Trinitera Malagasy
Alarobia anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka  

Njara Pascal
  • Asa 3, 1-10
  • Salamo 104/
  • Md Lioka 24, 13-35

Ny Asan’ny Apôstôly dia nentin’i Md Lioka hanambarana amintsika fa ny fiainan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa dia fanahafana Azy amin’ny lafiny rehetra, ka ny fiainana manontolo no atolotra mba ho tonga ho famonjena ho azy ireo (izay hahavery ny ainy no hahavonjy azy) sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsy misaraka amin’ny fanenjehana sy ny fankahalana anefa izany: raha nenjehin’izao tontolo izao Aho dia hohenjehiny koa ianareo.

Rehefa avy nitantara ny fiovana tao anaty, vokatry ny Fanahy Masina, i Md Lioka dia manomboka kosa mitantara ny fifandraisan’ireo Apôstôly tamin’ny tontolo manodidina, ny Jody sy ny fombafombany (miakatra mivavaka any an-Tempoly amin’ny ora faha-9), ary ny mahantra sy ny ory sitrak’i Kristy hasoavina manokana.

Niakatra tao an-tempoly i Piera sy Joany mba hivavaka. Tao ivelan’ny vavahady dia nisy manan-kilema hatrany am-bohoka nangataka. Tsy afaka niditra tao amin’ny Tempoly manko izy satria kilemaina. Izay no lalàna: izay tsy ara-dalàna tsy afaka miombona amin’ny daholobe. Ny Mpianatr’i Jesoa dia tsy afaka ny tsy hanao tahaka ny nataon’ny Mpampianatra: “Mitsangàna ho velona ka mamindrà” (Lk 5, 12) amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta.

Voalohany indrindra aloha, izay tena mpianatra dia tsy manao zavatra amin’ny anaran’ny tenany. Mampalahelo ny mahita ny ezaka sy ny fanampiana ataon’ny kristianina sasany dia ny anaran’ny “mpanao soa” sy ny “malala-tanana” no soratana eo. Ho an’izay tena mpianatra dia amin’ny anaran’i Jesoa no anaovana ny zavatra rehetra. Ny fandrefy hahalalana izany dia tsy ny fahasitranan’ny olona loatra. Na ny mpimasin’i Faraona aza nahay nanao fahagagana. Izay manao zavatra amin’ny anaran’i Jesoa dia tsy misintona olona hanatona azy, fa mitarika ny olona hidera an’Andriamanitra. Ny hahalalàna fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra iray dia “hitan’ny olona ilay asa vita ka ny Ray any an-danitra no omeny voninahitra” (Mt 5,16). Raha tsy finoana no manosika hanao soa dia zava-doza ny fahagagana satria io no hifandrombahan’ny olona hatonina, tsy hitsanganana ho velona sy handraisana ny andraikitra (Lk 5, 24) fa hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady.

Fanampin’izany dia izay ananantsika no omentsika ny hafa. Ny valala tsy eo an-tanana tsy hatolo-jaza, hoy ny Ntaolo. Arakaraka ny fiezahantsika hahazo ny fampianaran’i Kristy, ka hivarotra ny voahangy tsara nangonina tany ho any, no hahafahantsika mividy ka hizara ilay voahangy tokana, sarobidy, mirakitra ny haren’i Kristy sy ny Evanjeliny (Mt 13). Rehefa mandinika ny zavatra rehetra ananantsika isika dia hahatsiaro mandrakariva fa tsy tompony fa mpiandry omby volavita ihany. Inona moa no zavatra eo am-pelatanantsika ka tsy noraisintsika (1 Kor 4, 7)!

Indraindray koa anefa isika manantena na mampanantena zavatra tsy mifanaraka amin’izay nampanantenain’Andriamanitra, ka ho tratry ny fahadisoam-panantenana toy ny nahazo ireo mpianatra roa lazain’ny Evanjely. Izay diso fanantenana matetika dia misintaka amin’ny fiombonana, manava-tena hiala any Jerosalema (tananan’ny fiadanana) mba ho any Emaosy (ny akany nahazatra, 11,5 km avy ao Jerosalema). Izany tantara izany no entin’i Lioka mamintina ny fampianarany rehetra, hilazany fa tsy afaka ny ho tonga eo amin’ny famakiana ny mofo raha tsy mandinika ny Soratra Masina, mihaino izay rehetra milaza an’i Jesoa ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary ny Salamo (TNK, Torah – Nevi’im – Ketubim).

Ny sakana tsy hidirana amin’ny finoana dia ny “tsy fisainana (ἀνόητος anoetos, a-noeo) sy ny hamafin’ny fo (βραδεῖς τῇ καρδίᾳ : bradeis tè kardia, coeur lent)” (adala sy votsa saina no dikan-teny ao), mba hino izay voalazan’ny Mpaminany. Rehefa tsy ampiasaina ny saina, ary tsy tadidiana izay zava-nisy, dia tsy ny hikaroka ny marina no mahamay fa ny hanamarin-tena. Ny fiverenana amin’ny famakiana ny momba an’i Kristy ao amin’ny TNK kosa no hampirehidrehitra ny fo ka hampiditra azy amin’ny misterin’ny “famakiana ny mofo”, izay mampisokatra ny masom-panahy hahita an’i Jesoa, na dia tsy afaka ny hahita azy intsony aza ny masom-batana.

Tsy i Jesoa anefa no manasa antsika hiantrano ao Aminy. Avohitran’i Md Lioka fa eo anelanelan’ny fandinihana ny Soratra Masina sy ny Eokaristia dia misy Vavaka: “Mitoera ety aminay fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro”. Izay tsy vonona hisahirana handray ny hafa (hampiantrano vahiny amin’ny andro hariva), tsy afaka ny hiangavy ny fijanonan’i Jesoa hiara-misakafo aminy. Ny vokatry ny fahalalana an’i Jesoa kosa dia “fiverenana tsy misy hatak’andro” ho any Jerosalema. Izay mahazo ny Soratra Masina sy mahalala ny endrik’i Jesoa dia tsy manana faniriana hafa intsony raha tsy ny hiaina ny firaisana tian’i Jesoa ary ho vonona “hampiray ireo rehetra mino azy”, araka ny Vavak’Izy Kristy ihany (Jn 17).

Ho haintsika anie ny hitombo fitiavana ny Soratra Masina mba hahalalàna bebe kokoa an’i Jesoa, hampirehidrehitra ny fontsika ka hahalalantsika ny endriny ao amin’ireo mahantra sy fadiranovana, miandry ny fanasitranana sy ny fiantrana ataontsika amin’ny anarany.

Tsy ho very valisoa isika (Mt 10, 41).

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny
Toriteny

Post navigation

NEXT
Alakamisy anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
PREVIOUS
Talata anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.