ALAHADY FAHA 10 MANDAVAN-TAONA – Taona B
- Jenezy 3, 9-15
- Salamo 129, 1-8
- 2 Korintiana 4,13 – 5,1
- Md Marka 3, 20-35
Ny Fianakaviana miady an-trano dia tsy maharitra.
Mametra-panontaniana momba ny fototra hiavian’ny ratsy mandrakariva ny olona, indrindra moa rehefa izy na ny olona akaikin’ny fony no iharan’ny voka-dratsin’izany. Mazava anefa izay lazain’i Md Augustin, izay nandany fotoana amin’ny fikarohana ny loharan’ny ratsy sy ny faharatsiana hoe: “Nikaroka ny fototry ny ratsy aho ary ratsy fikaroka sady tsy nahita akory ny ratsy tamin’ny fikarohako” (Confessions VII.v.7).
Na aiza anefa na aiza misy ny ratsy sy ny fahotana dia ny fahafatesana no manjaka ao. Tsy mora ihany koa ny mahatsapa ny andraikitra manandrify ny tena ny amin’izay mety ho fototra hiaviana na fototra hivelaran’ny ratsy. Tsy mahagaga ary raha oharin’ny Soratra Masina amin’ny Bibilava, ka sady fetsy no roa lela ny mpaka fanahy. Na eo aza ny famintinan’i Md Augustin ny fikarohany amin’ny “fahotana tamin’ny fototra”, raha ny marina tsy milaza ny fototry ny fahotana ny Vakiteny henointsika amin’ity Alahady ity fa milaza kosa ny fomba fisehony sy ny fomba handresen’ny mpaka fanahy lahatra antsika mba tsy hanaiky an’Andriamanitra ka tsy hanaraka ny torolalana omeny.
Ny tantara entin’ny Bokin’ny Jenezy mitantara ny vokatry ny fahotana sy ny antony mahatonga antsika olombelona hirona amin’ny fahotana no nahatonga an’i Md Augustin hampianatra mikasika ny fahotana tamin’ny fototra, ifandovan’ny olombelona hatrany am-bohoka. Tsara ho marihina anefa izay lazain’i Md Paoly milaza mazava fa “nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra mba ho masina isika sy tsy manan-tsiny (immaculés) eo anatrehany… mba ho zanany hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika” (Ef 1). Ahoana ary no hahazoantsika izany?
Henontsika tao amin’ny vakiteny voalohany ny vokatry ny fahotana: henatra. Menatra satria nahatsapa fa adalana ihany ny fiheverana fa ny tsy fanekena (hanaovana di-doha) dia hampitovy saranga amin’Andriamanitra, hany ka ny fialantsiny azo atao dia ny manome tsiny an’Andriamanitra: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho”. Dia toy izany koa ravehivavy: ny bibilava no fositra, raha ny marina moa dia fanomezan-tsiny an’Andriamanitra avokoa ireo satria Izy no nahary ny zavatra rehetra…
Ny valitenin’Andriamanitra amin’ny bibilava anefa dia Vaovao Mahafaly ho antsika: hikisaka amin’ny kibony ary hihinana vovotany (Mikea 7, 17) mandrakizay izy. Tsy tokony ho raisina ara-bakiteny anefa izany ka hieritreretana sanatria hoe taloha nitsangana ny bibilava dia izao mandady, sady fantatsika fa tsy mivelona amin’ny vovotany velively ny bibilava. Ny hoe bibilava aloha dia נָחַשׁ (naHash), izay entina ilazana koa ny finoanoam-poana, araka ny fomba fivavahan’ny Madianita izay rafozan’i Moizy no anisan’ny Mpisorom-beny. Raha misy sendrasendra hanontany mikasika ny bokin’ny Fanisana (Fanisana 21, 8 ) dia tsara ho fantatra fa bibilava mirehitra (שָׂרָף saraph, izany hoe endriky ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fanoloran-tena hirehitra, ho lany sabora amin’ny fanasoavana ny hafa) no nasain’Andriamanitra natao, dia bibilava (נָחָשׁ naHash, mitovy amin’ny ampiasaina ao amin’i Jenezy) no nataon’i Moizy, ary varahina (נְחֹשֶׁת neHoshêth), izay misy mandika ihany koa fa manambara ny fivadibadihana sy ny fivarotan-tena hahazoana tombontsoa.
