Trinitera Malagasy
Zoma II Karemy

Zoma II Karemy

Njara Pascal
  • Jenezy 37, 3-28
  • Salamo 104
  • Md Matio 21, 33-46

Indry eny ny mpanonofy, andeha hovonintsika izy. Ny mety ho fiangarana na tombom-pitia dia mampirongatra ny fialonana sy ny fankahalana, izay miantomboka amin’ny tsy fahaizana miteny am-pitiavana ary mety hihafara amin’ny fitadiavana izay handringanana mihitsy aza. Mety hisy tonga saina ihany anefa ao, ka sahala amin’i Robena, hitady hiaro ny aina, na dia tsy sahy hijoro ho fahavalom-bahoaka aza.

Lazain’ny Vakiteny fa ny hanafaka azy no tanjon’i Robena saingy namidin’ny rahalahiny tamin’ny Ismaelita (Andriamanitra nihaino) sendra nandalo i Josefa, araka ny torohevitr’i Jodà: avadika sôsy. Dia izay no nahatonga azy ho any Ejipta. Ary fantantsika ny tohin’ny tantara. Rehefa tonga mpitantana ny haren’i Ejipta i Josefa ka tonga nandadilady hangataka tohan’aina taminy ireto rahalahiny ireto, ataony ahoana?

Nisy tompona tanim-boaloboka hoy i Jesoa, namefy manodidina sady nandavaka tany hanaovana famihazana. Kanefa isaky ny taom-pahavokarana, rehefa mandefa ny ankizilahiny handray ny vokatry ny tanim-boalobony ilay tompony, dia vono sy tora-bato no nasetrin’ny mpiasa ireo iraka. Nalefany tany hatramin’ny zanany, kanjo famonoana no nokasainy mba hahazoany ny lova. Dia novonoiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ilay zanaka lahitokana.

Dia hamaly faty ve Andriamanitra? Josefa aza tsy namaly faty fa nandray ireo rahalahiny satria nolazainy fa fandaharan’Andriamanitra mba hamonjy ny tany rehetra no nanekeny ny rahalahiny hahavanona loza hivarotra azy. Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro (clef de voûte), izany no zava-mahagaga ataon’Izy Tompo. Avy amin’ny fahadalan’olombelona dia afaka manao zava-mahagaga Andriamanitra. Tsy handrigana ny mpiasa tsy valahara no hiasany loha fa ny hampamokatra ny Fanjakany. Tsy mamaly faty Andriamanitra fa mitady fomba hahafahany manavotra ny zanany rehetra. Ny zanany no nirahiny mba hizaka ny vokatry ny fahotana hifamonoan’ny mpirahalahy. Ambaran’i Jesoa mazava kosa anefa fa raha tsy mahay manararaotra ny fahasoavana omen’Andriamanitra isika, dia isika ihany no hamery ny tenantsika, satria homeny firenena hafa hampamokatra azy ny tanim-boalobony.

Araka ny lazain’ny salamo 104 fa na ny fivarotana an’i Josefa ho toy ny andevo aza nanjary fanavotana ho an’ny rahalahiny sy ny vahoaka rehetra. Tokony hoventesina mandrakariva ny hatsaram-pon’Andriamanitra asehony amin’ny ataony rehetra. Ary raha haintsika ny miaina am-pitiavana ny zavatra tsy an-drariny mety hahazo antsika dia hain’Andriamanitra kosa ny mampiasa izany ho tonga fitaovana hanitarany ny fanjakany. I Josefa tonga fanavotana ho an’ny tany tontolo, satria voafidy ho mpanapaka ny fananana rehetran’ny Mpanjaka. I Jesoa koa, namidy ary novonoina no tonga Tompo sy Kristy, santatry ny fiainana tsy manam-pahataperana ho antsika.

Hahay hampamokatra ny fahasoavana ankinin’Andriamanitra amintsika anie isika. Mandefa ny mpanompony izy hitaky izany vokatra izany, ka tsy sanatria hihidy fo velona tahaka ilay mpanan-karena nolazain’ny Evanjely omaly isika, ka handavaka hantsana hanelanelana azy sy Lazara. Tsy ho sanatria kapoka sy tora-bato no havalintsika izay mangataka fiantrana amintsika. Irak’Andriamanitra izy ireny mba hizarantsika ny fahasoavana. Hampitombo ny fitiavantsika ny mahantra (Lazara, vonjen’Andriamanitra) sy ny fahantrana anie ny Karemy, mba hampifikitra ny fiainantsika amin’ny mandrakizay.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady fahatelo Karemy Taona A
PREVIOUS
Alakamisy II Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.