Trinitera Malagasy
Alatsinainy faha-11 mandavan-taona

Alatsinainy faha-11 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa 1 Mpanjaka 21, 1-15/Salamo 5
  • Tsy ankasa 2 Kor 6, 1-10/Salamo 97
  • Md Matio 5, 38-42

Amin’ny fomba firafetan’ny fiaraha-monina, indrindra moa rehefa tsy arahina araka ny tokony ho izy ny lalàna dia ny fitsaram-bahoaka no miha-mahazo vahana tsikelikely, na dia habibiana ihany aza no vokatr’izany:  “Maso efai-maso, nify efai-nify” (Eksaody 21,24; Levitika 24,20; Jenezy 9,6). Io no lalànan’ny “talion”, nitovizan’ny toe-tsaina hamaliana faty ka hanjakan’izay mahery, tahaka ny tantaran’i Lameka ao amin’ny Boky Jenezy (Jen 4, 23-24). Noheverina fa ny famaizana no hahafahana mametra ny fitaran’ny ratsy, ka hampiahotra ny hafa hamerina ny hadisoana noho ny fahatahorana ny famaizana tsy azo hivalozana. Tsy mahasakana ny ratsy anefa izany fa vao mainka aza manampy trotraka ka mampitombo ny hafetsena sy ny fiantsaram-belatsihy. Hitantsika amin’ny fiainana andavanandro ny vokany: ny mpangalatra akoho maty vonoin’ny fitsaram-bahoaka; ny mpangalatra an-tapitrisany milamina sy miadana (farafahakeliny ahay eo imason’ny olona).

Manoloana izany dia ambaran’i Jesoa amin’ny mpianany fa tsy misy lalana hahafahana manorina fiaraha-monina vaovao, hidirana amin’ny fiainana, raha tsy amin’ny fanaovan-tsoa: handresy ny fitiavan-tena amin’ny fitiavana, handresy ny ratsy amin’ny tsara (Rom 12,21). Fitsipika vitsivitsy no ampianariny antsika androany mba hahafahana manao izay.

Ny voalohany indrindra dia “tsy mamaly ratsy akory”, izany hoe hanohitra ny “fahotana” fa tsy ny “mpanota”, ny ratsy dia manimba izay nahavita azy voalohany indrindra, ny mpanota no efa andevoziny, babony ka tsy afaka ny hanohitra azy, ka raha heveriko ho rahalahiko izy dia ampiako ho afaka, omeko tanana mba hiarina. Indraindray anefa heveriko ho mpifaninana amiko izy ka satriko aza nahavita ratsy hiampangana sy hankahalana ary hanapotehana azy. Ny fankahalako na ny fitiavako azy araka izany no hahafahako mijery izay iraiketan’ny foko na amin’ny ratsy na amin’ny fitiavana. Ampianarin’i Jesoa hitia ny mpanota ny mpianany ka hitarika azy ho amin’ny hazavan’ny fitiavana. Izy no ilay Zanank’ondry mitondra (mivesatra) sy manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jo 1, 29).  Ny famindram-po no hahafahana mandresy ny ratsy. Ahoana anefa no hahavitàna izany?

Ny fitsipika atoron’i Jesoa manoloana ny herisetra dia ny fahaizantsika mandefitra, mihoatra izay efa zakaintsika. Tsy sanatria hanome rariny ilay namely fa kosa hahay hifehy tena hiharitra ny tsy rariny sy ny fanambaniana toy izay hahavita ratsy amin’ny rahalahy. Na i Jesoa aza tsy nanolotra ny takolany havanana rehefa voan’ny teha-maina (jereo Jo 18, 23), saingy tsy namaly kosa.

“Raha misy te hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao dia afoizo ho azy koa ny lambanao”. Sarotra izany. Manoloana ny tsy rariny dia tsy vitan’ny mandefitra fa hahafoy hatramin’izay anananao zo aza ka hiarovan’ny lalàna anao (Eksaody 22, 25-26, Det 24, 13): mba handreseny ny ratsy dia neken’i Jesoa hatramin’ny endahina akanjo sy hofantsihana amin’ny hazofijaliana.

Ny zavatra fahatelo dia manoloana izay mety hanapa-pahefana: “Raha misy manery (ἀγγαρεύω aggareuo) anao hanao arivo dingana, miaraha aminy roa arivo”. Ny “Angarius” moa (mety ho avy amin’ny אִגְּרָה ‘iggera’,) iraky ny mpanjaka, dia afaka manery izay tiany mba hitondra ny entany, ka raha zanak’Andriamanitra ny olona rehetra, zanaky ny Mpanjakan’ny Mpanjaka, dia mazava loatra, tsy afaka ny handà tsy hanao izay angatahiny ianao, hanao mihoatra noho izany aza.

Manoloana ny olona mpila vaniny, manoloana izay mety hanelingelina ny fahasambarantsika, inona kosa no tokony hataontsika? “Omeo izay mangataka…” fa sambatra kokoa izay manome noho izay mandray, hoy i Paoly, mamintina izany fampianarana izany (Asa 20, 35). Izay tsy mizara dia tsy afaka ny hiombona amin’ny misterin’Andriamanitra Trinite Masina: ny Zanaka manambara amintsika izay rehetra reny tamin’ny Ray (Jo 15, 15); ny Fanahy manome antsika izay rehetra an’ny Zanaka (Jo 16, 12-15), omeny antsika manontolo ny fiainany. Ny fanomezana no hisokafantsika amin’ny hafa ka hidirantsika amin’ny fiombonana aminy, handresena ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola, loharanon’ny ratsy rehetra (1 Tim 6, 10).

Tsy ny fanidiana ny varavarana no tsy hidiran’ny haizina avy any ivelany ao an-trano, ka hampazava azy amin’ny andro alina fa ny fandrehetana jiro. Tsy ny haizina avy any ivelany tsy akory no hiditra ao a-trano, fa ny hazavana avy ao an-trano no hitosaka any ivelany rehefa mirehitra kosa ny jiro.

Haharesy ny tahotra anie isika ka hahay handresy ny ratsy amin’ny soa.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Talata faha-11 mandavan-taona
PREVIOUS
Alahady faha-11 Taona A mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.