Ny fikisahana amin’ny tany kosa dia fomba fiteny ampiasain’ny Baiboly mba hilazana ny faharesena mahafa-baraka. Fampanantena fiadanana tsy marina sy azo mora fa tahirizina lafo no atolotr’izay mety ho fanompoan-tsampy rehetra. Ny “bibilava” ilay fetsy indrindra (עָרוּם harum; N.B. Jen 2, 25 עָרוֹם harôm, sy Jen 3, 10 עֵירֹם, Heyrôm, miboridana, samy avy amin’ny עָרַם, fetsy), mihevitra ny hitovy amin’Andriamanitra dia ho menatra foana noho ny fahareseny, ho voaozona (harur). Ary tsy ho azy sanatria ny fandresena fa ho an’ilay hateraky ny vehivavy.
Tsy azo adinoina fa miandalana ny fahafantarantsika an’Andriamanitra, ary tsy tokony hohadinoina izany fivoarana izany ao amin’ny Baiboly. Na i Jesoa (Izy ilay hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra) aza dia nilaza tamin’ny Mpianany (izay tsy nanafenany na dia kely aza izay rehetra henony tamin’ny Ray) fa misy zavatra maro tsy mbola zakan’izy ireo fa hambaran’ny Fanahy Mpanafaka alahelo amin’ny fotoana mampety azy.
Mazava izany ny fanontaniana apetraka amintsika tsirairay avy: “Aiza moa ianao?”. Ny valin’io fanontaniana io no hahafahantsika manitsy ny fiainana raha sanatria toerana mahamenatra sy hiafenana an’Andriamanitra no hierena, ary tsy hahasambatra na oviana na oviana izany. Tsy hahatakona izay mety ho henatra manakana ny tsy fahasambarana izay karazan-dravin’aviavy heverintsika hatao takon-kenatra.
Na dia any anaty hantsana aza anefa isika (Sal 129) ary nanadino fa miaraka amintsika any Andriamanitra (Sal 139, 8) dia afaka miantso vonjy Aminy mandrakariva raha mandresy ny henatra. Ny henatra vokatry ny avonavona manko manakatona ny fo sy mitondra amin’ny famoizam-po sy ny famonoan-tena; ny fanetren-tena sy ny fiekena ho tompon’andraikitra kosa manokatra ny lalana amin’ny famonjena sy ny fanekena ho vonjena, noho izany, ny fangataham-bonjy sy ny fivavahana.
Ho an’izay mino manko dia matoky ilay afaka manangana hatramin’ny maty aza, ka tsy hohadalain’izay mety ho faharatsiana sy fahotana manimba ny ety ivelany fa miezaka isan’andro amin’ny fanavaozana ny ao anaty sy amin’ny fanorenana izay maharitra ary hahatsapa ny vokatry ny fijaliana (izay mandalo ihany) tsy maintsy hiaretana noho izany (Vakiteny II 2Kor 4, 13-5,1).
Izany no mahatonga ny Evanjely milaza fa efa lasa adala i Jesoa satria nanadino ny tenany mba hikarakarany sy hitadiavany ny soa ho an’ny hafa. Ndeha ary hojerentsika ny antsipirihan’izany, ka hahafahantsika koa mamaritra ny toerana tiantsika hijanonana, na amin’izay tian’ny havantsika sy ireo milaza fa tia antsika hitondrana antsika, na amin’izay tokony hisy antsika satria any no hiantsoan’ny Fitiavana sy ny Evanjely antsika mba ho tonga fianakaviana iray amin’ilay nahafoy ny ainy ho soloheloka, hahafaka henatra antsika.
- Md Marka 3,20-21
Dia niditra indray tao an-trano i Jesoa rehefa avy niantso ny Apôstôly sy naniraka azy hitory ny Teny. Nivory ny vahoaka ka tsy afaka nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka haka azy satria hoy izy ireo: Efa very saina izy. Dia raisin’i Md Marka indray moa io tantara io any amin’ny andininy 31 hilazany fa ao alatrano ny reniny sy ny rahalahiny mitady azy. Eo anelanelany eo izy dia miresaka an’i Belzeboba.
