Trinitera Malagasy
Talata fahasivy mandavan-taona

Talata fahasivy mandavan-taona

Njara Pascal
  • Tsy ankasa: Tobia 2,10-23 / Salamo111,1-2.7ab-8.9
  • Ankasa: 2 Piera 3,12-15a.17-18/Salamo 89
  • Md Marka 12,13-17

Ny sasany tamin’ny Farisianina sy ny Herôdianina (vokatry ny lalivay efa nasain’i Jesoa nitandremana Mk 8,15) no nirahin’ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika azy. Mampalahelo rehefa tonga amin’izany ambaratongam-paharatsiana izany ny olona na ny vondron’olona sasany. Tsy vitan’ny be fialonana fa sady mpihatsara ivelatsihy, mialokaloka ao ambadiky ny hafa, no tsy vanona, fangolika, tsy manan-tsaina intsony afa-tsy ny hanapotika ny hafa.

“Fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona anao ny olona”. Fanasohasoana tsy misy ohatr’izany. tsy azontsika adinoina na oviana na oviana fa tsy izay mandambolambo rehetra akory no tia antsika, ary tsy voatery izay mametraka ny fandrika no tompon’antoka voalohany. Ao am-badimbadika ao, misy lohandohan’ny Mpisorona sy mpikatsaka tombontsoa miandry kendry tohana hamelezana. Saingy ny olo-marina, toa an’i Jesoa, tsy miraharaha izay vavan’ny olona, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, ny hiaina araka ny lalànan’Andriamanitra sy ny hampianatra azy no imasoany. Tandremana rehefa ny lalànan’olombelona no manjary mibahana amin’ny fiheverana sy ny fampianarantsika.

Henontsika tamin’ny Evanjely omaly (alatsinainy faha 9 nozaraiko teto koa) fa i Jesoa no ilay Zanaka lahitokana nirahin’Andriamanitra mba hampahatsiaro amin’ny vahoakany fa hafaliana ho Azy ny fandraisana vokatra avy amin’ny tanim-boalobony. Mety ho Mesia araka ny pôlitika no nandrasan’i Israely, saingy Mesia araka ny nampanantenainy kosa no nomen’Andriamanitra. Noho izany, fandrika mifanaraka amin’ny fomba fisainana sy ny firehan-kevitra tadiavin’ny vahoaka no apetraka: mety ve sa tsia ny mandoa hetra?[1] Raha tsy mety, dia hahafaly ny vahoaka efa leon’ny fanjanahana ny valin-teny, saingy azo ampangaina ho naman’ny Rômanina mpanjana-tany kosa i Jesoa amin’izay; raha lazainy ho mety kosa, dia vao mainka tsara, satria ny tahotra ny vahoaka no tsy nisamborany Azy henontsika tamin’ny vakiteny omaly.

Ny valin-tenin’i Jesoa anefa dia tsy hoe hafetsena hialana amin’ny fandrika fotsiny ihany fa mampianatra antsika ny fomba fiainana araka ny fahendren’olombelona sy ny fahendren’Andriamanitra. Io moa no foto-kevitra hijoroan’ny Konsily Vatikana II, izay lazaina amin’ny teny frantsay hoe “double fidelité: à l’homme et à Dieu”. I Sezara sy izay nahazo fahefana hanjaka no mandamina ny tany sy ny fanjakana ka ny fanekena ny drafitra apetrany, raha toa ka tsy mbola fanerena hanao ratsy izany dia tokony atao “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” (Mt 17,16, azo jerena koa ny Rm 13,1-7; 1P 2,13snm). Tsy tokony hafangaro anefa ny antony handoavana hetra sy ny fomba hitantanan’ny sasany izany noho ny fahotana: ny fahalovana sy ny fitiavan-tena. Tsy afaka hanamarina ny herisetra na ny fanjakazakana izay mety ho fiheverana hamongotra ny ratsy amin’ny hery sy ny fahaizan’olombelona mandamina ihany isika, hanimba zavatra ihany izany, ary ny tantara dia efa mampianatra antsika zavatra betsaka momba izany. Tsy midika ho fanarahan-drian-drano anefa izany fa fahavononana na ny marimarina kokoa fivononana hanohitra raha sanatria ny ratsy sy ny tsy rariny hamono ny madinika sy ny daholobe no heverin’ny mpanjakazaka hampanjakàina. Izany moa no antsoina hoe “objection de conscience”.

