Trinitera Malagasy
Tsy ho nofinofy akory ny Paka e! (2022)

Tsy ho nofinofy akory ny Paka e! (2022)

Njara Pascal

Nofinofiko hono, io alina io,

Tsio-drivotra malefaka, sady tony no madio

Nanafoana ranomaso, nampitony fijaliana

Ka tsy hisy intsony ankaso, fa fararanom-pifaliana !

Nofinofiko ihany izany, ka lazaiko anareo,

Hoe foana hatreo ny tomany, tsy hisy intsony ny toreo,

Tsy voatanany ka nifoha, ilay maty tsy mba nandrasana,

angamba lasa ambiroa, fa tsy hita intsony tao am-pasana.

Hoe hora-pety lavareny ka tsy hisy fiafarany,

Toa nofinofiko ihany ireny, izany hoe paradisa an-tany, 

izay tsy hahitana valifaty, tsy hahatsiarovana ny lasana

hahavelona ny maty, hahababangoana irony fasana. 

Tsy nofinofy velively hoe noforonin’ny fisainako

Fa izany no Evanjely izay nanova ny fiainako.

Zava-tsoa tsy mahadiso, ny manonofy fihatsarana

Ka tsy hiandrasana ampitso,ny tononandrom-piovana. 

tsy ho nofinofy lahy, ny fola-tena sy ny vavaka,

fa nanomanana fanahy, tsy hivarinana any an-davaka

Dia tampon-doha efa ho sola, no nohosorana lavenona

Ary lohalika efa kola niankohofana nanenina. 

Dia nandalo fitsapana sy ireo fisedrana maroloha

Tsy kivin’izay hadalana fa matoky ny fitiavan’i Jesoa

Raha fibebahana re lahy no nanomanana ny Paka!

Dia ny fiainana am-panahy no tokony hahazo laka. 

Ka fitsitsiana, fihafiana ho fanampiana ireo sahirana

Dia atao an-kafaliana sy amy tava miramirana.

Eh ! Ho foana hatreo rafahoriana, tsy hisy ory tsy havan’ny manana

Fa hifankatia sy hiray hina, atambatry ny fihavanana. 

Fa omaly alina niangona, raha naheno ny Evanjely

Dia sady faly no talanjona amin’ny tenin’ireo Anjely

Tsy nofinofy sanatria – hoy aho – tsy angano-angano na arira

Velona i Kristy ! – Amen Aleloia ! izay no noredonina amin-kira ! 

Koa tsarovy koa izao ho antsika izay malemy

Fa nomeny hery vao tamin’ny ranon’ny batemy

Hanandrana ny hasambarana, hamela mamy toa tantely,

Tsy hitandro hasasarana amin’ny fitoriana ny Evanjely

Ndeha hiara-paly avokoa ka atsaharo ny alahelo

Fa nitsangana i Jesoa tamin’ny andro fahatelo

Dia aoka izay ny adilahy, foano hatreo ny disadisa

Mifankatiava re ry lahy fa izay no paradisa

Amen, Aleloia !                                                                          

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Paka
PREVIOUS
Ireo alahadin’ny Paka: Mystagogie – Sakramenta 7
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy faharoa mandavan-taona
  • Alarobia faharoa mandavan-taona
  • Talata faharoa mandavan-taona
  • Alatsinainy faharoa mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 2 MANDAVAN-TAONA – TAONA A

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy faharoa mandavan-taona 22 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.