Trinitera Malagasy
Izao no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mikasika ny 25 martsa: 

Izao no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mikasika ny 25 martsa: 

Njara Pascal

Nahoana ny Teny no tonga nofo ?

456. Miara-mamaly amin’ny Fiekem-pinoana tao « Nicée-Constantinople » isika, amin’ny fiekena hoe : “Ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra ; ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona”[1].

457. Tonga nofo ny Teny mba hamonjy antsika, amin’ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra: “Fa Andriamanitra no tia antsika sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana amin’ny fahotantsika” (1 Jo 4,10). “Naniraka ny Zanany ny Ray, ho Mpamonjin’izao tontolo izao” (1 Jo 4,14). “Fa Izy io no niseho, dia mba hanala ny fahotana” (1 Jo 3,5) :

Marary ny tenantsika, ka mila sitranina ; lavo, ka mila harenina ; maty, ka mila hatsangana ho velona. Nariantsika ny fananana ny soa sy ny tsara, ka tsy maintsy honerantsika izany. Voahidy tao anatin’ny maizina isika, ka mila hitondrana fahazavana ; babo an’ady isika, ka miandry mpamonjy ; migadra isika, ka miandry vonjy ; andevo isika, ka miandry mpanafaka. Tsy nisy lanja ve ireo antony notanisaina ireo ? Tsy mendrika hampangoraka an’ Andriamanitra ve ireo, ka nampidina Azy ho tonga hatramin’ny toetra amam-pomba maha-olona antsika mba hamangy antsika, noho ny olombelona nihitsoka tanatin’ny toetra fadiranovana loatra sy mampahonena fatratra[2] ?

219

458. Tonga nofo ny Teny mba hahalalantsika amin’izany ny fitiavan’ Andriamanitra : “Izao no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika : nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jo 4,9). “Fa notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,16).

459. Tonga nofo ny Teny mba ho môdelintsika amin’ny fahamasinana : “Ento ny jiogako, ary mianara amiko…” (Mt 11,29). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona tonga amin’ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako” (Jo 14,6). Ary ny Ray, teo an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, nandidy hoe : “Henoy Izy” (Mk 9,7)[3]. Izy izany no môdelin’ny hasambarana sy ny fitsipiky ny Lalàna vaovao : “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jo 15,12). Mifaningotra amin’ny fanoloran-tena tokoa amin’ny fanarahan-dia Azy izany fitiavana izany[4].

460. Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4) : “Fa toy izao ny antony nahatonga olombelona ny Teny, sy nahatonga ny Zanak’Andriamanitra, ho Zanak’olona : ny mba hahatonga ny olombelona ho zanak’Andriamanitra, amin’ny fiombonana amin’ny Teny sy amin’ny fandraisana avy amin’izany ny maha-zanak’Andriamanitra”[5]. “Satria tonga olombelona ny Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga antsika ho Andriamanitra”[6]. “Ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mankasitraka ny handraisantsika anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetrantsika, mba hahatonga Azy ho olombelona, ka hanandratra ny olombelona ho andriamanitra,”[7].

461. Nandray ny fitenin’i Md Joany (hoe : “Tonga nofo ny Teny” : Jo 1,14) ny Fiangonana, ka miantso hoe “Fahatongavana ho nofo” tamin’ny nizakan’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy ny fomba aman-toetran’olombelona, mba hanatanterahana ao amin’izany ny famonjena antsika. Ao amin’ny antsa iray nambaran’i Md Paoly no ihiran’ny Fiangonana ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo :

“Manàna eo aminareo samy ianareo izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao : na tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny. Fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona. Tamin’ny fisehoany rehetra ho olombelona, dia nilatsa-tenany ho ambany dia ambany Izy, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana !” (Filip 2,5-8)[8].

