Alahady fahatelo amin’ny Fiaviana (GAUDETE) – taona D
Sofonia 3,14-18
Izaia 12, 2-6
Filipiana 4,4-7
Md Lioka 3,10-18
Tsy mba mandao Andriamanitra fa fitiavana
“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny averiko indray mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo! (Fil 4, 4-5). Gaudete! Araka izay tononkira fidirana izay moa dia Gaudete no iantsoana ity alahady ity. Eo am-pamakivakiana ny lalam-piainana hoenti-mitsena an’i Kristy ho avy isika no antsoina hiombon-kafaliana Aminy. Ambaran’ny Mpaminany Sôfônia fa Izy Tompo Andriamanitra no haneho ny hafaliany lehibe ka hisebiseby (handihy) amin’ny hobin-kafaliana noho ny amintsika, handihy hiaraka amin’ny vahoakany. Fa dia inona loatra no ao amintsika, inona no mahafatifaty an’io Andriamanitra io ao amin’ilay Zanakavavin’i Siona, Israely sy Jerosalema, izay lazain’ny tapany voalohany amin’ny Toko fahatelo nangalana ny vakiteny I fa sady tsy nihaino ny torolalana no tsy nandray ny fananarana sy ny fanitsiana?
Ny Tompo eo anivontsika no toky ho antsika satria nanesotra ny fitsarana nanamelohana antsika no sady nampanalavitra antsika ny fahavalo (Sof 3, 14-17). Tsy tahotra na fangatahana fifonana akory araka izany no anantonana an’Andriamanitra fa fisaorana amin’ny fahatsapana ny fitiavany tsy mivadika mandrakizay. Ny tena fitiavana tsy manambany na oviana na oviana izay avelany heloka: manandratra sy mitady ny hahasambatra mandrakariva.
Tsara ho tsarovana mandrakariva fa ny fahatezeran’Andriamanitra rehefa mirehitra dia manosika Azy handoro izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fitiavany ao amintsika, mahatonga Azy hiaritra hatramin’ny fahafatesana mba hanambaràny amintsika fa aleony maty toy izay tsy hanaja ny fahafahan’ny zanany, eny fa na dia hioko hanohitra Azy aza. Ny mpangataka lova mbola velona aza mahazo ny anjarany rehefa miverina (Lk 15).
Izany endrik’Andriamanitra izany no ambaran’i Md Lioka amin’ilay Ray mandray ny zaza mpandany miverina ao an-tranony rehefa avy nandany ny fananany rehetra, ary efa niomanany ela amin’ny omby matavy izany fiverenan-janany izany. Amin’ny vakitenintsika moa, ny andiny 17b dia nadika hoe: hangina Izy amin’ny fitiavany; fa ny TOB sy ireo dikanteny nohavaozina kosa dia milaza na ny fitiavany no entiny hanavao antsika, ny fitiavany no hanova ny fontsika, io ilay Fanahy Masina sy Afo omen’ny Mesia ka hanokatra lalana vaovao ao anatintsika mba hahafahantsika mizotra ny lalan’ny fitiavana (mbola hiverenantsika amin’ny Evanjely).
Mila fibebahana sy fanetrentena anefa izany fiverenana ao an-tranondray izany, hanekena fa tsy mendrika ny maha-zanaka akory fa vonona ny hanompo, hahatsapa fa ny fahatezeran’Andriamanitra lazain’i Sôfônia Mpaminany ao amin’ny fiandohan’ny Bokiny dia fahatezerana amin’ny ratsy manimba ka tsy mampiadana ny zanany tiany; tsy misy afa-tsy ny hahasambatra ny olona no sitrapon’Andriamanitra. Mazava loatra fa rehefa mivavaka isika mba ho tanteraka ny Sitrapony dia mivavaka mba ho sambatra avokoa ny olombelona rehetra.
