Alahady faha-20 Taona D mandavan-taona
- Jeremia 38,4-10
- Salamo 39
- Hebrio 12,1-4
- Lioka 12,49-53
Tolona ambony vatolampy ny fiainana,
izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha.
Te hivonona mba hitsena ny Tompo amin’ny andro hiaviany isika, ka te hanandrana ny hasambarana atokany ho an’ireo mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry. Tsy mora anefa ny maharitra amin’izany satria tsy ny fanaovan-dratsy ihany no hakan’ny demony fanahy antsika fa mahomby kokoa noho izany ny fakàna fanahy mba hanakanana ny hafa tsy hanao soa ka hanakiviana izay miezaka, hanosoram-potaka izay manelingelina ka mety hiafara amin’ny famonoana azy mihitsy aza.
Ankoatry ny fialonan’izay manakana ny hafa tsy hamiratra dia eo koa ny lazain’ny teny frantsay hoe effet crabes, entina ilazana an’ohatra ny olona mifamingana ka tahaka ny drakaka ao an-karona, ka izay mitady hiakatra dia sintonin’ny hafa hidina. Mametika manko tsy ny ambony ihany no mialona izay mitady hiakatra fa ny olona efa zatra mirefarefa amin’ny tany koa, maneso na manakivy izay te hisondrotra na izay te hiova.
Ny Mpaminany, izany hoe izay manaiky hitory ny tenin’Andriamanitra anefa tsy afaka hitory teny mifanaraka amin’izay mahafinaritra ny sofin’ny mpihaino, fa hitory izay andidian’Andriamanitra azy, hilaza ny zava-misy tsy amim-pitaka ary hanonona ny zavatra amin’ny anarany. Tsy zakan’izay maniry hitakoko ao amin’ny haizina anefa ny fandrehetana jiro hanazava ny tontolo hiafenany. Faniriana handrehitra afo, hanazava sy hanafana anefa no nahatongavan’i Kristy (Evanjely).
Ny fiainana sy ny vavaka nataon’i Jeremia Mpaminany dia mamintina ny fiainan’ireo Mpaminany tsy afaka ny hanafina ny marina mba hiarovana ny zon’ny madinika sy ny tombontsoan’ny firenena ka haimpangana ny tsy mety ataon’ny maty eritreritra, izay tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoany manokana. Hoy ny vavak’ity Mpaminany ity: “Marina hianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny : Nahoana no ambinina ny làlan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra? Ambolenao izy, dia latsa-paka, mitombo, mamoa; akaiky ny vavany hianao, fa lavitra ny fony” (Jer 12, 1-2).
Teo amin’i Israely, herintaona mialoha ny handravan’i Nabokodonozora ny tanànan’i Jerosalema, raha nihevitra ny hiantehitra amin’ny tafiky ny Ejipsianina ny Jody mba hanafaka azy eo an-tanan’ny Kaldeanina, dia nolazain’i Jeremia mazava fa fahadalàna lehibe ny mitoky amin’olombelona. Ny fianakaviany izay nohatoniny mba hakàny ny zara lovany indray aza no nisambotra azy sy nampanao azy an-tranomaizina. Izany no nahatonga azy nampangaina ho mpanakivy ireo mbola vonona hitolona ho amin’ny fahafahana. Tsy vitsy ny olona milaza ho asan-demony ny teny anatra ataon’ny Mpaminany manoro ny tsaratsara kokoa. Ary tsy mahagaga fa amin’ny teny frantsay dia lasa fomba fiteny hilazana ny olona be menomenona ny hoe jérémiade.
Izao no filazan’i Jeremia ny tenany anefa: “Isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro. Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny anarany intsony aho!… dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy. Fa efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, handeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika” (Jer 20, 8-10).
