Trinitera Malagasy
ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

Njara Pascal
  • Izaia 49,3.5-6
  • Salamo39
  • 1 Kôrintianina 1,1-3
  • Md Joany 1,29-34

I Kristy no Zanak’Andriamanitra velona

Manohy ny famakivakiana ny andavanandrom-piainana isika amin’ny fankalazana ny Paka isan-kerinandro (izay no hevitry ny alahady), amin’ny fandinihana manokana ny halehibeazan’ny Famindram-pon’Andriamanitra izay miantso antsika ho amin’ny fibebahana lalandava.

Miombom-po sy fanahy amin’ny Eglizy ao amin’ny  Eveka, mpiandry ny vahoakan’Andriamanitra ny Kristianina ka sady velom-pisaorana no mitalaho manokana ho azy sy ny Papa, mpitarika ny Eveka ao amin’ny fitiavana, araka ny nolazain’i Md Irénée, mba ho loharanom-pahasoavana tovozin-tsy ritra ho an’ny Fiangonana manontolo ny fanomezam-pahasoavana arotsaky ny Fanahy Masina amin’ny hafenoan’ny Sakramentan’ny Filaharana noraisiny tamin’ny fanamasinana sy fametrahana azy ho Eveka hitantana ny Diosezy iray.

Amin’ity alahady faharoa ity no hamakiana ny herinandro araka ny fitantaran’i Md Joany (Jo 1,19 – 2,12) izay zaraina amin’ny taona litorjika telo. 

Amin’ny taona fahatelo (taona D) dia ny Fampakaram-bady tao Kanà no vakiana (Jo 2,1-12). Evanjely tsy zoviana amintsika loatra, hay tsianjery aza, ary lazaintsika hoe ny Epifania fahatelo, nankalazaina ny alahady, ny voaloham-pamantarana nataon’i Jesoa, naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra (Epifania) hoy i Md Paoly (Vakiteny II alahady Epifania Tt 2,11-14; 3,4-7) dia mba hanokanany vahoaka ho Azy, vonona hanompo Azy amin’ny asam-pahamarinana sy fitiavana. Raha ny fifandraisan’Andriamanitra amintsika no lazaina ho fampakaram-bady, ny divay lazaina fa lany araka izany dia ny fitiavantsika Azy izay efa matimaty, ny hafaliana amin’ny fanompoana Azy izay tsizarizary; ny sinivato fidiovana tsy misy rano intsony satria tsy noheverin’ny olona ho ilaina intsony ny fanarahana ny lalàna.

Ambaran’i Md Joany anefa fa naneho ny voninahiny i Jesoa ka nino azy ny mpianany. Tsy tahaka ny filazan’ny Evanjelista hafa anefa, amin’ny ninoan’ny vahoaka Azy fa voafetra amin’ny mpianatra ihany.Tsy ho didy na tahotra àry sanatria no hivondronantsika isan’alahady, fa hafaliana te hihaona amin’ilay Mpampiakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampakarana. I Kristy no mpampakatra miantso ny Egliziny, ho vady ampakarina, efa nahafoizany ny aina sy nohamasininy mba hiantso ny anarany sy ho vavolombelon’ny fitiavany. Ny safidim-piainana no mety samihafa fa ny fanamasinantsika ny tenantsika no lalana tokana hahafahana mamaly izany fiantsoana izany.

Raha jerena ireo vakiteny aroson’ny Eglizy anio dia manampy antsika amin’izany safidy izany, manoloana ny famaliana ny antso (vocation) ataon’Andriamanitra amintsika.