462. Miteny izany mistery izany koa ny Taratasy ho an’ny Hebrio :

Noho izany indrindra, nony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia nilaza hoe : Tsy nilainao ny sorona na ny fanatitra ; fa namboatra vatana ho Ahy Ianao. Tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. Ka hoy aho hoe : Inty aho tonga (…) hanao ny sitraponao (Heb 10,5-7, mitanisa ny Sal 40,7-9, dikan-tenin’ny Fitopololahy LXX).

463. Ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo marina tokoa no famantarana mampiavaka ny finoana kristianina : “Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa-Kristy dia avy amin’Andriamanitra” (1 Jo 4,2). Toy izao ny hafaliam-pieken’ny Fiangonana hatrany am-piandohany, rahefa mihira “ny mistery lehibe momba ny fitiavam-bavaka” izy : “Niseho tao amin’ny nofo Izy” (1 Tim 3,16).

Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
(ireo fahadisoan-kevitra tsara ho fantatra)

464. Ny fisehoan-javatra tokana aman-tany sy miavaka tanteraka amin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia tsy midika fa i Jesoa-Kristy dia nisy ampahany Andriamanitra sy ampahany olombelona, na vokatry ny fifangaroana mifanjevon’ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Sady tonga olombelona marina tokoa Izy no mijanona ho Andriamanitra marina tokoa. I Jesoa-Kristy dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa. Tsy maintsy narovan’ny Fiangonana izany fahamarinam-pinoana izany, ary nazavainy nandritra ireo taonjato voalohany, teo anatrehan’ny fampianaran-diso nampivaona azy.

465. Tsy dia ny maha-Andriamanitra an’i Kristy loatra no tena nolavin’ireo fampianaran-diso voalohany, fa ny maha-olombelona Azy tokoa (docétisme gnostique). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny finoana kristianina no nanantitrantitra ny tena Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo tokoa hoe :  “tonga tao amin’ny nofo”[9]. Kanefa tany amin’ny taonjato faha-3, voatery nanamafy ny Fiangonana hanoherana an’i Paul de Samosate, tamin’ny Kônsily novorina tao Antiokia, fa i Jesoa-Kristy dia Zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba aman-toetra maha-Izy Azy fa tsy amin’ny fananganan-janaka tsy akory. Ny Kônsily ekiomenika voalohany tao Nicée, tamin’ny taona 325, dia nanambara ampahibemaso tao amin’ny Fiekem-pinoany fa ny Zanak’Andriamanitra dia “nateraka, fa tsy natao, iray fisia-maha-izy (homousios)[10] amin’ny Ray”, ary nanameloka an’i Arius izay nilaza ho marina fa “nivoaka avy amin’ny tsy misy, ny Zanak’Andriamanitra”[11], ary “tamin’ny fisia-maha-izy hafa noho ny Ray”[12].

466. Ny fampianaran-dison’i Nestorius dia nilaza fa olombelona iray no nikambana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Teo anatrehan’izany, nanambara ampahibemaso i Md Cyrille d’Alexandrie sy ny Kônsily ekiomenika fahatelo novorìna tao Efezy tamin’ ny taona 431, fa “ny maha-olona ny Teny, miray amin’ny nofo velomin’ny fanahy manan-tsaina hendry, dia tonga olombelona”[13]. Ny maha-olombelona an’i Kristy dia tsy manana fototra hafa afa-tsy ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, izay nozakainy tao Aminy sy nanjary Azy hatramin’ny niforonany tao am-bohoka. Araka izany, nanambara ny Kônsily tao Efezy tamin’ny taona 431 fa i Maria dia nanjary Renin’Andriamanitra marina tokoa tamin’ny nahatorontoronina ho olombelona ny Zanak’ Andriamanitra tao an-kibony : “Renin’Andriamanitra izy, saingy tsy amin’ny hoe ny Tenin’Andriamanitra no nisintona avy taminy ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy, fa amin’ny hoe avy amin’i Maria no nahazoan’ny Tenin’Andriamanitra ny vatana masina nasiana fanahy manan-tsaina hendry, tafaray ao amin’ny maha-olona azy, ka izany no ilazana hoe : teraka araka ny nofo ny Teny”[14].

