Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-12 mandavan-taona

Alatsinainy faha-12 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 2 Mpanjaka 17, 5-8, 13-15a. 18/Salamo 59
  • Tsy ankasa Jenezy 12, 1-9/Salamo 32
  • Md Matio 7, 1-5

“Aza mitsara”, izany no baiko omen’i Jesoa izay te hihaina ny hafenoan’ny fitiavana amin’ny maha-zanaky ny Ray izay any an-danitra. Ny antony tsy tokony hitsarana dia, voalohany indrindra, hihevitra ho ambony sy ho tsaratsara kokoa noho ny hafa ianao, ary mety hahavita hanivaiva ny rahalahinao aza, ka raha sanatria tsy ny fitadiavana ny soa ho azy no tadiavinao dia tsy izay sitrapon’Andriamanitra ho azy, tsy ny endrik’Andriamanitra nahariana azy no ho hitanao fa ny endrik’olombelona izay irinao hasehony mba hamalifaly ny fonao.

Ny fahefana nomen’i Jesoa ny mpianany mba “hamehy sy hamaha” (Mt 16, 19; 18, 18) dia tsy maintsy hiainana araka izany fitiavana izany, ka ny hahavonjy ny rahalahy no tanjona, eny fa na dia hamelàna ny 99 any an-tendrombohitra aza mba hitadiavana ny iray very, eny fa na dia hamoizana ny aina aza. Isika koa, tsy Md Piera ihany, dia antsoina mba “hamehy sy hamaha”, izany hoe hitady ny fomba rehetra hanahafana ny Ray izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra. Aza mitsara dia tsy hotsaraina ianareo satria ny famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo (Mt 7, 1-2). Izay te ho voavonjy dia tsy maintsy hampiasa ny famaran’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ilay Ray. Famindram-po tsy misy fetra, hoy Md Augustin.

Na aiza na aiza misy Fiangonana mivavaka, izany hoe mitady ny fomba hanampiana ny rahalahy mba hibabeka ka ho voavonjy dia hohenoim-bavaka izy. Tsy sanatria ny fomba hanilihana ka hitanisana ny lalàna no handaniana ny fotoam-pivavahana. Ny lalàn’ny Fiangonana aza dia azo fintinina amin’ny fehezan-teny tokana ny zavatra kendreny: ny famonjena ny fanahy (Canon farany 1752).

Na ny fifandraisana amin’Andriamanitra, indrindra amin’ny vavaka hiantsoana Azy ho Ray (Mt 6, 1-18), na amin’ny fahaizana mitantana ny haren’ny tany (Mt 6, 19-34) na amin’ny fifandraisana amin’ny rahalahy, araka ny Evanjely anio, dia mitondra antsika amin’ny tanjona iray ihany: mba hahatanteraka ny Lalàna sy ny Mpaminany (Mt 5, 17) izay tsy mikendry afa-tsy ny hahasoa ny olombelona rehetra, hahatonga antsika ho masina, hanahaka ny fahamasinan’Andriamanitra.

Izay te hanala ny tapa-kahitra eo amin’ny mason’ny rahalahiny anefa dia tokony hanala ny sakamandimby eo amin’ny masony aloha. Ny δοκός (dokos, sakamandimby) dia ny tsivalan-kazo mitaty ny rairain-drihana. Raha io no esorina dia hirodana ny trano. Raha alaina ara-keviny anefa ny sakamandimby eo amin’ny maso izay dia ny fijery miakatra sy miandrandra no sakanany tsy hahita mihoatra azy. Izay tsy mibanjina ny lanitra, izay tsy mahita ny endrik’Andriamanitra dia tsy afaka ny hanampy ny rahalahiny araka ny tokony ho izy.

Ao amin’ny vavaka no hahafahana manopy ny maso any an-danitra, izany hoe hiakatra mihoatra ny sakamandimby,  ka hahita ny vahoaka mivavaka mba hahazo ny hanina sahaza azy isan’andro avy amin’ilay Ray. Io no ἐπαίρω (epairo) ao amin’ny Evanjelin’i Joany izay nadika hoe “manopy” ny maso, fa raha ny heviny dia hoe manopy miakatra: niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nahita ny ireto vahoaka be nanatona Azy (Jo 6, 5). Tsy fiandrandrana hijery ny Ray ara-bakiteny izany tsy akory, satria efa mibanjina Azy mandrakariva Izy amin’ny fanaovana ny asa napetrany hotanterahina (Jo 5, 19ss) fa miandrandra kosa mba hijery ny vahoaka, miandrandra satria nilatsaka ambany (Kenosis) ho mpanompon’izy ireo. Ao amin’ny vavaka no hiantsoantsika ilay Ray “any an-danitra” ka hahafahantsika mijery ny hafa ka hilatsaka ho mpanompo, ho “andevo mpanasa tongotra” (Jo 13). Izay voasakan’ny sakamandimby ny masony, tsy ho afaka ny hibanjina ny Ray, tsy ho afaka ny hiondrika hanompo ny rahalahy.

Izany koa no hahafahantsika mibanjina ny olombelona nohariana haneho ny endrik’Andriamanitra (צֶלֶם  tselem), ary hahafahantsika koa maneho ny endrik’Andriamanitra amin’ny hafa satria hitovy endrika Aminy isika (דְּמוּת demout). Izany no hahafahana miaina araka izay lazain’i Md Paoly hoe: mifananinana hifanaja, προηγέομαι (proegeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rom 12, 10).

Hahay hanesotra ny sakamandimby tsy hahafahantsika mibanjina ny endrik’Andriamanitra Fitiavana anie isika, ka hahita ao amin’ny fivavahana ny fomba mifanaraka amin’ny “fahamarinan’Andriamanitra” katsahintsika, mba hanampiana ny hafa heverintsika ho mila vonjy.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur WhatsApp(ouvre dans une nouvelle fenêtre) WhatsApp
  • Cliquer pour imprimer(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Imprimer
  • Cliquer pour envoyer un lien par e-mail à un ami(ouvre dans une nouvelle fenêtre) E-mail
  • Article
  • Cliquez pour partager sur Telegram(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Telegram
  • Cliquez pour partager sur Reddit(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Reddit
  • Cliquez pour partager sur Threads(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Threads

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-12 mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-12 mandavan-taona Taona A
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Alarobia fahadimy mandavan-taona
  • Alakamisy fahadimy mandavan-taona
  • Talata fahadimy mandavan-taona
  • Alatsinainy fahadimy mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2026
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alakamisy fahadimy mandavan-taona 11 février 2026
    © 2026   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.