Alakamisy faha-21 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrinto 1, 1-9 /Salamo 144/
- Tsy ankasa 1 Tesalônika 3, 7-13/Salamo 89
- Md Matio 24, 42-51
Miambena àry fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Miambena sao hitovy anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy. Valinteny nomen’i Jesoa an’ireo mametra-panontaniana mikasika ny farandro (συντέλεια) io. Ny fanombohan’ny toko faha-24 moa dia fampianarana mba hamantatra ny toetry ny andro, ny “signes du temps” izay manambara ny fitiavan’Andriamanitra hanavotra ny olony.
Ny toko faha-24 amin’ny evanjelin’i Matio dia milaza ny momba ny farandro sy ny faharavan’i Jerosalema (Mt 24). Mety hahalasa ny saina araka izany ny hoe : Oviana ny farandro? Ireo tebiteby sy ady tantarain’i Matio antsika dia famantarana ihany; amporisihiny isika handinika sy hahatsapa fa misy ny fitsaran’Andriamanitra izay tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’olombelona tsy akory, fa fitsarana mitady ny fomba rehetra hanavotana ny zanany. Rehefa misy manontany ahy hoe “tsy efa tonga ve ny farandro?” dia valiako ihany hoe: “mbola nangatsiaka aho tamin’ny alina”, ka raha mbola misy ny hatsiaka, raha mbola misy ny maizina, mbola tsy farany izay, hoy Zakaria Mpaminany (Zakaria 14, 6-7). Ny farandro dia tsy inona fa ny fanehoany (ἀποκαλύπτω) izany rehetra izany amin’izao tontolo izao.
Ny fahazoana izany fitiavana izany no hahafahana mahazo ny fampianaran’ny Evanjely anio ka tsy sanatria hironan’ny fo amin’ny fiheverana ny mety ho fahasiahan’Andriamanitra hanasazy. Tsy ny tahotra ny sazy no tanjon’ny Evanjely fa ny famporisihana antsika handray anjara amin’ny asa fandavorariana ny tontolo ataon’Andriamanitra. Ny mety ho tsy fitandremana, ny tsy fiambenana dia mety hahatonga ny fiainana tsy hisy fotony, hahatonga ny tena ho mpiray anjara amin’ny mpiatsaravelatsihy.
Miambena àry (γρηγορέω).
Dia mety hisy hilaza hoe ka raha famonjena ahy no hahatongavan’ny Tompoko, tsy aleoko manao izay danin’ny kiboko, satria izy ve tsy hamindra fo amiko? Eny, hamindra fo Izy, ary hazavàna mandrakizay no entiny amin’ny fiaviany (Zakaria 14, 7; Apok 22, 5) ka izay rehetra tsy hahafahantsika mirehareha satria asan’ny maizina, dia hahamenatra antsika mandrakizay, ary raha sanatria ny asan’ny maizina no heverintsika hahazoana fahafinaretana fa tsy ny fanomezana sakafo ara-potoana izay nankinina tamintsika, dia ho loza satria fahafinaretana mandalo ihany ary ho fahamenarana mandrakizay, na tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra aza, eo anatrehan’ireo mpanompony. Tsy ho afobe hampijaly ve izany?
Inona kosa ny valisoan’ny fitokisana? Hatsangana ho mpitantana ny haren’Andriamanitra rehetra. Tsy tokony ho diso hevitra isika satria raha tsy fahasambarana ho antsika ny fizarana ny fananan’Andriamanitra hahasoa ny olon-drehetra dia tsy ho fahasambarana ho antsika koa izany valisoa izany. Raha mbola tsy mitovy ny fitiavantsika ny olombelona rehetra fa misy tombo sy hala dia tsy ho lavorary koa ny fahasambarantsika. Ny fizàrana amin’ny fiainan’ny lanitra araka izany no lalana mitondra amin’ny fahasambarana. Ny mpanompo mahatoky sy hendry no afaka haharitra amin’izany.
Ny kapoka dia zon’ny tompony irery ihany amin’ny andevo, ary na izany aza dia misy fetrany ihany (Jereo ohatra ny Eksaody 21, 27). Matoa ny fitondran-tenantsika tonga “fikapohana” fa tsy fanomezana sakafo ara-potoana, izany hoe tsy antom-pahasambarana ho an’ny namana “miara-manompo” (σύνδουλος) ka manjary fiaraha-miliba amin’ny mpimamo dia satria ny fifandraisana amin’Izy Tompo mihitsy no efa mivaralila, efa mihevitra ny tenantsika ho tompo isika ka manadino fa mpanompo tsy hitarain-tana-miompaka, tsy hitaky karama akory aza, satria “mpanompo tsy mendrika sitraka izahay[1] fa ny tokony hatao ihany no natao” (Lk 17, 10 ). Izany no antony hivavahana, satria tsy vitan’ny hoe ho avy amin’ny ora tsy ampoizina ny Tompontsika fa “eo amintsika mandrakariva Izy, mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20).
Tsy ho sanatria ho filàna loza ho amin’ny fitomaniana sy fikotroha-nify ny fiainantsika.
[1] tsy hoe “tsy mahasoa” (dikan-teny 1983) no andikàna ny ἀχρεῖος fa hoe “tsy mandray karama”, tsy mendrika sitraka.