Tsy hisy afaka hatoky izany herin’ny Tompo afaka miaro izay tiany izany anefa raha tsy izay efa nahita sy nibanjina ny zava-bitany. Izany no mahatonga an’Izaia Mpaminany (Iz 12, salamo setriny) milaza fa ny fanovozana hafaliana ao amin’ny loharanom-pamonjena dia tsy inona fa ny fitoriana ny asa vaventy sy ny Anaran’ny Tompo, atao antso avo eran-tany tontolo. Izany no mahatonga ny Fankalazana ny Paka, hafenoan’ny fanehoan’Andriamanitra ny heriny amin’ny fandresena ny Fahafatesana, izay ataontsika isan’alahady, ho fanovozana hafaliana ao amin’ny loharanom-pamonjena. Raha tsy mampitombo ny hafaliana sy ny fitokisantsika an’Andriamanitra ny famonjena ny Fiangonana Alahady sy ny Fankalazana ny Misterin’ny Paka ao amin’ny Eokaristia sy ny Litorjia dia misy zavatra tsy mandeha amin’izay tokony ho izy ao izany. Ary raha tsy fitoriana ny zava-mahagaga nankalazaina tao ny amin’ny Litorjia ny fiainan’izay namonjy tao dia tsy nahazo na inona na inona tamin’izay nankalazaina izy. Tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely amin’ny voary tontolo izay nihaona marina tamin’ny Fitiavan’Andriamanitra nanova kan ameno hafaliana ny fiainany.
Ara-drariny àry raha hamafisin’i Md Paoly fa tsy hafaliana fe hafaliana tahaka ny firavoravoan’izao tontolo izao no ho antsika, tsy sanatria ho toy ny mpiady mahery hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony (jereo Sal 104, 15) fa fientanan-kafaliana ao amin’YHWH (Zak 10, 7). Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo (Fil 4, 4-5).
Ny fibebahana (alahady I) vokatry ny fihaonana tamin’ilay maty fa nitsangan-ko velona ho santatra ho antsika dia hamafisin’ny finoana izay miantso antsika hiova fiaina, tsy araka izay heverintsika ho mety fa araka ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho sanatria an-tery anefa izany fa vokatry ny fitiavana tokoa. Hatramin’i Joany no mankaty dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra (Mt 11, 11-15 : evanjely alakamisy 2), dia ambaran’i Md Pierre Chrysologue (Office des lectures tamin’ny alakamisin’ny herinandro faharoa teo) fa ny fitiavana, raha tsy mahazo izay iriny, dia mamono izay tia… io fitiavana io no manosika antsika higòka ny hafaliana eo am-panarahana ny Tompo, araka ny lazain’i Md Augustin hoe : “Naharìnao ho anao izahay ka tsy hisy fitoniana ao am-ponay raha tsy eo anilanao” (Confessions 1, 1.5).
Amin’ny vakiteny II koa dia mampianatra antsika handalina ny tena fivavahana marina i Md Paoly: hatsaram-panahy fantatry ny olona rehetra no mampiavaka izay faly mandrakariva ao amin’ny Tompo. Ny fivavahana amam-pifonana amam-pisaorana no hanambarana amin’Andriamanitra izay ilaintsika. Ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fisaorana Azy dia tsy afa-misaraka amin’ny fitalahoana, nadika hoe fifonana moa eto. Tsy hoe sanatria anefa tsy mahalala izay mahasoa antsika Izy, “na mbola tsy mangataka dia fantatry ny Rainareo izay ilainareo”, hoy Jesoa (Mt 6, 8 ). Ny Vavaka, ankoatra ny maha-fiekem-pinoana azy, satria hilazantsika amin’Andriamanitra, na ny marimarina kokoa, hanamafisantsika fa “raha tsy Izy tsy velona isika, ary raha tsy ny fahasoavany dia ho velombelom-poana fa tsy hahefa na inona na inona, ho akofa pahon’ny rivotra ihany (Sal 1), ary ny fotoana atokantsika ho amin’ny fivavahana dia tsy manao afa-tsy ny hanomana ny fontsika handray izay homaniny fa mahasoa antsika araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’ny Kristy Jesoa (Fil 4, 19).
Ahoana anefa no hiainana ny hoe “tsy hanahy na inona na inona”? Efa nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarany izany:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. [and. 27] Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? [28-30] Noho izany, aza manahy hianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany hianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Ny maha-akaiky an’Andriamanitra dia tsy midika fa tsy hosembanin-drahona mihitsy ny fiainantsika. Tsy midika ho tsy fitsimbinan’Andriamanitra ny mety ho aretina na fahavoazana mianjady amintsika. Kanefa izay mety ho fisavorontahan-tsaina manoloana ny olana sy ny zava-mitranga mety mampijaly dia vao mainka hanakana ny saina hanapa-kevitra araka ny tokony ho izy, hanao izay miankina amintsika ary hanankina amin’Andriamanitra izay tsy vitantsika sy tsy takatry ny saintsika. Izay matoky fa afaka manangana amin’ny maty ny Andriamaniny no hanaiky hijoro hatramin’ny fahafatesana ho vavolombelon’ny fitiavany. Mahagaga anefa fa na mankalaza ny fandresen’i Kristy ny Fahafatesana aza isika indraindray dia manary toky manoloana izay mety ho tsy fahombiazana sedraina amin’ny fiainana.