Ao amin’ny vakiteny I dia henontsika ny fiantsoana an’i Israely, izay nataon’ny Tompo ho rehareha satria hatsangany ho fahazavan’ny firenena mba hiitaran’ny Famonjeny hatramin’ny faravazantany. Raha dinihina tsara anefa, dia miatomboka ao aminy ihany ny andraikitra voalohany iantsoana ilay Mpanompo: hampody an’i Jakôba amin’ny Tompo ary mba ho tafakambana aminy indray Israely, ary heveriko fa tsy hafa noho izany ny andraikitra takian’Andriamanitra amintsika Fiangonana, Israely vaovao, antsoiny mba hahatsapa ny fitiavany, ka ny fahafahantsika miaina ho olom-boavonjy, ny fitokisantsika amin’ny fitiavany no hahafahantsika mijoro avy eo ho vavolombelon’izany fitiavan’Andriamanitra izany. Reharehan’Andriamanitra isika raha tonga fitaovana hitaran’ny famonjeny hatramin’ny faran’ny tany. Mitaky andraikitra goavana ho an’izay milaza fa mino an’Andriamanitra izany, satria izay rehetra atao, na ho an’ny fiangonana na ivelan’ny fiangonana, dia tokony (ary tsy maintsy ho izay) ho fanehoana ny endrik’Ilay Andriamanitra inoana. Tsy ho sanatria ny ataontsika na ny fomba fiainantsika mpino no hanakatona ny varavaran’ny finoana ho an’ny olona tafintohina hono ny fahitàna izany.

Anisan’ny fomba fanao entina hifandraisana amin’Andriamanitra ny fanolorana sorona. Ny teny hoe Sacrifice (sacrum facere) moa azo adika ara-bakiteny hoe manao zava-masina, izany hoe miezaka mba hifandray amin’ny Masina, hibanjinana ny endriny sy hakàna tahaka Azy. Ambaran’ny Salamo 39, setriny ireo dingana mbola miandry ny mpino amin’ny fomba fifandraisana amin’ny Andriamanitr’Israely: tsy sitrany ny sorona dorana sy fanonerana. Raha vavaka atao mandritra ny fanolorana sorona ao an-tempoly no tena nampiasana ny salamo dia mazava loatra fa hafahafa ihany ny hahazoana izany tonom-bavaka izany. Saingy mazava ny valin-teny omen’ny salamo ho an’izay manaiky hosokafana ny sofiny ka handre: izay mankamamy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy mizotra araka ny Lalàny no afaka hitory ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fiangonana ary tsy ho sasatra amin’izany.

Raha tsy manampy antsika hampifanaraka ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra ka hahatonga antsika ho mpitory ny Evanjeliny ny fanolorana sorona, ny famonjena Lamesa, dia misy zavatra tsy milamina ao. Tsy mora anefa izany hoe miandry ny Tompo ka miandry izany, kanefa izay mahalala Azy dia hanantena ilay andro hisokafan’ny vava ho amin’ny hira vao, ataon’ny Tompo eo am-bava ho fideràna Azy.

Ny fiantombohan’ny Taratasy ho an’ny Kôrintianina dia manomana sahady ny fampianaran’i Md Paoly izay hanampy antsika amin’ireto alahady manaraka ireto sao sanatria ho tafiditra ao amin’ny fomba fankalazantsika ny Sorona Masina koa ny fomba fisainana feno fahalovana hita eo amin’ny fiaraha-monina, ka sanatria “hanao kômonio”, hankalazana ny fiombonana, kanefa ny sasany maty noana moa ny sasany mamon-divay. Mahamenatra raha izany no mitranga eo anivon’ny Eglizy.

Mialoha ny hilazana izay tokony hahamenatra anefa, dia henontsika teo ny halalina sy ny halehibeazan’ny fahamboniana maha kristianina antsika, amin’ny maha Eglizy, miombona satria nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy ka samy miantso ny Anarany na aiza na aiza misy antsika. Eglizy, izany hoe “voaantso”, antsoina mba ho iray, antsoina ho masina, antsoina mba ho iraka, antsoina mba hitondra ny famonjena manerana ny vazan-tany. Ary ny tso-drano rehetra azontsika hifampirariana soa, indrindra amin’izao fiantombohan’ny taona izao dia izay lazain’i Paoly ho an’ny Kôrintianina: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Avy amin’Andriamanitra ny fahasoavana sy ny fiadanana. Avy Aminy no hahafahantsika mihanoka ny fahasambarana, satria i Jesoa Kristy Zanany no ilay Zanak’Ondry soloheloka, nentina nisantarana ny fankalazana ny lalam-pahasambarana mitondra ho amin’ny tena fahafahana marina.

