Trinitera Malagasy
Alina Masina

Alina Masina

Njara Pascal

Ny Alakamisy Masina isika dia nankalaza ny Eokaristia, izay mampahatsiaro antsika fa ny fanompoana no mampisy heviny ny fiainatsika, ny fanompoana ny hafa fa tsy ny fanompoana ny vola aman-karena na ny laza amam-boninahitra. Ny Eokaristia no mofon’aina mamelona izay te hanara-dia an’i Jesoa amin’izany lalan’ny fitiavana izany.

Ny Zoma masina, manaraka ny lalan’ny hazofijaliana, izay lalan’ny fitiavana, lalana mitondra amin’ny fahafatesana sy ny fahafaham-baraka ho an’ireo mifikitra amin’ny fahefany sy ny tombontsoany, fa lalana anehoan’i Jesoa ny fitiavan’Andriamanitra kosa ho antsika manara-dia Azy. Eo amin’ny Γαββαθά (Gabbathà), toerana avo, hitoriana ny vaovao mahafaly hoy i Izaia (Iz 40,9) no nitondran’i Pilaty Azy, ary io ilay λιθόστρωτος (lithostrôtos), vato tsara rary, ilay רָצַף – rātsaph, lazain’ny Tononkira fa “amborodao, asam-pitiavana avy amin’ny tovovavin’i Jerosalema”, eo afovoan’ny toerana hampakaran’ny Mpanjaka antsika ho vadiny (Ton 3,10-11).

Anio alina kosa isika mandinika ny fitiavan’ilay Andriamanitra manoro antsika ny lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana, saingy tsy misolo antsika amin’ny fizorana amin’izany lalana izany. Ny fahalalàna Azy no fahasambarana, izany no fiainana mandrakizay, hoy i Md Joany, ka manampy antsika hahalala ny tena Endrik’ilay Andriamanitra tompointsika ny vakiteny Masina vakiana anio.

Alina Masina: dabar דבר & deborah דברה

Efa miteny ho azy ny Litorjia amin’ity alina ity. Mahasoa ny mamintina ireo vakiteny sitraky ny fiangonana ankalazaina amin’ity alina ity, hamintinana ny tantaran’ny Famonjena antsika, hazavain’ny Fandresen’i Kristy amin’izao alina izao, dia ilay alina masina niatrehan’Izy Tompo samirery ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa alina masina nisitrihan’ireo mpianatra ihany koa satria any am-pasana no niheveran’izy ireo fa itoeran’ilay Tompon’ny aina.

Ny deborah (דברה, féminin de dabar, tantely, jiro vita tamin’ny tantely savoka) apetraka eo anoloan’ny dabar (דבר – dabar, teny) dia manambara amin’ny Kristianina fa i Kristy, maty namela mamy, ny hazavan’Izy nitsangan-ko velona no manome hasina sy heviny ny tantaram-pamonjena manontolo, fintinin’ireo vakiteny 7 amin’ity alina ity. Raha tsy nitsangana i Kristy, dia zava-poana ny toriteninay, ary foana ny finoantsika, hoy i Md Paoly.

Vakiteny I. : Jenezy 1,1–2,2 (na fohy : 1, 1.26-31a)

Sal : 103 (104),1-2a.5-6.10.12.13-14ab.24.35d na 32,4-5.6-7.12-13.20.22

Mampianatra antsika handahatra ny zavaboary sy ny fiainana araka ny naharian’Andriamanitra antsika ny Boky Jenezy. Nohariany ho mafy orina manko izany, narindrany mba hampahavokatra ny asan’ny olona ka mampisaotra ny Tompo (sal 103). Ny hazavana no noharian’Andriamanitra mba hahatonga ny fiainantsika hilamina (miala amin’ny toetrany mikorontana sy tsisy endrika tsy azo honenana ( תֹּהוּ – tohou,) hahasarika ny olona fa tsy ho babangoana sy foana tsisy mponina (בֹּהוּ – bohou,). Ny Hazavana no hahafahantsika manavaka ny lanitra sy ny tany, manavaka izay maharitra sy mandalo ihany, manavaka ny tany amin’ny ranomasina, ny tsara sy mahavokatra amin’ny ratsy mampatahotra sy mamongotra ny aina, ka hiandrasana ilay masoandro miposaka ka tsy hilentika intsony, fa manazava ny maraina vaovao mandimby ny alina. Avy amin’ny fihainoana ity vakiteny ity isika no hianatra hankafy ny zavaboary, ka hahita fa “tsara indrindra izany”. Na dia ao anatin’izay mety ho zavatra mafy sedraina amin’ny fiainana aza, dia hahay hibanjina ny hatsaran’ny asan’Andriamanitra.

Vakiteny II. : Jenezy 22,1-18 (na fohy : 22,1-2.9a.10-13.15-18)

Salamo : 15,5.8.9-10.11

Rehefa noharian’Andriamanitra isika dia nofidiany mba hanasoavany ny firenena satria nihaino ny feony. Ny Finoan’i Abrahama no ivoriantsika mankalaza ilay Zanak’ondry nisolo an’i Isaaka atao sorona ho famonjena antsika. Io ilay Andriamanitra “eo aloha”, “eo an-kavanana sy eo an-kavia”, ka “hafinaretan-dava no eo an-kavanany”, satria manoro antsika ny lalana mankamin’ny fahasambarana Izy (Sal 15). 

