Alahady faha-27 Taona A Mandavantaona
- Izaia 5, 1-7
- Salamo 79
- Filipiana 4, 6-9
- Md Matio 21, 33-43
Tsy voatokana ho an’ny olomboatsongo ny Fanjakan’ny lanitra!
Tanim-boalobok’Andriamanitra isika
“Avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny fahefan’i Jesoa?” hoy ny fanontanian’ny Jody.
“Avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny Batemin’i Joany?” hoy ny navalin’i Jesoa (Mt 21, 23-27).
Ary satria ny fandàvana ny hitady ny marina no mahatonga ny Jody hilaza ho tsy mahafantatra ny valin’izany dia amin’ny fanoharana telo no ilazan’i Jesoa ny fomba fandavan’ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny loholona ny marina ambaran’izay irak’Andriamanitra hitondra ny Teniny ka handavan’izy ireo ihany koa ny fanjakan’ny lanitra: ny fanoharana ny amin’ny zanaka roalahy (Evanjely 26 A: Mt 21, 28-32), ireo mpamboly voaloboka mpamono olona (Evanjely 27 A: Mt 21, 33-46) ary ny fanoharana fahatelo no tohizan’ny Evanjelin’ny Alahady 28 A (Md Matio 22, 1-14), dia fanoharana ny amin’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady.
Tsy mba zo hireharehana ny maha-tanimboaloboky ny Tompo: ny maha-Zanak’Andriamanitra dia tsy zo ireharehana fotsiny ihany fa adidy hitondràna tena araka ny tokony ho izy ihany koa. Israely, ilay Tanim-boaloboky ny Tompo, tandindon’ny Fiangonana, dia nolazain’ny Faminanian’Izaia (Iz 5, 1-7) fa “hialan’ny tana-maherin’Izy Tompo” satria tsy namokatra araka ny nantenainy.
Tsy hoe famaliam-paty tsy akory, sanatria, na hoe Andriamanitra mila vaniny ny Andriamanitsika. Tsara ny mahazo izay tian’ny mpaminany lazaina amin’ny vakiteny I, satria, raha tsy izany dia hifanohitra amin’ny Endrik’Andriamanitra fitiavana sy mpamindra fo, izay ankalazaintsika hatramin’izay.
“Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanim-boalobony”. Izay no fiantombohan’ny vakiteny I. Ny voaloboka moa, araka ny Baiboly no novolen’i Noe voalohany taorian’ny safodrano (Jen 9, 20). Teo amin’Israely koa, ny voaloboka dia famantarana ny hatsaran’ny tany (tahaka ireo mpisafo tany tamin’ny lohasahan’i Eskôla- אֶשְׁכֹּל, sampahom-boaloboka ao amin’ny Fanisanan 13, 23) ary ny fahafahana mikarakara ny tanimboaloboka dia nentina nilazana ihany koa fa nandry fahalemana ny tany (1 Mpanjaka 5, 5 nandritra ny andro niainan’i Salômôna; Mikea 4, 4).
Tsy hoe tsy mamokatra anefa ny voaloboka eto, tsy hoe tsy afaka nikarakara azy ny tompony, fa zavatra hafa mihitsy no nitranga: voaloboka no nantenaina kanjo divay marikivy no vokatra. Ny tohin’ny vakiteny anio moa (Izaia 5, 8ss) dia fitantarana ny loza entin’ny Mpaminany milaza izany divay marikivy izany: ny fanorenana trano tsy honenana fa hireharehana fotsiny ihany; ny tsy fahavokaran’izay nisasarana; ny fimamoana ka tsy hiheverana ny asan’ny Tompo sy tsy hijerena izay ataon’ny tanany akory fa indrindra indrindra ny fiantsoana ny ratsy ho soa sy ny soa ho ratsy, ny fanaovana ny haizina ho hazavana sy ny mamy ho mangidy ary ny mangidy ho mamy, ny manamarina ny meloka noho ny kolikoly ary mitsipaka ny rariny ananan’ny olomarina. Izany rehetra izany moa dia faniratsiràna ny Tenin’ilay Masin’Israely (Izaia 5, 8-24).
Ianarana tamin’ny Katesizikely ny antony naharian’Andriamanitra antsika : “Nohariany isika mba hosambatra mandrakizay miaraka aminy any an-danitra, rehefa tia sy manompo Azy ety an-tany”. Tsy mila ny fiderantsika Izy sanatria, fa ho famonjena antsika ny fiekentsika ny halehiben’ny Voninahiny : ampamirapirato, asehoy ny tavanao ry Tompo, dia ho voavonjy izahay (Sal 79).