467. Ny « monophysites » dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ ny maha-Olona-Andriamanitra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha-olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona 451, teo anatrehan’izany fampianaran-diso izany :

Eo am-panarahana an’ireo Ray masina, dia mampianatra amim-piombonan-kevitra izahay hanambara ampahibemaso ny Zanaka tokana sy Izy dia Izy ihany, i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray fahalavorariana amin’ny maha-Andriamanitra sy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona, ilay sady Andriamanitra marina tokoa no olombelona marina tokoa iray ihany, mitambatra ho fanahy manan-tsaina hendry sy vatana, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray araka ny maha-Andriamanitra, iray fombam-pisia-maha-izy amintsika araka ny maha-olombelona, “mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana”[15] ; teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra araka ny maha-Andriamanitra, ary amin’izao andro farany izao, ho antsika sy ny famonjena antsika, naterak’i Maria Virjiny, Renin’ Andriamanitra, araka ny maha-olombelona.

Kristy tokana sy tsy miova, Tompo, Zanaka Lahitokana, no tsy maintsy ekentsika amin’ny fomba aman-toetra roa, tsy misy fifangaroana, tsy misy fiovàna, tsy misy fizarazarana, tsy misy fisaratsarahana. Tsy manafoana velively ny firaisan’izy ireo, ny faha-samy hafa ny fomba aman-toetra, fa vao mainka aza voaro sy voatambatra ho ao amin’ny olona tokana ihany sy ny fisia-maha-olona tokana ihany ny toetra manokana an’ny tsirairay[16].

254
616

468. Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no nanambara ampahibemaso ho fanoherana azy ireo, hoe : “Tsy misy afa-tsy fisia-maha-olona tokana ihany [na olona] izany, izay i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray amin’ny Trinite”[17]. Koa ny rehetra ao amin’ny maha-olombelona an’i Kristy àry dia tokony hampifandraisina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy ho amin’ny foto-javatra momba Azy manokana[18], ka tsy ny zava-mahagaga ihany fa ny fijaliana koa[19] sy ny fahafatesana; izany hoe : “i Jesoa-Kristy Tompontsika, Ilay nofantsihana tao amin’ny nofo, dia Andriamanitra marina tokoa, Tompon’ny Voninahitra, ary Iray amin’ny Trinite Masina”[20].

469. Miaiky tahaka izany koa ny Fiangonana fa i Jesoa dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa tsy azo sarahina. Izy marina tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay tonga olombelona, ka rahalahintsika, ary tsy mampitsahatra ny maha-Andriamanitra Azy izany, izay Tompontsika :

“Maharitra amin’izay fomba aman-toetra efa tao Aminy Izy, sy mizaka ao Aminy izay fomba aman-toetra tsy tao Aminy”, hoy ny hiran’ny litorzia rômanina[21]. Ary ny litorzian’i Md Jean Chrysostome dia manambara sy mihira hoe: “Ry Zanaka tokana sy Tenin’Andriamanitra, ilay maharitra mandrakizay,  nanaiky Ianao,  noho ny famonjena anay, ho tonga nofo tao amin’i Maria, Reny masin’Andriamanitra sy Virjiny mandrakizay, Ianao izay tsy misy fiovaovàna, nefa tonga olombelona, sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana, ry Kristy Andriamanitra, Ianao izay nandrava ny fahafatesana tamin’ny nahafatesanao, Ianao izay Iray amin’ny Trinite Masina, omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, vonjeo izahay[22] !”

KFK 478. Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay : “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena ho ahy” (Gal 2, 20). Tia antsika rehetra tamin’ny fon’olombelona Izy. Noho izany, ny Fo masin’i Jesoa notrobahin’ny fahotantsika sy ho famonjena antsika[23], “dia heverina fa famantarana sy fanehoana an’ohatra ambony tokoa … an’izany fitiavana izany, izay asehon’ilay Andriamanitra Mpanavotra lalandava amin’ ny Ray mandrakizay sy amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[24].

