Trinitera Malagasy
Alakamisy V Karemy  

Alakamisy V Karemy  

Njara Pascal
  • Vakiteny I : Jenezy 17,3-9,
  • Salamo 105 (104), 4-5.6-7.8-9,
  • Evanjely : Md Joany 8,51-59.

Tsy manirery isika mizotra mankany amin’ny Paka fa miara-mizotra (syn-odos) ary tohanan’ny Fiangonana manontolo, ka manovo harena avy amin’ny traikefan’ireo efa nialoha lalana antsika tamin’ny finoana. Razambentsika mpino i Abrahama izay tonga rain’ny firenena tsy hita isa.

Ny safidy, ny fampanantenana ary ny fanekem-pihavanana no mandrafitra ny fiainam-pinoana, hoy Papa François (Lamesa 2 aprily 2020). Nosafidian’Andriamanitra tahaka an’i Abrahama isika, nahazo anaram-baovao, mifanaraka amin’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra. Nampanantenain’ny Tompo azy ny tanin’ny Kanaana rehetra mba honenany mandrakizay. Ny fandraisan’Andriamanitra azy ho vahoakany anefa, ny fanekem-pihavanana nataony (alléance) tsy mandeha ila fa miangavy azy sy ny taranany koa hanokan-tena ho vahoakan’Andriamanitra, ho vahoaka mahatoky ( Hashidim, fidèles).

Ny Evanjely moa manohy ny adihevitr’i Jesoa sy ireo Jody (voalaza fa maro no nino Azy, jereo and. 31 saingy) nitady hamono Azy. Ny fiainana amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra dia ny fihainoana ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo. Izany no hahafahantsika mandova ny tany nampanantenaina, izany no hidirantsika any amin’ny fiainana. Fanantenana ihany izany ho an’i Abrahama fa ho antsika kosa, fantantsika fa notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Kristy, Teny tonga nofo, maty fa nitsangan-ko velona izany fampanantenana izany. Izy Jesoa no fahatanterahan’ny faniriana rehetra nobanjinin’ireo voafidy toa an-dry Abrahama ary fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra.

Fa tahaka an’i Abrahama koa isika, efa nandray ny Batemy, mivelona ny sakramenta, saingy mandroso mihemotra eo ihany amin’ny fiainam-pinoana. Izany no antony hamerimberenan’ny Fiangonana mandrakariva, fa indrindra amin’izao karemy madiva hifarana izao, fa tsy misy lalana hafa hahafahana mizotra mankamin’ny fahasambarana ankoatry ny fiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, amin’ny fiainana amin’ny maha-vahoaka nofinidiny, ka ny fihainoana sy ny fitandremana ny Teniny no fanalahidy hidirana amin’ny hafenoan’ny fiainana.

“Raha misy mitandrina ny Teniko dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy”. Tsy fitadiavana voninahitra eo anatrehan’ny olona anefa ny fitandremana ny tenin’i Jesoa fa fiainana ny fahamarinana izay mitondra amin’ny fahafahana marina. Mampalahelo indraindray ny mijery ny “kristianina” sasany manao izay tratry ny ainy mba hahafalifaly ny “mpitondra” na izay olona hahazoany tombontsoa sy voninahitra, saingy lavitra ny fony ny hiaina araka izany nampianarin’i Jesoa izany. Hany ka rehefa tsy mahazo doka na tsy misongadina noho ny hafa avy eo dia “tafintohina” na manafintohina ny hafa.

Ny fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra dia fikatsahana ny fahasambarana, satria ny hahasambatra antsika sy ny olombelona rehetra no sitrany. Tsy hiheverana ny tena ho ambony noho ny hafa anefa izany, fa fikatsahana hasambarana ho an’ny tena samirery fa fifampihainoana sy fifanajana, sao sanatria ny olona tsy mitody hevitra amintsika no manana ny marina, sao ireny no sitrak’Andriamanitra hanambara amintsika ny Teniny, ka hanao tahaka ny nataon’ny Jody tamin’i Jesoa, izay naneho ny tenany ho “zanak’Andriamanitra” efa nisy talohan’ny taona rehetra, saingy fahafatesana no tambin’izany. Izy anefa no ilay Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, “ILAY MISY” talohan’ny nahariana izao rehetra izao, ilay Teny nahariana izao rehetra izao.

Ny tsy fahalalana an’Andriamanitra hoy i Jesoa dia vokatry ny fihainoana ilay raiben’ny lainga sy ny mpandainga, izay manakana antsika kosa tsy hihaino ny Teny izay fanambaran’ANdriamanitra. Ny fahafatesan’i Jesoa, ny rà nalatsany ho antsika no tambiny nentiny nanaporofo amintsika ny haratsin’ny fahotana, fototry ny fahafatesana, eny fa na dia ny fahafatesan’ilay Zanaka lahitokan’ny Ray aza. Tsy ilay vehivavy tratra nijangajanga saika hotoraham-bato tany am-piandohan’ity toko faha-8 ity intsony no tian-ko vonoina izao, fa ilay “marina”, nilaza fa izay tsy manam-pahotana no hitora-bato voalohany, ka amin’izany dia manery ny olona tsirairay handinika ny tenany eo anatrehan’Andriamanitra.

Tsy afa-miantehitra afa-tsy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra isika ka ny Fanahiny Masina anie handio antsika ho afa-pahotana ka haharetantsika amin’ny toe-piainana masina sy hiha-lavorary hatrany handova ny soa nampanantenainy antsika.

karemy, Toriteny
karemy, Toriteny

Post navigation

NEXT
Zoma V Karemy
PREVIOUS
Alarobia V Karemy
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A
  • Sabotsy faha-efatra mandavan-taona  
  • Zoma faha-efatra mandavan-taona
  • Alakamisy faha-efatra mandavan-taona
  • 2 fevrier:
    ny nanolorana ny Tompo 

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    février 2023
    D L M M J V S
     1234
    567891011
    12131415161718
    19202122232425
    262728  
    « Jan    

    Archives

    Articles récents

    • Alahady faha-5 mandavan-taona Taona A 4 février 2023
    © 2023   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.