Trinitera Malagasy
Sabotsy IV Karemy

Sabotsy IV Karemy

Njara Pascal
  • Vakiteny I : Jeremia 11,18-20,
  • Salamo 7,2-3,9bc-10,11-12,
  • Evanjely : Md Joany 7,40-53

Ny tsy fitovian-kevitra be ihany mikasika an’i Jesoa no ambetin-dresaky ny Litorjia mba hampiditra antsika amin’ny misterim-pitiavana (Passio) izay manomboka ny alahady fahadimy. Na amin’izao fotoana izao aza manko dia mboka manohy ny fijaliany ao amin’ireo vavolombelony i Jesoa. Tokony hazava amintsika anefa fa tsy fitia te hijaly ny azy fa fijoroana amin’ny hitsiny sy ny fiarovana ny fahamarinana no mampitondra fijaliana izay mety hiafara amin’ny fahafatesana aza.

Indraindray aza tahaka ny zanak’ondry bonaika (אַלּוּף allof = folaka, animal apprivoisé) hoy i Jeremia ireny olomarina ireny, ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ny teny malefaka sy ny fihatsaram-belatsihy no entin’ny mpanao ratsy avy eo hamongotra azy hatramin’ny voany, tsy ho ety an-tanin’ny velona intsony. Tsy izany anefa no hanakana antsika tsy hanao soa sanatria. Eo ny mety ho fahadisoam-panantenana, izay matetika mampikafara fa tsy ho voan’ny mpamitaka amin’ny lainga tsara lahatra intsony, ary mety ho tonga hatramin’ny fanidiana ny fo mihitsy aza ka tsy hatoky na iza na iza intsony amin’ny manaraka. Mazava anefa ny torohevitry ny Mpaminany. Tsy hiasa saina amin’izany fa hanankina ny zavatra rehetra (ady) amin’Andriamanitra izay mamantatra ny voa, (כִּלְיָה kil’yah, siège de l’emotion et d’affection: ny fihetseham-po) sy ny fo (לֵב leb, l’homme interieur: ny atifo, mandray ny fanampahan-kevitra lalina). Tsy sakana tsy hanaovan-tsoa ny haratsiam-pon’ny sasany.

Lazain’ny Evanjely fa Nazareana no nahafataran’ny olona an’i Jesoa. I Matio no nanoratra ny fahaterahany tao Betlehema, amin’ny maha-taranak’i Davida Azy (Evanjely Md Josefa). Ho an’ireo lohandohan’ny mpisorona sy Farisiana kosa, tsy mahalala afa-tsy ny maha-galeleana an’i Jesoa izy ireo. Manoloana ny asany sy ny teniny izay nampiloa-bava ny miaramila anefa, dia niha-mafy ihany ny fankahalana an’i Jesoa ary niafara hatramin’ny fanivaivana ny vahoaka izay lazain’izy ireo fa “olon’ny tany” (am’ harets), voaozona satria tsy mahalala sy tsy manam-potoana handalinana ny Lalàna. Eo ihany ny fijoroan’i Nikodema hilaza fa tsy afaka manameloka aloha raha tsy efa avy nihaino ilay nampangaina. Raha ny fiavian’i Jesoa (amin’ny maha galeleanina azy) manko no sakana tokana tsy hinoana Azy, dia fantatsika kosa fa tanteraka ao Aminy amin’izany fankahalana izany ny Soratra Masina.

Tsy ampy araka izany ny mianatra sy mandalina (eny fa na dia ny Soratra Masina aza). Izay te hahalala an’i Jesoa dia tsy maintsy manatona Azy, miray petsapetsa Aminy: “avia ka zahao”, hoy Izy (Joany 1, 39). Izay mihaino Azy amin’ny fo mahitsy no tahaka ireo miaramila koa, ho vaky vava hilaza fa “tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny”, ka tsy nahasahy nisambotra Azy. Izay mitompo teny fantatra dia tsy afaka ny hisokatra amin’ny Fanilovan’ny Fanahy izay manavao sy mandavorary ny zavatra rehetra (sy ny fahalalana).

Sarotra ny hiroso amin’ny fahalalana an’i Kristy raha izay nahazatra sy haintsika tsianjery hatry ny fony kely na izay hevitra masaka ao an-tsaintsika ihany no ekentsika ho marina, ka hikiribiby hanizingizina fa tsy misy Mpaminany avy any Galilea. Tsy fantany anefa fa tsy avy any i Jesoa.

Handio antsika amin’ny hevi-diso anie ny Fanahy Masina ka handavorary ny fontsika ho mendrika an’Andriamanitra, hahalala ka hitombo fitiavana Azy isan’andro, eto ampiandrasana ny fankalazana ny Fandreseny ny fahafatesana.   

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny
karemy, Toriteny

Post navigation

NEXT
ALAHADY FAHADIMY AMIN’NY KAREMY TAONA D
PREVIOUS
Zoma IV Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • TRINITE MASINA TAONA D
  • Sabotsy fahafolo mandavan-taona
  • Zoma fahafolo mandavan-taona
  • Alakamisy fahafolo mandavan-taona
  • 11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • TRINITE MASINA TAONA D 13 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.