Ny Evanjely dia sombiny amin’ny fitantarana ny fihaonan’i Jesoa amin’ireo mpianatra voalohany. Araka ny fitantaran’i Joany dia tsy any amin’ny sisin’ny Ranomasin’i Galilea fa eny amoron’ny onin’i Jordany no nifanenan’ireo mpianatra voalohany tamin’ilay Mpampianatra. Mpianatr’i Joany Batista moa izy ireo. Efa nanana ny fiainany ary efa babon’ny fampianaran’i Joany, saingy nahafoy izay tsara mba ho amin’ny tsaratsara kokoa.

I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala (αἴρω – airô, mitondra, mivesatra) ny fahotan’izao tontolo izao, hoy i Joany mahita an’i Jesoa mandalo. Zanak’ondry tsy manantsiny fa nanaiky hovonoina toy izay hanao herisetra (Iz 53,7), fa zanak’ondrin’ny Paka ihany koa, manambara ny fanafahana an’i Israely amin’ny fanandevozana tany Ejipta (jereo .Jo 19,14.33.36// Eks 12,1-14; 1Kôr 5,7; 1P 1,19). Izy no manesotra ny fahotana, sakana tokana tsy hahafahan’ny olona miditra amin’ny hasambarana atolotr’Andriamanitra azy. Tsy herisetra fa fandeferana, tsy famaliana ny ratsy amin’ny ratsy no hahafahana mandresy ny ratsy. Izy no hivesatra ny fahotan’ny maro ary hitalaho ho an’ny mpanota (Iz 53,7.12) ka izay rehetra manaraka Azy dia irahiny koa ho “toy ny zanak’ondry eo am-povoan’ny amboadia” (Mt 10,16).

Izany teny izany no averimberina mialoha ny handraisana kômonio, ka hahafahantsika mahatsiaro fa tsy mendrika ny handray Azy isika, saingy antsoiny kosa tsy hilomano ao anatin’ny haizina sy ny fanandevozan’ny fahotana fa hihavao mandrakariva ao amin’ny hazavany. Mampalahelo ny mieritreritra indraindray ny fiheveran’ny sasany fa valisoan’ny fahamendreham-piainana ny Kômonio. Tsara hotadidiana ny Katesizin’i Md Jean Marie Vianney, Curé tany Ars hoe : rehefa handeha handray kômonio ianao dia mahatsiaro fa tsy mendrika, ary tena tsy mendrika tokoa ; saingy manatòna am-pinoana satria miandry anao ny Tompo, maniry ny ho raisinao izy, tsy hoe sanatria noho ianao mendrika, fa satria mila Azy ianao. Ary hoy i Jesoa hoe : raha tsy misy Ahy dia tsy mahefa na inona na inona ianareo (Jo 15,5).

ἴδε– ide, “indro”: miantso ny mpianany mba hijery. Ambaran’i Joany antsika i Jesoa mba harahina. “Izaho tsy mahalala Azy, hoy izy, fa mba hampiseho Azy amin’i Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Ny fiantsoana an’i Joany moa, araka ny Tononkiran-drainy dia ny ho “mpaminanin’ny Avo Indrindra fa hialoha ny Tompo hanamboatra ny lalany, mba hanome fahalalam-pamonjena ny vahoaka amin’ny famelàna ny fahotany” (Lk 1,76-77). Miantso ny olona amin’ny fibebahana mba hahahafahany manandrana ny famindram-pon’Andriamanitra, ka hahitany fa Andriamanitra no Mpamonjy (Jesoa). Hampisehoana an’i Jesoa amin’Israely no nanaovan’i Batemy tamin’ny rano (batemim-pibebahana) ary izay manaiky hampiseho Azy, izay manaiky ny fiantsoan’Andriamanitra azy, tahaka an’i Joany (ary porofom-pitiavana izany), no afaka hahalala an’i Jesoa.