Vakiteny III : Eksaody 14,15–15,1a

Tononkira : Eksaody15,1b.2.3-4.5-6.17-18

Ny fanafahany ny vahoakany avy amin’ny fanandevozana no lalana hitondran’i YHWH azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenainy. Navondron’Andriamanitra ho vahoakany isika. Notiaviny manokana mba hitory ny hatsarany amin’ny taranaka sy ny olona rehetra. Izay nafahan’Izy Tompo ihany no afaka mankalaza ny Pakany. Tsy azo hadinoina anefa fa efa-polo taona nivenjivenjy tany an’efitra ireo vahoaka ireo, ary tsy tafiditra ny tany nampanantenaina akory, na i Môizy aza, satria tsy nihaino an’Andriamanitra.

Vakiteny IV: Izaia 54,5-14

Salamo: 29 (30),3-4.5-6ab.6de.12.13

Tsy vahoaka fe vahoaka anefa fa “vadin’ny Mpahary azy”, “Ikala ory” saingy vadin’ny fahatanorana, ka na manana ny ditrany aza dia tiavina sy amindrana fo mandrakariva, ary hirariany mba hiadana amin’ny fahendrena mbamin’ny fiadanan’ny taranaka. Izay notiaviny toy izany dia tsy afaka ny tsy hidera ny Tompo izay nanafaka azy (Sal 29).

Vakiteny V: Izaia 55,1-11

Tononkira : Izaia 12,2.4bde.5-6

Izy Tompo koa no mamelona maimaim-poana ny vahoakany, mampamokatra ny Tany mba hahazoana voa afafy sy hanina ho an’ny mpamafy. Ny Teniny no manan-kery hanatontosa ny sitrapony. Tsy matahotra intsony aho fa matoky, hoy ny Mpaminany ao amin’ny setriny, ka manentana ny mpihaino azy hidera sy hiantsa ny anaran’ny Tompo.

Vakiteny VI : Baròka 3.9-15.32– 4.4

Salamo : 18B,8.9.10.11

Andriamanitra no maniraka ny fahazavana, hoy Baròka. Ny didiny no fahendrena satria manoro ny lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Izay te ho sambatra araka izany dia tsy maintsy mitandrina ny Didy, mizotra amin’ny fahazavan’ny Tompo mamirapiratra. Izay mifikitra Aminy no ho tonga amin’ny fiainana, fa izay mandao Azy kosa ho any amin’ny fahafatesana. Ny didy aman-dalan’Izy Tompo ihany no mahafaly ny fo, hoy ny Sal 18.

Vakiteny VII : Ezekiela 36,16-17a.18-28

Salamo : 41 (42),3.5; 42 (43),3.4

Tsy hambom-pon’olombelona anefa no hahafahany mifikitra amin’izany lalan’Andriamanitra izany fa ny fahasoavan’Andriamanitra ihany. Tsinjon’i Ezekiela sahady ny Ranon’ny Batemy manadio ka manavao ny fo sy ny fanahy ho feno ny Fanahy Masina ka hizotra araka ny fitsipika (izay mitondra mandrakariva any amin’ny fahasambarana), ho fanomezam-boninahitra ny Anarany nalantsika baraka, ka hotantanan’ny hazavany sy ny fahamarinany hatrany am-bohitra masina (Sal 41). Any no hiantsàntsika hoe: “Amen Aleloia” mandrakizay, hoy i Md Augustin.

Eto koa no miredona ny Voninahitr’Andriamanitra izay nandray ny Fanahiny ka mitarika vahoaka handroso ao an-tranon’Andriamanitra amim-peo feno fifaliana sy fiderana sy horaka aman-danonana manako (Sal 41 ihany).

Raha misy batemy :

Tononkira : Izaia 12,2.4bde.5-6 na Salamo : 50,12-13.14-15.18-19

——————-

Taratasy : Rômanina 6,3b-11

Ny Batemy no nandraisantsika ny Fanahiny tamin’ny nisitrihantsika tao amin’ny fahafatesan’i Kristy ka hitsanganantsika ho velona amin’ny fiainam-baovao araka ny Evanjeliny, ka ho faty raha ny amin’ny fahotana. Izany no mahatonga ny Zanaky ny Fiangonana tsy afaka ny tsy handray anjara amin’ity alina ity, mba hanavao ny fiombonany aina amin’i Kristy sy ny Egliziny.

Salamo : 117 (118),1.2.16-17.22-23

Evanjely : Matio 28,1-10/Lioka 24,1-12/Marka 16,1-8

Izay mino fa ny fanolorana ny tena ho an’ny hafa ho fitiavana no fahalavorarian’ny maha olona, dia tsy hitady any amin’ny toeran’ny maty ilay Tompon’ny aina. Ny fampianaran’i Jesoa no manampy antsika hahazo izany. Tsy ny fitondran-tena lafatra no mampiavaka ny kristianina. Misy olona tsy kristianina sy tsy mahalala an’Andriamanitra akory kanefa manasoa sy tsara fitondran-tena lavitra noho ny kristianina. Tsy midika izany fa afaka mibolila amin’ny fitondran-tenany ny kristianina. Ny mampiavaka antsika dia ilay fanantenana mitsiry ka mahazo laka ao am-pontsika vokatr’izay finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona izay. “Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao aminareo”, hoy i Md Piera (1P 3,15).

I Kristy tafatsangan-ko velona no fototry ny fanantenantsika.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Ireo alahadin’ny Paka: Mystagogie – Sakramenta 7
PREVIOUS
Zoma masina
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia fanosorana lavenona
  • Talata fahenina mandavan-taona
  • Alatsinainy fahenina mandavan-taona
  • ALAHADY FAHA 6 MANDAVAN-TAONA – Taona A
  • Sabotsy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia fanosorana lavenona 17 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.