Trinitera Malagasy
Alahady faha-20 Taona B mandavan-taona

Alahady faha-20 Taona B mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ohabolana 9,1-16
  • Salamo 33
  • Efezianina 5,15-20
  • Md Joany 6,51-59

TENA FIHINANA NY NOFOKO ARY TENA FISOTRO NY RAKO

Mitohy ny fandalinana ny finoantsika mikasika ny Eokaristia. Hatramin’ny alahady faha-21 isika dia manohy ny famakiana ny toko faha-6 amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany (Jo 6). Izany fandalinana izany dia manampy antsika hahatsapa ny hasina sy ny anjara toerana misy ny Eokaristia amin’ny Fiainantsika. Raha ny faniriana ny mandrakizay no mameno ny fon’ny olombelona dia mety ho fahadisoam-panantenana ihany ny hihevitra hanatanteraka izany amin’ny fanangonana ny harena mandalo ety an-tany. Ambaran’i Kristy mazava fa ny Mofo, dia ny Tenany, no sakafo mamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Araka ny efa nifampizarantsika (Alahady faha-19) dia sakafo mitaky asa ny Eokaristia, tsy asa aorian’ny hihinanana azy ihany fa asa fanadiovana ny fo ihany koa mba hahamendrika antsika handray azy (Ef 4,30–5,2). Tsy hoe asa tambiny mba hahafahana mandray Azy anefa izany fa asa vokatry ny fahatsapana ny fitiavana nanoloran’ilay manolotra ny tenany mba hananantsika ny aina ary hananantsika izany amin’ny hafenoany (Jo 10, 10). Dia tohizan’i Md Paoly ihany ny fanazavana izany ezaka hiaina ny Eokaristia izany, amin’ny fananarany antsika mba tsy hanaonao foana fa hamantatra tsara ny sitrapon’Andriamanitra mba hisaorana azy amin’ny zava-drehetra (Ef 5,15-20). Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fisaorana (eokaristia) izany raha toa ka tsy votom-pinoana isika, indrindra rehefa tojo ny mafy sy itambesaran’ny fahoriana mampangirifiry…

Mitaky fanetren-tena tanteraka ny fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny vavaka fisaorana nataon’i Jesoa : Misaotra anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa (Mt 11,25) dia hamafisin’ny Bokin’ny Ohabolana amin’ny fiantsoana ireo kely saina mba hihinana ny mofo sy hisotro ny divay ampifangaroana (mova tsy tandindon’ny Eokaristia) (Oh 9,1-6) ka hiala amin’ny tsy fahalalana mba hatahotra an’i YHWH satria izany no voaloham-pahendrena (Oh 9,10).

Fanohizana ny fampianaran’ny Boky Jenezy moa no ataon’ny Bokin’ny Ohabolana, manambara amintsika fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny fahendrena, ary amby ampy ny sakafo arosony ka fahadalàna ny manaraka ny torohevitr’ilay ratsy hanandrana ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy hiheverana hahatakatra amin’ny tenantsika samirery izay mety hahasoa sy hahatsara antsika. Izany fahendrena avy amin’Andriamanitra izany no antsoin’ny Boky Ohabolana ho “Hazon’aina” (Oh 3,18) ka hampahatsiahivany antsika izay efa voalazan’ny Boky Deoterônômy dia ny amin’ny safidy tsy maintsy ataon’ny olona manoloana ny fiainana sy ny fahafatesana, manoloana ny fitahiana sy ny ozona (Dt 30, 19): handao ny tsy fahalalàna mba ho velona ka hizotra amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina (Oh 9,6).

Ny fahalalana araka izany no mahavelona ary ambaran’i Joany mazava fa ny fahalalàna an’Andriamanitra no fiainana mandrakizay (Jo 17, 3) ary izay tsy manana ny fahazavan-tsaina dia ireo “nahalala an’Andriamanitra nefa tsy nankalaza azy ho Andriamanitra na nisaotra azy; fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto” (Rm 1,21). Ny tsy fahaizana misaotra an’Andriamanitra sy ny tsy fanomezana voninahitra Azy araka ny tokony ho izy, araka izany no fahadalana lehibe indrindra. Torohevitra no omen’i Md Paoly antsika amin’ny Vakiteny II mba hifampiresaka Salamo aman-tonon-kira masina ary hikalo ao am-po hira fiderana ho voninahitry ny Tompo.

