ALAHADY FAHA-21 MANDAVAN-TAONA TAONA D
- Izaia 66,18-21
- Salamo 116
- Hebrio 12,5-7.11-13
- Md Lioka 13,22-30
Fianakaviana: iray eto an-tany, iray any an-danitra isika
“Tompoko, moa vitsy ihany va no ho voavonjy?” Fanontaniana manitikitika ny saintsika koa io.[1] Ny tena marina dia fitadiavana fitokisana satria raha maro ihany no ho voavonjy dia mety ho moramora no hahazoana ny famonjena. Tsy fifaninanana na “concours” anefa ny famonjena fa “ezaka”. Tian’i Jesoa hahitsy izany fisainana izany. Tsy ny isan’ny voavonjy no tokony hifantohan’ny saintsika fa ny ezaka tokony hatao mba hitahirizana ny hafaliana amin’ny anarana efa voasoratra any an-danitra (Lk 10,20), amin’ny ezaka hitahirizana ny famonjena araka izany.
Manamafy izany ny Vak. I (Iz 66,18-21) izay milaza fa ny tsy mahalala ny Tompo aza no hovorìny hidera ny voninahiny ary izany no anirahany izay sisa tavela, ireo heverina ho niangaram-pitiavana fa akanga sisa nanamborana. Amin’ny anaran’Andriamanitra mandrakariva no itenenan’ny Mpaminany ary mazava ny hafatra: hamonjena ny firenena rehetra, izany hoe mba hahitan’izy ireo ny voninahitr’Andriamanitra. Ary satria “ny mahalala Azy no fiainana mandrakizay” (Jo 17,3), ary izay mahalala ihany no afaka mijoro ho vavolombelona sy mitantara, dia mazava loatra araka izany fa izay manana ny fiainana mandrakizay, ny olom-boavonjy no afaka mijoro ho fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao.
“Misy halaiko ho pretra sy ho levita avy amin’izy ireo”, hoy i Izaia. Teo amin’i Israely dia nifandovana ny fisoronana. Lazain’ny Mpaminany anefa fa safidin’Andriamanitra avy amin’ny olona nahita ny voninahiny ka tonga mitondra fanatitra ho fiderana azy ny maha-mpisorona sy levita. Tsara ho tadidiana anefa ny lazain’i Md Augustin hoe tsy soa ho an’ny loharano tsy akory ny fisotroana rano eo, ary tsy soa ho an’ny hazavana ny fahitana azy: soa ho antsika fa tsy ho an’Andriamanitra ny fitondrana sorona ho Azy (Cité de Dieu X, 5-6).
Ny salamo setriny moa, amin’ny maha-salamo azy izany, teḥillim moa, fideràna amin’ny teny hebrio, dia fototeny iray ihany amin’ny aleloià: hira fideràna. Derao ny Tompo: hāllelou-Yā. Ho an’i Israely, ny antony hihirana ny Aleloia dia satria YHWH no nanala azy ireo tamin’ny fanandevozana ho amin’ny tanin’ny fahafahana, ary fitiavana tsy lefy, hitiavany ny olombelona rehetra izany.
Sarotra ihany anefa ny hahazo izay lazain’ny salamo: deraonareo ny Tompo satria naneho ny fitiavany taminay. Izahay no nahazo fahasoavana, dia ianareo no antsoinay hidera ny Tompo. Raha tsy mahasarika ny olona ny hafaliantsika amin’ny fiainana ny maha-olom-boavonjy dia tsy ho lasa antom-piderana ho an’ny hafa ny finoantsika. Rahefa misy olona mahazo fahasoavana, na mahazo tombontsoa manokana, ka tsy manafina ny antony nahazoany izany, dia ihazakazahana ny manao toy ilay nahazo tombontsoa.
Tsy izany ve ny mitranga ohatra amin’ny mpivarotra lasopy nahatsangana trano, ohatra, dia lasa mpivarotra lasopy avy ny iray tanàna, satria maniry mba hanangona vola hananganana trano koa… kanjo tsy nisy mpividy lasopy intsony avy eo. Fa tsy vokatry ny ezaka sy ny ataontsika anefa no hiantsoana ny firenena rehetra hidera fa noho ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika mandrakizay (Sal 99,5; Lk 1,54-55 tononkiran’i Maria). Izany no mahatonga an’i Md Marka sy i Matio milaza fa avy nihira ireo Salamon’ny Hallel (112-117) i Jesoa no nizotra nihazo ny tanimbolin’oliva (Mk 14,26; Mt 26,30), satria izay matoky izany fitiavana tsy mivadika izany no afaka hihatrika ny agonia, ny fiadiana aina, hoy ny dikan-teny, fa raha ny marina, dia ny fihetseham-po miandry ny fotoana hirotsahana hiady satria efa tsindrian-daona hankalaza ny fandresena.