FAMINTINANA

479. Tamin’ny fotoana voalahatr’Andriamanitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, ny Teny mandrakizay, izany hoe ny Teny sy ny Endrika maneho ara-pisia-maha-Izy ny Ray, dia tonga Nofo : tsy nahavery ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy ny nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetra maha-olombelona.

480. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa i Jesoa-Kristy, ao amin’ny firaisan’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy : noho izany, Izy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona.

481. Manana fomba aman-toetra roa i Jesoa-Kristy, dia ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona, tsy mifangaro, fa miray ao amin’ ny maha-Olona tokan’ny Zanak’Andriamanitra.

482. I Kristy izay sady tena Andriamanitra tokoa no tena olombelona tokoa, dia manana saina aman-tsitrapon’olombelona, mifanaraka amim-pomba lavorary sy manaiky ny saina aman-tsitrapony maha-Andriamanitra Azy, izay ananany amin’ny firaisany amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.

483. Noho izany, ny Fahatongavana ho nofo no misterin’ny firaisana amin’ ny fomba mampitolagaga ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra maha-olombelona ao amin’ny Olona tokan’ny Teny.

“Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …”

494. I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina[25], dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo ; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,37-38), satria tsy nisalasala izy fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny sitrapon’Andriamanitra momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny misterin’ny Fanavotana[26] :

Araka ny voalazan’i Md Irénée, “noho ny faneken’i Maria, dia nanjary antony nahazoana famonjena izy, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona rehetra”[27]. Tahaka izany, betsaka amin’ny Aban’ny Fiangonana tany aloha tany  no niombon-kevitra taminy, nilaza hoe : “Ny olana vokatry ny tsy faneken’i Eva, dia voavaha tamin’ny faneken’i Maria ; izay namatotra an’i Eva virjiny tamin’ny tsy finoany, dia novahan’i Maria Virjiny tamin’ny finoany”[28] ; amin’ny fampitahana an’i Maria sy i Eva, dia antsoin’izy ireo hoe “ilay Renin’ny velona” i Maria, ary ambarany matetika hoe : “Avy amin’i Eva ny fahafatesana, fa avy amin’i Maria ny fiainana”[29].

[1] DS 150.

[2] Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 15.

[3] jer. Det 6,4-5.

[4] jer. Mk 8,34.

[5] Md Irénée, haer. 3, 19, 1.

[6] Md Athanase, inc. 54, 3.

[7] Md Thomas d’A., opusc. 57 in  festo Corp. Chr. 1.

[8] jer. LH, tonon-kira amin’ny Vavaka harivan’ny  alahady.

[9] jer. 1 Jo 4,2-3;  2 Jo 7.

[10] DS 125.

[11] DS 130.

[12] DS 126.

[13] DS 250.

[14] DS 251.

[15] jer. Heb 4,15.

[16] DS 301-302.

[17] DS 424.

[18] jer. efa tamin’ny Kôns. Ephèse : DS 255.

[19] jer. DS 423.

[20] DS 432.

[21] In Solemnitate Sanctae Dei Genetricis Mariae ;  jer. Md Léon le Grand, serm. 21,2.

[22] Tononkalom-pivavahana : « O monoghenis ».

[23] jer. Jo 19,34.

[24] Pie XII, Enc. « Haurietis aquas » : DS 3924;  jer. DS 3812.

[25] jer. Lk 1,28-37.

[26] jer. FF 56.

[27] Haer. 3, 22, 4.

[28] jer. ibid.

[29] FF 56.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
25 martsa:
Fankalazana ny nilazana fa naka nofo ny Tompo
PREVIOUS
Zoma IV Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia IV Paka
  • Talata IV Paka
  • Alatsinainy IV Paka
  • Sabotsy III ny Paka
  • Alarobia III Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia IV Paka 13 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.