Trinitera Malagasy
24 desambra

24 desambra

Njara Pascal
  • 2 Samoela 7,1-5.8b-11.16
  •  Salamo 88b
  •  Md Lioka 1,67-79

Hohiraiko mandrakizay ny hatsaram-pon’ny Tompo, ambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao. Isaorana Izy fa mamangy sy manavotra ny olona. Izany no ataony dia ny mba hanompoantsika Azy tsy amin-tahotra, amim-pahamasinana sy amim-pahamarinana.

Ray o, nohavaozin’izao fanomezanao mahagaga izao izahay, ka enga anie ho tahaka ny hiomananany hankalaza ny nahaterahan’ny Zanakao mendrika hotsaohina no hahafaly anay hahazo ny soa mandrakizay avy aminy. Ambaran’ny vavaka aorian’ny Komonio fa miankina amin’ny fiomanana ny halalin’ny hafaliana. I Joany Batista no tonga hanomana ny fiavian’ny Mesia, izy no ilay Elia ho avy, hanambara amin’ny olona ny tena famonjena dia ny famelana ny hadisoana. 

Tsy isika no hanamboatra trano honenan’Andriamanitra fa Izy no efa nanomana lanitra hivondronantsika mba hidera ny voninahiny, tsy noho ny fahamendrehantsika fa araka ny famindram-pony tsisy fetra. Izany no mahatonga an’i Md Paoly hilaza fa ao amin’ny toerana mampiavosa ny fahotana no mahasafononoka ny fahasoavana (prefasy Fiaviana IIB). Lehibe noho ny fahotantsika manko ny famindram-pon’Andriamanitra.

Nanangana tandro-pamonjena ho antsika Izy. Inona moa izany tandrom-pamonjena (keras, tandroka) izany? Fandikana ara-bakiteny ny fomba fiteny hebrio, hilazana fa ny tandroka dia manambara hery tsy hay tohaina. Famonjena mahefa, tsy azon’iza na iza toherina, izany no hevitry ny hoe tandro-pamonjena. Tsy hisy hahatohitra ny herin’Andriamanitra izay vonona mandrakariva hanavotra ny vahoakany.

Ny mahavery saina indraindray dia satria afangarontsika ny famonjen’Andriamanitra sy ny famonjena araka ny fanirian’olombelona fotsiny ihany. Ny Zanany maty teo ambony hazofijaliana dia heverin’ny olona ho fahaverezana, saingy ny fitsanganany ho velona no tao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Ny Tononkira nofidìn’ny Fiangonana ho fanombohan’ny andro amin’ny Vavaka maraina dia manampy antsika hiaina ny androm-piainana araka izany fandaharan’Andriamanitra izany, ka hahafahantsika mizotra amin’ny lalam-piadanana mitondra any Aminy, Izy ilay Mpamonjy antsika.

Angatahontsika ny fahasoavany mba hahatsapantsika fa miara-monina amintsika Andriamanitra ary mifampizara ny fiainana ho antsika. Masoandro miposaka avy any ambony Izy ka tsy milentika mandrakizay, sady tsy hanaloka ny iva toerana, na hihazakazaka hanazava ny avo fa hanilo ny rehetra tahaka ny mitataovovonana. Tsy sanatria hihilana ka hahatonga antsika ho tratry ny aloka indray, fa masoandrobe mandresy ny aloky ny fahafatesana sy ny fahotana.

Tsy ho fanenjehana aloka na fitantarana aloka intsony anie ny fiainantsika fa hohazavain’ilay Masoandro, ka ho taratry ny famirapiratany, ho voninahitr’Andriamanitra sy ho fiadanan’ny olombelona tsara sitrapo. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Noely
PREVIOUS
23 desambra
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Alakamisy fahatelo tsotra mandavan-taona
  • 25 janoary: fibebahan’i Md Paoly
  • Alarobia fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Talata fahatelo tsotra mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2023
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona 26 janvier 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.