Trinitera Malagasy
Sabotsy faha-12 mandavan-taona

Sabotsy faha-12 mandavan-taona

Trinitaires Madagascar

Ankasa Fitomaninana 2, 2.10-14. 18-19/Salamo 73
Tsy ankasa Jenezy 18, 1-15/Salamo 127
Md Matio 8, 5-17

[Ao amin’ny Matio 8-9, dia fitantarana “asa folo” (satria ny mitambatra ny fitantarana ny fananganana ny zanak’i Jaira sy ilay vehivavy mitsi-drà) no manohy ny fidinan’ilay Moizy vaovao avy eny an-tendrombohitra: fanasitranana olona telo nahiliky ny fiaraha-monina (boka, ny jentily – goHim, vaviantitra mararin’ny tazo -Mt 8, 1-17);  famantarana anehoana ny fahefany (ranomasina mitony, azon’ny demony, kilemaina); ary fanasitranana miaraka telo (zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagoga sy ilay vehivavy nitsi-drà samy 12 taona; ireo jamba roalahy; ilay lehilahy sady moana no azon’ny demony Mt 9, 18-35). Ireo famantarana roa ambin’ny folo nahazoana fahasoavana ireo dia tandindona ihany, sahala amin’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’Israely, santatry ny vahoaka maneran-tany hanirahana ny Apostoly.]  

Nisy Kapiteny iray nanatona an’i Jesoa rehefa tafiditra tao Kafarnanoma Izy. Tsy misy ao amin’i Md Marka ity fitantarana ity. Na izany aza anefa, ny ἑκατοντάρχης (hekatontarches, tompon-jato) dia manamboninahitra amin’ny miaramila rômana, ka sarotsarotra ny mahazo ny antom-pisiany any Kafarnaoma (indrindra moa ny lazain’i Lioka fa nanampy hatramin’ny fanorenana ny sinagoga Lk 7, 5), raha tsy hoe amin’ny fiambenana ny sisin-tany angamba. I Galilea manko dia Tetrarka no nanjaka tany hatramin’ny taona 44 d.C. (nahafatesan’i Heroda Agripa I) ka noho izany dia tsy mbola tsy tena zanatany rômana tamin’ny andron’i Jesoa. Manampy antsika hahazo ny atao hoe finoana anefa izany rehetra izany.

Hatramin’ny 63 a.C, nandresen’ny Jeneraly Pompée ny Siriana moa ka nahazoany an’i Jerosalema no nidiran’ny Rômana an-tsehatra. Na izany na tsy izany dia mpanjana-tany no fahitan’ny Jody ny Rômana, na ireo tavaratra aza. Tsy nahasakana ity manamboninahitra ity tsy hanatona an’i Jesoa anefa izay mety ho vokatry ny fangatahany, na dia fantany aza fa tsy any amin’ny faritra hahafahany manao didin’ny besandry izy. Raha ny marina aza, dia tsy nangataka na inona na inona izy, ilay boka mba nilaza fa “raha mety dia hahay hanadio” azy. Ity kosa dia nilaza tsotra fotsiny fa marary malemy mandry ao an-tranony ny ankizilahiny (παῖς, pais, zanaka na zazalahy, i Md Lioka – Lk 7, 2, no nampiasa ny teny hoe δοῦλος doulos) ary mijaly mafy dia mafy.  

“Dia izaho ve no ho avy hanasitrana azy ? » (Jésus lui dit: «Moi, j’irai le guérir?» TOB). Araka ny TOB dia izay no valin-tenin’i Jesoa. Sahala amin’ny milaza hoe: inona no hidirako amin’izany? Izaho Jody ve ho hiditra any an-tranon’ny mpanjana-tany? Raha izay no dikanteny raisintsika, izay mifanaraka amin’ny fitantarana mikasika ilay vehivavy kananea (Mt 15, 24) dia manampy antsika koa hahazo amin’ny fomba hafa ny valintenin’ilay Tomponjato.  

Tompoko, tsy “olon-dehibe afaka haniraka anao” ho any ambany tafontranoko aho, fa nanonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko. Tahaka azy, olom-pehezina kanefa mba afaka mibaiko ny olom-peheziny ihany koa, ka sady manaiky ny teny baiko no mampiasa ny teny hibaikoana, mainka fa ilay Tompo (κύριος kyrios) mibaiko sy mandidy ny zavatra rehetra. Araka izany, tsy teniteny foana hatao tsianjery tsy akory ny finoana fa izany fitokisana amin’ny fahefan’Andriamanitra afaka manasitrana izany. Finoana toy izany no mahagaga an’i Jesoa, lazainy an’ireo nanara-dia Azy, izay mety hihevitra ny toerana azo eo akaikin’i Jesoa dia hanadino ny fitiavany maimaim-poana sy ny fitokisana amin’ny herin’ny Teniny. Izany moa dia entiny hilazana fa na ny jentily aza dia afaka miditra ao amin’ny tontolon’ny finoana, ary ambaran’i Matio mazava fa voaantso ho amin’izany ny olombelona rehetra hatrany atsinanana ka hatrany andrefana (hatrany avaratra ka hatrany atsimo, Lk 13, 19), ka ho asakasak’izay te ho any amin’ny haizina any ivelany hitomany sy hikotro-nify, halahelo sy ho tezitra amin’ny fiainana nolaniana tany ivelan’ny fitiavana. Ny fahafahana nomena antsika no hanapahantsika hevitra na hanaraka ny hafaliana ao amin’ny hazavan’ny fiainana na ny halahelon’ny haizina sy ny fahafatesana. Amin’ny ora handraisantsika ny hazavana ka hanehoantsika ny finoantsika no hahazoantsika fanasitranana.

Rehefa tonga ao an-tranon’i Piera kosa, amin’ny fitantaran’i Matio dia tsy nisy nilaza tamin’i Jesoa ny fahararian’ny rafozambavin’i Piera fa i Jesoa mivantana no nahita azy, nanendry ny tanany ka nahasitrana azy. Ny boka, nahazo aim-baovao ao amin’i Jesoa, afaka miombona indray amin’ny fiaraha-monina, ny tomponjato efa teo amin’ny fiaraha-monina fa miombona kosa indray amin’ny finoana marina, ary ny rafozam-bavin’i Piera, nositranin’i Jesoa ka nitsangana (ἐγείρω egeiro, nitsangan-ko velona) mba hanompo, hanasoa ny mpiara-belona. Antsoina ho amin’izany fanompoana izany isika rehetra nahazo fanasitranana avy amin’ny Tenin’ny finoana, “teny indraim-bava” nandroahany ny fanahy ratsy sy hanasitranany ny rofintsika sy ny aretintsika rehetra izay nolanjainy tamin’ny Hazo nentiny nanavotra antsika.  

“Nony hariva ny andro”, io ilay andro hariva hilazana ny fijaliana, ilay haizina amin’ny mitataovovonana (Mt 27, 45), ny fahafatesana, ny fitsaharan’ny olona amin’ny asany. Amin’izay isika no afaka hitondra eo Aminy ny azon’ny demony sy ny marary rehetra, ka ny Hazofijaliana no faratenin’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona, hilazany ny hafenoan’ny fitiavany.

Hanaiky hositranin’ny feriny anie isika ka ho tonga mpanompo Azy ao amin’ny mahantra izay hisy eo amintsika mandrakariva (Mt 26, 11).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alahady faha-13 tsotra mandavan-taona Taona A
PREVIOUS
Alahady faha-13 tsotra mandavan-taona Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.