Trinitera Malagasy
22 desambra

22 desambra

Njara Pascal
  • 1 Samoela 1,24-28
  • 1 Samoela 2,1-8
  •   Md Lioka 1,46-56

Ny vakiteny voalohany dia mampianatra antsika fa fanomezan’Andriamanitra izay rehetra eo am-pelatanantsika, eny fa na dia ny taranaka aza, ka fahamarinana ny mahafoy azy manontolo ho an’ny Tompo. Ny tononkiran’i Anà raha tsy voadinika tsara dia toa manambara Andriamanitra mila voatsiary, ka manetry ny manana ary manandratra ny mahantra, mamelona sy mamono araka izay tiany. Mazava ny hafatra tian’ny mpanoratra hampitaina amintsika: mahefa ny zavatra rehetra Izy, ary ny fahasambaran’ny olombelona no sitrany.

Nahoana ary no mbola misy “mitrongy nefa tsy mihinana akory”? Nahoana no mbola misy matin’ny hanoanana, matin’ny aretina,…? Aiza Izy no toa mamela ireny zanany lazainy fa tiany ireny ho faty eny? Ny misterin’ny Noely ankalazaina no mamaly izany. Tonga iray petsapetsa, tonga nitovy amin’ireo farahidiny indrindra ilay Zanany tiany, tsy nanao fahagagana fa tonga zazakely, hiatrika ny fiainana maha-olona amin’ny zavatra rehetra.

Avy amin’io Zanany io no hilazan’ny Ray fa eo Izy, miara-mijaly amin’ny zanany, tonga iray amin’ny zanany noana sy mangetaheta, tsy mitafy sy mpivahiny, marary sy an-tranomaizina.  Isika rehetra kosa no antsoiny ho fanomezam-boninahitra ny anarany. Firifiry ny fahefana mpanjaka sy fiketrahana mihaja tolorany ireo ory (salamo setriny)? Saingy mazàna lasa fanararaotam-pahefana ny ankamaroan’ireny, ka vao maika manampy trotraka ny fahorian’ireo izay mijaly. 

Voarindran’i Md Lioka an-tononkira ny fiainan’i Masina Maria manontolo. Ilay antsa fiderana nataon’i Jerosalema, voalazan’i Izaia (Vak I) dia tsy vavaka nipololotra amin’ny vava fotsiny fa fiainana, ary mamintina ny fisaoran’i Maria, mibanjina sy mandinika ny zava-mahagaga notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalany, ary izany “Tononkira” izany no hiraintsika isan’andro koa: notsilovin’Andriamanitra ny fahambaniantsika, nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy, ary mahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Inona tokoa moa ny zavatra notanterahin’Andriamanitra ao amintsika? Inona ny fahasoavana atobany amintsika? Izay mahatsapa izany ihany no afaka hankalaza Azy. Raha tsy izany dia ho fanompoan-tsampy ny vavaka ataontsika, tsy fiderana fa fidradradradrana, hitalahoana valisoa sy fanambinana. Na mbola tsy mangataka aza anefa isika dia efa fantany izay mahasoa antsika. Ray Andriamanitra ka mitsinjo ny zanany rehetra.

Tsy hoe sanatria niangaran’Andriamanitra akory i Masina Maria, fa antitranterin’ny Evanjely ny maha-môdely azy, ka na teo aza ny ngidim-piainana natrehiny teto amin’ity tany fandalovana ity, dia ny voninahitry ny lanitra kosa no valisoa nomena azy satria “zanaka mendrika handova ny fanjakana izy”, nino sy natoky mandrakariva ny fitiavan’ny Ray.

Izany finoana izany no ahafahana mihira ny tononkiran’i Maria eto am-pamakivakiana ity tany “lohasahan-dranomaso” ity. Ny Litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny Tononkiran’i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe notanterahin’Andriamanitra nandritra ny andro, ka hamaranana ny andro amin’izany hafaliam-po izany, mahita fa tanteraka tao amin’ilay zanakavavin’i Siona ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ny vokatry ny asantsika fa ny asan’Andriamanitra vokatry ny fitiavany antsika no maha-velon-kira.

Miisa fito izany asa izany araka ny fitanisan’i Maria: (1- ) nanatsotra ny sandriny mahery ny Tompo mba hanavotra izay very (Dt 5,15). Andriamanitra irery ihany no afaka handresy ny ratsy sy ny fijaliana vokatr’izany ary tsy ny fijaliana sy ny fahafatesana tambin’ny ota no ho tompon’ny teny farany fa ny fitiavana mamelon’aina; (2- ) mampihahaka ny mpiavonavona Izy dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin’ny tenany, tsy sanatria tsy akory hampitsanga-menatra azy ireo, fa mba hampibebaka ny fony ho amin’ny fitiavany; (3- ) naongany ny mpifehy ary (4- ) nasandrany ny ambany: tsy sanatria fivadihan’ny rasa izany, tsy hanova na inona na inona amin’ny sehatry ny tantara, izany hoe tsy tonga hanova ny mpilalao tantara Andriamanitra fa hanova mihitsy ny fomba fitantarana, ny fifandraisan’ny olombelona amin’izy samy izy, ka hifaninana ho ambany, ho mpanompo araka ny fon’Andriamanitra; (5- ) ny noana hovokisany  (6- ) fa ny mpanan-karena kosa hampodiany mitondra tanam-polo: tsy hitondra na inona na inona isika rehefa hiala amin’ity tany ity afa-tsy izay harena noharìntsika teo anatrehan’Andriamanitra, izany fahamarinan’Andriamanitra izany no hahafeno hafaliana ny zanany miaritra ny tsy rariny noho ny hafa; (7- ) miahy Andriamanitra, miahy an’Israely vahoakany ary ampahatsiahivin’i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany. Mandrakizay no hisaorantsika Azy.

Hanomana ny fontsika hankalaza ny noely anie ny fitanisana isan’andro ny zava-tsoa ataon’Andriamanitra ho antsika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
23 desambra
PREVIOUS
21 desambra
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D
  • Sabotsy faha 15 mandavan-taona
  • Zoma faha 15 mandavan-taona
  • Alakamisy faha 15 mandavan-taona
  • Alarobia faha 15 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juillet 2025
    D L M M J V S
     12345
    6789101112
    13141516171819
    20212223242526
    2728293031  
    « Juin    

    Archives

    Articles récents

    • ALAHADY FAHA 16 MANDAVAN-TAONA – Taona D 18 juillet 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.