Alarobia faha-15 mandavan-taona
- Ankasa Izaia 10, 5-16/Salamo 93
- Tsy ankasa Eksaody 3, 1-12/Salamo 102
- Md Matio 11, 25-27
“Misaotra anao aho Ray o satria…” Mialoha ny hijerena ny anton’ny hisaorana dia tsara ny mampahatsiahy fa ny teny ἐξομολογέω (exomologeo) no nadika hoe “misaotra”. Raha ny marina dia tsy fisaorana fotsiny fa filazana fa “hafa” (ex-) noho ny rehetra (homologue) ny Ray ka mendri-dera izany, mila lazaina am-pahibemaso ho ren-tany ren-danitra ny maha-izy Azy. Tsy ny hendry sy ny be saina no nanambarany ny tsiambaratelon’ny fanjakany fa ho an’izay manaiky ho zaza (νήπιος nepios), hanaiky ho zanaka ka hibadabada hoe “Aba”, hiankin-doha amin’ny Ray. Tsy afaka ny hiombon-kafaliana amin’i Jesoa amin’izany fiderana ny Ray izany izay tsy miombona amin’ny sitrapon’ny Ray.
Ny hendry sy ny be saina dia miezaka ny hahazo sy hahatakatra ny zavatra rehetra araka ny fiezahany. Soa fa tsy “religion” ny finoana katolika, hoy Papa Benoit XVI, ary marina izany. Ny “religion” dia ny fiezahan’ny saina hahatakatra ny mikasika an’Andriamanitra, ny antsika kosa dia “finoana”, ka manoloana ny “révélation”, ny fanambarana (ἀποκαλύπτω) ataon’ny Zanaka amin’izay tiany, dia mino izay mihaino ary matoky fa amin’izany fanambarana izany no lalana izorana ho amin’ny fiainam-pahasambarana ka mandray azy ho tarigetram-piainana.
Tsy mahagaga raha toa ka misy be saina milaza fa raha misy izao Andriamanitra izao dia tsy tokony hisy mahantra koa eto an-tany, satria raha mahefa ny zavatra rehetra izy dia tokony haringany ny mpanao ratsy ary fongorany izay mampijaly ny zanany; raha tsy manao izany izy dia “sadique”, lian-dra, ka mamela ny zanany hijaly eo, na sanatria tsy mahefa na inona na inona. Ho an’izay mino kosa, ho an’ny tso-po (araka ny dikan-teny hita amin’ny evanjely), dia i Jesoa maty eo amin’ny hazofijaliana no faratampon’ny fanambaran’Andriamanitra. Izy Zanaka no hany mahalala (ἐπιγινώσκω epiginosko) ny Ray, izany hoe miray petsapetsa sy iray fiainana Aminy, ka tsy afaka ny hanao afa-tsy izay mifanaraka amin’ny endrik’Andriamanitra Rainy izay banjininy mandrakariva. Tsy vitan’ny hoe tonga hanafaka antsika amin’ny rofy Izy, fa tonga hiara-dalana amin’ireo izay mijaly noho fanekena ny Teniny.
Ny kristianina dia izay matoky izany fitiavana lavorarin’ny Rainy izany (1 Joany 4, 16) ka miaina ny maha-zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin’ny fomba tsy mbola lavorary loatra aza, hoy Md Paoly, ka rehefa hifanatri-tava Aminy isika vao ho lavorary izany (1 Kor 13, 12-13). Na izany aza anefa, tahaka ny zaza ao am-bohoka, mitombo sy mivoatra amin’ny maha-olona azy, dia ny Fanahy kosa no mamolavola antsika ho tonga “endrik’ilay Andriamanitra”, ao amin’i Kristy (2 Kor 3, 18). Izay mihevitra ny hahatakatra ny zavatra rehetra ka hieritreritra fa hanaraka ny kajikajiny sy ny halalinan-tsainy ny zotram-piainana, dia ho diso fanantenana ihany.
Fanomezana maimaim-poana ho an’ny mahantra ny Fanjakan’ny lanitra, ka izay mieboebo ho manana ny ampy ka tsy miantehitra amin’ny lovan’ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na ny aina aza tsy voavidim-bola ka izay nanandrana ny hamamin’ny Aina avy amin’ny fiombonana amin’i Kristy ihany no afaka hahalala ny tsiambaratelon’ny Fanjakany.
Efa nomen’ny Ray an’i Kristy ny zavatra rehetra, ka izay miombona aina Aminy dia miara-mandova Aminy koa. Ho haintsika anie ny hampiasa ny haren’ny tany mba hahatsapana fa fanomezana avokoa izy ireny, mba hahasambatra ny olon-drehetra fa tsy sanatria ho fanjakazakan’ny vitsy an’isa maty eritreritra, mampiasa ny haren’ny tany hisondrotana ka hieverana ho ambony noho ny hafa, dia manadino fa mbola hanontaniana amintsika ny fomba nitantanantsika ny “talenta” sy ny fanomezana rehetra nomena antsika maimaim-poana.