Ny Eokaristia àry araka izany, ny “fisaorana lavorary” dia lalana hahafantarana ny sitra-pon’Andriamanitra ary ambaran’i Kristy mazava fa ny Fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra Ray sy Izy Kristy ilay nirahiny (Jo 17,3). Tsy fahalalana araka ny nofo anefa izany, ka hianina sy hitoky amin’izay mety ho tanjaka sy hakingan-tsaina, ka hifandirana tahaka ny Jody hoe ataon’ilay io ahoana ny fanome ny nofony hohanina (Jo 6,51-59).

Izay miantehitra ihany amin’ny herin’ny tenany sy amin’izay mety ho fahaizana amam-pahalalany dia tsy afaka hisaotra lalandava ny Tompo (Sal 33). Ity salamo fisaorana ity moa dia maneho manokana fa isaky ny litera, dia tokony hahitantsika antony hiderana sy hisaorana an’Andriamanitra. Izay te ho velona ka maniry fiainan-tsambatra, hoy ny salamo dia tokony hihambina ny lelany amin’ny ratsy, hihambina ny molony tsy hamitaka, hifady ny ratsy sy hanao ny tsara ary hikatsaka sy hilofo hahazo ny fiadanana. Mbola manamafy hatrany ny safidy tsy an-tery apetrak’Andriamanitra eo anoloan’ny tsirairay izany.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava ary eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Tsy fisaorana mandehandeha ho azy anefa izany fa araka izay angatahintsika amin’ny vavaka fanombohana hoe soa tsy hita maso no omanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy, ka ny afom-pitiavany irery ihany no afaka manafana ny fontsika hitia Azy amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazo ny soa lavorary nampanantenainy. Mova tsy ilay Fanahy Masina nolazaintsika fa manafana ny Mofo nendasina tamin’ny vato (vakiteny II Alahady faha-19: Eks 19,4-8; Ef 4,30–5,2).

Izany no hiezahantsika mandrakariva hahonon-tena amin’izay mety ho zava-mandalo, tsy himamo divay fa hifeno ny Fanahy Masina, mba ho afaka hiventy sy hifampiresaka salamo aman-tononkira masina. Ambaran’i Md Paoly mazava fa loharanom-pahalotoana ny fimamoana ary izay mahatsapa ny fotoana very, ny fahafaham-baraka amin’ny zavatra tsy tsaroana ary ny vola lany sy ny fahasalamana atao varoboba vokatry ny fimamoana, na izay tsy mandinika akory izany mba hahatsapàna azy, dia misary adala ihany ka antsoin’i Md Paoly mba hanararaotra ny fotoana hikatsaham-pahendrena.

Tsy hohadinointsika fa ny fitiavantsika an’Andriamanitra no hamafisintsika amin’ny Eokaristia Masina satria mahatsiaro mandrakariva isika fa tsy mahavaly fitia toa zaza, ka ny fiainana manontolo no zary fisaorana ho Eokaristia velona, hisantarana sahady ny fiainana mandrakizay miaraka aminy!

Joany 6,53-60

Tsy afaka hisokatra amin’ny hazavan’ny finoana izay tsy maty amin’ny fahaizana sy ny heveriny ho fahendren’ny tenany, hoy i Bède le Vénérable. Izay miraparapa ao anatin’ny haizina no maniry ny hazavana, ka afaka manandrana koa ny fitsanganan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ho amin’ny fiainam-baovao. Andriamanitra mpamindra fo dia tsy mitsahatra mandefa ny “taratry ny famindram-pony” (dikan’ny hoe Anania) mba hitantana antsika ho amin’ny hazavan’ny Finoana, hanesotra izay mety ho sakana tsy hahitantsika ny hatsaran’ny hazan-drano (lanin-kazan-drano), ka hanekentsika hanokana ny fiainana manontolo hanompoana an’i Kristy, tahaka an’i Saoly tamin’ny lalan’i Damasy.

