URBI ET ORBI 2020
Vavaka manokana natao hiatrehana ny fihanaky ny valanaretina
notarihin’ny Papa Ray Masina François
- Tokotaniben’ny Basilika Md Piera, 27 martsa 2020.
Dikan-teny fr. Njara Pascal, OSsT
VAKITENY:
Marka 4, 35 nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano. 36Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. 37Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. 38Fa Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? 39Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. 40Ary hoy izy tamin’izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy?
Fandinihana masina nataon’ny Papa Ray Masina
“Nony hariva ny andro” (Mk 4, 35). Toy izany no nanombohan’ny Evanjely vao nohenointsika teo. Efa herinandro vitsivitsy izay dia ohatran’ny efa hariva ny andro. Haizina mikitroka no mandrakotra ny kianjantsika, ny lalana sy ny tanàna; mangeja ny fiainantsika amin’ny fandrakofany ny tontolo ao anatin’ny fahanginana mankadilo, mahatonga azy ho babangoana mampanjonitra, tsy hamela izay rehetra lalovany mba hihetsika kely akory: heno amin’ny rivotra iainana, tsikaritra amin’ny fihetsika rehetra ary ambaran’ny fomba fijery. Matahotra sy very hevitra isika. Toy ireo Mpianatra lazain’ny Evanjely koa isika, tratran’ny lako tampoky ny tafio-drivotra tsy nampoizina nefa mahery vaika. Nahatsapa isika fa miara-miondrana ao anaty sambo iray, ka na mahatsapa fa malemy sy tsy mahita izay lalan-kombana aza, dia manana ny maha-izy azy avy ary samy ilaina ka antsoina avokoa mba hiaraka hivoy, mila mifankahery. Ao anatin’io sambo io, ao isika rehetra. Tahaka ireo mpianatra, izay manambatra ny feony ary ao anatin’ny tebitebiny miteny hoe “very (maty) izahay” (and. 38), sahala izany koa isika, mahatsapa fa tsy afaka ny hanohy samirery ny lalany, fa miaraka ihany.
Mora ny hahasapana fa mahakasika antsika koa io fitantarana io. Ny sarotra dia ny mahazo ny fihetsika nasehon’i Jesoa. Manoloana ny Mpianatra taitra sy very fanantenana, Izy kosa, teny amin’ny vody sambo, eny amin’izay hatelin’ny rano voalohany. Inona no hatao? Ny olona mikiakiaka nefa Izy matory tsara, matoky ny Rainy – io ihany no hahitantsika an’i Jesoa matory ao amin’ny Evanjely-. Ary rehefa nofohazina ka mampitony ny rivotra sy ny rano, dia niteny ka nanome tsiny ny mpianatra hoe: “Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?” (and. 40).
Ndeha hoezahana ho azo izany. Inona moa no votoatin’ny tsy fahampiam-pinoan’ireo mpianatra ka mifanohitra amin’ny fitokisana tao amin’i Jesoa? Tsy hoe nitsahatra nino akory izy ireo, porofon’izany ny niantsoany vonjeo. Kanefa tsara jerena ny fomba fiantsoany: “Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay?” (and. 38). Tsy mampanina anao: heveriny fa tsy niraharaha azy ireo i Jesoa, heveriny ho tsy mitsimbina azy ireo. Eo amintsika koa, ao amin’ny fianakaviantsika, anisan’ny zavatra mampaharary indrindra ny maheno hoe “raharahianao inona moa aho?”. Fehezanteny mandratra ary mampisavorovoro ny tafio-drivotra ao am-po ao. Nanindrona an’i Jesoa koa angamba izany. Satria tsy hisy olona hiraharaha antsika noho Izy. Porofon’izany ny namonjeny avy hatrany ireo mpianatra niantso vonjy taminy.
Ny tafio-drivotra dia manala ny sarontava nandrakotra ny halementsika ary mampihanjahanja kosa ny toky sady fitaka no tandrametaka nentintsika nandrafitra ny fandaharam-potoana, ny drafitr’asa, ny fahazarana mbamin’izay noheverintsika ho laharam-pahamehana. Mampiseho amintsika ny fomba nampatoriantsika sy nandaozantsika ny zavatra mahavelona, manohana sy manome hery ho an’ny fiainantsika sy ny fiaraha-monina manontolo. Ny tafio-drivotra no nanala ny rakotra nanarona ny fikasana “hanao tsara fono” kanefa nanadino izay mamelona ny fanahin’ny vahoakantsika; eo koa ireo ezaka efa mahazatra mba hisehoana ety ivelany ho “mpanavotra” kanefa namonoana eritreritra nefa tsy afaka ny hiantso vonjy intsony amin’izay vahatra tokony hifaharantsika ary tsy afaka hitanisa akory ny tsiahy ananan’ireo zokiolona fa izany no nanesotra tao amintsika ny hery hisedrana ny voina mihatra.