Dinihontsika tsara ny zava-misy: niditra tao an-trano i Jesoa dia nampianatra ny vahoaka izay liana amin’ny fampianarany. Iza no mbola tsy variana amin’ny zavatra nahasarika ny saina ka nanadino hatramin’ny ora fisakafoanana? Varian-dresaka eo dia mandeha ny ora. Ho an’i Jesoa dia izay no fahafinaretany: hitarika ny “olona mivorivory” (ὄχλος- ochlos) ho tonga “vahoaka” (λαός – laos) hanompo an’Andriamanitra. Ao amin’ny Bokin’i Nehemia dia misy mitantara ny hafalian’ny vahoaka amin’ny fihainoana ny Bokin’ny lalàna sy ny famoaboasana azy, hatramin’ny vao mangiran-dratsy ka mandra-pitatao vovonana (Ne 8,1-10). Zavatra tsy tokony hahagaga ny fianakavian’i Jesoa araka izany ny fihainoana maharitra ny teny.
Rehefa i Jesoa kosa no henoina, rehefa naheno izany ireo havany dia nihevitra fa “very saina” Izy. Ny mahagaga anefa dia tsy nihaino ny fampianarany akory izy ireo, tsy namakafaka hoe inona ny antony mahatonga izany. Mety ho ny tahotra ny Herôdianina sy ny Farisianina efa nitady izay hamonoana an’i Jesoa no betsaka. Ny tena reniny sy rahalahiny anefa tsy afaka ny tsy hihaino Azy, ka hahazo hery avy amin’ny fampianarany, hahazo izay tian’ny Soratra Masina lazaina ka hahalala fa tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra ihany koa.
Izay te hihazona an’i Jesoa dia tsy mamelona fa mamono Azy, izay tsy miaraka Aminy hamory, hahafoy ny aina mba hamonjy dia mazava loatra fa hanahaka, hihevitra hiaro ny aina saingy tsy hitondra amin’ny fiainana fa ho amin’ny fahafatesana.
Mila angatahina izany fahasoavana hanadinoana sakafo amin’ny fandinihana sy ny fihainoana ny Tenin’i Jesoa izany. Sao sanatria mieritreritra ho kristianina isika nefa ao alatrano ihany, mihevitra ny hanao soa saingy voailika tsy ho fianakaviany akory, satria sady tsy mihaino no tsy manatanteraka ny Teniny.
- Md Marka 3,22-30
Eo am-piandrasana ny havany ho tonga, satria nihevitra azy ho “very saina”, dia nanararaotra hanome ny heviny mikasika an’i Jesoa ny mpanora-dalàna nidina avy any Jerosalema. Samy nanontany tena manko ny olona hoe “iza ity lehilahy ity”. Mazava ny valin-tenin’izy ireo: azon’i Belzeboba izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony. Mafy anefa ny valin-tenin’i Jesoa: hanam-pahotana mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina.
[Belzeboba moa no dikan-teny hitantsika ao fa Beelzebul no nadika, dia ilay Andriamanitra andriamanjaka noheverina fa nankalazain’ny Tany Kananana talohan’ny nahatongavan’ny Israelita tany Palestina. Beelzeboba (בַּעַל זְבוּב– ba‘al zebhoubh) manko andrian’ny lalimanga no dikany, hoentin’izy ireo hanesoana ny andriamanitry ny Tany Kananana (Jereo 2Mp 1,2). Baal-Zebul: baal dia tompokely no dikany, io ilay mpandahatra ny fanasàna amin’ny fampakarana, sady ny matoanteny ba‘al rahateo moa mampaka-bady no dikany.]
Mba hahazoantsika ny mety ho hevitr’izany dia tsara aloha ny mahalala fa tamin’izany andro izany, nisy fironana teo amin’i Israely niheverana fa ny faharatsiana rehetra dia asan’ny demony izay mamitaka ny olona. Belzeboba no filohany ary manarakaraka azy ao ny arsi-demony (arché=filoha) enina izay mibaiko demony hafa koa. Noheverina fa fisehoan’ny faharatsian’ireo demony enina ireo ny herisetra, ny avonavona, ny fialonana, ny hakamoana sy ny fahavetavetana, dia avy eo ny faharatsiana hafa rehetra izay mahatonga aretina sy voina isan-karazany…
Izay no nahatonga an’i Jesoa namaly fa araka ny fomba fisainan’ireo mpanora-dalàna ireo dia tsy haharitra ny fanjakan’i Satana satria hiady an-trano. Ny tafiky ny lanitra manko miady mba hananan’ny olona ny hafenoan’ny aina, ny an’i Satana (adversaire, ny mpifanandrina, ny mpiampanga) kosa miady mba handovàny ny fahafatesana. Noho izany, mazava ny valin-tenin’i Jesoa: mpiray antoka amin’ny demony izay manao zavatra hamotika ny aina na hanakana azy tsy hivelatra mba hahasambatra ny olona. Mpanompon’Andriamanitra mahatoky kosa izay manome hanina ny noana, mampisotro rano ny mangetaheta, izay mampitafy ny miboridana ary mamangy sy mampiantrano ny mahantra sy ny marary mbamin’ny tsy manan-kialofana sy ny any an-tranomaizina.
Tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’ny mahery noho izy raha tsy afatony aloha ilay mahery izay vao robainy ny ao an-tranony. Raha misy, araka izany, mihevitra fa afaka mandroba ny fananan’Andriamanitra i Satana dia miaiky fa mahery noho Andriamanitra izy. Isika kosa mino fa efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa ary mandresy miaraka Aminy isika. Mamelona ny fanantenana ao amintsika izany fa tsy haharesy na oviana na oviana i Satana, eny fa na dia mbola misy zanak’Andriamanitra mbola voagejany sy ampijaliany aza.
Tsy ireo Farisianina tamin’ny andron’i Jesoa ihany no manao tsipaky ny miala aina mba hanimba sy hanakana izay mitady hampanjaka ny rariny sy hampivelatra ny maha olona. Matetika ny tena fivelaran’ny olona dia manala ny ampaham-pahefana hifikiran’ireo mitady voninahitra ho an’ny tenany ka tsy mihevitra ny hanompo mba hiadanan’ny vahoaka fa ny mba hiantsoan’ny olona azy ho mpanao soa (Lk 22).
Dia inona àry araka izany ny hoe fahotana miteny ratsy ny Fanahy Masina?
Izay manalavitra an’i Jesoa ka tsy te handray ny Evanjeliny ho asan’ny Fanahy Masina; izay tsy mahita fa fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny fiainan’i Jesoa ka tsy mihevitra ny hampifanaraka ny fiainany amin’izany môdelim-piainana izany, ireo dia tsy afaka ny hiaina ny fahasambarana. Ny Fanahy Masina izay mamela heloka, avy amin’ny alalany no hahafahantsika ho tonga zanak’Andriamanitra. Ka raha fialonana no hanipahantsika ny soa ataony amin’ny alalan’ny mpianatr’i Kristy, raha tsy haintsika ny milaza ny tsara ho tsara ary ny ratsy ho ratsy dia hitoetra ao anatin’ny ota isika, ary ho tonga fandoto, ho zary sakana amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra, ka sady tsy ho sambatra no hanao izay tsy hahasambatra ny hafa. Izay tsy afaka mifaly amin’ny soa vitan’ny hafa, izay tsy faly amin’ny soa azon’ny hafa dia hikotrika “tsy fahasambarana” ao anatiny ka tsy ho afaka ny higoka ny hasambaran’ny voavela heloka (Sal 32). Tsy any amin’ny fiainan-ko avy ihany izany fa efa afobe sahady ho azy dieny mbola ety an-tany aza.
Manaraka izany, ny Fanahy Masina no manavao ny endriky ny tany (Sal 104,30). Ka raha sanatria isika mihevitra fa miha-ratsy izao tontolo izao, dia ny Fanahy Masina izany no lazaintsika fa tsy mahavita ny asany. Fitenenan-dratsy Azy izany. Ny Mpianatra manko, raha ny marina, dia irahin’i Jesoa “hijinja” ny vokatry ny Fanahy (Jo 4,38), saingy satrintsika indraindray hijinja ny vokatry ny asantsika mba hitadiavana voninahitra ho an’ny tena.
Angatahontsika ary ny Fanahy mba tsy ho sanatria isika no hanohitra ny asa fandavorariana tanterahiny eto amin’izao tontolo izao. Italahoantsika Izy Ray mba handefa ny Fanahiny hanavao ny endriky ny tany (Sal 104) ary hamongotra ao am-pontsika izay mety ho fialonana na avonavona mety hahatonga antsika ho fanetry, tsy hanaiky hiditra sady hanakana ny hafa tsy hiditra amin’ny hafenoan’ny Fiainana mandrakizay.
- Md Marka 3,31-35
Nivoaka hihazona an’i Jesoa ny havany satria noheverin’izy ireo ho very saina izy (and. 21). Dia nijanona tao alatrano ny reniny sy ny rahalahiny ka nampiantso Azy. Tsy nifanaraka loatra amin’ny foto-pisainana nifandovana sy ny fahazarana andavan’andro manko ny fampianaran’i Jesoa ka nanahirana ny fianakaviany. Tsy manonona ny anarana Maria i Marka fa milaza ny renin’i Jesoa, milaza ilay Israely izay tsy niaina araka ny tokony ho izy intsony ny finoany, ka tsy afaka ny hahazo ny fampianaran’ilay tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka azy.