Toa an’i Md Paoly, voasakan’ny lanin-kazandrano ka tsy mahita ilay ICTHYS (ιχθυς = Ἰησοῦς Χριστός, Θεοῦ Υἱός, Σωτήρ », Ièsous Christos, Theou Huios, Sōtèr, Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra), Trondro  izay voatono, vonona ho sakafontsika, kanefa nenjehin’i Paoly tamin-kafanam-po. Dia toa ireo Jody lazain’ny Evanjely fa mimenomenona amin’ny fampianaran’i Jesoa koa isika indraindray: tsy te hiova amin’izay mahazatra, matahotra ny hanome manontolo ity fiainana ity ho fanamby hahazoana ilay tena izy, tsy te-hitsakotsako. Tsy mampiasa ilay φάγω, (φάγομαι – phagô, phagomai = mihinana ho antom-pivelomana) intsony manko i Joany fa τρώγω, (trôgô, mitsakotsako, maka fy), izany hoe mankafy ny fiainan’i Kristy mba hahatonga ny fiainantsika hanahaka ny Azy. Tsy hanina atao telimoka araka izany ny Eokaristia fa hanina mila tsakotsakoina maharitra, ka na eny an-dalana mody tahaka ilay Eonoka avy any Jerosalema aza isika (Asa 8,28snm), dia tokony hisaintsaina izay hevitra fonosin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristia.

Izay tia ny rahalahiny, hoy i Md Joany no miala amin’ny fahafatesana ary miditra amin’ny fiainana (1Jo 3,14). Izay misafidy ny fahendrena sy ny lalam-pahasambarana araka izany dia tsy maintsy nisafidy ny lalan’ny fitiavana, ka hitia tahaka ny hitiavan’i Kristy azy, hitia araka an’i Kristy.

Tsy misy afaka mitia araka an’Andriamanitra raha tsy mandinika, mahalala ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra azy, ary fantatsika fa ao amin’ny fiainana maha olombelona an’i Kristy no nanehoany izany. Izay mihinana Azy dia ho velona ao Aminy. I Jesoa no tonga loharanon’aina, tsy afaka ny ho faly, tsy afaka ny ho sambatra intsony raha tsy misy heviny ny fiainana, ary ny fiainana misy heviny dia ny fiainana nolaniana amin’ny fitiavana, amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fanasoavana ny rahalahy. Ny fankafizana ny nofon’i Kristy, izany hoe ny faniriana ny hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Azy anefa dia tsy vokatry ny ezaka ataontsika fa asan’ny “ra omeny hosotroina”, dia ilay Fanahy Fitiavana nanangana Azy ho velona ka hahazoantsika ny fiainam-baovao (vavaka fangatahana).

Ambaran’i Jesoa fa toy ny hahavelomany ao amin’ny Ray no hahaveloman’izay mandray Azy ao Aminy. Ny fiainan’Andriamanitra araka izany no raisin’izay mandray Kômonio, ka tsy afaka ny ho sambatra izy raha tsy mifanaraka amin’izany fiainam-piombonana sy fitiavana izany ny fiainany. Izany rahateo moa no hevitry ny teny hoe Kômonio: cum-munus, izany hoe fiombonam-pahasoavana sy andraikitra. Aina iray ao amin’ny Ray satria velomin’ny Fanahiny no enti-manatanteraka ny iraka tokana sahanin’ny Eglizy, dia izay nanirahan’ny Ray an’i Jesoa: tahaka ny nanirahin’ny Ray ahy no anirahako anareo koa, hoy Izy (Jo 17, 18; 20,21). Ary mazava ny antony nanirahana an’i Jesoa: mba hamonjy izao tontolo izao (Jo 3, 17), ho sorom-panavotana amin’ny fahotana (1 Jo 4,10) mba  tsy hisy ho very izay rehetra nomena Azy fa hanana ny Fiainana mandrakizay (Jo 3, 15).

Hanampy antsika hizotra amin’ny fahasambaran’ny lanitra anie ny fandraisana kômonio ka handraisantsika anjara amin’ny famonjena ny olombelona rehetra sy hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina (1 Tm 2, 4).

Ry Ray tsara fo indrindra ô, nirahinao tety an-tany ny Zanakao Lahitokana hanolotra ny tenany mba hamindra aminay ny aina. Koa enga anie ny Fanahinao Mpanazava hirotsaka aminay, mba hanala an’izay misakana anay tsy hino, ka hanova anay ho olona noana sy mangetaheta ny fiainanao, ary tsy hahita hasambarana raha tsy ho laniana manontolo ho famonjena izao tontolo izao ny fiainany ho fiombonana Aminao.  Amen.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faha-20 mandavan-taona
PREVIOUS
Sabotsy faha-19 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • BATEMIN’I JESOA – TAONA A
  • Sabotsy manaraka ny Epifania

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata voalohany mandavan-taona 12 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.