Trinitera Malagasy
Zoma faha-13 mandavan-taona

Zoma faha-13 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Amosy 8, 4-6. 9-12/Salamo 118
  • Tsy ankasa Jenezy 23, 1-4; 24, 1-8. 62-67/Salamo 105
  • Md Matio 9, 9-13

Tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota. Mandehana ka fantaro ny hevitr’izany teny izany. Asain’i Jesoa mamantatra ny hevitr’izany isika. Ny lalàna dia mampiharihary ny fahotana ary manasazy ny mpanota, fa i Jesoa kosa mamela ny fahotana ka mandray ny mpanota. Ny fahosantsika dia tsy sakana fa antony nahatongavan’ilay famindram-po tsy misy fetra.

Izay mahatsapa fa voaantso hanaraka ilay taratry ny famindram-pon’Andriamanitra dia hiatso ny tenany hoe Matio (Ματθαῖος Matthaios, Mattai, abbreviation de Mattatìa), fanomezana avy amin’Andriamanitra, ka tsy hanaiky ho voafatotra na sanatria hifikitra amin’ny zava-mandalo (לֵוִי, Leviy). I Matio dia tsy vitan’ny mpitaky hetra (tsy misy te handoha hetra izay) fa mitaky izany ho an’ny mpanjana-tany koa fanampiny, ka sady noheverin’ny olona ho mpanota no mpamadika tanindrazana.

Izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy mba ho tonga “fanomezana” ho an’ny hafa. Manambara izany ny fahafahan’ireo namany niara-nisakafo tamin’i Jesoa, henontsika tamin’ny Evanjely. Nitsangana (ἀνίστημι, anistemi, mitsangan-ko velona) i Matio ka nanaraka an’i Jesoa. Manambara fiainam-baovao, fitsanganan-ko velona ny fanarahana an’i Jesoa, izay manaiky hanaraka Azy ilay Lalàna sy fahamarinana ary fiainana dia mahazo ny fahefana hahatonga ho zanak’Andriamanitra (Joany 1, 12).

Izay manaraka Azy dia vonona ny hanasa Azy koa hisakafo ao an-tokantranony (οἶκος oikos) (Mk 2, 15// Lk 5, 29). Ao an-tranon’i Matio no hisakafoanan’i Jesoa. Tonga fianakaviana iray aminy koa, miara-misakafo aminy koa ny poblikana sy ny mpanota betsaka. Manafintohina izany ho an’ny Farisianina. Saingy izany no Fiangonana tian’i Kristy ajoro: mpanota voavela heloka mandray ny mpanota satria mamela heloka, mifamela heloka ihany koa. Taratry ny famindrampon’Andriamanitra ny Fiangonana.

Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny Fiangonana ny fandraisan’ny mpanota komonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny komonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana.

Ny fahotana no ankahalain’ny mpianatr’i Kristy fa tsy ny mpanota. Tsy famporisihana ny mpanota hikiribiby ao anatin’ny fahotana sanatria no hatao fa ny fitadiavana ny fomba rehetra hahafahany mizotra amin’ny fiainam-baovao. Tsy ilaozan’ny Farisianina sy ny zoky tsy te hahalana ny zanaka mpandany niverina ao anivon’ny Fiangonana, saingy anjarantsika mandrakariva ny mitandrina, araka ny fampianaran’i Md Augustin, izay averiko matetika, fa sao ny fitiavana ny mpanota no hivarinana ao anatin’ny fahotana, na sanatria ny fankahalàna ny fahotana no hankahalana koa ny mpanota.

Tsy izay manota kelikely kokoa sanatria no masina tahaka ny Ray fa izay tia bebe kokoa, satria voavela heloka bebe kokoa (Lk 7, 41.43). Famindram-po no sitrak’Andriamanitra fa tsy ny sorona (Osea 6, 6). Tsy ny vavaka lavareny na ny asa fanonerana na izay mety ho fanatitra heverintsika hanetseman-keloka no hahasitrana antsika fa ny fahatsapana sy ny fandraisana ny fitiavany sy ny indrafony izay omeny maimaim-poana. Izy no nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, Izy ilay hany marina (Rom 3, 23).

Ho vonona hanaraka azy anie isika ka tsy hanao ny fitiavany ho zavatra lafovidy voatokana ho an’olom-bitsy fa hahatarika ny mpanota sy ireo heverin’ny hafa ho fahavalom-pirenena hiara-misakafo amin’i Jesoa, mba handraisan’izy ireo koa ny fahasoavana hiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-13 mandavan-taona
PREVIOUS
Alakamisy faha-13 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
  • Alakamisy faha-24 mandavan-taona
  • Alarobia faha-24 mandavan-taona
  • Talata faha-24 mandavan-taona
  • Alatsinainy faha-24 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    septembre 2023
    D L M M J V S
     12
    3456789
    10111213141516
    17181920212223
    24252627282930
    « Août    

    Archives

    Articles récents

    • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista 21 septembre 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.