Alarobia faha-21 mandavan-taona
- Ankasa 2 Tesalônika 3, 6-18 /Salamo 127/
- Tsy ankasa 1 Tesalônika 2, 9-13/Salamo 138
- Md Matio 23, 27-32
[Loza (οὐαί ouai) ho anareo ry Farisiana mpiatsaravelatsihy (ὑποκριτής hupokrites).
Tohizantsika ny fandinihana ireo loza roa farany lazain’i Md Matio amin’ity toko faha-23 ity.
Loza raha fisehoana ivelany ihany no heverina ho fahatsarana. Ny fasana voalalotra fotsy moa dia fanaon’ny Jody, manodidina ny vanim-potoana fankalazana ny Paka, mba hanavahan’ny mpandalo azy tsy ho voahitsaka ka sanatria handoto azy tsy hahafahany mankalaza ny Paka satria tsy maintsy midio fito andro (Fanisana 19, 11) ary ny volana faharoa fa tsy ny 14 Nissan (volana I) no hahafahany mankalaza izany (Fanisana 9, 10-11). Mety hanakana ny olona amin’ny fahalotoana araka ny lalàna izany ny “fasana” nolokoina fotsy, saingy tsy afaka hanadino ny maha-fitoeran’ny maty sy ny taolam-paty azy.
Ny voankazo teo afovoan’ny saha dia tsara endrika sy maha-te hihinana (Jenezy 3, 6), saingy feno poizina sy nitondra tamin’ny fahafatesana ny fihinanana azy. Mampalahelo tokoa matetika fa ny fisehosehoana ety ivelany mety hanafenana ny haratsiana kobonina ao anaty. Lazain’ny mpahay psikolojia aza fa ny fahakizintinana matetika dia fanafenana kilema tsy tiana horesena na kilema te hafenina (toy ny taolam-paty) ao anaty ao. Tsy afaka ny hiaina ao anaty fiantsaram-belatsihy sy faharatsiana izay te ho mpianatr’i Kristy.
Ny filàna loza farany dia ny fanaovana tsangam-bato sy fasana ho an’ny mpaminany sy ny olo-marina, satria sady hahazoana laza izany no mety hampidi-bola satria mampitombo ny mpivahiny sy ny mpivavaka tonga “mitalaho fahasoavana”. Ny Mpampinany dia olo-malaza, ny olomasina dia mendrika hohajaina sy italahoana “hivavaka mba hahazoana fahasoavana”, saingy tsy misy mahazaka izy ireny fahavelony. Ny Mpaminany maty no hajaina fa ny velona anaovana toeran-tsy zaka. Fiatsaram-belatsihy tsy tontan’ny ela ny manentsin-keloka ka ny fahotan’ny hafa sy ny razana hitomaniana sy helohina mba hanafenana ny fahotana sy hanamarinan-tena, hilazana sy hisehoana ho tsaratsara kokoa noho ny hafa, ho tsy mitovy amin’ny raiamandreny nanabe, satria izy ireo mpamono ny mpaminany. Matetika anefa ny harena sy ny tombontsoa nangonin’ireo razana tamin’ny fahotana izay lazaina fa tsy niraisana tetika dia ilibàna sy ampiasaina tsotra izao. Raha nandova ny harena azon’ireo raiamandreniko tamin’ny tsy rariny aho dia tsy misy porofo hilazako fa tsy miray tetika aminy sy ny fahotany afa-tsy ny famerenana amin’ny tompony ny harena tsy marina nolovaiko.
Izay mihevitra fa tsy miray tetika amin’ny “mpamono ny mpaminany”, kanefa mandova ny tombontsoa sy ny voninahitra azon’ireo razana nahavanon-doza, dia tsy iza fa vavolombelona mitsangana hanohitra ny tenany ary mandavorary ny ratsy efa natomboky ny razany, izay no mameno ny famaran’ny razany.
Ho haintsika anie ny hiala amin’izay rehetra mifamatotra amin’ny fahotana, ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelon’ny marina sy ny rariny, eny fa na dia hanariana ny tombontsoa sy ny voninahitra aza.