Tsy nahalala Azy aho, hoy i Joany. Tsy hoe lavorary akory ny fahalalan’izay manaiky ho iraka hanambara an’i Jesoa. Tahaka ireo hamasinina ho mpitory ny Evanjely, dia miezaka ny hino isan’andro ny Tenin’Andriamanitra vakiana ao amin’ny Eglizy, avy eo mikely aina amin’ny fitoriana izay inoana ary miezaka isan’andro miaina izay toriana. Eo am-panatanterahana ny iraka araka izany no hahalalana bebe kokoa an’i Jesoa ka hitiavana Azy sy iombonam-piainana bebe kokoa Aminy. Izay maniry ny fiainam-baovao, maniry ny fahafahana marina ihany no afaka hanatona hatao batemim-pibebahana ka haheno ilay feo manambara ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao.

Eto amin’ny andininy faha-29 novakiana androany dia  βλέπω (blepô) ny teny ampiasain’i Md Joany ary ny andro manaraka kosa, vakiana amin’ny taona B (andininy 36) dia ἐμβλέπω (emblepô) no ampiasainy, izany hoe tsy mijery fe mijery fa mandinika hatrany anatiny, miezaka manakatra izay eritreretin’i Jesoa.  Izay manana traikefa manokana ka mahafantatra an’i Jesoa sy izay irin’ny fony, no afaka hanoro Azy ny hafa mba hanarahan’izy ireo dìa Azy. I Jesoa no ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Tsy afaka ny ho tonga mpianany izay mitady mpampianatra mahery toy ny liona na mpadravarava toy ny amboadia. Tsy mbola vonton’ny fampianaran’i Jesoa ary tsy afaka hitarika olona hahara-dia azy izay tsy miditra amin’ny “logique”-n’ny Zanak’Ondry, manaiky (bonaika) eo anatrehan’ny mpanety azy (Iz 53,7.12).

I Joany dia nanao batemy tamin’ny rano, nampahatsiaro ny vahoaka ny fahafahana avy any Ejipta, miverina indray mipita avy any an-dafin’i Jordany ho any amin’ny tany nampanatenaina, fa i Kristy kosa, nidinan’ny Fanahy Masina, miendrika voromahailala, izany hoe, tsy hifindrafindra trano intsony fa honina ao mandrakizay, dia manao batemy antsika amin’ny Fanahy Masina, ilay Fanahy nomeny antsika teo ambony hazofijaliana (Jo 19,30), ilay Fanahy nomeny  ny Apôstôly ny Marainan’ny Paka mba hamelan’izy ireo ny fahotana, ilay Fanahy manenika ny Fiangonana ny Andro Pantekôty ka maniraka azy ho Apostolin’ny Fiadanana.

I Jesoa no hany Zanak’Andriamanitra ary manome ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra koa an’izay rehetra manaiky handray ka hotarihin’ny Fanahy Masina.

Hitantsika tamin’ny vakiteny I (Iz 49,3.5-6) fa voaantso Israely, mpanompon’i YHWH nantsoiny mba hampody ireo sisa voatahiry ao aminy ihany, ary izany no hahatonga azy ho fahazavan’ny firenena. Ny fiezahantsika manitsy ny fiainana ho taratry ny fandresen’i Kristy, ny fahafahantsika mijoro ho vavolombelona, hiova fo sy hihavao, na amin’ny ezaka ataon’ny tsirairay izany, na amin’ny ezaka iaraha-manao, amin’ny maha Eglizy, no hahafahantsika mijoro ho fahazavana ka hitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faravazantany. Tsy fanolorana sorona dorana sy fanatitra izany, fa ny fampifanarahana ny fiainana araka ny sitrak’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Salamo 39 setriny.