Rahefa mahasarika ny olona ny hafaliantsika nandray sy miaina ny Evanjely, amin’izay no hahafahantsika mihira ny Sal 116 ka hijoro ho vavolombelona hiitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faravazan-tany.
“Dero ny Tompo ry Firenen-drehetra, hobio izy ry foko rehetra fa ny fitiavany ANAY tsy mba lefy”. Izahay no tiavin’Andriamanitra amin’ilay fitiavana tsy ho lefy mandrakizay dia ianareo no taominay hidera sy hihoby Azy. Tsy zavatra mandeha ho azy izany, satria tsy hoe vokatry ny fihobiana na ny fiderana an’Andriamanitra no hahazoana tombom-pitia tahaka an’Israely koa. Ambaran’ny Prefasy andavanandro IV fa na tsy mila ny fankalazana avy amintsika aza Andriamanitra dia ekeny ary sitrany ny ankalazantsika Azy. Eny, tsy mampitombo ny hasiny ny fiderana ataontsika fa manampy antsika kosa hahazo ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy Tompo.
Raha dinihina tsara ny tian’ny Salamo lazaina ary ampifandraisina amin’ny lohahevitr’ity alahady ity dia izao no azontsika tsoahina: tonga fianakavian’Andriamanitra izay mahay mifaly amin’ny soa ataon’Andriamanitra na ny tenany na ny hafa aza no misitraka izany soa izany. Izay malahelo amin’ny tombom-pitiavana itiavan’Andriamanitra ny hafa dia lavitra ny fahasambarany. Tsy mahagaga raha nanaovantsika fety ny nampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra ohatra. Saingy izay mahazo fahasoavana manokana kosa, tahaka an’i Masina Maria, ka manadino fa ny hanasoavana ny hafa, ny hitsonjovana ny hafa no anton’ny fanomezan’Andriamanitra rehetra, dia ho very fahasoavana koa.
Indraindray anefa dia iaretana ny mafy izany fahasoavana izany ary fantantsika fa tahaka an’i Jesoa voasandratra teo amin’ny Hazofijaliana mba haneho ny voninahiny, dia niharitra ny alahelo fitony[2] koa i Masina Maria mba hizarany ny hafenoan’ny fahasoavany amintsika am-pon-dreny.
Ny Vakiteny II (Hebrio 12,5-7.11-13) no manampy antsika hahazo ny hasin’ny fijaliana sy ny fitsapana izay maha-matotra ny finoana. Tsy sanatria sitrak’Andriamanitra ny hijaliantsika fa avelany hitranga kosa ireny zava-mampijaly ireny, eny fa na dia ny fahafatesana aza (sahala amin’ny nanjo ilay Zanany tiany indrindra), satria mahefa ny zava-drehetra Izy Ray ka ny fitsanganan-ko velona no asetriny ny Hazofijaliana. Sarotra ho an’izay tsy mba nisedra fahasahiranana teo amin’ny fiainana anefa ny hahita teny fanalàna alahelo ho an’ireo mijaly raha mbola tsy nanandrana izany herin’ny fitsanganan-ko velona izany. Fa raha tsapany kosa ny maha-fahasoavana sy fanomezana ny zavatra rehetra eo am-pelatanany, raha tsapa fa tsy ezaka fa fahasoavana no nahasambatra hatrizay, dia ho zary fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny olona hosoavina ny fanampiany. Raha tsy ny voninahitr’Andriamanitra no miharihary amin’ny asa fanasoavana ataontsika, dia tsy ho fankaherezana ny tanana miraviravy sy ny lohalika mangozohozo ny asa fanasoavana, satria mbola ho eo ihany ny tsy fitovian-tsaranga, ary ho fihamboniana fa tsy fitiavana no anaovana ny fanampiana.