Tsy tokony hanahy na inona na inona isika, hoy Md Paoly, fa hanambara amin’Andriamanitra izay ilaintsika satria ekentsika fa famonjena ho antsika Izy (Sal Izaia 12, 2-6), Fitiavana Izy ka tsy mba hanadino antsika. Miankina amin’izay Finoana Azy monina eo anivontsika izay ny halalin’ny hafaliana mameno ny fontsika manandrana ny fiaraha-monina Aminy eo am-piandrasana ny fiaviany hitondra antsika any amin’ny mandrakizay.
Izay lazain’i Sofonia henontsika tamin’ny vakiteny I teo, naverin’i Zakaria Mpaminany koa (Zak 9,9) no mbola averin’i Lioka fa fiarahabana ataon’ny Anjely amin’i Masina Maria. Izay mahatsiaro ho tiana no matoky tsy azon-tahotra. Tamin’ny 8 desambra isika dia nankalaza an’i Masina Maria notorotoronina tsy azon-keloka. Ny faneken’i Masina Maria (Fiat) ny fiarahaban’ny Anjely azy sy ny mety ho fiainany vokatr’izany, dia mampahatsiaro antsika ny tena hevitry ny hafaliana (Lk 1, 26). Io Masina Maria, sambatra raha samy sambatra io ihany, izy ilay nosoavina noho ny vehivavy rehetra no bevohoka talohan’ny fampakaran’i Josefa azy hiara-mitoetra, izy no niteraka ny zanany tany an-tranon’omby, nitondra azy hitsoaka any Ejipta sy hifindra monina any Nazareta; io ilay reny saika hampody an-janany izay efa noheverin’ny havany ho very saina (Mk 3, 21); io ilay reny nitrotro an-janany maty novonoina tamin’ny hazofijaliana, maty toy ny jiolahy raindahany. Izy ilay nentanin’ny Anjely “hifaly” satria “ao aminy ny Tompo”. Ny tena hafaliana ary, araka izany, tsy dia famaliana “eny” (jereo ny ohatra nomen’i Kristy Mt 21, 28-31) fa ny fiainana an-kafaliana ny vokatr’izany eo amin’ny andavanandrom-piainana, tahaka ny nataon’I Masina Maria, ary heveriko fa tsy hisy reny mbola nitondra ny mafy tahaka azy koa raha ny fijerin’olombelona no hitantarana ireo zavatra niainany an-kafaliana ireo, mba ho tanteraka ny Sitrapon’Andriamanitra.
Izany no ampahatsiahivin’ny Evanjely amintsika : izay mikatsaka marina tokoa ny ho voavonjy (mety ho noho ny tahotra ihany, saingy efa zava-dehibe izany) dia hanontany tena hoe : inona no tokony hatao. Averin’i Joany indray fa “Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka” (Vakiteny I tamin’ny Alahady heriny), no anarana hiantsoana antsika. Ny fiainana ny fahamarinana sy ny fitiavana no lalana hizorantsika ho any amin’ny fiainana (Lk 3, 10-18).
Ny mpamory hetra, ny Poblikana dia mba nanontany izay tokony hataony. Ho an’ny Jody dia fivarotan-tanindrazana ny asan’izy ireo satria mitaky hetra ho an’ny vahiny. Saingy ambaran’i Joany mazava fa tsy ny hamela ny asa no takian’ny dingam-pibebahana amin’izy ireo fa ny tsy hitaky afa-tsy izay efa nasiana nalaina; tahaka izany koa ny miaramila izay mpanatanteraka baiko: tsy hanao herisetra ary tsy haka an-keriny ny zavatr’olona ary hihanona amin’ny karama, izay fantatra fa kely. Heveriko fa betsaka amintsika kristianina no voakasik’izany tenin’i Joany izany: hahay hionona amin’ny karama sy tsy hitaky afa-tsy izay efa nifanarahana.
Ho an’ny rehetra dia lazain’i Joany Batista fa ny fahaizana mizara no fiantombohan’ny fibebahana marina: fizarana ny fitafiana sy ny sakafo amin’ireo niangaran’ny vintana. Izany no hahafahantsika manadino ny tena mba ho voninahitry ny Evanjely, tahaka ny lazain’ny Apôstôly Paoly hoe : “sambatra kokoa izany manome noho izay mandray” (Jereo ary vakio manontolo ny Asa 20). Nampahatsiahivin’ny Papa Benoit XVI antsika tamin’ny taratasy ansiklika nosoratany izany, caritas in veritate, fa tsy afaka ny hanome izay antsika ho an’ny hafa isika, raha tsy efa nanome aloha izay tokony ho azy, ara-drariny (n. 6).
