Trinitera Malagasy
Alakamisy faha-29 mandavan-taona

Alakamisy faha-29 mandavan-taona

Njara Pascal
  • Ankasa Efezy 3, 14-21/Salamo 32
  • Tsy ankasa Romana 6, 19-23/Salamo 1
  • Md Lioka 12, 49-53

 “Tonga hanipy afo ety an-tany aho, ka akory ny faniriako mba hirehetan’izany sahady!” Izay no anombohan’i Jesoa hilazana amintsika ny iraka nahatongavany : ny mission (iraka) amin’ny maha-Kristy (voahosotra) Azy : hanipy afo… Mampahatsiaro antsika koa ny fiantsoana an’i Moizy izany afo mirehitra izany : afo mirehitra fa tsy mahalevona ny kirihitra (Eks 3, 3). Afo manambara ny Fisian’Andriamanitra eo anivontsika, fisiana izay tsy mahafoana ny maha-izy antsika (hevitry ny kirihitr’ala tsy may) fa kosa mampiseho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany mirehidrehitra hamonjy ny vahoakany. I Moizy manala ny Kapany, satria “mandia tany masina” dia sady manaisotra izay mety ho salovan’ny fahafatesana (hodi-biby maty no hanaovana ny kapa) no milaza ny fahatsiarovan-tenany ho malemy, araka ny fitenin-drazantsika hoe : mandia tany ka mety ho solafaka, tsy afaka ny hiantehitra amin’ny heriny ka tsy maintsy hijanona (tsy afaka mandeha amin’ny fasika mahamay tsy misy kapa) eo anatrehan’ny Afo mirehitra mba hodioviny sy hohamasininy ho tonga iraka araka ny fony.

Afo mirehitra, afo manambara ny fitiavana izany. Afo mivaivay handevina toy ny mololo ny mpiavonavona sy ny mpanao ratsy rehetra, hoy i Malakia Mpaminany (Mal 3, 19). Efa mahazatra antsika ny mahita ny sarin’ny Fo masin’i Jesoa mirehitr’afo : mirehitra fitiavana, tsy handringana fa hitady izay hanavotana ny mpanota mba hibebahan’izy ireo ka handovàny ny fiainana. Afo hanadiovana izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

Iraho ny Fanahinao ry Tompo, ilay fofon’ainao, dia havaozinao ny endriky ny tany (Sal 104, 34). Izay Fanahy manavao ny zavatra rehetra izay no ankalazaintsika amin’ny Pantekôty. Ilay lelafo (לָשׁוֹן אֵשׁ lashon esh = lela afo) lazain’Izaia fa mandoro sy mandevina izay manipaka ny Lalàn’YHWH sy maniratsira ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 24) no zary lela mitarehin’afo (γλῶσσαι ὡσεὶ πυρὸς, glossai Hosei puros) hampianatra azy ireo hiteny araka ny Fanahy. Io no ampahatsiahivin’ny sarina lelafo eo ambonin’i Masina Maria sy ny Apostoly naharitra niara-nivavaka.

Ny mahalasa ny saina anefa dia ny nanoizan’i Jesoa ny filazana ny mission (iraka) nanirahana azy : “tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa fisarahana aza…”

Dia ahoana no hilazantsika isaky ny lamesa hoe : “Ry Jesoa Kristy Tompo, Ianao nilaza tamin’ny Apôstôlinao hoe: Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: aza ny fahotanay no jerena fa ny finoan’ny Eglizinao; ka ho sitrakao anie ny hampiadana azy sy hampiray azy araka ny sitraponao,” raha toa ka hitondra fisarahana i Jesoa? Moa tsy izy ve no ilay Mpanjakan’ny Fiadanana izay hampiraotra ny zakan’omby amin’ny zanaky ny liona (Izaia 11, 6-9)?

 “Manome antsika ny fiadanana Andriamanitra fa tsy mamela antsika hidonanam-poana”, (Dio ci dà la Pace ma non ci lascia mai in pace, St François d’Assise), fiadanana tsy maintsy hisahirànana.  Ny Fiadanana izay andikana ny hoe “Paix” amin’ny tenintsika eo amin’ny sehatry ny finoana (na dia mahadika azy bebe kokoa aza ny hoe fandriam-pahalemana = mandry – alina), dia ny fahafahantsika miaina ny maha-kristianina antsika na eo aza ny fahasahiranana sy ny zava-maro samihafa manohantohana.

Misy olona mihevitra tahaka ireo manam-boninahitry ny tafik’i Sedesiasa voalazan’ny Bokin’i Jeremia (Jer 38, 4-10) fa Andriamanitra no hiady ho azy ireo ka haneha-doza hila faty. Ampianarin’io Mpaminany io isika hilaza ny marina ka tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra hanakonana ny avonavona sy ny eboebontsika na izay mety ho hakamoantsika. Ny fiarovan’Andriamanitra izay voafidiny ka irahiny dia ny fanomezany azy hery hijoro amin’ny marina hatramin’ny farany, io no Afon’ny Fanahy, irin’i Jesoa hirehitra eto amin’izao totolo izao, mba hanavao ny endriky ny tany.