Dia izay fikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra izay no tokony hanosika antsika hiasa ao an-tanim-boaloboka : “na inona na inona ataonareo hoy i Md Paoly dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany” (1Kor 10, 31). Izay no hahafahana mifaly amin’ireo zara fa miasa nefa mandray karama mitovy : Denie iray avy… izany no hahafahana mamolaka ny hambom-po ka tsy hanaovana kobaka am-bava, amin’ny fanekena ilay Ray maniraka hiasa any an-tanim-boaloboka.
Izany no hananana ny fiadanam-po, hahafahana mametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’Andriamanitra, ao amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana atambatry ny Eokaristia (Fil 4, 6-9), ka hikatsahana ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra.
Tsy tokony hohadinoina fa ny asa ataontsika dia ho Azy Tompo. Mety hanome tsiny ireo mpiasa lazain’ny Evanjely tsy nanome vokatra ny Tompony isika (Mt 21, 33-43), saingy manohy ny nataon’izy ireo, na hanao ratsiratsy kokoa aza amin’ny fanadinoana fa tsy araka ny halalinan-tsaina, na araka ny asa vita no hitsarana antsika, fa araka ny fahaizantsika manome vokatra ara-potoana. Heveriko fa tsy ny haben’izay vokatra hatolotra loatra no zava-dehibe (satria tsy miankina amin’ny mpiasa ny mety ho fahatongavan’ny orambaratra na havandra na haitany mety hanimba ny voly) fa amin’ny fahatsapan-tena ho “mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mamerin-doha”[1].
Ny mpamboly (γεωργοὶ, γεωργός georgos) nanankinana ny tanim-boaloboka dia entina ilazana ny fizotry ny tantaram-pamonjena teo amin’Israely.
Na dia lasa lavitra aza ilay Tompon-trano (οἰκοδεσπότης oikodespotes) dia tsy manadino ny tanim-boalobony ka amin’ny fotoana hahavokarana indrindra (καιρός, kairos) no andefasany iraka (Apostoly) haka ny vokatra manontolo (τοὺς καρποὺς, ‘o karpos, le fruit) fa tsy ny ampahany tsy akory. Tsy tompony fa mpiasa ihany ireo mpamboly napetrany teo amin’ny tanim-boalobony.
Ambaran’i Matio fa nandefa ny Mpaminany taloha (ireo ao amin’ny Bokin’ny Tantara sy ny Mpanjaka) sy ny taty hafara, maromaro kokoa noho ny voalohany (ny Mpaminany 12) Andriamanitra, kanefa nitovy avokoa ny nafitsoky ny olona azy ireny: nosamborina, nokapohina, novonoina sy notorahana vato. Tsy hoe hamorona ny tsy misy tsy akory ireo mpamboly nanankinana ny saha fa ny handray ny vokatra no nanirahany ireo mpanompo ireo. Tsy ny voaloboka, araka ny voalaza tao amin’ny Vakiteny I no tsy nanome vokatra eto, fa ny mpikarakara no nanadino ny maha-mpiasa azy, ka ny hangalatra ny vokatra sy ny hibodo ny tanimboaloboka ho azy no masaka tao an-dohany.
Farany dia ny zanany no nirahin’ilay Tompo, “ilay mpandova” tokony hatahoran’izy ireo, saingy tsy fantatr’ireto mpanompo, na nodiany tsy fantatra fa tsy mbola maty akory ilay Tompon’ny Tanimboaloboka ka Izy no naniraka ny zanany. Tsy hahazo ny lova izy ireo tsy akory fa nitady loza ho an’ny tenany fotsiny ihany.
Ho an’i Matio moa, nosamborina ilay mpandova, nentina tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoina, nampifanarahany amin’ izay lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio: i Jesoa hijaly any ivelan’ny vavahady mba hanamasinany ny olona amin’ny rany (Hebrio 13, 12), ary izany no tanteraka tamin’ny namonoana azy (Jn 19, 17). Ao amin’i Md Marka moa dia “nosamborina ilay mpandova, ary novonoina ary natsipiny any ivelan’ny tanimboaloboka” (Mk 12, 8).
Manoloana izany rehetra izany, dia ny Lehiben’ny Mpisorona ihany no asain’i Jesoa manameloka ny tenany, tahaka ny nataon’i Natàna tamin’i Davida (2 Sam 12, 1ss): “haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany”.