Ny tafio-drivotra no nampianjera ny hafetsen’ny fanarahana izay ataon’ny besinimaro, nentintsika nanafina ny “fitiavan-tenantsika”, lany andro amin’ny fisehosehoana eo imason’ny olona; ary nihanjahanja kosa indray ilay fiaraha-misalahy (voatsodrano!) tsy azontsika hiodivirana: fiombonana amin’ny maha-mpiray tampo.
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Tompo o, manohina sy mahakasika anay rehetra ny teninao anio hariva. Eto amin’ity tontolo tianao kokoa noho ny fitiavanay azy, dia nihazakazaka izahay niroso hatrany, nihevi-tena ho mahery sy mahefa ny zavatra rehetra. Noho ny faniriana te hanam-be dia naleonay hatelin’ny zavamisy sy ho donton’ny fahamehana. Tsy nijanona teo anatrehan’ny fampitandremanao izahay, tsy nampifoha anay akory ny ny ady sy ny tsy fahamarinana manjo an’izao tontolo izao, tsy nohenoinay akory ny antsoantson’ny mahantra sy ny an’ny tontolo misy anay (planetanay) efa marary. Tsy nihontsona akory izahay nanohy sy nihevitra ny hiaina am-pahasalamana eo amin’ny tontolo efa marary. Amin’izao fotoana izao, ety ambony ranomasi-manonja izahay no mitalaho aminao: “mifohaza ianao, ry Tompo!”.
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Tompo o, miantso anay Ianao, miantso anay ho amin’ny finoana. Tsy hoe hino fotsiny fa misy Ianao, fa kosa hanatona Anao sy hatoky Anao koa. Amin’ity Karemy ity dia manakoako ny antsonao mandodona anay hoe: “mibebaha ianareo”, “miverena amiko amin’ny fonareo manontolo” (Joely 2, 12). Antsoinao izahay mba handray ity fotoanan’ny sedra ity ho fotoana hanaovana safidy. Tsy fotoanan’ny fitsaranao fa kosa ny fitsaranay: hisafidiananay izay zavatra manan-danja sy izay zavatra mandalo ihany, hanavahanay izay tena ilaina sy izay tsy ilaina akory. Izao no fotoana hamiliana ny sambo indray hitodiany mankany Aminao, ry Tompo, sy hitodiany mankany amin’ny hafa. Ary azonay banjinina ireo mpiara-dia mendrika hotahafina satria tao anatin’ny tahotra no nanapahan’izy ireny hevitra hanolotra ny ainy. Izany no herin’ny Fanahy natosaka sy nahosotra izay miasa ho amin’ny fahafoizan-tena an-kerimpo sy an-kalalahana. Izany no Fiainan’ny Fanahy afaka manafaka, manome lanja ary maneho aminay fa ny fiainanay dia arafitra sy tohanan’ny olon-tsotra – izay adinonay matetika – izay tsy mba hita eny amin’ny matoan-dahatsoratry ny gazety na revues na amin’ny show lehibe farany, saingy, tsy hisalasalana fa eo an-dalam-panoratana ny zava-dehibe hanova ny tantaranay: ny mpitsabo sy ny mpanampy azy, ny mpiasa amin’ny fivarotan-dehibe, ny mpiasa amin’ny fanadiovana, ny mpiasa an-trano, ny mpitatitra, ny mpitandro filaminana, ireo milatsaka an-tsitra-po hanampy ny hafa, ny pretra, ny relijiozy vavy ary ireo hafa marobe nahatsapa fa tsy hisy afaka hamonjy samirery ny tenany. Manoloana ny fijaliana izay handrefesana ny fivoaran’ny vahoakantsika dia jerentsika ary andramantsika ny vavak’i Jesoa Mpisorona : “ho iray ihany anie izy rehetra” (Jn 17, 21). Firifiry ny olona miezaka isan’andro mba hahalefitra ary mamafy fanantenana, mikendry ny tsy hizarana zavatra hampitombo ny tahotra fa kosa hanamafy ny fiaraha-mandray andraikitra. Firifiry ny ray, ny reny, dadabe sy bebe, mpampianatra miezaka maneho amin’ny ankizy, amin’ny fihetsika madinika atao isan’andro, ny fomba hiatrehana sy hamakivakiana ny sedra-piainana, amin’ny fanitsiana ny fahazarana, hampitraka ny fijery ary hanaitaitra ny vavaka. Firifiry ny olona mivavaka, manolotena sy mitalaho mba hahasoa ny olon-drehetra. Ny vavaka sy ny fanompoana mangina: ireo no fiadiana handresentsika.