Angatahontsika Andriamanitra Ray mba hampitombo ny faniriantsika ny hahalala ny tena toetrantsika, amin’ny maha zanany antsika, amin’ny faniriantsika mba hahalala Azy bebe kokoa ka hanahaka Azy, hampifanaraka ny fomba fiainana amin’ny fahamarinana, ka hanesorantsika izay mety tsy mbola mifanaraka amin’ny hadiovan’Izy Andriamanitra.

Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra. Hioitra hiady amin’ny fahotana anie isika, handio ny fontsika mba hibanjinantsika ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy ka hihobiantsika sy hankalazantsika ny Anarany, mampahatsiaro an’Andriamanitra Vonjin’ny olombelona rehetra.

Tsaroana manokana ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firaisam-pinoana. Miova isan-taona moa ny lohahevitra hanentanana amin’izany.

Lohahevitry ny taona 2023 manontolo ohatra ny hoe “mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena” (Iz 1,17). Atoron’i Izaia antsika fa lalana hanorenana ny firaisam-po sy ny fiadanana ka hahafahana mandresy ny ratsy fototry ny tsy fahasambarana sy ny fisaraham-bazana ny fianarana manao ny tsara.

Tamin’ny taona 2026 dia ny Efeziana 4,1-13 no lohahevitra iraisana fa ny andininy faha-4 no namintinana azy: “Vatana iray sy Fanahy iray, tahaka ny maha-iray ihany koa any fanantenanana niantsoana anareo”. Ny fiombonana ao amin’ny fahasamihafana sy ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana hikatsahana ny soa iombonana no manampy antsika ho amin’ny tena firaisam-pinoana marina.

Mamintina ny ezaka rehetra atao mandritra ity herinandro hivavahana ho an’ny firaisan’ny Mpino ity io andalan-tSoratra Masina io. Antson’Andriamanitra ary hita taratra eo amin’ny fiainan’izay mamaly ny antsony ny fitandrovana ny fihavanana. Ohatra amin’izany ny nataon’i Abrahama niangavy an’i Lôta hanaja ny sitrapon’Andriamanitra izay maniry ny hanjakan’ny fiadanana sy ny firindrana eo amin’ny fiaraha-monina. Hoy indrindra izy: “Aoka re tsy hisy fifandirana amiko sy aminao, amin’ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao fa mpirahalahy isika” (Jen 13,8). “Endrey, tsara sady mamy ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina”, hoy ny Salamo 133, 1.

“Misy zavatra enina halan’ny Tompo, ary misy fahafito tena mahatsiravina Azy, hoy ny Ohabolana, ny maso miavonavona sy ny lela mandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina izay mampiely lainga ary ny mpampiady ny samy mpirahalahy” (Ohab 6, 16-18). Ireo zavatra fito ireo no manimba ny firaisan’ny mpino, ary raha azontsika tsara izany dia hoe ny mpampiady olona no tena mahatsiravina an’Andriamanitra indrindra.

Tsy hilaozan’izay ho fahadisoana anefa ny fiaraha-monina ka ny Ohabolana ihany no mampianatra antsika fa “izay vavolombelona tsy marina tsy ho afa-maina ary izay mampiely lainga ho very” (Ohab 19,9) ary izay mamaly ny antson’Andriamanitra ho mpamindra fo tahaka Azy kosa dia hahay handefitra ary “ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy atao aminy” (Ohab 19, 11).

Amin’ny maha-vatana iray manana an’i Kristy ho Loha sy Filoha tokana ny Eglizy no iombonany ho tena iray, na dia samihafa aza ny ratsam-batana rehetra sy ny asany. Fanahy Masina iray ihany koa no mamelona azy sy manohana azy amin’ny asa tokana nankinin’i Kristy aminy sy hiantsoana azy, dia ny hitory ny Evanjely, hitory amin’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra  (1Jo4, 16) ary ny hahavonjy an’izao tontolo izao no sitraky ny fony (1 Tim 2, 4) ary izany famonjena sy fiainana mandrakizay izany no fanantenana tokana mamelona sy misarika ny kristianina hamaly ny antso ho amin’ny  fahalavorariana.

