Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-15 mandavan-taona

Alakamisy faha-15 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Izaia 26, 7-19/Salamo 101
  • Tsy ankasa Boky Eksaody 3, 13-20/Salamo 104
  • Md Matio 11, 28-30

Raha misy olona miantona eo ambony hazofojaliana, ao anatin’ny fijaliana tanteraka, dia miantso anao hoe: “avia aty amiko, fa hohamaivaniko”, inona no havalinao? I Jesoa nanaiky hatramin’ny fahafatesana satria tia ny Ray ambonin’ny zavatra rehetra, ary tia antsika mihoatra noho ny ainy, no miantso antsika hanatona Azy. Ny mampijaly antsika matetika dia ny fizakana ny vokatry ny fahotana, mety ho fahotan’ny tena, mety ho fahotan’ny hafa. Mazàna anefa ny saina tsy mahatakatra izay antony, ka manome tsiny araka izay takany, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra aza izany. Ireo olona efa trotraka ka tsy manan-kery intsony (κοπιάω kopiao) sy ireo mizaka ny vesatry ny fiainana (φορτίζω phortizo) no antsoin’i Jesoa ho any Aminy fa tsy sanatria ny olona tsy te hisasatra. “Avia”, hoy i Jesoa: ao Aminy no hahitantsika ny hevitra lalin’ny fijaliana sy ny valintenin’Andriamanitra manoloana ny fijalian’ny zanany rehetra.

Antsoin’i Jesoa isika hitondra ny jiogany. Ny lalàna, natao handrindrana ny fiaraha-monina, no tonga fitaovam-pamoretana mazàna. Ny Jioga dia nentina hamatorana ny omby na ny soavaly (na biby hafa) mba hanambatra ny heriny hitarika ny enta-mavesatra (sarety, angady…) araka izay sitraky ny tompony. Tsy ny jiogan’ny lalàna anefa fa ny jiogan’ny fitiavana no asain’i Jesoa hoentintsika. Ny jiogany no asainy ataontsika an-tsoroka, izany hoe sady miara-mijioga Aminy isika no mampiasa ny hery koa hikatsahana ny tombontsoany. Izay voatery hanao asa na hiharitra fijaliana dia antsoiny hizaka izany am-pitiavana, ka hianatra Aminy ny halemem-panahy sy ny fanetren-tena.

Ny malemy fanahy no handova ny tany, ary an’ny mahantra io fanjakana io, hoy i Md Matio (Mt 5, 3), saingy mahery kokoa noho ny ratsy ny tsara, tsy handresy na oviana na oviana ny hazavana ny haizina. izay no mahatonga an’i Paoly hampianatra sy hamporisika antsika “handresy ny ratsy amin’ny soa” (Rm 12, 21). Ny Salamo 36 moa mampianatra antsika hitoky amin’Andriamanitra ka tsy hisain-doatra manoloana ny ratsy fanahy na sanatria hikolokolo valifaty ao am-po. Raha ratsy no havaly ny ratsy dia mazava loatra fa mandresy ny ratsy, mitombo avo roa heny; raha ny tsara kosa no avalintsika azy, dia tapi-dalan-kaleha izy. Inona ny tany holovaina raha sanatria hifanapotika amin’ny valifaty ny olombelona!

Ny manetry tena (ταπεινός tapeinos) kosa hahita fiadanana. Ny fietrena ho andevo, ho mpanasa tongotra, hifanompo no ampianarin’i Jesoa ny Mpianany: izay te ho lehibe no aoka ho mpanompo, hoy Izy. Mifaninana amin’ny fifanompoana ny mpianany, ary izany no maha-sambatra, araka ny Evanjely. Izay miditra amin’izany fanetren-tena izany dia tsy mba marary an-doha amin’ny zara vilana ataon’ny maty eritreritra, satria fantany ary hinoany fa ny fanompoana no fenitra hijeren’Andriamanitra izay lehibebe kokoa eo anatrehany, ary te ho lehibe eo anatrehan’Andriamanitra izy. Tsy misy olona tsy te ho lehibe, fa hoe “lehibe” eo anatrehan’iza no olana: eo anatrehan’ny olona sa eo anatrehan’Andriamanitra! Izay manetry tena dia tsy hampijalian’izay fitsaran’olombelona, satria mitoky amin’ilay alainy tahaka dia i Kristy, mahita ny lalan-kizorana ka manjohy izany am-piadanana (Jeremia 6, 16). 

Mora entina ny jiogako, hoy i Kristy. Raha ny marina χρηστός (chrestos) dia azo adika koa hoe: mahasoa, mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny jiogan’ny fitiavana ihany no hahafahana miaina am-piadanana; ny fanarahan-dalàna raha tsy misy fitiavana, dia zava-doza satria fiezahana ho lehibe eo anatrehan’ny lalàna sy ny mpitsara ny lalàna ety ivelany, ary mety hampiasa ny lalàna (ataon’olombelona) aza tsy hitadiavana ny soa fa hisehoana ho tompon’andraikitra sy manam-pahefana fotsiny ihany, ka na ho ela na ho haingana dia hanjary vesatra sy hatezerana nandrotika ny fon’ny tena sy ny fifandraisana amin’ny hafa izany.

Maivana ny entany (τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν, Mt 11, 30 BYZ). Ny φορτίον (phortion) moa dia “diminutif de φόρτος” (phortos), ilazàna fa sombin’ny entana lanjain’i Jesoa ihany no zakaintsika. Ny ἐλαφρός (elaphros) kosa dia azo adika koa hoe haingam-pandeha, satria ny fitiavana dia hery ao anaty manosika antsika hizotra hatramin’ny farany, satria manampy antsika hiala amin’ny “soratra mamono” ho amin’ny “Fanahy mamelona”, ho amin’ny lalànan’ny fahafahana (2 Kor 3, 1-18), hiala amin’ny fijaliana (harerahana) ho amin’ny fiadanana (fialan-tsasatra, Shabbat), ka ny fahoriana kely mandalo vetivety amin’ny fotoana ankehitriny dia hahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay (2 Kor 4, 17).

Ho haintsika anie ny hiaina am-pitiavana ny fahasahiranana hiantsoan’ny fiainana antsika, ka hitomboantsika voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra hatrany.

Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma faha-15 mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faha-15 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista
  • Alakamisy faha-24 mandavan-taona
  • Alarobia faha-24 mandavan-taona
  • Talata faha-24 mandavan-taona
  • Alatsinainy faha-24 mandavan-taona

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    septembre 2023
    D L M M J V S
     12
    3456789
    10111213141516
    17181920212223
    24252627282930
    « Août    

    Archives

    Articles récents

    • 21 septambra: Md Matio, Apostoly sy Evanjelista 21 septembre 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.