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Ny fahatsapana fa mila famonjena no anombohan’ny finoana. Tsy mahavita tena irery isika; raha hihevitra ny handeha irery dia ho rendrika: mila Azy Tompo isika, tahaka ny filan’ny tantsambo fahiny ny kintana. Ndeha antsointsika ao an-tsabofiaran’ny fiainantsika i Jesoa. Ndeha hatolotsika Azy ny tahotra ao amintsika mba horeseny. Tahaka ireo mpianatra, ndeha hanandrana koa isika fa tsy ho rendrika izay manana Azy ao an-tsambo. Satria izao no herin’Andriamanitra: mamadika ho soa izay rehetra mianjady amintsika, na dia ny zavatra ratsy aza. Izy no mitondra ny fitoniana amin’ny tafiodrivotra mahazo antsika, satria tsy maty mandrakizay ny fiainana raha miaraka amin’Andriamanitra.
Ampahatsiahivin’Izy Tompo isika, ao anatin’ny tafio-drivotra mahazo antsika, ary antsoiny mba hifoha sy hampihatra ny firaisan-kina sy ny fanantenana hahafahana miorina mafy, hahita izay hifaharana ary hampisy heviny izao ora hiheverana haharendrika ny zavatra rehetra izao. Mifoha Izy Tompo mba hamohafoha kosa sy hamelona ny finoantsika ny Fandreseny ny fahafatesana (Paka). Manana vatofantsika isika: tao amin’ny hazofijaliany no nahavonjy antsika. Manana mpanamory isika: tao amin’ny hazofijaliany no nanafahana antsika. Manana fanantenana isika: tao amin’ny hazofijaliany no nanasitranany sy namihinany antsika mba tsy hisy hahasaraka antsika, na zavatra na olona, amin’ny fitiavana namonjeny antsika. Ao anatin’ny fihibohana an-trano izay hahatsapantsika ny fahabangan’ny fifankatiavana sy ny fihaonana, hanandramantsika ny fahabangan-javatra maro, ndeha hohenointsika indray mandeha indray ny antso mahavonjy antsika: nitsangan-ko velona Izy ary eo anilantsika. Avy eo amin’ny hazofijaliany Izy Tompo no mampahatsiaro antsika mba hikatsaka ny fiainana izay miandry antsika, mba hibanjina koa ireo izay miangavy antsika mba hanamafy, hahafantatra ary hampitombo ny fahasoavana monina ao amintsika. Tsy hovonointsika ny lahinjiro efa mitsilopilopy (Izaia 42, 3), nefa tsy mety maty, ary avelantsika hamelona indray ny fanantenana.
Ny hoe mamihina ny hazofijaliany dia midika ho herim-po hamihinana ny zavatra rehetra mampijaly ankehitriny, hanadinoana aloha ny faniriantsika ho tsirefesi-mandidy sy hanangon-karena ka hanomezana sehatra ny hevi-baovao vokatry ny fanilovan’ny Fanahy irery ihany. Midika ho herim-po sahy hanome sehatra vaovao ao amin’izay hiantsoana ny olon-drehetra izany, ka hahafahana hanandrana fomba vaovao handraisana ny hafa, firahalahiana vaovao, firaisankina vaovao. Teo amin’ny hazofijaliany no nahavonjy antsika ka andraisantsika ny fanantenana izay tokony havelatsika hanamafy sy hanohana ny fanapahan-kevitra sy ny fomba rehetra afaka manampy antsika hiaro tena sy hiaro ny hafa. Hamihina Azy Tompo mba hamihina ny fanantenana: izany no herin’ny finoana, izay manafaka amin’ny tahotra ary manome fanantenana.
“Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo?”. Ry rahalahy sy anabavy malala, avy eto amin’ity toerana mitantara ny finoana miorina ambony vatolampin’i Piera ity, anio hariva, dia tiako ny hanankina ny rehetra amin’Izy Tompo, miaraka amin’ny fitalahoan’ilay Mpanjakavavy, fahasitranan’ny vahoakany, kintan’ny ranomasina ao anatin’ny tafio-drivotra. Hidina avy eto amin’ireto andrin-trano mamihina an’i Roma sy izao tontolo izao ireto anie ny Tsodranon’Andriamanitra, hamihina sy hanala alahelo. Tompo o, tsofy rano izao tontolo izao, omeo fahasalamana ny vatana ary fankaherezana ny fo. Tianao tsy hatahotra izahay. Nefa marefo ny finoanay ary saro-tahotra izahay. Nefa Ianao, Tompo o, aza mamela anay hatopatopan’ny tafio-drivotra. Avereno ho henonay: “Aza matahotra ianareo” (Mt 28, 5). Ary izahay, miaraka amin’i Piera, “hametraka eo Aminao ny ahiahinay (fiahianay) rehetra, satra ianao mikolokolo (miahy) anay” (1 Piera 5, 7).