Trinitera Malagasy
Talata II Karemy

Talata II Karemy

Njara Pascal
  • Izaia 1, 10.16-20/
  • Salamo 49/
  • Md Matio 23, 1-12

Mitohy ny fampianaran’ny Litorjia mikasika ny Endrik’Andriamanitra izay mandio ny fahotantsika na dia izay faran’izay mangatrakatsaka sy mihoson-dra indrindra aza. Ny fiainantsika kosa anefa tsy ho lavorary sy tsy ho tonga lafatra raha tsy misikim-ponitra hizotra ny lalam-pahasambarana isika: hianatra hanao soa. Ny soa atao, tsy levenam-bola ihany fa loharanon-kafaliana miboiboika ao anaty. Misy fanaovan-tsoa vitsivitsy moa tanisain’Izaia eto, fa ampahatsiahiviny antsika fa matoa afaka manao soa ny olona iray dia tsy noho isika fa noho ilay mampiasa azy: ny famaky tsy afaka ny hirehareha manoloana izay mampiasa azy, hoy izy (Izaia 10, 15ss). 

Tsy fanolorana lamesa na fanaovana vavaka lavareny koa anefa (voalazan’ireo andininy tsy novakiana, ka iverenan’ny Salamo setriny Sal 49). Zavatra mitondra soa ho antsika sy mitondra soa ho an’ny hafa no sitrak’Andriamanitra, ka raha tsy mifanaraka amin’izany ny fiainantsika dia ho fiantsaram-belatsihy, tsy hizy dikany akory ny vavaka.  Izay mivavaka marina dia tsy afaka ny tsy hikatsaka ny rariny, tsy afaka ny tsy hananatra ny mpampahory na ny marimarina kokoa, hanoro azy ireo ny lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana (  אַשְּׁר֣וּ חָמ֑וֹץ ashar, asher); izay mivavaka marina dia tsy afaka ny tsy hiaro ny zon’ny kamboty sy ny mananontena

Ny Evanjely kosa, tsy famelezana ny mpitondra sanatria fa kosa fampianarana mba hahaizantsika miaina ny fahefana izay nomena antsika na amin’ny zavatra vaventy na amin’ny zavatra madinika. Ny fahefana raha tsy mitandrina isika dia mety ho lasa fitadiavam-boninahitra, ka adino ny antony nanendrena anao ho amin’ny andraikitra iray. Nahatsapa izany ny mpanorina ny fikambananay ka ao amin’ny “Regulae”, ny fitsipika navelany, dia nanafatra izy fa ato amin’ny Fikambanan’ny Trinite Masina dia “frère” avokoa, mpirahalahy, mitovy zo aman-kasina na samihafa aza ny adidy aman’andraikitra; ny rahalahy natao hitantana kosa dia antsoina hoe: “Minisitra”, mpanompo, na dia nanimba ny hevitr’izany teny izany aza ny fahalovana ara-politika ataon’ireo nofidiana sy nomena andraikitra mba hanompo ny vahoaka.

Izay maniry hihaina ny Evanjely dia tsy hampiasa ny lalàna mba hamaizana fa hanasoavana. Tao amin’ny vakiteny voalohany isika dia naheno ny fampianaran’Izaia manoloana ny mety ho fanamparam-pahefana: mila ampiana hizotra ny lalam-pahasambarana izy ireo (ashar). Matoa ny olona mamoritra olona iray, matoa mahavita mampijaly dia izy voalohany indrindra no jamba, tsy mahita akory izay lalana mitondra amin’ny soa sy ny mahasambatra. Tsy midika ho fanaovana ann-tsirambina na baranahiny anefa izany. Teo amin’ny Jody dia manana adidy mamerina amin’ny ankohonany farafaharatsiny im-pito isan’andro ny “decalogue”, Teny folo, ny raim-pianakaviana: “Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina.  Afehezo amin’ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao” (Det 6, 7-9). 

Tsy mora ny mamerimberina ireo lalàna ireo, tsy ny vesatry ny famerimberenana ireo lalana ireo tsy akory no enta-mavesatra fehezin’ny Mpanora-dalàna sy Farisiana, fa ny fombafomba sy ny fanazavana mivilana entin’izy ireo mampita ny lalàna mba hamoretana ny hafa. Ilaina ny lalàna ary “ny fisaintsainana azy andro aman’alina” no mitondra amin’ny fahasambarana, hoy ny salamo. Misaora an’Andriamanitra raha mbola misy mampahatsiaro mandrakariva anao ny lalàna. Mandiniha tena kosa raha zavatra mitovy foana no hananarana anao. Saingy ho an’izay manana adidy hananatra kosa, mila mitandrina mandrakariva satria ny “fomba”, ny “fotoana” ary ny “antony” hitenenana no mahatonga ny teny lazaina “hamelona” na “hamono”. Tsy tompon’ny lalàna manko izay miteny fa iraka, ka hahatsiaro fa ny lalàna dia nomen’Andriamanitra mba hampitombo bebe kokoa ny fiombonantsik aaina aminy sy ny fifankatiavantsika samy isika. Izay lazaintsika am-pitiavana mba hikatsahana ny soa ho an’ny hafa ihany no lalàna mamelona satria araka ny Fanahy (Gal 5, 1ss). 

Hitantana ny diantsika hahazo ny famonjena anie ny Fanahin’izy Tompo, ka ny hafaliana vokatry ny Evanjely no tiantsika hozaraina amin’ny hafa amin’ny asa fitoriana ataontsika. 

Toriteny

Post navigation

NEXT
Italia senza messa?
PREVIOUS
Alatsinainy II Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma IV Karemy
  • Alakamisy IV Karemy
  • Talata IV Karemy
  • Alatsinainy IV Karemy
  • Alahady faha-4 karemy Taona A – Laetare 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma IV Karemy 23 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.