Mazava ny hafatry ny Taratasy ho an’ny Hebrio: atao marin-drano ny lalana hizorana mba tsy hampi-pitsoka ny tongotry ny mandringa fa hahasitrana azy. Ny fitiavana lavorary dia izay nataon’ilay Vavolombelona miantso antsika hidera an’Andriamanitra (i Jesoa) ka niala tamin’ny fomba naha Andriamanitra Azy mba hitovy amin’ny olombelona notiaviny amin’ny zavatra rehetra. Tsy mbola misy fitiavana, tsy mbola lavorary ny fitiavana hiheverana ho mpanao soa sy hiheverana ho ambony noho ny hafa. Tsy mpanasoa isika fa fitaovana entin’Andriamanitra hahasoa ny firenena rehetra.
Ndeha hojerentsika ny hafatra avy amin’ny Evanjely.
Md Lioka 13, 22-30
Ampahatsiahivin’i Md Lioka isika fa eny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa. Tamin’iny lalana iny no nahitany ilay azon’ny jiolahy, amin’iny lalana iny no hamangiany an’i Samaria sy Galilea (Lk 17). Eo am-pampianarana ny tanàna sy ny vohitra Izy no misy manontany hoe vitsy ve no ho voavonjy. Toa sarotra manko no mieritreritra fa ho vita ny mampifanaraka ny fiainana amin’izay takian’ny Evanjely ka aleo hanontaniana mba hakàna toky hoe maro sa vitsy no ho voavonjy.
Nampianatra mahakasika ny “vavaka mamintina ny Evanjely” (Pater noster) aho, no nisy mametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ihany: iza no afaka hanao amin’ny fony tokoa ny vavaka nampianarin’i Jesoa? Amin’io vavaka io (Lk 11) anefa no anehoan’i Jesoa fa Izy Ray no miantso antsika ho zanany, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrantsika. Tsy ny ezaka ataontsika no maha-zanaka antsika fa ny fahatsapàna sy ny fitandrovana ny hasin’izany no manova ny toetra mba hitahiry fa tsy handanilany foana ny lova efa natolotra ny zanaka. Izany no manova ny fomba fifandraisantsika amin’ny haren’ny tany, fanomezan’Andriamanitra ho antsika hanasoavana ny besinimaro (Lk 12), izany no hanova ny fifandraisantsika amin’ny olombelona izay iray tampo amintsika satria samy zanaky ny Ray.
Amin’ny Evanjely ambara anio dia entanina isika hahatsiaro fa tsy tsidi-pahitra akory ny maha-zanaka ka hahafahana manala tsiny ny tena indray andro any hilazana fa mba efa nihinana sy nisotro teo anatrehan’Andriamanitra ihany, efa mba teo an-kianja ihany nihaino ny fampianarany, kanefa ny fiainana nolaniana amin’ny fanaovan-dratsy.
Raha nolazaintsika tamin’ny nandinihana ny Salamo 116 fa tonga fianakavian’Andriamanitra izay mahay mifaly amin’ny soa ataon’Andriamanitra. Mila dinihina araka izany nataontsika satria tsy afaka ny hiombona amin’izany fianakaviana izany ny mpanao ratsy, ka izay mety ho fikasana hanimba na hisompatra ny hafa dia hanakana antsika tsy hiombona anjara amin’ny hafalian’ny Tompon-trano.
Araka izany, tsy hoe ezaka mba ho tsaratsara kokoa (na ho tsaratsara kokoa noho ny hafa) ny atao hoe “fibebahana” fa fahatsapana kosa ny haratsin’ny fahotana izay manakana antsika tsy hivelona ao amin’ny famindram-pon’ny Ray sy ny fitiavany. Raha tsy miaina ao amin’izany fitiavana izany isika dia tsy ho sambatra na oviana na oviana. Ezaka mba ho lavorary, ho masina araka izany, satria izay mety ho fahalainana na fisalasalana mety hilalaovana an-dalana (na hangatahana andro) amin’izany fanamasinan-tena izany dia mety hanenenana mandrakizay. Izany no tsy maintsy hanaovana lemozy mba hahazoana ny Fanahy Masina (Lk 11,9-13; 18,1snm), ilay manohana ny fahalementsika (Rm 8,26snm). I Jesoa ihany moa no varavarana hahafahantsika miditra sy mivoaka (Jo 10,9), ary izay mihevi-tena ho tsy mila an’Andriamanitra ka manalavitra io varavarana io, dia hivoaka hitady zavatra hafa ivelan’ny fahasoavana entin’Andriamanitra hahasoa izay tia azy (Rm 8,28) ka ho tavela any ivelany, hitomany sy hikotro-nify.
