Trinitera Malagasy
Alarobia faha-31 mandavan-taona

Alarobia faha-31 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Filipy 2, 12-18/Salamo 26
  • Tsy ankasa Romana 13, 8-10/Salamo 111
  • Md Lioka 14, 25-33

Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa. Ambarany amintsika androany ny safidy miandry izay te-hanara-dia azy : “izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka ahy dia tsy mety ho Mpianatro” (and. 27).

Fa inona ny hazofijaliana tsy maintsy zakaintsika? Ary ahoana no hahalalantsika ny lalana hizoran’i Kristy?

Ireo nanaraka an’i Jesoa tamin’izany andro izany dia voatery nisaraka tamin’ny fianakaviany, voatery mankahala (μισέω miseo), na ny dikan-teny marimarina kokoa ankahalain’ny rainy, ny reniny, ny rahalahy sy anabavy (satria tsy afaka mankahala ny mpianatra fa hitia hatramin’ny fahavalo aza), ary hanao tsinontsinona hatramin’ny ainy aza, satria noheverina ho “sekta” ny fanarahana an’i Jesoa ka mazava loatra ireo nanaraka azy dia voaenjika niaraka taminy, ka mety hanefa hatramin’ny aina.

Ankehitriny kosa dia tsy toy izany, tsy voatery hifanohitra ny mpianaka mba ho tonga kristianina. Zary fiteny heno matetika ny hoe “samy manao izay tiany”, “tsy hifanerena ny finoana”. Ny tsy maintsy hitandremana aza dia satria ny maha-kristianina (na ny antokom-pivavahana) indray no lasa fitadiavam-boninahitra eo amin’ny fiaraha-monina ka misy ny manao izany ho fitaovana hivelomana na hahazoana voninahitra bebe kokoa, tsy hitiavana fa hanambaniana na hisehosehoana ho ambony noho ny hafa. Nivavaka ho an’ny mpandraharaha masina ny frera indray andro, dia nanontany tena aho hoe: misy olona voairaka na voatendry ho handray andraikitra ao amin’ny Eglizy ka lasa mpandraharaha marina tokoa saingy  tsy miraharaha izay fahamasinany sy ny fanamasinana ny hafa, nefa ny sehatry ny Fiangonana no safidiana ho toeram-pikatrohana. Mampalahelo.

Ho an’izay tena mpianatr’i Kristy anefa, tsy maintsy misy “safidy” atao ao: hihaina araka ny Evanjely. Tsy ny anarana no maha-kristianina fa io safidy io, safidy izay natomboka tamin’ny Batemy: fandavana an’i Satana sy ny fanangoleny rehetra mba hinoana an’Andriamanitra tokana olona telo. Tsy mora izany, ary misy hazofijaliana tsy maintsy zakaina ao.

Tsy sanatria tsy akory isika no handeha hitady fijaliana na sanatria i Kristy no faly amin’ny hijaliantsika. Tsy azo adino fa ny hazofijaliana dia famantarana ny ady atao amin’ny tsy rariny, famantarana ny fahavononana hiharitra hatramin’ny fahafatesana mba hanambara ny marina, mba hiharo ny marina ary mba hanehoana ny fara-fitiavana, tsy an-terisetra fa amin-kalemem-panahy.

Voaantso hanaraka izany dian’i Kristy izany ny Mpianany hany ka mila mipetraka aloha mandinika. Averin’ny Evanjely in-droa izany, hilazana fa tsy olona manaonao foana ny kristianina fa vokatry ny vavaka sy ny fandinihana no hahafahana manapa-kevitra matotra hanarahana an’i Kristy. Dia samy mandinika isika, ary samy mahatsapa fa mbola lavitra izany maha-mpianatr’i Kristy antsika izany. Dia hihemotra sy hiverin-dalana (shub) ve sa hotohizana ihany ny maha-kristianina anarany fotsiny, na dia ho fisehoana ivelany ihany aza?

Zavatra roa no iompanan’ny “fipetrahana mba hisaina mialoha” lazain’i Jesoa: manao trano, izany hoe hanao fefy fiarovana mba tsy handroban’ny mpangalatra ny fananana sy ny harena; handefa miaramila hiady. “Ny vavaka, tolona fa tsy sento”, tolona handresena izay rehetra manakana ny fo tsy hahafoy manontolo ka ho afaka hiaina araka ny Evanjely. Tsy ny pretra sy ny relijiozy irery sanatria no antsoin’i Jesoa hahafoy izay rehetra ananany fa izay te ho mpianany rehetra. In-telo farafahakeliny no averin’i Md Lioka io ( ao amin’ny Lk 12, 33 sy Lk 18, 22 koa).

Tsy misy mahalala ny hevitr’Andriamanitra anefa, indrindra rehefa mananosarotra ny mijanona amin’ny fahamarinana ka alaim-panahy hialona ny fiadanan’ny ratsy fanahy (Sal 73) ! Ny fahatsapana ny fahalemena sy ny fetran’ny tena (Sal 89) no manosika hanana fahendrena marina, hahaizana misafidy (decidere= decider) izay sarobidy tsy maintsy ho tanana ary hamelàna kosa ny hafa rehetra (recidere = trancher – couper), eny fa na dia zavatra mety ho tsara aza mba hahafahana manaraka marina an’i Kristy ka nahatsiaro mandrakariva ny teniny hoe : “Raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15, 5b). Dia izay no hiandrandrantsika mandrakariva ny fahasoavany, hahatsapantsika fa eo anivontsika Izy, ka mamindra fo sy miantra. Izy ilay miandry ny fiverenan’ny Zaza Mpandany sy mitondra eo an-tsorony ny ondry nania.

Tsy mora ny mitondra ny hazofijaliana, indrindra moa rehefa ny fiainana an-davanandro no manery antsika hizaka ny mety tsy fitovian-kevitra na mety ho fahalemena hifanakonana. Ny an’i Paoly aza, angatahiny amin’i Filemona dia mandray toy ny rahalahy an’ Onesimo izay olona iray izay sady andevo no nitsoaka. Tsy hatahotra ary isika ny hanamafy ny maha-mpianany antsika, handini-tena mandrakariva ka hanitsy izay mety ho faniriana sy tombontsoa tsy mifanaraka amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy. Tsy ny vola na ny voninahitra na ny sakaiza (fianakaviana) no tanjona, fa ny fampanjakana ny fahamarianana sy ny fitiavana, eny fa na dia hiafara amin’ny famoizana ny aina aza izany.

Dia ventsoy mangina ao am-po ilay hira hoe : “O ry Jesoa Kristy Tompo! Arahiko ianao na aiza na aiza”.

Partager :

  • Cliquez pour partager sur Facebook(ouvre dans une nouvelle fenêtre) Facebook
  • Cliquer pour partager sur X(ouvre dans une nouvelle fenêtre) X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy faha-31 mandavan-taona
PREVIOUS
Talata faha-31 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • TRINITE MASINA TAONA D
  • Sabotsy fahafolo mandavan-taona
  • Zoma fahafolo mandavan-taona
  • Alakamisy fahafolo mandavan-taona
  • 11 jiona:MD BARNABE APOSTOLY

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    juin 2025
    D L M M J V S
    1234567
    891011121314
    15161718192021
    22232425262728
    2930  
    « Mai    

    Archives

    Articles récents

    • TRINITE MASINA TAONA D 13 juin 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.