Fankalazana an’i Md Josefa
- 2 Samoela 7, 4-16/
- Salamo 88/
- Romana 4, 13-22/
- Md Matio 1, 16-24
Ny vakiteny voalohany dia mampanantena an’i Davida fa ny taranany no hanjaka mandrakizay, satria Andriamanitra no hanome azy ny fiandrianana. Tsara hotadidiana ihany anefa ny nanjo ireo zanany naterany: ny lahimatoa (Amona) novonoin’ny manarakaraka (Absaloma) (2Sam 13), Absaloma nikomy nanohitra an’i Davida ka maty novonoin’i Joaba (2Sam 18). Tokony ho Adoniasy no handova, saingy noho ny hafetsen’i Betsabea dia i Salomona zanany no nofodian’i Davida ho mpandova azy, ary i Salomona kosa nampamono an’i Adoniasy (1Mpanjaka 2). Maty Salomona dia nizara roa ny Fanjakana. Ady sy fandrombaham-pahefana araka izany no nanjaka tao amin’ny tranon’i Davida. Saingy avy amin’izany no nofidian’Andriamanitra hipoiran’ny Zanany, avy amin’i Josefa, taranak’i Davida. Na dia tapitra tamin’ny fanjanahan’ny Babilona aza ny fanjakan’Israely (586 aC) dia namelombelona tao ampony izany fanantenana izany ihany ny taranany rehetra.
Tsy araka ny fanirian’olombelona anefa ny fanjakana sitrak’Andriamanitra hatsangana, hanome voninahitra ny anarany, fa araka ny fampanantenany. Tsy Davida ihany fa na Abrahama koa aza, hoy i Md Paoly dia nahazo fampanantenana avy amin’Andriamanitra, fa sahala amin’ny nofinofy ihany izany. Saingy nolazain’ny Anjely tamin’i Maria fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1, 37). Izay mino ny fampanantenan’Andriamanitra dia hibanjina ny voninahiny. Tsy Israely ireryno nandova an’i Abrahama fa izay rehetra mino, hoy i Paoly, ka izay manahaka ny finoany dia handray koa ny tsodrano nomen’Andriamanitra azy. I Josefa ankalazaintsika anio dia taranak’i Abrahama, araka ny nofo, saingy ny finoany ny “nofinofin’Andriamanitra” no nahazoantsika ny mpamonjy. Ny faneken’i Masina Maria ny sitrapon’Andriamanitra dia very an-javony, raha tsy nanaiky ny handray ho zanany ilay efa notorotoronina tao an-kibony i Josefa. Niankina taminy ny fahaveloman’i Maria sy ny zaza tao am-bohoka.
Mety haniry koa isika ny mba hisehoan’ny anjelin’ny Tompo rehefa misy zavatra mampiasa saina antsika. Rehefa avy nifamofo ara-dalana (kiddusshim amin’ny jody) tamin’i Maria i Josefa, ka na dia efa mpivady aza izy ireo dia mbola tsy niray trano, dia hita fa bevohoka ny vadiny. Loza ity! Zanak’iza? Tokony hiandry taona iray izy ireo vao haterina ho any an-tranon’i Josefa i Maria mba hiara-monina aminy. Ampahatsiahivin’i Matio fa nandritra izany fotoam-piandrasana izany no nilazan’ny Anjely i Maria fa hanana anaka, noho ny Fanilovan’ny Fanahy Masina, mba hialana amin’ny mety ho fiheverana fa asan’ny lehilahy no naha-bevohoka azy.
Tsy hanamboniana ny fahamasinan’i Maria no nilazana izany fa hampitana ny foto-pinoana tokony ho raiki-tapisaka ao an-tsain’ny mpino. Ny Hazavan’ny Paka manko no mampisy heviny ny zavatra rehetra niainan’i Masina Maria sy Md Josefa, sy izay rehetra fantatra sy notantaraina momba azy ireo.
Iza no rain’ny zaza? Nolazain’i Maria azy ve fa nisehoan’ny Anjely izy? Nefa tsy nino dia avy eo nisehoan’ny Anjely ihany koa? Fanontaniana mety hanitikitika ny saintsika izany saingy tsy izany tsy akory no tanjona nanoratan’i Matio ny Evanjeliny fa mba hilazana amintsika kosa fa i Jesoa no fahatanterahan’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. I Maria sy Josefa kosa, mba hahatanterahan’izany fampanantenana izany dia nanaiky ny faharavan’ny “nofonofin’izy ireo” mba hahatanterahan’ny “nofinofin’Andriamanitra”. “Lehilahy marina” i Josefa, tsy noho ny fanatanterahany ny lalàna, satria araka ny Boky Deteronomy (Det 24,1) dia tokony hanome taratasy fisaoram-bady izy, hoy i Md Jerome. Ny tsy fanomezany izany ka naniriany hisaotra mangingina an’i Maria dia midika fahafatesana ho an’i Maria. Marina izy satria tsy manan-tsafididy afa-tsy roa: na Zanak’Andriamanitra ny Zaza na zanaky ny fijangajangana (Jn 9, 34: araka ny fahalalan’ny mpiara-monina azy). Impiry kosa isika no antsoin’Andriamanitra tahaka an’i Josefa manoloana ny trangan-javatra toy izany mba hanananterahany ny sitrapony. Mety zavatra tsy ho takatry ny saintsika. Tsy manery anefa Izy fa miantso antsika ao anatin’ny torimaso, miandry antsika hifoha ka hanapa-kevitra malalaka hanaiky na tsia ny fangatahany.
Ankalazaintsika anio ny faneken’i Md Josefa, lehilahy marina, izay nanaiky hampakatra an’i Maria ho vadiny rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony, ary “tsy nahalala azy izy, ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1, 25, tsy vakiana amin’ny litorjia). Ambaran’i Matio araka izany ny naha-virjiny ny niterahan’i Maria ny Zanany. Teny finoana izany. Mety hiteraka fanontaniana manitikitika ny saintsika, saingy tsy hahasoa ny handany andro hitady valiny amin’izany. Ny fankalazana anio dia miantso antsika kosa mba hahay hamantatra ny fandaharan’Andriamanitra, ka hanaiky ho fitaovana ampiasainy hoentiny manohy ny asam-pamonjena efa nosantariny tamin’ny Zanany. Antsoiny hiaro ny ain’ny Zaza sy ny Reniny koa isika ka asakasaky ny tsirairay na hijanona ao amin’ny nofinofin’ny fisainan’ny olona, na hifoha ka hiaina ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra tahaka an’i Josefa.
Hahatahiry ny famonjena nankinina amin’i Md Josefa anie ny Fiangonana.