Vavahady “ety” satria tsy afaka hifanakalo amin’ny lala-migodànan’izao tontolo izao. Ety satria dingana telo mazava no hahafahana miditra ao : fandavan-tena izay manala ny vesatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra; fitondrana ny hazofijaliana, marika tokana hahalalàna ireo mandondòna ka hovohaina, porofon’ny maha-zanaka ny Lakroà ka izany no hanasiana ny handrintsika izany marika izany, marika voatahiry amin’ny fiainana mifanaraka amin’izay nodiavin’i Kristy.
Tsy ny isan’izay voavonjy àry, araka izany, no tokony handaniana ron-doha, ny hahavoavonjy ny olon-drehetra no sitrak’Andriamanitra (1 Tim 2,4), saingy miankina amin’ny tsirairay ny fitahirizana ny aim-panahy maha-zanaka, mba tsy hanenenana amin’ny fiheverana fa nanaonao foana ireo niaina tam-pinoana ka noheverin’izao tontolo izao ho adala noho izany (Vakiteny II alahady 19-20D). Ry Abrahama sy Isaaka sy Jakôba, mbamin’izay rehetra nandova izany finoana izany dia mahita fa ao amin’ny fanekena ho faty (satria mino), toy ny voatsinapy, no hahafahana mandova ny hafenoan’ny fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Izay tsy mandray anjara amin’ny famonjena ny olon-drehetra, araka izany, dia mpanao ratsy satria nihinana sy nisotro nefa tsy mba nandray anjara amin’ny sehatry ny asa: kamo be tenda. Samy manana ny iantsoan’Andriamanitra azy amin’izany fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavany izany anefa. Ao ireo asaina mikatroka hanasoa ny hafa, ao ireo misolo tena Azy mba hohasoavina, endrika isehoany mba hahafahan’ny hafa manompo Azy, ary efa samy nandalo tamin’izany avokoa isika rehetra fahazaza, nefa indrisy fa ao ireo manohy izany ao amin’ny aretina sy ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana na ny fahosàna hafa (fahasembanana, fahanterana…), saingy afaka manohana mandrakariva amin’ny vavaka sy ny fitondrana ny hazofijaliana ho fanohanana ireo mpikatroka. Ny fiombonantsika amin’ny tolona sy ny hafaliana mba haha-voavonjy izao tontolo izao no hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanasan’ny fanjakan’ny lanitra.
Tsy ampy ny mihinana sy misotro miaraka aminy mba ho fantany (and. 26). Tsy ampy ny mihaino sy mitantara ny fampianarany. Ilaina ny miala amin’ny fahazaran-dratsy mba hahafahana miditra amin’ny varavarana ety. Raha fintinina araka izany dia mila mibebaka mba ho voavonjy.
Ny fihinanantsika eo anatrehany isan’andro ao amin’ny Soratra Masina sy ny Eokaristia araka izany dia hanampy antsika hibebaka marina tokoa, ka hahatsapantsika fa eo anilan’ny mpanota ilay “Varavarana” hidirana, ka ny fahatsapantsika ny filana Azy, no maha-voalohany sy maha-farany antsika. Izay akaiky Azy, miaiky ny maha-mpanota no hamarinina hody any an-trano, satria manaiky hialoka ao ambany elany (Lk 13,31-35).
Fa mety hilaza isika hoe “fa maninona no atao tery ny varavarana? Toa mifanohitra ihany izany teny izany satria manambara ny tsy fahaizan’ny mpandrafitra!” Ny olona rehetra no tiana ho voavonjy dia ny varavarana no akelezina! Dia ho sanatria ve Ilay mandrafitra ny Fanjakana no tsy mahay sa nahoana no nataony tery io varavarana io?
Ny antony anaovana tery ny varavarana (ara-piaraha-monina tamin’izany) dia tsy misy afa-tsy ny fahatahorana ny fahavalo mety hisompatra, na sahala amin’ny varavaran’ny Bazilika ahatsiarovana ny Tranon’omby nahaterahan’i Jesoa ao Betlehema izay natao ety sady iva mba hanakanana koa ny mpivahiny tsy hiditra miaraka amin’ny entana sy ny ampondra. Kanefa raha izay indray dia ho sanatria ve tsy mahefa ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika ka hatahotra izay fahavalo mety ho avy handringana ny ondriny, na hoe tsy hahavita handamina ny olona amin’ny fandraràna izay tsy tokony ho entina miditra ao?