Ankoatry ny afo koa anefa, dia manana Batemy hanaovana batemy Azy i Jesoa, “batemy” (rano) izay andrasana am-pahoriana kanefa afo no tiana harehitra. Inona no hevitr’izany? Izay rehetra maniry hanara-dia an’i Jesoa dia mila mandatsaka ao an-tsaina fa “famantarana hotoherina Izy” (Lk 2, 34). Fitiavana no notoriany nefa fankahalana sy fanamelohana ho faty no nahazo Azy. Tsy maintsy handalo amin’ny fahafatesana mahafa-baraka ilay lalana mitondra amin’ny voninahitra.

Ny fandraisana ny Tenin’i Jesoa ka hanekena hotarihin’ny Fanahiny dia mety hampisaraka ny mpianakavy ka hampisy fifanoherana na dia eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny aza (Mikea 7, 6) satria izay tsy momba an’i Jesoa dia manohitra Azy. Nampahatsiahivin’i Jesoa ny mpianany fa raha halan’izao tontolo izao Izy Mpampianatra dia tsy hafa noho izany no hafitsok’izy ireo ny mpianany (Jo 15, 18). Voaantso ho vavolombelon’ny fitiavana ny kristianina, voaantso haneho amin’ny fiainany fa Andriamanitra no ambonin’ny zavatra rehetra, eny fa na dia mety hampifanohitra amin’ny havana aman-tsakaiza aza izany.

Partager :

  • Facebook
  • X

Toriteny

Post navigation

NEXT
Sabotsy faha-29 mandavan-taona
PREVIOUS
Alarobia faha-29 mandavan-taona
Comments are closed.

TRISAGION

Dera, Voninahitra ary Fankasitrahana ho an’ny Trinite Masina

Andriamanitra ô, avia ampio aho

Eny ry Tompo ô, faingàna hamonjy ahy

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina

Tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.

.

Andriamanitra Masina, Andriamanitra Mahery, Andriamanitra velona mandrakizay

Mamindrà fo aminay.

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

AMEN

Ho Anao ny dera, ho Anao ny voninahitra, ho Anao ny fankasitrahana mandritra ny taona mandrakizay, ry Trinite Masina.

Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra, feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Ankalazaina anie ny Trinite Masina

Andriamanitra Tokana Olona telo

Mpahary sy Mpitantana ny zavatra rehetra

Ankalazaina aanie Izy ankehitriny sy mandrakizay

Voninahitra anie ho Anao ry Trinite Masina

Satria Ianao no namonjy sy nanavotra anay

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Ry Andriamanitra Ray ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny teny Mpitory ny fahamarinana sy ny Fanahy loharanon’ny fahamasinana, hanambarànao amin’ny olombelona ny tena fiainanao Andriamanitra,koa ampio izahay hijoro ho vavolombelon’ny finoana marina ka hankatoa ny Voninahitry ny Olona Telo samy mandrakizay ary hitsaoka ny herinao Andriamanitra tokana Avo indrindra. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Mino Anao izahay, manantena Anao izahay, tia Anao sy mitsaoka Anao izahay, ry Trinite Masina.

Arahaba ry Zanakavavin’ny Ray, arahaba ry Renin’Andriamanitra Zanaka, arahaba ry Vadin’ny Fanahy Masina, Tempoly lavorarin’ny Trinite Masina.

Articles récents

  • Alarobia V Paka
  • Talata V Paka
  • Alatsinainy V Paka
  • Alahady V Fankalazana ny Paka (Taona D)
  • Sabotsy IV Paka

Commentaires récents

    Méta

    • Connexion
    • Flux des publications
    • Flux des commentaires
    • Site de WordPress-FR

    Étiquettes

    25 mars 28 janvier agnès Alahady annonciation Aperuit illis Batemy Bon Remède coronavirus Eokaristia ezekiela famindram-po Fianakaviana Fiaviana herinandro masina Immaculée innocents jeremia Jesoa Joany Joany 6 karemy Kristy Mpanjaka lavenona lazara Lioka Mahantra Marka Martiry Masina Maria matio Md Josefa Noely paka Papa François Rainay sampankazo senza messa Taona A Taona B Taona D tempoly tomany Toriteny tsodrano

    hiverina

    • Home
    • Circulaire
    • Madagascar
    • Italia
    • France – Canada
    • Spagna
    mai 2025
    D L M M J V S
     123
    45678910
    11121314151617
    18192021222324
    25262728293031
    « Avr    

    Archives

    Articles récents

    • Alarobia V Paka 20 mai 2025
    © 2025   - Trinitera Malagasy. All Rights Reserved.