I Joany dia manao Batemy amin’ny rano, mariky ny fahavononan’ny olona hiova, hiala amin’izay mandoto azy ka manakana azy tsy hiombon’aina amin’ny Masina, saingy ambaran’i Joany mazava, fa tsy afaka hamokatra ny ezaka ataontsika raha tsy amin’ny fiombonana aina amin’ilay Mahery, ilay hany mpampakatra, afaka manome antsika ny Fanahy Masina sy Afo, hahatonga ho nofo koa ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainantsika.
Tsy mendrika (ἱκανός hikanos, assez fort) hamaha ny kofehin-kapany akory aho, hoy i Joany:
Raha fanetren-tena no ilazan’ilay lehibe indrindra amin’ny natera-behivavy sy ny lehibe indrindra amin’ny mpaminany izany, dia hanahirana satria raha olona ambony no manompo an’i Jesoa dia mampitombo ny fahamboniany izany. Marina fa hoe tsy tokony hampamahana kapa sy hampanasana tongotra ny andevo avy amin’ny fokon’Israely, kanefa raha izany dia zary fandavana ny hanompo no lazain’ny Evanjely, ary fantatsika fa I Jesoa aza dia nanasa tongotra ny Mpianany. Ny fihazakazahana hanompo aza manko, no heveriko fa fietren-tena eo anatrehan’ny olona iray heverina ho lehibe noho ny tena.
Raha jerena ireo andalan-teny milaza ny fanalàna kapa ao amin’ny Soratra Masina dia hita fa fomba iray entina hanalana baraka izay tsy mety handray ny andraikiny amin’ny fanambadiana ny vady mananontenan’ny rahalahiny (Deteronomy 25, 9-10). Azo heverina amin’izay lazain’i Joany amin’izany ary fa tsy mendrika ny hitaky ny zo hanambady izay hovadian’i Kristy Izy (Rota 4, 7). I Kristy no mpampiakatra ary ny Eglizy no ampakarina, ary ilay “Teny tonga nofo” irery ihany no afaka mampakatra azy, Izy no miantso an’Israely ho any an-taniefitra ary hiteny indray amin’ny fony (Osea 2, 16).
Hanao Batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny Afo i Jesoa satria izay vita batemy ao aminy dia hanesotra izay rehetra mololo sy akofa fotsiny ihany, ka tys hitondra afa-tsy ny vokatra hamelona ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ny hoe Fanahy Masina sy Afo moa, tsy fitanisana zavatra roa, satria ny “kai”, amin’ny teny grika, dia tsy midika fotsiny fitanisana fa manambara indrindra indrindra fanamafisana: Fanahy Masina sady Afo, na hoe ny Fanahy Masina izay Afo. Ao amin’ny Afon’ny Fanahy Masina no hamolavolan’I Kristy antsika ho voadio amin’ny faharatsiana rehetra ka ho mendrika ilay androm-pifaliana omaniny ho antsika (Vavaka aorian’ny Komonio).
Voaantso koa ary isika, amin’ity alahady ity, handinika izay tena hafaliana ho antsika, na ny fiainana araka ny Evanjely na sanatria amin-javatra hafa mety hanakana an’i Kristy tsy hahita toerana hahaterahana ao am-pontsika. Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! (Fil 4, 4-7), hoy i Md Paoly. Nefa sao sanatria mbola zavatra hafa no mahafaly ny fontsika?
Inona no ataonay? Mazava ny valintenin’i Joany: ho an’ny vahoaka, izany hoe ho an’ny tsirairay tsy an-kanavaka dia voaantso hizara izay ananany, na akanjo na hanina hohanina; ho an’izay mpikarakara raharaham-bahoaka tsy hitaky vola ankoatry ny karamany (eh veloma ry risoriso sy tsolotra izany); ho an’izay voaantso hitandro fahalemana mba tsy hanao an-keriny na sanatria hibodo fananan’olona ary hianina amin’ny karamany.
Angatahontsika Andriamanitra mba hanesotra izay mety ho akofa sy mololo ao amin’ny fiainantsika ka hahatonga antsika ho vary mahavokatra voa tsara ho mendrika ny sompitra, higohantsika ny hafaliana tsy manam-pahataperana mandrakizay.