Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-efatra mandavantaona

Sabotsy faha-efatra mandavantaona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa  Hebrio 13, 15-21/ Salamo 22/
  • Ankasa 1 Mpanjaka 3, 4-13/Salamo 118/
  • Md Marka 6, 30-34

Niverina ny Apostoly ka nitantara taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Amin’ny maha-iraka dia tsy ny hahafaly ny tena no himasoana fa ny hanao araka ny baiko azo. Mampalahelo rehefa manoloana ny lehibem-pikambanana na manoloana ny pretra na ny eveka no hitantarana ny zava-bita ka tsy i Jesoa intsony sy ny iraka ampanaoviny no hivondronana fa ny hahafalifaly sy ny hahazoana dera, filàna 19 hoy ny filaza. Firifiry ny faharavana aterak’izany eo anivon’ny Fiangonana. 

Tsy vao voalohany no nolazain’i Md Marka fa tsy nisy fotoana hihinanan-kanina ny fikarakarana ny vahoaka ary izany aza no nahatonga ny havany saika haka Azy, satria noheverin’izy ireo ho lasa adala Izy (Mk 3, 20). Antsoin’i Jesoa “hitokana any amin’ny tany efitra (desert eremos)” anefa ireo mpianatra mba hiala sasatra. Ny antony dia mazàva: raha tsy mahay mitsahatra amin’ny fiasana be loatra ireo mpianatra dia ho moramora ny hianjerana ao anatin’ny tevan’ny “activisme” ka tsy ny fanitarana ny voninahitr’Andriamanitra intsony no himasoana fa ny voninahitry ny tena na izay mety ho voninahitry fikambanana, ny paroasy, ny diosezy, ka tsikelikely dia ho very ny fitokisana amin’Andriamanitra, adino ny hafatry ny Mpaniraka mba tsy hitondra afa-tsy “tehana”, manambara ny herin’Andriamanitra naniraka. Mora foana ny mivarina amin’ny fitokisan-tena ka hitady hevitra araka ny olombelona fa tsy araka an’Andriamanitra mba hoenti-manao zavatra hisehosehoana sy hahombiazana. 

Na inona na inona atao, raha tiana ny hahomby araka an’Andriamanitra (izay mazàna miafara amin’ny martiry fa tsy amin’ny fahombiazana) dia tokony handany fotoana “hitantarana” sy “hifandinihana” amin’i Jesoa mba hifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olombelona ny fanampahan-kevitra raisina. Marina fa vavaka ny fiainana ary ny fikarakarana ny mahantra, ny fanaovana asa sosialy sns dia fitaovana enti-manitatra ny fanjakan’Andriamanitra, saingy raha tsy mahafoy fotoana hijanonana samirery miaraka amin’Izy Tompo isika, dia sarotra ny hahazoana hery sy faharanitan-tsaina tsy hikatsahana ny tombontsoan’ny olona fa ny voninahitr’Andriamanitra. 

Tsy fitsoahana adidy anefa fa fanovozana hery ny fihatahana masina sy ny vavaka. Ireo Apostoly nihevitra ny hiala sasatra dia tao an-tsambokely niaraka tamin’i Jesoa ihany no fotoana azon’izy ireo, satria vantany vao nihantsona ny sambokely dia efa niandry azy ireo ny vahoaka. Toa ny Mpampianatra koa, ny mpianatra dia voaantso hanana fo mangoraka (σπλαγχνίζομαι splagknizomai; splagknon=rahamim; cf Mk 1, 40-41): hahita ny vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy ka hangoraka azy ireo. 

Tahaka an’ireo nantsoin’Andriamanitra hamahana ny ondriny (cf Ezekiela 34,23; 37,24; Moizy ao amin’ny Fanisana 27, 15-17…), i Jesoa sy izay te ho mpianany dia voaantso hitari-dalana ny vahoaka ho amin’ny vilo-maitso (Salamo 22). Tsy mpitango ronono na mpitafy volonondry no hiantsoana ny mpiandry (Ezekiela 34, 1-11ss). Mampalahelo ny maheno ny fitakiana ny adidy amin’ny kristianina kanefa ny Fiangonana indraindray tsy mandini-tena akory raha nahavita na tsia ny adidy tokony natao amin’izy ireny: fampianarana ny tenin’Andriamanitra sy ny finoana, fanalàna hetaheta sy hanoanana ny vahoaka. 

Hitako matetika ary lazain’ny olona koa indraindray ka mila andinihan’izay mihevitra hamaly ny antso amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa (tsy resaka pretra sy lahika manko izany fa fiainana amin’ny maha-kristianina) ny tsy fahazakana intsony ny resa-bola eo anivon’ny Fiangonana. Sarotra tokoa manko raha ny vahoaka mikarama 4000 ariary isan’andro no takiana adidy (inona moa no vitan’izay raha manana vady aman-janaka!) kanefa ny mpitondra sy ny mpitantana sasany manam-bola hodorana amin’ny toaka sy ny sigara, amin’ny hafinaretana izay tsy mifanaraka akory amin’ny fitondran-tena kristianina aza indraindray! 

Ny tsirairay no mandinika amin’izay tokony ho vitany mba ho fampianarana zavatra betsaka hitondra ny olona amin’ny fahavelomana no handaniana mondron-kery fa tsy sanatria ady amin’ny mpiandry na ny ondry andrasana tsy nahavita ny adidiny. 

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-5 mandavantaona Taona A
PREVIOUS
Zoma faha-efatra mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia III Paka
  • Talata III Paka
  • Alatsinainy III fankalazana ny Paka
  • Alarobia II Paka
  • Talata II Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia III Paka 6 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.