Amin’ny valintenin’i Jesoa hoe: “hoesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampamokatra azy”, dia hahafahantsika manatsoaka fa tsy vitan’ny tsy nanome vokatra ara-potoana ireto nomena andraikitra hikarakara fa tsy nampamokatra akory ny tanim-boaloboka. Antony matetika mahatonga antsika hahery setra, tsy hanaiky izay mba mitaky amintsika voka-tsoa, dia satria tsy misy vokatra azo omena. Tsy hoe tsy te hanome vokatra araka izany ireo namono ny Mpaminany sy izay iraka rehetra alefan’ny tompony fa satria tsy misy vokatra omena, ka noho ny avonavona tsy hihaiky ny hadisoana dia aleo ny mpaminany, aleo ny iraka no vonoina. Tsy sanatria ho anisan’ireo torotoro satria lavo eo amin’ilay vatofehizoro, na ho mongomongo satria nizeràny (Mt 21, 44) isika. Hasambarana anefa ny mamokatra ara-potoana, hoy ny Salamo (Sal 1, 1.3).
Azontsika koa ny nanohizan’i Jesoa ny fanoharana ka hahzoantsika nny fomba fisainan’Andriamanitra: tsy ny fanasaziana ny mpiasa tsy mamokatra loatra no laharam-pahamehana, fa ny hitady mpiasa hafa hahafahan’ny fanjakan’Andriamanitra hamokatra, ary fantatsika tsara fa ilay Zanany, novonoina ivelan’ny tanim-boaloboka dia nivavaka ho famelan-keloka ireo izay namono Azy (Lk 23, 34).
Tsy sanatria isika nofidiany no tsy hanome ny vokatry ny tanim-boaloboka rehefa irahin’Andriamanitra hitaky izany eo amintsika ny solo-tenany, dia ireo mahantra sy fadiranovana ary tsy manam-piantra. Mbola manohy ny hatsaram-pon’Andriamanitra ihany moa ny fanoharana fahatelo izay tantarain’ny Evanjely amin’ny heriny mikasika ny Fanasana amin’ny fampakaram-bady.
Na ny hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka, na ny hioty ny vokatra fotsiny ary na ny hihinana fotsiny koa aza (Alahady 28A), rehefa handà ny olona dia mahita ala olana foana. Tsy Andriamanitra anefa no tsininy fa ny toe-po feno avonavona manakana antsika tsy hiaiky ny fitiavany maimaim-poana.
Hoy i Md Maxime (398-vers 423), Eveka voalohany tany Turin, Italie, tamin’ny vahoaka kristianina: “Isika no tanim-boalobok’Izy Tompo. Mitandrema ary mba hamokatra voaloboka fa tsy tsilo; divay fa tsy vinaingitra. Satria izay mioty ka tsy manome ny mahantra, dia manangona divay marikivy ihany. Izay manangona ka tsy mizara ho an’ireo izay manana ny tsy ampy, dia manangona ao an-tsopitra ny tsilon’ny fahihirany”.
Raha mandini-tena marina isika dia mila fibebahana marina tokoa ka tsy afaka ny tsy hivavaka miaraka amin’ny Mpanao Salamo hoe: “Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena! Ry Tompon’ny tafika ô, ampodio izahay”. Izy hiverina hamonjy antsika, isika kosa hiverina ao Aminy, ho foto-boaloboka hamokatra araka ny sitra-pony, ho voninahiny (Jn 15, 8). Midika izany fa tsy miankina irery na amin’ny olona na amin’Andriamanitra ny tena fibebahana marina fa fanehoan’Andriamanitra ny Tavany ka hahafahan’ny olona mahita ny lala-marina tokony hizorany, satria fantany fa tsy Andriamanitra tsy akory no tsy mampamokatra ny voaloboka na mamela ny mpandalo sy ny lamboala mbamin’ny bibidia hanimba ny voly (Salamo 80) fa ny tsy fitandreman’ny olombelona nanankinana azy.
Izany fahalalàna ny sitrapon’Andriamanitra izany no hahafahana mivavaka sy mitalaho mandrakariva ao amin’ny Eokaristia, amin’ny fisaorana Azy ka hahazo ny fiadanan’Andriamanitra izay miaro ny fo sy ny saina ao amin’i Kristy Jesoa. Ahoana moa no hahazoana izany fiadanana izany? ahoana no tsy hanahiana na inona na inona?