Tsy mbola nisy olona ka hoe nanoro lalana mba tsy hianteherana amin’ny herin’olombelona ka tsy nampangaina ho mpamadika firenena. Manembatsembana ny voninahitra sy ny tombon-tsoan’ireo lazain’i Jesoa fa mpanjaka mizaka ny jentily, sy mandidy izay atao hoe mpanao soa (Lk 22,25) manko izany. Ny tantara no hahalalantsika ny fahamarinan’ny tenin’i Jeremia (raha adika: Andriamanitra no mandahatra), fa sarotra ho an’ny olombelona tsy nanao afa-tsy ny nikendry ny tombon-tsoany ny hahatakatra ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Sarotra kokoa noho izany anefa ny hiverin-dalana ho an’ny Mpaminany, na dia mety hahavita hanozona hatramin’ny andro nahaterahany aza (Jer 20, 14).
Ny loza aza, araka ny voalazan’ny Vakiteny I dia izay lazain’i Sedesiasa Mpanjaka amin’ireto olona mifofo ny ain’i Jeremia: “Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo” (Jer 38, 5). Tsy ny mpaminany sy ny olomarina ihany no fehezin’ireo tsivalahara mpivarotra tanindrazana fa na ny mpanjaka koa aza, efa voafatoty tongotra aman-tanana.
Fa Abdemeleka no nangataka tamin’i Sedesiasa ny hanafahana an’i Jeremia. Raha takarina amin’ny hevitr’ireo anarana ireo izany dia hoe Abed-melek, ara-bakiteny dia hoe mpanompon’ny Mpanjaka no nangataka tamin’i Sedesiasa, ilay mpanjakan’ny Andriamanitra Fahamarinana (Tsedekia) ny hanafahana an’i Jeremia tao an-davadranon’i Melkiasa (Andriamanitra no Mpanjaka). Vahiny, Etiopiana (כּוּשִׁי, koushî, mainty fihodirana) no nitsetra azy. Izany no sitrak’Andriamanitra hamaliana ny vavak’izay mitoky Aminy, Izy ilay hanafaka ny mpanompony amin’ny fota-mandrevo (Salamo 39 setriny). Samaritanina, hoy i Jesoa, ao amin’ny Evanjely, no nangoraka ilay sisan’ny Jiolahy (Lk 10, 29 snm). Tsy miankina amin’ny andraikitra na ny saranga na izay mety ho voninahitra ny hatsaram-panahy. Mampianatra antsika zavatra maro izany, na amin’ny fitsaratsarana ety ivelany ny hafa, na amin’izay mety ho hakanosàna ka tsy hahasahiana hiroso hiaro ny marina satria matahotra ny tsy ho henoina, mihevitra ny tena ho tsinontsinona.
Raha toa ka laza amam-boninahitra na tombontsoa manokana na ny fiheverana ho tsara sy masina noho ny hafa anefa no hikatrohana amin’ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny finoana, na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho diso fanantenana manoloana ny tsikera, ny fialonana sy ny hasomparana ataon’ny hafa. Izay tapa-kevitra kosa hijoro ho fanasina sy fahazavana dia hahazo izay lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio, izay toa mifanohitra amin’ny zo maha-olona, saingy lalana tokana hahafahana manara-dia marina an’i Jesoa Kristy.
Ho an’ireo kristianina alaim-panahy hisintaka ka tsy hanohy intsony ny maha-kristianina azy amin’ny fiainana araka ny Evanjely no nanoratana ny taratasy nangalana ny Vakiteny II (Heb 12,1-4). Indraindray manko adinon’ny kristianina fa i Kristy voahombo, nofantsihana tamin’ny hazo no arahiny. Izay mahazo ny lôjikan’ny Lakroà ihany no afaka mijoro ho tena kristianina tokoa.
Ao amin’ny toko 11 izay nangalana ny vakiteny II tamin’ny alahady heriny no hitanisan’ny mpanoratra ny fijoroana ho vavolombelon’ireo olona nialoha antsika tamin’ny lalan’ny finoana, hatramin’i Abrahama ka hatramin’ny androntsika izao.