Hoy ny Mpitoriteny: Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao aty ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy (Kôh 4,1).

Ny fikatsahana ny rariny dia miainga amin’ny fahatsapana ny tsy rariny mangeja sy mampijaly ny fiaraha-monina aloha, hahitana ka hamongorana izay mampitondra fahoriana na ho an’ny tena na ho an’ny hafa, ka hiezahana hanajàna ny olona rehetra tsy fidian-tsy havahana, fanajàna sy fandraisana azy amin’ny maha izy azy, ka handresena ny tarazon’ny halako bika tsy tiako tarehy noho ny firazanana sy ny volon-koditra na noho ny fahaverezan’ny tombontsoa manokana.

Entintsika am-bavaka ny firenentsika satria fanararaotana hiaraha-mivavaka ho azy koa ity herinandro ity ary ivavahantsika manokana mba ho fiombonana tsy hanaovan’ny olona tondro-molotra antsika ny maha-kristianina, indrindra amin’ny fandraisana andraikitra hijoroana ho vavolombelon’ny marina ka handraisana anjara amin’ny famongorana ny fahalovana sy ny fitiavan-tena mambotry ny firenentsika, hivavaka  isika mba ho ny soa iombonanna iadanan’ny ambanilanitra no katsahin’ny mpitondra sy ny vahoaka miaraka.

Hahay handray ny hafa anie isika, ary ho samy vonona handray ny finoana ho toy ny fanomezan’Andriamanitra ka hiray fo hijoro ho vavolombelon’izany eo anatrehan’ny tsy mpino, ka hahataona ny olona rehetra amin’ny finoana marina.

Amin’ity herinandro ity koa no hiomanantsika amin’ny alahadin’ny Tenin’Andriamanitra. Ankoatra ireo hetsika izay ataon’ny isam-piangonana any dia iezahantsika ny hahatsiaro ny hafatry ny Papa François hoe : atokana mba hankalazana, handinihana ary hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. Ny fifanandrifian’izany fankalazana izany amin’ny famaranana ity herinandro natokana hivavahana ho an’ny firaisan’ny kristianina ity, araka ny fanentanan’ny Papa, dia mampahatsiaro antsika fa ny Soratra Masina dia manampy an’izay mihaino azy marina tokoa mba hanorina firaisam-pinoana marina sy maharitra. Ny Tenin’Andriamanitra no mampiray ny Mpino ary mahatonga azy ho vahoaka tokana. Tsy hoe fankalazana indray maka isan-taona anefa no atao anio, hoy ny Papa, fa fankalazana indray mandeha kosa haharitra mandritra ny Taona manontolo, hahatonga ny fiainantsika ho fandraisana sy finoana ny Teny, toy ny nataon’i Masina Maria. Tsy misy mahantra sambatra noho ny fahantrany, fa kosa sambatra noho ny finoany ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra.

Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, tianao ny hahavonjy anay olombelona, ka ny Zanakao Lahitokana no nirahinao ho eto amin’izao tontolo izao. Ary miray fanahy Aminao izy Zanakao te-hanavotra anay, ka nanolo-tena ho Zanak’ondry manala ny fahotan’izao tontolo izao. Koa enga anie izahay koa hanaiky hotarihin’ny Fanahinao, ka hazoto hahafoy tena hamonjy ny namanay, ary ho vonona hiaraka amin’i Jesoa Mpamonjy, ho tena iray hiombona Aminy Loha sy Filohanay, na amin’ny fahafatesana na amin’ny fiainana (Vavaka fangatahana 2A). Amen.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alatsinainy faharoa mandavan-taona
PREVIOUS
Sabotsy voalohany mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.