Trinitera Malagasy
Litanian’ny Fo Masin’i Jesoa

Litanian’ny Fo Masin’i Jesoa

Njara Pascal

Tompo ô,
mamindrà fo aminay,

Kristy ô,
mamindrà fo aminay,

Tompo ô,
henoy izahay,

Kristy ô,
ekeo ny fangatahanay,

Andiamanitra Ray any an-danitra,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Zanaka mpanavotra ny olona,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra Fanahy Masina,
mamindrà fo aminay,

Andriamanitra tokana olona telo,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Zanaky ny Ray mandrakazay ô,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’ny Reny Virjiny,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay miray tena amin’ny Tenin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fahandrianana indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tempoly masin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay itoeran’ny Avo indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, Tranon’Andriamanitra sy varavaran’ny lanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mirehi-pitiavana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, henika fahamarinana sy fitiavana an’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, feno fahazavam-po sy fitiavana anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay endrehin’ny hatsaram-panahy rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mendrika ankalazaina indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanjaka sy mpitarika ny fo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fitoeran’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahaizana rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay isian’ny fomban’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nankasitrahan’ny Ray indrindra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay iavian’ny soa rehetra ho anay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nirian’ny Patriarka sy Mpaminany,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, be fandeferana sy famindram-po,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, mpanome be izay miantso Anao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fiainana sy ny fahamasinana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, onitry ny fahotanay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, tototry ny fanevatevana,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, torotoro noho ny helokay,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, nanaiky ambara-pahafaty,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, notrebonin’ny lefona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, loharanon’ny fanalana alahelo rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay nampiaina anay sy nanangana anay ho velona,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, izay mampiadana anay sy mampihavana anay amin’Andriamanitra,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, sorona ho an’ny mpanota,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, vonjin’izay miankina aminao,
mamindrà fo aminay,

Ry Fon’i Jesoa, fanantenan’izay miala aina ao aminao,

Ry Fon’i Jesoa, hafalian’ny Olomasina rehetra,
mamindrà fo aminay,

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
hadinoy ny fahotanay, ry Tompo.

Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao,
Mamindrà fo aminay, ry Tompo.

Mp. / Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po.

Val. / Ataovy manahaka ny Fonao ny fonay.

Aoka isika hivavaka

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, mba tsinjovy ny Fon’ny Zanakao malalanao sy ny fiderana ary ny fanonerana atolony Anao ho anay mpanota.

Aoka hampionona ny hatezeranao izany ary avelao ny helok’izay mangataka ny famindram-ponao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanakao. Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy fahafolo mandavan-taona
PREVIOUS
Ny Fo Masin’i Jesoa
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.