Tsy nisy nahazo ny fampanantenana anefa ireny vavolombelona deraina sy ankalazaina noho ny finoana ireny, na dia teo aza ny fiaretany fijaliana sy ny fitokisany an’ilay Andriamanitra tsy mivadika. Vavolombelona ho antsika izy ireo, araka izany, isika izay efa mankalaza ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana, ary mpandova ny fahasoavana ao amin’ilay mandavorary ny finoana. Raha hazakazaka àry no atao, dia mazava loatra fa ny fanesorana izay mampavesatra no fahendrena. Izany no ampirisihin’ny Vakiteny II antsika voalohany indrindra: hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika sy ny fahotana manarona ary hihazakazaka amim-paharetana. Ny fahotana no mampanavesatra.
Ho an’izay mahalala mikasika ny fifanalàna hazakazaka dia mahazo tsara izany torohevitra izany. Na ny kiraro sy ny akanjo aza, dia izay faran’izay maivana no anaovana mba hanampy amin’ny hazakazaka. Tsy ho sanatria vesaran’ny fihinanan-doatra (κραιπάλη– kraipalè, aretin’an-doha vokatry ny fisotroana divay) sy ny fimamoana (μέθη– methè, fimamoana, intoxication) ary ny fiahiana izao fiainana izao (βιωτικός– biōtikos) ny fo (Lk 21,34) ka hanampoka ny fahatongavan’ny famonjena, izany hoe ny zavatra andrasana indray no handosirana sanatria.
Ny faharoa, raha sanatria ka misy zavatra mandrakotra ny tena na ny tarehy dia tsy ho hita ny lalana sy izay mety ho sakana, na izay mety ho torolalana hahafahana mahatratra ny tanjona, ka mety hanezakezaka any amin’ny lalana tsy izy. Ny fahotana dia tsy manao afa-tsy ny mampanalavitra antsika amin’ny tanjona hotratrarina, ary izay rahateo moa no heviny amin’ny teny hebrio (ḥăṯṯā’āh). Ady manohitra ny ota no hatrehina nefa tsy vitsy no latsaka amin’ny fahotana satria efa tsy ny fitiavana fa ny avonavona sy ny fitiavan-tena no nikatrohana. Niaritra ny nafitsoky ny mpanota i Kristy mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo, hoy ny Taratasy ho an’ny Hebrio.
Ny fahatelo dia izay faharetana izay mihitsy. Ny faharetana no hamonjena ny tena, hoy i Kristy (Lk 21,19). Raha adino ny tanjona dia mety ho ezaka toy ny ranotrambo no atao fa tsy fitsitsiana aina hahafahana mitozo hatramin’ny farany. Tsy misy afa-tsy ny fanazaran-tena anefa no hahafahana mampitombo ny vovok’aina haharetana hatramin’ny farany. Sady manaza-tena araka izany isika no mizotra mankany amin’ny tanjona, izay tokony ho banjinina lalandava dia i Kristy satria ao Aminy no hanombohan’ny finoana sy hahatratrarany ny hafenoany (antienne d’invitatoire du carême).
Tsy ady atao samirery izany fanalàna hazakazaka izany fa diabe, fiaraha-mizotra amin’ireo nialoha antsika sy izay ho avy any hafarantsika. Izany no sinaody. Izay tsy mahatsiaro ho tompon’antoka amin’ny ady ataon’ny hafa dia efa lavitra ny fandresena. Mampalahelo ny maheno kristianina mirehareha amin’ny zavatra tokony hahamenatra. Anisan’izany ny an’ny sasany manasa tanana amin’ny fahavoazan’ny namana, fa ratsiratsy kokoa noho izany ny fiheverana fa tsy misy hidiran’ny sasany amin’ny fiainan’ny tena, indrindra raha ny fiezahana ho masina, hanahaka an’i Kristy no resaka sy ifampitenenana.
Mbola hotohizan’ny taratasy ho an’ny Hebrio moa ny fanazavana ny fomba entin’Andriamanitra mananatra ny zanany amin’ny alahady heriny.
“Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa ny filazana amintsika ny iraka nahatongavany, ny mission (iraka) amin’ny maha-Kristy (voahosotra) Azy: hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Môizy izany afo mirehitra izany: afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3,3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-izy antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa mampiseho kosa ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Môizy izay manala ny kapany, satria “mandia tany masina” dia sady manaisotra izay mety ho salovam-pahafatesana (hodi-biby maty no hanaovana ny kapa) no milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy, araka ny fitenin-drazantsika hoe: mandia tany ka mety ho solafaka, tsy afaka ny hiantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona (tsy afaka mandeha amin’ny fasika tsy misy kapa) eo anatrehan’ny Afo mirehitra mba hodioviny sy hohamasininy ho tonga iraka araka ny fony.
Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Afo mivaivay handevina toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra, hoy i Malakia Mpaminany (Ma 3,19). Afo hanadiovana ny volamena sy ny volafotsy, afo handoroana izay akofa sy mololo ihany koa eo amin’ny fiainana (Lk 3,17; 1Kôr 3,13). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo: mirehitra fitiavana, tsy handringana fa hitady izay hanavotana ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovàny ny fiainana. Afo hanadiovana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
Tsara ampahatsiahivina koa anefa ny “Principe de feu” na ny “triangle de feu”, izany hoe ny singa telo mandrafitra ny firehetan’ny afo : principe de chaleur, comburant, combustible.
Mba hirehitra ny afo dia misy zavatra telo takiany: ny kitay na izay misolo azy (solika, gaz na sahala amin’izany) izay antsoina hoe combustibles; ny principe de chaleur na ny afokasika na court circuit na zavatra hafa handrehetana ny afo izay antsoina hoe declancheur; ary ny oxigène amin’ny rivotra izay antsoina hoe comburant.
Raha amin’ny ara-panahy dia mazava loatra fa tsy afaka ny hirehitra ny afom-pitiavana ao amintsika raha tsy afanain’ny Fanahy Masina. Avy Aminy no hahafahantsika manomboka ny zava-masina rehetra. Andriamanitra no hafanana iantombohana sy hiafaran’ny zavatra rehetra.
Ilay lelafo (לָשׁוֹןאֵשׁ- lāshōn ēsh = lela afo) lazain’i Izaia fa mandoro sy mandevona izay manipaka ny Lalànan’i YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’i Israely (Iz 5,24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς – glôssai hōsei pyros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy.
Isaky ny mahita ny sarina lelafo eo ambonin’ny lohan’ny Apôstôly isika araka izany dia tokony hahatsiaro fa ny Fanahy Masina no afaka mandoro izay rehetra manakana antsika tsy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary izay tarihin’ny Fanahy dia hampiasa ny lelany, izany hoe ny teniny, mba hampiombona fa tsy hanasaraka. Izay tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hitoka-monina fa hiombona ao amin’ilay Jerosalema vaovao.
Ny sitrapontsika kosa sy ny finiavana no toy ny kitay aroso mba hahafahan’io afo io mitohy miredareda. Tsy manery fa manaja ny safidim-pon’ny olombelona mandrakariva Andriamanitra, ary izany no ataony dia mba hahalavorary ny hafalian’izay manaiky hiombon’antoka Aminy. Tsy hisy zavatra atao an-katezerana na natao tsy fidiny ka hahasambatra sy hahafaly.
Fa tsy afaka ny haharitra anefa ny afom-pitiavana raha tsy misy vava-rivotra hahafahan’ny oxygène manome aina ny afo (comburant). Tsy hivelatra na oviana na oviana ka haharitra ny faniriantsika hikatsaka ny Tombontsoan’i Kristy raha resaka na fiaraha-monina tsy mikajy afa-tsy ny tombontsoany sy izay hanatanteraka ny vinavina sy ny teti-panorona mety aminy no mahaliana sy ijobohantsika. Tsy misy fiainana kristianina afa-mivelatra ao anatin’ny fianam-pilibàna. Ny fiainana ny Soratra Masina no rivotra ahafahana mampiaina ny afom-pitiavana.
Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanohizan’i Jesoa ny filazana ny mission (iraka) na ny asa nanirahana azy: “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza…”
Dia ahoana no hilazantsika isaka ny lamesa hoe: “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao,” raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa? Moa tsy izy ve no ilay Mpanjakan’ny Fiadanana izay hampiraotra ny zanak’omby amin’ny zanaky ny liona (Iz 11,6-9)?
“Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”, (Dio ci dà la Pace ma non ci lascia mai in pace, St François d’Assise), fiadanana tsy maintsy hisahirànana. Ny Fiadanana izay andikana ny hoe “Paix” amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana (na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana = mandry – alina), dia ny fahafahantsika miaina ny maha-kristianina antsika na eo aza ny fahasahiranana sy ny zava-maro samihafa manohantohana.
Fa inona moa no antony hiadiana? Mba hijoroana ho vavolombelon’ny fandresen’Andriamanitra. Tsy afaka ny hiady anefa izay tsy mahay manavaka akory ny namana sy ny fahavalo, izay tsy mahalala akory na tsy te hahalala izay tanjona hironan’ny fony ka sanatria hanara-drian-drano, hialokaloka ao ambadiky ny alok’izay heverina ho avo, na ao amin’ny poizina afafin’ny fiheverana fa izay ataon’ny besinimaro no mety. Tonga hanampy antsika hanasaraka ny tsara sy ny ratsy i Jesoa mba hahafahantsika manavaka ny namana sy ny fahavalo, ary mazava loatra fa ny afo no fitaovana sarobidy indrindra, fantatry ny sain’olombelona hahafahana manavaka: manazava mba hanavahana ny tarehin-javatra sy olona; manafana, mandoro sy mandevina.
Ny fifampiandaniana dia toa zary tandra vadin-koditry ny fiaraha-monina fa loza ho an’izay manao sotrobe lava tango ka ny mampiady olona amin’ny fihatsaram-belatsihy no atao fiainana. Tsy ady amin’ny mpianakavy manko no sitrak’i Jesoa fa ny hijoroan’izay mpianany ho vavolombelona mahatoky tsy mivadika, na dia ny fianakaviany akaiky aza no mitsangan-ko fahavalony.
Ny fandraisana ny Tenin’i Jesoa ka hanekena hotarihin’ny Fanahiny dia mety hampisaraka ny mpianakavy, ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny aza (Mi 7,6) satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra azy. Nampahatsiahivin’i Jesoa ny mpianany fa raha halan’izao tontolo izao Izy dia tsy hafa noho izany no hafitsok’izy ireo ny mpianany (Jo 15,18).
Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafik’i Sedesiasa voalazan’ny Bokin’i Jeremia (Jr 38,4-10) fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo ka haneha-doza hila faty. Ampianarin’io Mpaminany io isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakonana ny avonavona sy ny eboebontsika. Ny fiarovan’Andriamanitra izay voafidiny ka irahiny dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany, io no Afon’ny Fanahy, irin’i Jesoa hirehitra eto amin’izao tontolo izao, mba hanavao ny endriky ny tany.
Ankoatry ny afo koa anefa, dia manana Batemy hanaovana batemy Azy i Jesoa, “batemy” (rano) izay andrasana am-pahoriana kanefa afo no tiana harehitra. Inona no hevitr’izany? Izay rehetra maniry hanara-dia an’i Jesoa dia mila mandatsaka ao an-tsaina fa “famantarana hotoherina Izy” (Lk 2,34). Fitiavana no notoriany nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo Azy. Tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesana mahafa-baraka ilay lalana mitondra amin’ny voninahitra, ary tsy afaka ny hitory ny mifanohitra amin’izany izay maniry ny ho mpianany.