I Masina Maria manko, nandray ny Teny reny, nanaiky ny sitrapon’ilay naniraka ny Anjeliny ka nitahiry tao am-pony ny Teny tonga nofo, tonga renin’ilay Zanak’Andriamanitra, tonga hamonjy ny olombelona rehetra ho afaka amin’ny fanandevozan’ny haizina.
Ambaran’i Marka fa tsy te hifandray amin’i Jesoa akory ireo havany fa iraka ihany no nalefany hampita ny hafatra any Aminy: ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao. “Fa iza moa no reniko sy rahalahiko?” hoy i Jesoa: izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Apôstôly nantsoin’i Jesoa mba hamory ny olon-drehetra hiara-mitoetra Aminy, ireo nihevitra ho havany kosa niantso Azy mba handao ny mpianany, fianakaviana vaovao natsangany, satria tiany hiray lova Aminy any amin’ny Fanjakany.
Iza ary no nanao ny sitrapon’Andriamanitra mihoatra an’i Masina Maria? Modely alaintsika tahaka isan’andro izy amin’izany, fa ny fampianarana tian’i Md Marka hampitaina amintsika kosa dia ny mba handinihantsika tena, sao sanatria entim-pahazarana ihany ka mihevitra fa renin’i Jesoa (mamera sy mopoera) sy rahalahiny (frera) na anabaviny (masera) satria vita batemy (kristianina), misoratra amin’ny registre, saingy ny fiainana sadasada, mifanalavitra amin’ny Evanjely ary tsy mihevitra akory ny hampifanaraka azy amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Tsy fanarahana ny marina araka ny lohantsika na ny hitsiny araka izay saim-pantantsika anefa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Misy olona manko mihevitra fa tsy mila mankany am-piangonana, tsy mila mamaky sy mandalina ny Teny, tsy mila mandalina ny finoana satria ampy ny manao ny marina sy ny hitsiny. Indraindray mamita-tena ihany izy ireny satria diso hevitra loatra ny amin’izany. Ny hiafarany dia izay rariny sy hitsiny araka ny saim-patany sy ny danin’ny kibony no ataony.
Fahendren-drazana ohatra ny hoe “tanana zatra mitsotra tsy afaka hivonkona intsony”, ny finoana kosa manambara fa ny maty aza mbola hitsangana, ny Fanahy Masina dia afaka manova ny fon’ny olombelona rehetra, hanala ny fo vato ka hanome fo nofo nohavaozina mba hitandrina ny lalàn’Andriamanitra (Ez 36,26). Fahendren’olombelona ny hoe “Andriamanitra tsy mihay izay tsy miahy ny tenany” fa ny Evanjely maneho ny endrik’Andriamanitra “mitady sy hamonjy ny very”. Tsy midika anefa izany fa afaka manao izay tiany ny olona fa kosa manampy antsika hizotra amin’ny lalam-pinoana vaovao atoron’i Jesoa.
Lalim-pandinihana ny razantsika saingy somambisamby ihany izany fahendrena izany, hoy ny Hira. I Kristy ary no modely ho an’izay te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy sitrak’Izy Ray ny sorona dorana ka Izy no nanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra (Heb 10). Ny fanahafantsika Azy no maha reny, anadahy sy anabaviny antsika.
Hitombo ao am-pontsika anie ny faniriana hihaino ny Tenin’Andriamanitra tonga nofo ao amin’i Jesoa Kristy ka hahafahantsika miditra amin’ny fiainana, dia ny fiombonan-dova Aminy, dia Izy ilay Zanaka tokan’Andriamanitra, ary hahafahantsika koa miombona amin’ny maha reny an’i Masina Maria, hiteraka an’i Jesoa, hahatonga nofo ny Teny eo amin’ny andavanandrom-piainana izay anirahan’Izy Tompo antsika.
Ry Andriamanitra Rain’i Jesoa Tompo ô, tsy nataonao ho mpanompo intsony izahay, fa antsoinao hiray aina amin’i Kristy Zanakao: koa mba omeo anay ny Fanahinao hanentana sy hankahery anay hiaraka amin’i Jesoa manatanteraka ny sitraponao.