Noho izany, raha sarin’i Sezara no ao amin’ny denie nasehon’izy ireo, dia tokony hanaraka ny lalàna napetrak’i Sezara izy ireo. Fantany rahateo ny hevitry ny sary mipetraka amin’ny zavatra iray (צֶלֶם – tselem), miampy ny anarana ihany koa, ary nanaovany lalàna ny tsy hampidirana ny volan’ny Romanina tao amin’ny Tempoly, ka sady hahazoana tombony ihany (amin’ny fanakalozana), no entina hampahatsiarovana ny olona fa tsy tokony hisy zavatra hafa homem-boninahitra afa-tsy Andriamanitra sy ny Anarany Masina, ao amin’ny Tempoly.

Dia izay no zava-dehibe kokoa, ho an’i Jesoa. Miverina amin’ny asa nanirahana Azy Izy, dia ny hampahatsiaro an’ireo nanankinana ny tanim-boaloboka, ireo naniraka ny Farisianina sy ny Herôdianina, fa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ho an’ny Jody dia tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia nohariana mba hitovy endrika amin’Andriamanitra (צֶלֶם – tselem), ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa voaantso handoa ny vokatry ny fitiavana, hetra tokony aloha amin’ny fanarahana ny Lalàny, ka izay no hahafahana hanahaka Azy (דְּמוּת – demouth), ho zanaka mpandova miombona amin’ilay Zanany tokana, ilay nampiseho ny famirapiratan’ilay Endrik’Andriamanitra nahariany antsika (Jen 1,27).

Ny fandoavana izay an’i Sezara dia tsy fatiantoka velively ho an’izay mahatsapa fa ny fahantrana no hahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Mt 5,3/Lk 6,20), ny fanomezana an’Andriamanitra izay azy kosa dia manova ny fiainana manontolo, na ho an’ny tena manokana na amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, fa indrindra amin’ny fiezahana manoratra izay tiantsika mba hovakian’ny olona sy izay hambaran’ny Raintsika rehefa handray antsika eo am-pelatanany Izy indray andro. Ho an’i Jesoa: “Jesoa Kristy Mpanjakan’ny Jody” no nosoratan’i Pilaty, ilay Kapiteny kosa nanamafy ny tenin’ny Ray, fa “tena zanak’Andriamanitra tokoa” ilay nihantona teo amin’ny Hazofijaliana.

Hanampy antsika hahatsapa ny fahamboniana nahariana antsika anie ny fandinihana ny Evanjely anio ka hahitantsika mandrakariva ny Endrik’Andriamanitra sy maneho ny maha fitiavana Azy eo amin’ny olombelona rehetra, fa indrindra eo amin’ireo noana, mangetaheta, tsy nitafy, marary, migadrasy mpivahiny sitrak’i Kristy mba hisehoana.

[1]dare il tributo. Era il “censo”, imposta personale e fondiaria. Pagarla significava riconoscere la signoria dei romani. Gli zeloti la consideravano idolatria e si ribellavano con le armi, perché l’unico Signore è Dio. I farisei l’accettavano, fino alla redenzione finale del messia, da ottenere con le preghiere. Agli erodiani invece la cosa non faceva problema, anche se il loro rapporto di dipendenza da Roma non era sempre pacifico (S. Fausti).

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquez pour partager sur LinkedIn(ouvre dans une nouvelle fenêtre) LinkedIn

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia fahasivy mandavan-taona
PREVIOUS
Alatsinainy fahasivy mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Talata voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • Alatsinainy voalohany mandavan-taona
  • BATEMIN’I JESOA – TAONA A
  • Sabotsy manaraka ny Epifania

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2026
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Talata voalohany mandavan-taona 12 janvier 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.