Trinitera Malagasy
Talata faha-15 mandavantaona

Talata faha-15 mandavantaona

Njara Pascal
  • Ankasa Izaia 7, 1-9/Salamo 47
  • Tsy ankasa Eksaody 2, 1-15/Salamo 68
  • Md Matio 11, 20-24

“Loza ho anao”…

Dia sanatria ve maniry loza ho an’ireto tanàna ireto i Jesoa satria tsy nandray ny teniny sy tsy nibebaka noho ny fahagagana nataony? Tsy fiantsiana loza sanatria fa fampitandremana amin’ny voka-dratsin’ny hamafisam-po te hijanona amin’ny fahajambana vokatry ny toe-pahotana. Ny fahotana no melohin’i Jesoa fa tsy ny mpanota, ny fahotana no tokony ankahalaina fa ny fahavalo sy ny mpanota kosa tiavina sy anaovana soa. Izay te ho sambatra mandrakizay araka izany, dia tsy maintsy mibebaka, manova ny fomba fisainany mba hifanaraka amin’ny Lalana mitondra amin’ny fahasambarana: ny fitiavana.

“Loza ho anao”, “mila loza ianao” moa no dikan-teny ao amin’ny Baiboly vaovao, οὐαί (ouai, interjection pour l’exclamation de chagrin): andray ny alaheloko anao, mampalahelo ity tsy fahaizanao manararaotra ny fahasambarana atolotra anao …

Ny sarin-teny hifanandrifian’ireo anaran-tany nosafidiana dia manampy antsika hahatsapa fa tsy mora ny misafidy ny hahasoa. Ny voalohany nahazo fahasoavana, ny faharoa kosa nidiran-doza: Kôrazìna (Χοραζίν Chorazin, fournaise de fumée) sy Tira (צוֹר Tsôr, rocher), Betsaida (בַּיִת – צַיָּד, maison de la pêche) sy Sidona (צִידוֹן, abbondance de poisson); Kafarnaoma (כֹּפֶר – נַחוּם, village de la consolation) sy Sôdôma (סְדֹם, qui brûle). Ny marary mitady fahasitranana, ny marary mankaloza aretina.  Ny coronavirus hono mahafaty dia matahotra ery isika. Efa ela no nahitako soratra hoe “mahafaty ny sigara”, “mahavoa ny homa-miadana ny sigara”, fa ny vidiny aza mbola miha-miakatra ihany, ary ny mpanjifa mitombo andro aman’alina.

Tsy hafa noho ry Betsaida sy ry Korazaina mbamin-dry Kafarnaoma ny Fiangonana misy antsika, anaovan’i Jesoa fahagagana isan’andro, hanolorany ny Eokaristia isa-maraina. Tsy hafa noho ireo mponina ireo isika afaka mandray ny Teniny sy ny Tenany isan’andro. Anjarantsika kosa no mandini-tena na hiezaka hanaraka Azy amin’ny lalan’ny fitiavana na sanatria hanalavitra Azy amin’izay mety ho tombontsoa sy hafinaretana mandalon’ny fiainana.

Dinihontsika ny fananaran’ny renim-pianakaviana mampitandrina ny zanany amin’ny voka-dratsin’ny zavatra tsy mahasoa loatra. Mety ampitahoriny hovonoina ohatra ny zanany raha sanatria mandehandeha tsy mitandrina miampita ny arabe, satria sao voadonan’ny fiara any. Raha toa ka tsy nitandrina ka saika voadonan’ny fiara dia mety hahazo kapoka koa aza. Fa raha sanatria kosa maratra voadonan’ny fiara, izy reniny ihany no hidodododo hamonjy ny hopitaly hamonjena ny ain-janany, na inona na inona hadisoany. Ny antony ampitahotany ny zanany dia mba hitandremany bebe kokoa.

Dia tahaka ny treron-dreny ny fibedesan’ny evanjely anio, tsy maniry ny loza ho antsika fa kosa manampy antsika hahatsapa ny haratsin’ny fahotana sy ny zava-doza afitsoky ny firaiketana aminy. Tsy hisy reny hamono ny zanany raha sanatria nidiran-doza amin’izay nataony, fa miezaka mankahery sy mitady ny fomba hiatrehana ny fiainana hatrany. Mihoatra noho ny reny Andriamanitra. Ny afobe dia ny fandresen’ny ratsy, ny fanekentsika azy handrava ny fiainantsika ka hanary ny hasina maha-zanaka antsika. Ny fahamarinan’Andriamanitra kosa mitady izay fomba hanarenana ny fiainan’ny zanany mba hahasambatra azy ireo. Tsy manafay ny meloka no tanjon’ny Fitiavana fa ny manitsy ny diany ho amin’ny fahasambarana.

Ny fanehoan’Andriamanitra ny fahamarinany sy ny fitsarany dia ny hazofijaliana. Satria fony isika mbola mpanota (Rom 5, 8), mendrika famaizana, no maty ho antsika i Kristy, mba hanolotra antsika ny fiainana dia ilay lova amin’ny maha-zanaka Azy. Ny fandavantsika izany, na sanatria ny fanarahantsika lalana hafa ankoatry ny fitiavana dia mamarina ny fianantsika any amin’ny afobe, any amin’ny gehena fanariam-pako. Tsy sitrak’Andriamanitra ho zary fako anefa ny fiainan’ny zanany. Mampalahelo azy izany, ka ampitandreminy tahaka an’ireo tanànan’i Galilea isika sao sanatria “hila loza” (οὐαί ouai) ho antsika koa.

Tsy sanatria ho fanamelohana ho antsika ny fahasoavana raisintsika isan’andro.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-15 mandavantaona
PREVIOUS
Sabotsy faha-14 mandavantaona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Sabotsy V Karemy
  • Alarobia V Karemy
  • Talata V Karemy
  • Alatsinainy V Karemy
  • Alahady faha-5 A Karemy

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mars 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728293031  
    « Fév    

    Archives

    Articles récents

    • Sabotsy V Karemy 31 mars 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.