Trinitera Malagasy
28 desambra: Ireo Zaza tsy manantsiny Martiry

28 desambra: Ireo Zaza tsy manantsiny Martiry

Njara Pascal Comments 0 Comment

1 Joany 1,5-2,2 / Sal 123 / Md Matio 2, 14-18

Inona ny antony hikonfesena ny fahotana? Mba tsy hamitahan-tena hievitra ho marina ka hanadino fa mila mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindrm-pony. Tsy hanohizana hanotana anefa izany fa mba hahafahana mizotra amin’ny fahazavan’Andriamanitra, ka hiezahana isanandro isanandro hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Hazavana entin’ny Teniny tonga nofo, ary te ho tonga fiainana ao amintsika. 

Ny fety anio dia hahatsiarovana ireo zaza tsy manantsiny voavony noho ny fitiavam-boninahitr’i Herôda. Avelantsika ho an’ny mpahay tantara ny fiheverana na nisy tokoa ara-tantara na tsia ny fandringanana ireo tsy manantsiny tamin’ny androny. Joany Batista koa aloha dia avotra tamin’izay. Ankoatra ny Evanjely manko, ny hany fantatra ary voasoratra dia hoe nahavita namono ny zanany roalahy i Erôda satria ireo no tokony handimby azy araka ny lalàna manankery, midika izany fa tsy hampaninona azy akory ny hamono ny zanaky ny hafa. TsyHerôda irery anefa no ampangain’i Matio amin’ny Evanjeliny fa izay rehetra mihevitra ny hanjakazaka, manapa-pahefana ka mandringana ny tsy manantsiny. 

Raha tantaran’ireo zaza novonoin’i Herôda manko no lazaina hoe Evanjely dia sadasada ihany. Mampalahelo izany fa tsy mahafaly, ary ny loza dia mety ho lasa tantara fa tsy Evanjely, ka hevrintsika fa mahakasika ny zazakely roarivo taona lasa fa tsy mahakasika ny fiainantsika anio izao.

Voalazan’i Matio fa rehefa lalan-kafa no niverenan’ny Majy nody: tsy ny lalana mitondra mankany amin’ilay mitady an’i Jesoa nefa tsy fantany akory fa tiany hovonoina (i Herôda), fa ny lalan’izay nahita ka nahafantatra ary nitsaoka sy nanolotra ny aminy manontolo ho an’Andriamanitra. Anachorète (ἀναχωρέω anachoreo) no ampiasain’i Matio hilazana ny fiverenan’izy ireo mody any aminy, satria na aiza na aiza misy azy, tsy mampaninona intsony satria miara-monina aminy mandrakizay Andriamanitra. 

Mbola io matoanteny io koa no ampiasainy hilazana ny fandosiran’i Josefa tany Ejipta sy ny fiverenana tany Nazareta ary tsara ho marihina ny fomba hilazany ny Zazakely sy ny Reniny. Maria, Israely, ny Eglizy dia tsy loha tsy filoha ary tsy ivon’ny fitantarana, i Jesoa no loha sy filoha, ary i Josefa kosa no endriky ny mpino manaiky hiara-miasa amin’Andriamanitra mba ho famonjena ny Zazakely sy ny reniny, tsy manaiky am-bava fa amin’ny fahavononana hifomba mbola alina, tsy hiandry ny mazava akory mba hitolomana [tahaka an’i Jakoba nanaiky hanavotra ny vady aman-janaka na nitokana irery nandritra ny alina, nitolona niady ka tonga Israely, ilay mpiadin’Andriamanitra (Jenezy 32,25ss)], ka nandositra tany Ejipta. 

Firifiry ny zaza tsy manantsiny, ny olo-marina vonoina noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra, na noho ny tahotra ny haizina ka tsy hitoloman’ireo antsoin’Andriamanitra hanampy (יָסַף yacaph à Jozefa) azy hanavotra ny Zazakely sy ny Reniny, ka mety hiandrasana ny andro mazava, ny kajukajy efa milamina. Tsy hodiantsika tsy hita ny fanalan-jaza noho ny henatra heverina fa hanala baraka ny tena sy ny fianakaviana; firifiry ny fialonana sy ny fanendrikendrehana mba hiampangana izay mety hisalovana ny hasambarana sy ny voninahitry ny tena; tsy ireo tsy manan-tsiny ihany anefa no mitondra ny vokany fa ny fianakaviany koa, i Rasely (רָחֵל rachel), ireo zanak’ondry bonaika “hitomany ny zanany ka tsy azo am piononina, fa tsy eo intsony ireny”. Ary izay akanga sisa nanamborana voasesitany! 