Ety tokoa io varavarana io, sady tsy misy afa-tsy tokana (jereo Jo 10,7-10) : i Kristy irery ihany. Ety sy tokana ka miandry ny safidim-po malalaky ny tsirairay mba hidirana ao. Tsy varavarana fe varavarana no hidirana araka izany fa i Kristy. Mila misafidy ny hiditra ao amin’i Kristy izay te hiditra amin’ny fanjakana. Fa ahoana izany miditra amin’ i Kristy izany?
Fanasana no ataon’i Jesoa ho antsika. Izay te-hiditra dia afaka miditra (sy mivoaka). Tsy maintsy mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakarana anefa (mampahatsiaro ny evanjely tamin’ny alakamisy teo : hitahiry ny akanjo fampakarana izay nozaraina tamin’ny Batemy, ka hotahirizina madio mba ho entina mitsena an’i Kristy ilay mpampakatra, Mt 22,1-14). Tsy ampy hahafantaran’i Kristy antsika, araka ny nolazaiko teo am-piandohana, ny mihinana sy misotro miaraka Aminy. Mila mitafy Azy isika, hoy i Md Paoly, mila miara-maty Aminy ny amin’ny fahotana mba hiara-belona Aminy koa. Fanaovan-dratsy ny fihinanana eo amin’ny latabatry ny iray nefa hiasa any amin’ny sahan’ny fahavalony.
Tsy sanatria anefa hisy hilaza koa hoe: tsy mpanao ratsy aho, avelao ho an’izay te hiasa ny hanina! Hamita-tena izay malaina amin’ny fihinanana amin’ny sakafo aroson’ny Tompo, satria ny sakafo no antoky ny aina, ary ny zanaka no mpandova, ny zanaka velona fa tsy sanatria izay mandry any ambany rangolahy. Tsy afaka ny ho velona tsy mihinana ny olona. Tahaka izany koa ny aina maha-zanak’Andriamanitra antsika.
Anisan’ny antony nahatonga ilay fanontaniana nanitikitika ny sain’ny mpiara-dia tamin’i Jesoa “moa vitsy no voavonjy?” ihany koa moa dia noho Izy nilaza fa tsy ireo nianjeran’ny Tilikambo na ireo novonoin’i Heroda akory no tena mpanota fa raha tsy mibebaka isika dia ho very avokoa isika rehetra (Lk 13,1-5). Mba hidirana amin’ny varavarana ety ary, araka izany, dia mila fanetren-tena, mila ny fiekena ny halemena sy ny fahotana ka hiandrandra ny fahavelomana avy amin’ny indrafon’Andriamanitra. Izay ihany no hahafahana mibebaka marina tokoa.
Aza adino fa ny fanoharana nolazain’i Jesoa mialoha ity Evanjely androany ity dia momba ny voatsinapy sy ny lalivay (Lk 13, 18-21). Tsy ho sanatria any ivelan’ny Fanjakana no hampitomboana ny koba. Miaraka amin’i Kristy no mampitsiry sy hampiroborobo ny voatsinapy. Izy no fototra ary isika no rantsana (Jo 15,1snm). Izay fiombonan’aina miaraka amin’i Kristy izay no manery antsika hiova famindra, hazavain’ny finoana, ary vonona handray ny famaizan’ny Tompo (vak II : He 12, 5-13).
Ndeha ary samy handini-tena raha mendrika ny anarana maha-kristianina antsika tokoa isika? Ny hahalalana fa mpianany manko isika dia ny fifankatiavana manjaka amintsika (Jo 13,35).
Ry Andriamanitra Ray ô, ny olona rehetra no tianao hiditra ao amin’ny fanjakanao, ka nirahinao aty aminay ny Zanakao hanambara mialoha ireo zavatra mety hisakana ny hidirany ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa ny Fanahinao anie hanentana anay hiezaka amim-paharetana hampanjaka ny marina sy ny fitiavana, mba hanananay rehetra anjara ao Aminao mandrakizay (Vavaka Fangatahana 21D). Amen.
[1] Anisan’izany ohatra ilay 144.000 niteraka resa-be ao amin’ny Apôkalipsa (14,3)
[2] Jereo ny 15 septambra momba izany.