Trinitera Malagasy
Alatsinainy III Fiaviana

Alatsinainy III Fiaviana

Njara Pascal
  • Fanisana 24,2-7.15-17
  •  Salamo 24
  • Md Matio 21, 23-27

Faminanian’i Balaama zanak’i Beora izay lavo ka nisokatra ny masony!

Ny fahalavoana dia tsy hoe fahavoazana mandrakariva tsy akory fa tokony hampisokatra ny maso, tsy hahita izay mitranga ihany fa hahita lavitra, hahatazana na dia tsy mbola akaiky aza, hahatazana ilay kintana miposaka ao amin’i Jakôba ary hahatsinjo ilay tehi-mpanjaka mitsangana avy amin’Israely.

Ao amin’ny toko faha-23 sy faha-24 amin’ny Bokin’ny Fanisana moa dia nantsoin’i Balaka hanozona an’Israely i Balaama, saingy in-telo be izao izy no namaly hoe “tsy afaka ny hanova izay voatendry sy tian’Andriamanitra hambara ny mpaminaniny”. Tsy misy afaka hanisy ratsy an’izay arovan’Andriamanitra. Izany fitokisana amin’ny fampanantenana sy amin’ny fahamarinan’ny Teny aloakan’ny vavan’Andriamanitra izany no hahafahana maminany fa azo antoka ny famonjena avy amin’i YHWH, na tsy tanteraka eo hono eo aza, ankoatra izay fahasoavana efa atobany amintsika isan’andro vaky.

Izany fitiavan’Andriamanitra izany no hahafahany manao mihoatra noho izay mety ho mendrika antsika noho ny ota vitantsika, ka hahafahantsika miventy miaraka amin’ny mpanao salamo (Sal 24) mba hanadinoan’Andriamanitra ny otantsika hatramin’ny fahazaza, ary hanoroany antsika ny lalana tokony hizorana ho amin’ny fahasambarana.

Ny olona rehetra, hoy Paoly, dia mpanota avokoa (Rm 3,23), ny fiekentsika izany no hahafahantsika koa manaiky ny fahefana ananan’i Jesoa. Ao amin’ny Evanjely dia nanontanian’ireo lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona i Jesoa hoe fahefana avy aiza no anaovany ny zavatra rehetra ataony (exousìa izay nandikana ny shaltan, sultan), izany hoe ny “nandiovany” ny tempoly (Mt 21,12ss). Ny antony nanaovany izany moa dia satria ao amin’ny Tempoly voadio ihany no afaka hampianarany ny Tenin’Andriamanitra araka ny sitrak’Andriamanitra.

Mazava loatra fa raha avy amin’Andriamanitra ny fahefan’i Jesoa dia tapitra hatreo ny fanjakazakan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalàna. Eto dia ampianarin’i Jesoa isika hametra-panontaniana, eny fa na dia amin’ny fanontaniana ataontsika aza: Inona ny antony ametrahako izany fanontaniana izany! Ny mametra-panontaniana amin’ny tena kosa dia fahendrena ary manamafy orina ny fahamarinana hifotoran’ny finoana sy ny fanantenana. I Joany, ilay efa nanoro tamin’ny Mpianany ilay Zanak’Ondry manala ny fahotan’ny olona aza, dia mbola nampanontany indray tany an-tranomaizina na io notondroiny io na tsia ilay Mesia. Ny antony moa dia satria ny Mesia antenain’Israely dia hamaha ny fatoran’izay mifatotra, saingy mbola am-patorana kosa izy. Tsy fahasoavana ho azy anefa no lazain’i Jesoa fa ny fahasoavana ifandrimbonan’ny mpino rehetra hahasambatra ny zanak’Andriamanitra rehetra. 

Ny olona mararin’ny henamaso anefa dia tsy afaka ny hanana ny heviny, kat’ophtalmodoulian no ilazan’i Md Paoly azy amin’ny teny grika (Ef 6,6), satria izay heveriny fa hitiavana na hanajan’ny olona azy no tokony hamaliany na tsia. Izany no nahazo ireo lohandohan’ny mpisorona. Aleony nilaza ho tsy mahalala toy izay hahazo tsiny eo imason’ny olona, toy izay ho very ny tombontsoa izay nanorenany ny fahasambarana, amin’ny fametsifetsena ny vahoaka sy ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny Tempoly: sady tsy nino an’i Joany izy ireo nefa nahalala fa i Joany dia Mpaminany lehibe teo imason’ny rehetra.

Tsy afaka ny hahazo ilay Mpanjaka misafidy ny zanak’ampondra (nidiran’i Jesoa tao Jerosalema Mt 21,5), tsy afaka hiandrandra ilay Mpamomjy nisafidy ny fihinanam-bilona ho fiandrianana amin’ny fahaterahany ety anivontsika izay mbola bararata tsofin’ny rivotra (mpanaraka ny fitsokan’ny rivotra), na izay mbola manenjika ny akanjom-boninahitra heveriny fa hanomezan’ny olona voninahitra azy.

Tsy avelan’i Jesoa ho very anefa na dia ireo izay namaly azy aza, mbola omeny “chance”, omeny fahasoavana vaovao hahafahana mibebaka indray, hahafahana misafidy ny sitrapon’ny Ray (Evanjely rahampitso). Tsara fo Izy ka ny mpanota toroany lalana mandrakariva. Anjarantsika ny misafidy ny lalana atorony mba hizorana ho amin’ny fahasambarana ampanantenainy.

Hanazava ny fontsika mbola rakotry ny haizina anie ny fiezahana mitsena an’i Kristy ho avy hamangy antsika hitondra ho antsika ny fahasoavany (vavaka fangatahana).

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alarobia III Fiaviana
PREVIOUS
Alahady fahatelo Fiaviana Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Alakamisy fahatelo tsotra mandavan-taona
  • 25 janoary: fibebahan’i Md Paoly
  • Alarobia fahatelo tsotra mandavan-taona
  • Talata fahatelo tsotra mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    janvier 2023
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    293031  
    « Déc    

    Archives

    Articles récents

    • Zoma fahatelo tsotra mandavan-taona 26 janvier 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.