Ilay zaza vao teraka, ankalazaintsika amin’izao noely izao dia nifampizara izany adim-piainana izany tamintsika. Niaina ny fiainan’ny olombelona rehetra, ary nizaka ny vokatry ny fahotan’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra ka manampa-pahefana manjakazaka. Ao anatintsika ao dia misy Herôda kely ihany koa, mitady izay hitomboana sy haharetan’ny fahefany mandrakizay, ka raha tsy avelantsika hazavain’ilay Teny Tonga nofo izany aloky ny fahafatesana iznay dia hitady izay fomba hamonoana olona tsy manantsiny ihany koa. 

Nahoana ary no ankalazaina ny fahafatesan’ny zaza izay tokony hitomaniana satria i Rasely reniny aza tsy azo nampiononina satria tsy eo instony ireny? Nahoana no ankalazaintsika ny fahafatesan’ny tsy manantsiny ary antsointsika hoe Evanjely, Vaovao Mahafaly? Satria i Kristy dia mitolona miaraka amin’ireo mihoitra hanafoana ny tsy rariny sy ny tsindriazolena, tonga hiray petsapetsa amin’ireo mijaly sy vesaram-pahoriana, ka ao amin’ny fandreseny no handresentsika rehetra miaraka aminy. Tsy ny isan’ny andro hiainantsika no inona na ny fitanisana ny asa na dia soa mba vitantsika fa ny fiombonantsika amin’i Kristy, handray ny fahasoavany ka hahazo ny satro-boninahitra enim-pahasoavana (vavaka aorian’ny Komonio).

Ny Evanjely dia mamintina ny fiainan’ny vahoakan’Israely, toy ny amintinany ny tantaran’ny fianakaviana tsirairay, fa raha ny marina ny fiainan’ny olomarina rehetra no tiany hokasihana. Ny vahoaka sesitany tany Ejipta, ny Faminanian’i Jeremia (Jer 31, 15) momba an’i Rasely mitomany ny zanany tao Ramà, ireo izay voatery mitsoa-ponenana any Galilea toa an-dry Zosefa, dia entin’i Md Matio milaza fa tsy resaky ny omaly sy ny lasa efa nivalona ny fandringanana sy ny herisetra fa tantara mitohy, hiantsoan’Andriamanitra antsika ao amin’ny zanany mba ho vavolombelon’ny fitiavany. Izay mandray an’i Kristy eo amin’ny fiainany anefa dia lasa anakorety, faly lalandava na aiza na aiza toerana hitondran’ny “nofy” sy ny “kintana” azy. Samy fitaovan’ny torimaso sy ny alina ireo, saingy ny hazavan’i Kristy, amby ampy hanazava azy. 

Mety halahelo ny zaza tsy manantsiny isika, saingy tantara mahakasika antsika  tamin’ny taonjato laza iny ny Shoah (holocauste), ivelomantsika isan’andro ny fanalan-jaza, ny famonoana ny olona manembatsembana ny voninahitra sy ny harena. Firifiry ny mbola mitsoa-ponenana amin’izao fotoana izao noho ny toeran-tsy zaka ataon’ireo Herôda vaovao! Tsy mahagaga araka izany ny nolazain’ny Anjely tamin’i Josefa fa tsy Herôda irery no maty fa “ireo (οἱ) izay nitady hamono ny zaza” . Vaovao mahafaly izay. Tsy ny mpanota no nofongoran’Andriamanitra fa ny fahotana mbamin’ny ratsy sy ny fahafatesana, hamongotra ireny no iantsoany izay Nazareanina, voatokana ho azy.  

Tsy hisy fiadanana anefa raha mbola samy hitady ny tombontsoany sy ny voninahiny ny tsirairay. Ao amin’ny Fianakaviana, ao amin’ny ankohonam-piainana no sekoly hianarana mikatsaka ny tombontsoa sy ny voninahitra iombonana: ny soa ho an’ny Zazakely, ho an’i Kristy anefa no tokony ho laharam-pahamehan’ny rehetra, araka ny voalazantsika teny ambony.

Mbola manohy ny fijaliany ao amin’ireo tsy manantsiny voavono, voasesi-tany, mangetaheta, noana, tsy mitafy, mpivahiny, marary sy voafonja i Kristy. Ny fankalazana ny Noely anie hanokatra ny masontsika hahita an’i Kristy miantso vonjy amintsika isanandro, tsy amin’ny hafetsen’ny mitady tany malemy hanorenam-pangady fa amin’ireo mahantra, manantena fa naniraka ny zanany (isika) Andriamanitra ho famonjena azy ireo. Aza miandry ny maraina mba hamonjena ny hafa, sao efa tara loatra. 

Toriteny
innocents, Noely

Post navigation

NEXT
NY FIANAKAVIANA MASINA TAONA A
PREVIOUS
27 desambra: Md Joany (יוֹחָנָן YoHanan)

Laisser un commentaire Annuler la réponse

Vous devez vous connecter pour publier un commentaire.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.