Amin’ny fanarahana, amin’ny fanaovana pratique (πράσσω prasso), amin’ny fampiharana izay rehetra nianarana (izany hoe ny ezaky ny tena manokana), izay noraisina (avy amin’izay natolotra ny tena), izay re (amin’ny fampianarana mandeha etsy sy eroa) fa indrindra izay hita eo amin’ireo nialoha lalana ny tena amin’izany lalam-piadanana izany. Izany no atao dia ho eo amintsika ny Andriamanitry ny fiadanana, Andriamanitra izay efa akaiky ka ao Aminy no tokony hifaliantsika mandrakariva (Fil 4, 4).
Tsara ny mahazo koa izay lazain’i Md Paoly fa tokony ho hitan’ny Filipiana teo aminy. Raha miverina mamaky ny toko 3 isika dia hahazo izay nolazainy sy nataony: “Nataoko ho fatiantoka (ζημία zemia) avokoa ny zava-drehetra, hoy izy, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompo. [] Iriko ny hahalala an’i Kristy, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona ary ny fiombonana amin’ny fijaliany; ka ho tonga ho azy amin’ny fahafatesana aho. Mihazakazaka hahatratra ny amboara izay iantsoan’Andriamanitra any ambony any ” (Fil 3, 8.10.14).
Tsy afaka ny hahazo ny fiadanana ao amin’i Kristy, araka izany, izay tsy mihazakazaka hahazo io amboara io. Raha mbola ny amboaran’ny tany no imatimatesantsika, tsy hanandrana ny fiadanan’i Kristy ny fontsika. Tsy afaka ny hahazo io fiadanana io izay tsy mikatsaka alohan’ny zava-drehetra ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany (Mt 6, 33).
Ho an’izay mino ka matoky ny fitiavan’ny Ray no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany mialoha ny zavatra rehetra. “Sy ny fahamarinany”: τὴν δικαιοσύνην αὐτοῦ, ny αὐτοῦ moa dia génitif masculin singulier avy amin’ny αὐτός,izany hoe ny fahamarinan’Andriamanitra izany: Izy izay tia ny zanany mihoatra ny zavaboary rehetra, araka ny ventesin’ny Salamo 8; Izy dia manao soa ho an’ny olona tsy an-kavanavaka na ny marina na ny tsy marina, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy (Mt 5, 45). Izany no fahamarinan’Andriamanitra tokony hokatsahintsika mialoha ny zavatra rehetra. Ao amin’izany fanjakan’ny fitiavana izany no hahafahantsika mampiasa ny harena nomena antsika araka ny sitrapon’ilay nahary ny zavatra rehetra mba ho fiadanan’ny zanany rehetra. [2]
Ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana! Tsy fiadanana ho an’ny tsirairay, fa fiadanana iainana eo anivon’ny Eglizy, eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Mba ho afa-mivavaka anefa dia tokony ho hendry sy hahono-tena, hoy Md Piera, fa indrindra indrindra, hifankatia fatratra, satria ny fitiavana no manarona fahotana miavosa (1 Piera 4, 7-8). Ny fiadanana araka izany dia vokatra omen’ny tanim-boaloboka voakarakara tsara, satria manaiky hivelona araka ny fitiavana izay velomin’ny fiaraha-mivavaka sy ny fiaraha-misalahy hanao ny marina sy manan-kaja, ny rariny sy izay madio, ny maha-te ho tia sy izay tsara laza mamin’izay rehetra mety ho. Hatsaram-panahy sy mety ho misy dera koa (Vakiteny II).
Adidintsika àry
ny mikarakara ny voaloboky ny Tompo, tsy hanaovana an-tsirambina sanatria! Tsaroantsika ny fanoharana momba ilay nandevin-talenta tsy te hisasatra
(Mt 25, 24)… Izany no hanontonantsika ny
fahaiza-manao sy ny herintsika manontolo, hoenti-manorina ny Fanjakan’Andriamanitra,
araka ny talenta nomeny antsika avy. Tsy hitarainan-tana-miompaka, na
hitadiavana tany malemy hanorenam-pangady ny fiasana ao an-tanim-boaloboky ny
Tompo, satria ny fahasoavana nomeny antsika dia tsy antoky ny Famonjena ho
antsika raha tsy ampiasaintsika ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Amin’izay dia tsy ho fampitahorana ho antsika ny Tenin’i Jesoa, hanesorana ny
Fanjakan’Andriamanitra eo am-pelantanan’izay tsy mampamokatra azy.
[1] Satria ny omby volavita dia nolazaina fa an’ny mpanjaka avokoa…
[2] Sabotsy faha-11 mandavantaona