria efa miafina ao amin’Andriamanitra mandrakizay ny fiainany (Rm 6,4; Kôl 2,12).
Na ny Salamo setriny izay lazaina fa vavak’i Davida tao an-taniefitr’i Jodà [fisintahana in-telo : na noho ny fanenjehan’i Saoly (1Sam 22,5; 1Sam 23,14) na tamin’izy nitsoaka an’i Absalôma zanany (2Sam 15,23-28)] na ny Vakiteny I mitantara an’i Jeremia dia manamafy ny tenin’i Jesoa hoe « izay be ao am-pony no tenenin’ny vavany » (Lk 6,45). Ny fitiavan’Andriamanitra no mameno ny fon’ireto mpivavaka ireto ka ambarany fa tsy misy dikany ny fijaliana manoloana izany fitiavan’Andriamanitra mameno ny fo izany. Ny fahasarotan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny marina, hoy i Jeremia dia tsy nahasakana azy hitory ny Tenin’Andriamanitra (Jr 20,7-9), satria izay nihaona marina tamin’ny Tompo tao an-tempoliny masina dia hamisavisa ny hatsaram-pony hatramin’ny vao mangiran-dratsy, haniry ny Tompo, hangetaheta Azy, toy ny tany karankaina mila rano, hitady Azy hatramin’ny vao maraina (Sal 62).
Tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny tenin’i Kristy hoe : « Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? » Dia isika tsirairay samy manana ny handrian’ny sainy sy ny ironan’ny fony, ka manontany tena hoe : vao mifoha maraina, aiza no alehan’ny saiko? Tsy azo hodian-tsy hita ny hamafin’ny fiainanasedrain’ny maro, ventesin’i RADO (Georges Andriamanantena), amin’ny tonon-kalo hoe “Ady”: ny fitiavan-janaka no mahatonga ity raim-pianakaviana handoaka alina amin’ny fitadiavana izay mahasoa ny zanany. Raha adino ny soa ho an’ireo sombin’ny aina dia mazava loatra fa ezaka hamonoana eritreritra no katsahina ka hampihena ny herim-po sy ny fahiratan-tsaina, hahitana ny tsaratsara kokoa hoenti-miatrika ny fiainana.
Izany no anentanan’i Md Paoly antsika tahaka ny nataony tamin’ny kristianina tany Roma fahiny : « aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahany no lavorary. » (Rm 12,1-2). Izany fikatsahana ny fahalavorariana izany no fanarahan-dia an’i Jesoa izay ambarany amin’ny ambaratonga telon’ny “sequela” efa nohazavaintsika teny ambony dia ny fandavan-tena, ny fitondrana ny hazofijaliana ary ny fanarahan-dia azy, mampahatsiaro antsika izay efa nolazain’i Mikea Mpaminany momba ny “tsara sy izay takìn’ny Tompo efa nampahafantarina antsika dia ny hanao ny rariny (מִשְׁפָּט – mishpāṭ) handala ny fitiavana (חֶסֶד – hesedh) ary hiara-dia amin’ny Tompo amim-panetren-tena (צָנוּעַ – tsānoua‘)” (Mi6,8),ny fifandraisana amin’ny tena, amin’ny namana ary amin’Andriamanitra.
Ambaran’i Jesoa mazava fa tsy afaka hanara-dia Azy ny olona mitady Azy « tsy noho ny fahitana ny famantarana fa noho ny fahazoana ny mofo ka voky » (Jo 6,26-27). Tsy fitadiavana tombon-tsoa ho an’ny tena fa fampiasana ny tombontsoa efa norasinina mba hanasoavana ny hafa no irian’i Jesoa ho an’izay te ho mpianany. Ny fandavan-tena marina, araka izany, dia mifototra indrindra amin’ny fitokisana ilay Fitiavana tsy mivadika, ka hiaiky toa an’i Md Piera hoe : « Hankany amin’iza moa izahay Tompo ! Ianao no manana ny Tenin’ny Fiainana mandrakizay » (Jo 6,69). Dia izay no hampahatoky hitondrana ny hazofijaliana, ka tsy hitondra tena araka izay mahafinaritra ny hafa na noho ny fanangolen’ny tontolo, fa hanaiky havaozin’ny Fanahy, haka tahaka an’i Kristy : “hahafoy hatramin’ny aina hoenti-mitia” satria izay no fitiavana lehibe indrindra (Jo 15,13) hampisy heviny ny fiainana.